Mitady fika!

1. jhouhlambout ( 29/02/2004 19:07)
Inona no tokony tenenina raha misy manontany hoe:
-Fa maninona no Izaho no nofidianao fa tsy Izy?
novalian'i fijo ny 09/04/2004 00:06
2. ikaretsaka ( 29/02/2004 19:15)
Valio hoe satria ianao no tiako...
3. ikaretsaka ( 01/03/2004 11:18)
zavatra lozika be iznay ra joul an..
4. samoina ( 01/03/2004 09:26)
Izay tonga aloha tompon-tanindrazana hoe.
Na hoe izay manina nanatona no nekena !!!
5. jhouhlambout ( 01/03/2004 10:11)
-"Valio hoe satria ianao no tiako... "
Ka raha samy tiako anefa?
6. hendry ( 01/03/2004 12:13)
satria enao manana +
7. six ( 01/03/2004 12:33)
d valiio kou hoe, satria izay no safidiko we amin'izay mety
8. ikaretsaka ( 01/03/2004 17:52)
Tss.. Mividy zavatra anyan-tsena aza ialahy mahay mifidy hoe ity no alaiko ko.. satria iny no tiako.. mainka ve fa izany
9. pitchou ( 01/03/2004 19:18)
raha manao fanontaniana otran'izany dia valio hoe: "eny ary fa avelako ary ianao dia izy indray no hofidiko!"
10. pitchou ( 01/03/2004 19:19)
na hoe "noheveriko fa izy ianao fa adinoko ny solomasoko!"
11. fijo ( 02/03/2004 09:58)
ih,ih,ih,toa marina io lazain'i pitchou io ka.
fa na samy tiana aza letsy dia ialahy ve de hibaradaka hoe samy tiako ianareo ka.mba izay eo aloha hatsaraina e.
12. donemaskit ( 02/03/2004 11:13)
Jhoul > lazao azy fotsiny ny antony koa
13. lericha ( 02/03/2004 14:36)
itako elà no mitady fika , ny vehivavy hoatr'izany letsy sady saro-piaro no tsy matoky ny tenany. valio araka ny fahalalan'elà ny toetrany izy e !
14. pitchou ( 02/03/2004 17:01)
ka ilay antony ange done tsy voatery hoe misy e! fa tiany fotsiny izao izy ka. fa mba fanontaniana koa ange izany hoe fa maninona no izaho ...
15. tequila ( 02/03/2004 17:55)
"tsy tianao ngah hoe ny safidiko?"hoe .
Ary fa maninona moa koa no nolazaina an'azy hoe ianao ange dia nosafidiko par rapport amin'olona hafa , zany ve dia mba tsara!
16. fijo ( 03/03/2004 20:35)
avy dia lazaina fotsiny izy fa na izy na izy ihany ka.
17. pitchou ( 03/03/2004 13:47)
ary maninona raha lazaina mialoha izy hoe aza mametraka fanaontaniana sahala @ hoe "fa maninona no izaho no nosafidianao .." d tsy sahirana mitady valiny?
18. jhouhlambout ( 03/03/2004 20:35)
dé manjary ohatran'ny hoe té hanafina zvtr
19. samoina ( 03/03/2004 09:01)
Ianao s'izaho no tiako hoe fa Izy ts'izy. De tsongoy mafy ny takolany...
20. donemaskit ( 03/03/2004 09:01)
ataovy hoe "tsy haiko" fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.536