zany hono

21. pitchou ( 03/03/2004 13:40)
ntssss! jereo ange ireny mpivady mitovy taona ireny e? tsy hitanao misy elanelana izany rehefa miha-lehibe!
22. bice ( 03/03/2004 09:25)
Fa manin klou le elanelana e?
Ny zaza vita wa hifampitsarana e
23. hendry ( 03/03/2004 11:34)
Pitchou> raha namaky tsara izay voalazako enao dia mahita hoe:" tsy afaka hivoatra mihitsy zany ilay vhv"
Ka raha ny hevitrao no jerena tsisy fivoarana koa anie zany ilay vhv satria miandry lava an´ilay lhl e!
Zaho tsy miteny hoe olona hampianatra tadiavina fa olona afaka mifampianatra aminao, tsy olona mitaiza fa mba afaka mifampitaiza aminao, tsy olona mpibedy fa olona afaka mifanakalo hevitra @ olana misy, tsy olona mpamelona fa olona afaka hiara-mihary aminao... olona mifameno araky ny lazainao.
Tsisy resaka fitakiana traikefa avy @ lhl mihitsy fa mifampizara zay traikefa ananany.
24. hendry ( 03/03/2004 11:36)
Ny tiako ambara @ ilay hoe mba misy elanelana 4 ans au moins, ny hevitry ny sasany manazava azy. Raha mitovy taony ny lhl sy vhv dia ny vhv matotra kokoa, ka raha mitady olona afaka miara-mivelatra sy mitovitovy traikefam-piainana aminao ary mba mitovy fahamatorana aminao dia tsara kokoa ilay somary zoky kely. Tsy midika akory zany hoe olona zokinao 10 taona mihoatra alaina, tsy zany mihitsy, tsy hoe rehefa tsy zoky roa taona akory zoky folo taona zay.
25. hendry ( 03/03/2004 11:38)
Fa mba zokinao 4 ans au moins ary mba 6 ans au plus, arakaraka io, samy manana ny tiany. Misy koa tsinona ny zoky 6 ans nefa zaza saina be na ny zandry lavitra nefa matotra be.
Ohatra omeko, ny akamako zao zokiko herintaona fa eh eh eh. Dia sahalan´ny miaraka @ zandriko lahy aho rey olona e, @ resaka fahamatorana sy toe-tsaina ny tiako tenenina amin´io a.
26. peluche ( 03/03/2004 11:50)
zay mihitsy no antony nametrahako an'io ady hevitr'io satria betsaka ny namako mitaraina hoe zaza saina loatra ilay mitovy taona aminy,dia ilay miaraka @ lehibe noho izy ndray dia matetika hafa-po,fa arakarakain'ny olona marina angamba io.
27. pitchou ( 03/03/2004 17:57)
"Raha mba ilay efa matomatotra lavitra manko dia sady mba mianatra zavatra vaovao ny tena no mba hafa kokoa ilay fifampitondrana e. Amin´ilay mitovy fisainana na zaza saina noho enao dia lasa ilay vhv ndray no mampianatra @ lafiny sasany."
azafady ary raha nahatezitra an'i hendry fa nambarako ianao no nanoratra an'io e! kay olon-kafa izany!
fa ny ahy dia tsy miova ny hevitro!
28. fijo ( 04/03/2004 10:00)
tsy midika inona io elanelana io e.ny toetra ihany no mitondra azy.
29. pitchou ( 05/03/2004 17:30)
mety midika zavatra betsaka ka! hihihihi
30. six ( 05/03/2004 19:19)
raha tena tianao nge izy na be taona be aza hotran'ny tsara ihany e, ze tina nge hono mitombo tarehy,
fa matoa anie enao nitia d mba efa nosainao kely koe , sady koa hono hoe ny fitiavana tsy ilàna taona e!
31. ngama ( 05/03/2004 13:49)
Sady misy ihany anie ry zareo ny fitiavana granadel e! rehefa mikentrona vao tena mamy. Mba andramo ihany!
32. pitchou ( 05/03/2004 14:50)
toa hitako Ngama raiki-pitia @ grenadel vavy!!!!!!!
33. hendry ( 05/03/2004 16:45)
pitchou> Tsy azonao ilay tiako ambara, zaho ny nanoratra an´io. Tsy tezitra aho fa manazava ny hevitro.
"Raha mba ilay efa matomatotra lavitra manko dia sady mba mianatra zavatra vaovao ny tena no mba hafa kokoa ilay fifampitondrana e. Amin´ilay mitovy fisainana na zaza saina noho enao dia lasa ilay vhv ndray no mampianatra @ lafiny sasany."
*Mianatra zavatra vaovao = eo @ FIFAMPIZARANA traikefa @ olona miaraka aminao zay matomatotra kokoa dia mitombo ny traikefanao.
*Hafa ilay fifampitondrana = mba mifampitondra fa tsy misy entina sy mpitondra.
*Ilay vhv ndray no mampianatra = satria ilay lhl toa zaza loatra ka ndraindray aza toa mila entina sy ampianarina zany.
34. pitchou ( 06/03/2004 17:49)
ka asa aloha izay traikefa tadiavin'i hendry @ lehilahy e! fa ny ahy aleoko foana miaraka mitady ny traikefanay izahay! ny anao izany manko tsy ilay vehivavy no tokony hampianatra!!!! sa ny ny tianao teninina indray hoe mifanohitra @ tari-kevitra ka ilay vehivavy indray no zokin'ilay lehilahy 10 taona??? dia mbola mitombina ihany ny valiteniko!!!
tsy mbola nahita an'izany aho, t@ ambaratongan-taona rehetra nolalovako, hoe ny lehilahy tsy matotra noho ny vehivavy! asa! izaho angamba no mandray ny hafa ho matotra ka dia matotra ny hafa rehefa miresaka amiko!!! raha izay indray manko dia arakaraka ny olona izany: rehefa raisinao hoe matotra izy d matotra, rehefa hoy ianao hoe sain-jaza izy d aza manome tsiny azy raha manao sain-jaza aminao izy! ko izay no hisokajinao azy zany ko!
dia izao koa: fanahiniana ny adalana ary fanahiniana ny fahendrena! misy olona tsy asahina manao toetra tsy hendry ary misy olona asahina manao toetra tsy matotra!
35. six ( 06/03/2004 18:46)
tsy hoe ny lehilahy tsy matotra anie, fa raha misy lh sy vavy mitovy taona dia toa hita matomatotra kokoa ilay vhv e! izany tsy midika kory hoe tsy matotra ny lhl na izany aza
36. hendry ( 06/03/2004 19:42)
Voalazan´i six.
Tokony ho fifampizarana traikefa sy fifampianarana ary fifampitondrana no hita. Zany hoe amiko raha tiana hisy ireo dia tokony somary ho zoky kely ilay lhl, tsy miteny aho hoe zoky 10 taona fa mba eo @ 4 na 5 taona eo ohatra.
Ny mahatonga ahy hiteny zany dia ity: ny akamako @ zao zokiko iray taona fa tena zaza be no fahitako azy e. Zaho t@ voalohany nihevitra azy ary nandray azy ho olon-dehibe kokoa sy matotra kokoa noho izao fa rehefa nandeha ny fotoana tena tsss. Hita hoe miezaka ho matotra kokoa ihany izy fa lasa ridicule ndray ndraindray satria tsy naturel ilay fahamatorany kah. Tsy midika araky ny tenin´i six hoe tsy matotra izy akory fa mahatsiaro ny tenako ho matomatotra kokoa noho izy aho noho ny elanelan-taona kely loatra ngamba.
37. hendry ( 06/03/2004 19:44)
Raha vhv ndray no zoky vao maika pire! Ny lhl mitovy taona aza manahirana koa maika fa lhl zandrin´ilay vhv lavitra be.
Misy ihany lhl matotra mitovy @ vhv mitovy taona aminy ary misy aza matotra kokoa fa ny cas miseho matetika dia zay e: lhl sy vhv mitovitovy taona = vhv matotra kokoa.
38. kitjo ( 06/03/2004 10:26)
Le izy aloha raha resaka fitiavana mety oe tsy d misy olana, fa raisintsika amzao fts, raha misy lehilahy sy vhv mitovy taona,(mihoatra 22ans eo),ilay vhv oh matotra kokoa noho le lhl, fa ny lhl oh mbola varimbariana manao zaza saina zany nddray, fa vhv manomboka 22ans eo efa miatrika fiainana fa tsy milalao tsn

Nt lhl nefa tokony "lohan'ny vavy " fona koa e,
Mba misy eo @ 4jsk 10 taona eo aloha antoniny e, raha tena mifanalavitra b koa oh tsy mety,fa tsy mitovy tsn ndray le feeling, raha mbola mpisipa zany,fa lasa oh mpianaka, fa raha efa samy lehibe na mifanalavitra aza tsy maninona

Fa mety fona io nefa fa miankina @ le olona iany e,
39. andryz ( 08/03/2004 13:07)
salama daholo e!

raha hanambady enao dia angataho @ Andriamanitra izay vady sahaza anao fa omeny anao izany

Mirary soa
40. pitchou ( 08/03/2004 18:09)
izaho indray aloha tsy mba tia lhl zokiko na zandriko mihotra ny 2 taona izany!
mety ny ataon'ny sasany hoe vhv matomatotra kokoa angamba satria misy ny vhv eo @ 20 taona eo d tsy misy inon'inona intsony ifantohany loatra fa ny hanambady d hiteraka nefa tsy izany ny fahamatorana amiko! jereo fa raha tojo situation gravy iray ny vhv sy lhl mitovy taona, ilay lhl tonga d afaka mi-réagir de façon ordonnée, fa ilay vhv matetika miraviravy tanana na miantso vonjy na ny sasany aza tsy hita zay lazainy fa mikiakiaka fotsiny ! d izany v no atao hoe matotra kokoa ny vhv noho ny lhl? ataontsika hoe eo @ 20 taona rizareo! raha eo @ taona hanirina hanana tokatrano aloha d kinga lavitra noho ny lhl ny vhv! asa angaha nahoana???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1637