avantage´ny avortement

1. hendry ( 23/02/2004 13:04)
Mpitsabo iray, na ny marimarina kokoa mpianatra ho mpitsaboa fa efa andalam-pahavitana ny fianarany, no nilaza fa misy vokatsoa azo avy @ fanalana zaza hono. Tsy azoko tsara moa ilay fanazavany satria zao tsy dia havanana @ ilay resaka medecine fa toa hoe manatsara ny taovam-piterahan´ny vehivavy hono ary mihatsara hono ny taranaky ny vehivavy manala zaza. Tsy midika akory zany hoy izy hoe manala imbetsaka fa au moins indray mandeha ary tsy atao fanao.
Toa misalasala ihany aho nefa @ fahamarinan´zany. Mitombina ve zany?
répondu par fijo le 11/03/2004 09:44
2. kally ( 23/02/2004 16:24)
Raha amiko aloha ry Hendry,tsy mitombina izany a!
Izao mantsy ny lalan'ny natiora dia ny hoe raha mitoe-jaza ny vehivavy iray dia miafara @ fiterahana fa nisy sampona na tsy ara-dalàna ilay izy matoa tapaka teny antenantenany.Ka rehefa tsy manaraka ny lalan'ny natiora dia mitera-doza foana.Diniho anie,inona moa no tsy nataon'ny olona hamiliana ny lalan'ny natiora fa e!e!e! mifotitra aminy ihany izany!
Nysasany angaha fa raha izaho aloha tsy mitombina izany amiko e!
3. ikaretsaka ( 24/02/2004 20:33)
tsss. ilay zavatra ary ARY nohon'ny sitraponareo dia nahoan ano avelanareo hitoreo?
4. voahary ( 24/02/2004 18:45)
Dia toa tena mahagaga tokoa izany, fa raha ity resaka ity no miparitaka dia toa hamporisika ny tanora hirona @ fanalan-jaza, ary ny olana dia tsy hanao an'ilay hoe "au moins indray mandeha ihany " fa mety ho in-2 na in-3, ka dia be ny hidikizo....
Mamporisika ny ankizy vavy namana rehetra aho mba tsy hampiditra an'io hevitra io ao na-tsaina loatra... Vaovao hafa kely moa izy ity ka dia mihaino fotsiny no fahendrena
5. samoina ( 24/02/2004 19:06)
mbola "mpianatra" marina no nilaza izany ka tsy omena tsiny izy minomino foana. Maro ihany ireo namana sy havana dokotera sy ireo boky sy gazety miresaka momba ny avortement fa tena vaovao aminay io tantarain'i hendry io !
ny efa reko hoe manatsara ny fitaovam-pananahan'ny vehivavy dia ny " manao" régulierement, atao milamina fa tsy an'herisetra be.
6. voahary ( 24/02/2004 19:46)
tsy azoko tsara ny tian'i Samoina hambara fa hazavao tsara azafady indrindra
7. samoina ( 24/02/2004 09:38)
voahary )Rehefa avy miteraka na manala zaza ny vavy aty andafy dia ampanaovin'ny gynéco séances de réeducation maromaro mba hiverenan'ny ao ambany @ laoniny ( hiaraha mahalala fa milolalola ny ao rehefa avy nisedra famoahan-jaza ). Ny tena ataony @ izany HONO ( tsy nanatrika aho fa nahare ) dia ireny rantsan-tanany ireny no ampidiriny ao ambany mba hizaran'ny muscle hiasa indray ka ampiverina ny élasticité. Izany no natao dia ho fanomanana ny vavy hiatrika ny manaraka indray. Mba hanatsara ny taranaka araka ny voalazan'i hendry.Dia io ratsan-tanana io no tiako ambara teo aloha hoe voasolon'ny fitaovan-dehilahy. Ny fitsaboana vita, ny fahafinaretana azo ary ny vola tsy lany !!!
8. samoina ( 24/02/2004 09:47)
hendry )
" ...tsy midika izany hoe manala imbetsaka fa...indray mandeha..."
Ny ilazany an'io angamba dia noho ny olona maro milaza fa ny zaza faharoa miporitsaka fotsiny fa tsy nanahirana toy ny t@ voalohany ?
Na izany aza amiko tsy mitombina fa tsara hatrany "ny taranaka " rehefa voaomana tsara ny fiterahana. Izay no mahatonga ny dokotera mamporisika ny olona hiteraka hanao entrainement " respiratoire, énergétique et musculaire " fa tsy hitokona eo am-pandriana fotsiny
9. voahary ( 24/02/2004 11:50)
hafa indray izany marina
misaotra anao nanome fanazavana
10. hendry ( 24/02/2004 12:55)
Ka tsy haiko aloha ry reto zay fahamarinany, zany no mahatonga ahy manontany tena koa. Ary ilay izy tsy entina hampirisika ny vhv hanala zaza akory fa mba fampahafantarana ny zava-misy zay mety hitombina na tsy hitombina koa. Mpianatra ho dokotera araky ny nozalaiko no nilaza an´io, tsy hoe vao manomboka akory nefa izy fa efa eo am-pamaranana ny fianarany ary azo lazaina ho efa dokotera mihitsy aza fa ny taratasy sisa tsy ananany fa hanao ny soutenance-ny atsy ho atsy izy. Ny tena tiako zao dia hisy dokotera hafa hanazava ny heviny momba an´io.
11. gasikely79 ( 24/02/2004 15:16)
Mpianatra marina no nilaza an'io.
Tsy fanaovana "publicité" ve izany??Iza no tsy mahalala fa sady famonoana "OLONA" ny fanalanjaza ary iza no tsy afaka haminaviana ny vokadratsin'io zavatra io ho an'ilay vehivavy
Eny, mpianatra mila mamita ny fianarany marina angamba izy ka mila vola hihatrehany ny mety ho lany rehetra @ zany fianarana izany sy ny @ soutenance-ny!!
Sokajina dokotera vaovao zany no hivoaka atsy ho atsy!!Mahagaga.
12. hendry ( 24/02/2004 16:45)
gasikely79>Aza dia kilasiana hoe dokotera atsy ho atsy kosa e. Samy manana ny fahalalany sy ny fari-pahaizany ny dokotera tsirairay.
Ny mahaliana fotsiny nefa anie dia izy specialiste @ resaka gynécologie e, ka tsy tokony ho fantany tsara ve ny domaine-na? asa aloha e.
13. fijo ( 25/02/2004 09:09)
za aloha dia tsy mino io voalaza io,fa na izany aza dia tsy manameloka avy hatrany koa satria tsy mbola fantatra izay fikarohana nataony tany.fa tsara holalinina ny resaka toa izao,satria mivoatra hatrany ni siansa ka tsy hay.
14. kally ( 25/02/2004 09:31)
Ny dokotera natao hamelona ka raha izy indray no mampirisika ny famonoana,mba mahagaga ihany.Ary io averiko foana,inona moa no tsy nataon'ny siansa hanoherana ny lalàn'ny natiora fa vao mainka aza mitera-doza avy eo.
15. hendry ( 25/02/2004 13:32)
ilay voalazan´i Kally misy fahamarinany nefa azo eritreretina koa anie tsy voatery ho famonoana no tadiaviny satria ny tanjony dia ho @ tsara fa ny ataony no mety tsy mety na tsy mifanaraka @ zavatra mitranga dia lasa fahafatesana no vokany. Zaho mba tsy mino ny fahamarinan´ilay izy koa, nefa araky ny tenin´i Fijo tokony halalinina ilay izy fa tsy hay zay fahamarinany na tsia.
16. voahary ( 25/02/2004 13:47)
ny fitrangan-javatra @ izao fotoana aloha dia mahagaga indraindray e
tsy manome tsiny an'io mpianatra io aho raha vehivavy matotra tsara no miresaka fa tsy ilay sipa kely vao miana-mandeha...
17. fijo ( 26/02/2004 09:06)
izay koa aloha dia marina e.ny vaovao toa izao dia tsy tokony atao fantatry ny zaza tia andrakandrana.
18. psykatr ( 27/02/2004 17:19)
Misy avantage tokoa io, raha fintinina dia manome ny conditions rehetra mba ahazo dévellopement tsaratsara kokoa ilay zaza faha-2.
Zany hoe: nanomana ny fiavian'ny
N°2 fotsiny ny sacrificin'i N°1.
Ara tsiantifika izany, fa ara-moraly dia aleo hiaina lé zaza fa aza vonoina!
19. fijo ( 27/02/2004 19:38)
izay fomba fijery izay no nilazako hoe,aza avy dia mitsara isika raha maheno vaovao toa io.mety misy antony tsy fantatra ao.
io izao dia efa misy antony iray mety homarina.
20. pitchou ( 01/03/2004 18:44)
sao kosa dia misy antony manokana nahatongavany teo @ io conclusion io? ohatra hoe tsy mbola matanjaka tsara ny fitaovan'ilay vehivavy? resaka myologie
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8016