Tsikeran'ny Baiboly

1. solofo ( 21/02/2004 19:10)
T@ ireo mpitsikera Baiboly dia hitako fa mitombina tsara daholo ny fanontaniany sy ny fisalasalany. Ny mahagaga ahy nefa -tsoriko fa vaka mihitsy aho- dia ireo ampahany ao @ Baiboly izay azo hazavaina tsara @ siansa (azo azavaina hoy aho fa tsy voatery hoe voaporofo) sy @ fisainan'olombelona(raison) no be mpanontany indrindra, indrindra ny mikasika ny naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ny niandohan'ny aina sns.. sy ny fotoana naharetan'izany.
Fa ny zavatra tena hita fa IMPOSSIBLE ho voazavan'ny siansa dia tsy mba misy manontany mihitsy, ka mahatonga ahy hieritreritra hoe tsy fantatr'ireo mpitsikera ve izany, sa fantany ihany fa efa "nekeny" (IRONIE) ka tsy tsikerainy intsony? Lehibe indrindra @ ireny, ary fototry ny finoana Kristiana ny hoe nitsanganan'i Kristy t@ maty.
Io fanontaniana io nefa no hitako ho matanjaka indrindra raha hanao tsikera SIANTIFIKA ny Baiboly ny mpitsikera.
Ny faharoa dia hoe olona virjiny ve dia ho bevohoka (Maria renin'i Jesosy)? Ireo fanontaniana roa ireo dia tsy misy valiny SIANTIFIKA, nefa tsy nisy nitsikera (tamintsika eto @ forum aloha).
Araka ny hevitrareo izay mino, inona no nahatonga ny mpitsikera tsy hanontany an'ireo?
Ho anareo tsy mino ka nitsikera, tsy mba nanitikitika anareo ve ireo fanontaniana ireo?
novalian'i tia_ery ny 15/04/2004 14:59
2. samoina ( 22/02/2004 11:56)
Mety ho valiny SIANTIFIKA
1) Misy ankehitriny ireo olona efa "comateux" elabe saingy tafavoaka ihany. Mety anisan'izany i Kristy saingy noho ny fitaovam-pahasalamana tsy mbola ari-fomba t@ izany dia fahagagana ho an'izao tontolo izao ny fitsanganany.
2) Nisy koa zazavavy virijiny bevohoka ary ny rainy niteraka azy no rain-janany.Antony: niara-nilomano t@ piscine izy ireo ary sendra "latsaka" ny ranon'ainan-drangahy ka tafiditra lalina tao @ fitaovan'ny zanany(mety ho tsikerain'i Solofo ny tenako satria tsy manana référencen'ilay gazety nahitako izany intsony aho). Fahiny dia maro no niray toerana fandroana ary mety ho izany no nahazo an'i Maria !
3. solofo ( 22/02/2004 14:11)
Eny ary, izay ny hevitrao ary isaorako anao. Ny avaliko anao:
momba ilay 1):
Raha nandinika ny voasoratra ao @ Baiboly momba ny nahafatesan\'i Jesosy ny dokotera sasany ankehitriny dia tsy nisy nisalasala hoe tena maty Izy sa tsia, fa ny habetsaky ny fijaliany no iadiany hevitra, sy ny antony nahafaty Azy. Ny iray (mino aho fa nisy hafa koa fa ity aloha no hitako) @ ireny ity omeko etsy ambany ity, satria ity sady MANAPOROFO hoe tena maty Izy. Ny fisian\'ny rano nivoaka ny lanivohony taorian\'ny nandefonana azy dia milaza fahafatesana (Jaona 19, 33-34) fa tsy coma. Ary mba ahoana koa moa ny eritreritrao, ankoatry ny fijaliana nahazo Azy sy ny ra very taminy, raha olona comateux no tsindronina ny lefona ny lanivoany, dia mbola hijanona ho comateux ve fa tsy ho faty? SIANTIFIKA ve izany?
Ankoatr\'izay i Pliato dia tsy nanome ny fatin\'i Jesosy ho an\'i Josefa avy any Arimatea raha tsy efa nahazo antoka tsara hoe maty izy. Ny miaramila Romana koa, alohan\'ny fety Jiosy (Paska) dia naka toky hoe maty avokoa aloha izay olona nombohina vao navelany nesorina ny faty, mba hahazoany toky dia ny ranjon\'ny voahombo no tapahiny alohan\'ny ampidinana sy andevenana azy, saingy teo @ Jesosy dia ny lanivoany no notsindrominy ny lefona (Jaona 19, 31-37).
Ity ilay fehezan-teny:
One theory states that there was a filling of the pericardium WITH FLUID (io ilay rano nivoaka avy tao @ lanivoany), which put a fatal strain on the ability of the heart to pump blood (Lumpkin). Another theory states that Jesus died of cardiac rupture.\"

http://www.blueletterbible.org/Comm/terasaka/crucify.html

Ity alefako eto ity fohifohy kokoa fa lava be ny lahatsoratra ao @ io rohy io:

\"...it appears likely that the mechanism of death in crucifixion was suffocation. The chain of events which ultimately led to suffocation are as follows: With the weight of the body being supported by the sedulum, the arms were pulled upward. This caused the intercostal and pectoral muscles to be stretched. Furthermore, movement of these muscles was opposed by the weight of the body. With the muscles of respiration thus stretched, the respiratory bellows became relatively fixed. As dyspnea developed and pain in the wrists and arms increased, the victim was forced to raise the body off the sedulum, thereby transferring the weight of the body to the feet. Respirations became easier, but with the weight of the body being exerted on the feet, pain in the feet and legs mounted. When the pain became unbearable, the victim again slumped down on the sedulum with the weight of the body pulling on the wrists and again stretching the intercostal muscles. Thus, the victim alternated between lifting his body off the sedulum in order to breathe and slumping down on the sedulum to relieve pain in the feet. Eventually , he became exhausted or lapsed into unconsciousness so that he could no longer lift his body off the sedulum. In this position, with the respiratory muscles essentially paralyzed, the victim suffocated and died. (DePasquale and Burch)

Due to the shallow breathing, the victim\'s lungs begin to collapse in small areas. causing hypoxia and hypercarbia. A respiratory acidosis, with lack of compensation by the kidneys due to the loss of blood from the numerous beatings, resulted in an increased strain on the heart, which beats faster to compensate. Fluid builds up in the lungs. . Under the stress of hypoxia and acidosis the heart eventually fails. There are several different theories on the actual cause of death. One theory states that there was a filling of the pericardium with fluid, which put a fatal strain on the ability of the heart to pump blood (Lumpkin). Another theory states that Jesus died of cardiac rupture.\" (Bergsma) The actual cause of Jesus\' death, however, \"may have been multifactorial and related primarily to hypovolemic shock, exhaustion asphyxia and perhaps acute heart failure.\"(Edwards) A fatal cardiac arrhythmia may have caused the final terminal event. (Johnson, Edwards)

Mpmba ilay 2)
betsaka ny nandroso io theorie io, saingy spermatozoide dia tsy velona raha tsy ao anaty milieu nutritif (tembo na liquide vaginal, na milieu nutritif hafa). Raha rano dia vetivety dia maty izy. Mbola te-hanoratra aho saingy maimaika fa rehefa tafaverina aho manoratra misimisy.
Rehefa avy eo!


4. hery ( 22/02/2004 14:11)
Hihihi

Ilay 2) tena nahagaga ahy. Marina fa henohenoko nataondry zalahy blague io kanefa zavatra tena impossible mihitsy. Aleo indray mino ny baiboly fotsiny amin'izao toa izay hieritreritra hoe niara-nilomano dia bevohoka. TAndremo ihany izany ry zavavy milomano fa mety ho bevohoka tampoka ianareo.
Ara-tsiansa aloha dia misy chaleur ambiente izay tsy maintsy itazomana ny tsirinaina mba ho velona izy (ny any @ banque de sperme ohatra). Raha ohatra ka tafiditra mora toa izany ihany koa ny ranonaina anaty piscine dia ny rano aloha no tafiditra any aloha. Ny tiako holazaina dia hoe tsy lavaka migodana io akory ka hotafiditry ny rano rehefa milomano. Misy aza ny oul efa manao firaisana tanteraka mihitsy amin'ny fotoana maha lonaka kanefa mbola tsy miteraka ihany satria tsy ampy tosika ny ranonainan'ny lehilahy...
Mbola hitsikera eo i solofo :)
5. samoina ( 22/02/2004 17:18)
Marina tokoa angamba ny voalazan'i Hery sy Solofo hoe tsy velona à l'air libre ny sperme. Tsy siantifika ny tenako saingy matoa mihizingizina ianareo dia voaporofo tokoa izany ary siantifika maro sy kalaza no nilaza izany fa tsy hita tao @ baiboly . Hiezaka ny hitady ity boky voalaza eto ambany ity indray ary isika dia mety ahita sombim-panazavana ny niterahan'i Maria raha sanatria ka tsy avy @ fanahy masina izany.
"D'après un article du British Medical Journal, paru en 1956, et écrit par le Dr Stanley Balfour-Lynn, éminent ostétricien londonien, une anglaise de 30 ans avait donné naissance à un bébé alors qu'elle était encore vierge. "
{Livre, Terriens ou extra-terrestres ? merveilles et mystères de la nature humaine, Michel Granger, Ed. J'Ai Lu}

6. solofo ( 22/02/2004 17:18)
>Mbola hitsikera eo i solofo > ary toa matoky be ianao izany hoe hitsikera ah? he he. Misaotra eh.
Fanazavana kely no entiko fa tsy voatery hoe tsikera, nefa manohitra @ ilay 2) voalazan'i samoina. Ankoatr'izay efa nazavaiko mikasika ny mora mahafaty ny spermatozoide raha tsy ao anaty milieu nutritif dia misy singa ara-pomba amam-panao (elements culturels) koa.
- Tsy fanaon'ny Jiosy ny mifampikaoty sy mampiaraka alohan'ny ivadiana fa nosokajiany ho fijangajangana izany, ka tsy ho niara-nandro na nilomano i Maria sy Josefa
- Ny fandroan'ny daholobe (bains publics) t@ izany andro izany dia natao ho an'ny lehilahy ihany fa ny vehivavy tsy mankany. Ary ny lehilahy avy @ fianankaviana manankarena na manam-pahefana (Romana ny ankabeazany) ihany no nahazo nandeha tany. Raha hoy ianao hoe tany anaty renirano na dobo voajanahary, vao mainka impossible ny hampisy fecondation any. Ny hany fanazavana valable dia ny voalazan'ny Baiboly (Matio 1, 20) na dia TSY SIANTIFIKA za izany.
Mino aho fa nahita gazety nanambara izany (ilay2)) ianao, fa tsy porofo izany.
7. solofo ( 22/02/2004 17:24)
>"D'après un article du British Medical Journal, paru en 1956, et écrit par le Dr Stanley Balfour-Lynn, éminent ostétricien londonien, une anglaise de 30 ans avait donné naissance à un bébé alors qu'elle était encore vierge. " >
Sao dia mba insemination artificielle izany? Hevitra fotsiny ny ahy fa raha hitanao ilay article iray manontolo dia alefaso mba vakiako. Misaotra
8. solofo ( 22/02/2004 17:52)
Notadiaviko tao @ google ny anaran'ilay dokotera Dr Stanley Balfour-Lynn, izay vao tsikaritro hoe extra-terrestre ny vontoatin-dresaka.
Honnetement, mino an'izany ve ianao?

Misy boky iray aza manana extrait hoe "Marie fut inseminee par les galactiques".

http://www.infomysteres.com/histoire/histoire39.htm
9. samoina ( 23/02/2004 18:49)
Nandalina sy vontom-pinoana lavitra Solofo ka tsy takatray marivorivo fahalalàna ny hevitra sasany .Aleo tsy hitarina ny adihevitra sao mahatafintohana anao ny kely fantatray.
Fanontaniana angaha no hapetraka aminao raha azonao havaly satria efa voadinikao lalina koa ny Torah: inona no tsy haneken'ny fivavahana jiosy ny testamenta vaovao ? Aminao, diso be ve ny théorie an'izy ireo tsy manaiky an'i Zezo ho zanak'Andriamanitra ?
10. solofo ( 23/02/2004 13:05)
>Nandalina sy vontom-pinoana lavitra Solofo>: tsy izany mihitsy, fa mmba curieux aho dia mba namaky haisoratra (litteratures) vitsy, siantifika na tsia.
Aza matahotra ny hanafintohina ahy fa adihevitra no atao. Efa niteny aho izay, ka na tafintohina aza aho dia tsy anao ny tsiny. Ary tsy "kely" izany ny fantatrao fa aposaho.
Mikasika ny Jiosy tsy mino, maro ny antony mahatonga izany fa tsy fantatro ny ankamaroany, misy ihany ny mino fa vitsy, ny kristiana voalohany dia Jiosy avokoa (ny apostoly).
Iray @ antony mahatonga azy tsy hino angamba ny nanenjehan'ny (persecution+nampijaliana sy novonoina) fiangonana Katolika azy taloha (hatr@ taonjato faha19 dia natanjaka be ny fiangonana Katolika tany Eoropa, ary lava tanana be hatrany @ governemanta rehetra tany), sy ny nanereny azy hiova (Inquisition) ho Katolika. Marihiko fa io Inquisition io nefa dia mifanohitra @ fampianaran'i Zezo mihitsy, izay mifototra @ fitiavana (aman'aliny na aman'hetsiny ny Jiosy maty t@ Inquisition). Ankehitriny dia mbola betsaka ny mpankahala Jiosy -noho ny maha-Jiosy azy fotsiny-, eny fa na ireo milaza azy ho "Kristiana" aza, mety mahatonga ny Jiosy hisalasala koa izany.
>Aminao, diso be ve ny théorie an'izy ireo tsy manaiky an'i Zezo ho zanak'Andriamanitra ?>
Araka ny hevitro izay, miainga @ fandinihina ny haisoratra vitsy mba voavakiko, dia i Kristy no Mesia. Manaja ny Jiosy nefa aho, satria i Zezo dia Jiosy ary avy @ fireneny no nanaovan'Andriamanitra famonjena ho an'izao tontolo izao. Mino aho fa ho betsaka ny Jiosy hino Azy rehefa @ fitiavana no itoriana aminy fa tsy @ herisetra (ohatra: inquisition).
11. fijo ( 26/02/2004 10:57)
amiko aloha dia izao e
1)izany jesoa izany dia tsy nitsangana tamin'ny maty izany,fa nisy nanafina ny fatiny
2)ilay hoe marie bevohoka dia satria niaraka tamin'olon kafa izy,ary misy soratra aza ao amin'io baiboly io (fa tsy haiko ilay izy)milaza fa sosotra taminy i josefa.izany hoe i jesosy dia zazasary.
io jesosy io anie kaolona tena fetsy e.hainy ny namadika ny kilemany ho tombotsoany.raha maka ohatra ankehitriny dia i hitler no mitovy aminy..
12. solofo ( 26/02/2004 12:46)
>1)izany jesoa izany dia tsy nitsangana tamin'ny maty izany,fa nisy nanafina ny fatiny>
Mandra-pisy porofo hafa arosonao aloha dia ny historical records no azo raisina. Ary nisy dia nisy tokoa ny historians (an-koatr'izy efa-dahy nanoratra ny Gospels) nandrakitra izany an-tsoratra, i Josephus ny iray t@ ireny (i Josephus dia historien Romana, anisan'ny fangalan'ny Romana references)
>io jesosy io anie kaolona tena fetsy e.> Ny olona "fetsy" (imposteur na escroc, sa diso ny fandraisako ny dika teninao?)) rehetra dia ilay V 3 (Vola, Voninahitra, Vehivavy) no tadiaviny, izay -araka ny voasoratra-, dia tsy mba notadiavin'i Jesosy, ary tsy nananany t@ nandalovany tety an-tany. Ny hoe sosotra taminy i Josefa dia tsy misy an'izany ao @ Baiboly fa angamba haisoratra hafa no novakianao.

Sady tsy fantatrao ny tantaran'i Jesosy, no tsy fantatrao ny tantaran'i Hitler.
Tsy sanatria manao tsinontsinona na manambany anao aho, sao mahazo tsikera eo indray hoe "ny azy ihany no fantany", fa mampalahelo ahy ny cas-nao.
13. samoina ( 26/02/2004 20:00)
Manao tsinontsinona izany amiko.
Toy ny dokotera mpitsabo mahita fa tsy ho sitram-panafodiny intsony ny ranamana iray dia lazaina himasoimaso hoe " mampalahelo ahy ny cas-nao ". Izany ve dia mba fiten'olona mahalala ny " tantara" rehetra ?
Ny eritreritr' i solofo angamba dia mihevitra ho " irak' Andriamanitra hitady sy hamonjy ny very mihintsy i solofo. Dia rehefa tsy resy lahatra ny " ondry very " dia latsaina !!!
Samy manana ny cas-ny ny tsirairay ary tsy anjaran-tsika no mitsara.Ny"cas-nao" ezao tazomina rehefa izay no hitanao mety ary aza hidirana lalina ny momba anay ./.
14. fijo ( 27/02/2004 20:49)
ny "cas ko" koa anie tsy hitako izay maharatsy azy e.ianao minomino foana ve no malahelo ahy?izaho no tokony halahelo anao mino izay lazaina anao rehetra.
amiko dia mbola haveriko eto,fa izany jesosy izany dia olo meloka tamin'ny fotoan androny.olona nandika ny lalana nisy,izay no maha "imposteur" azy.any mada izao toa misy olona milaza koa fa hirak'i jesosy."any amin'ny faritr antsirabe angaha izy izay.dia hinoana koa ve,sa gasy dia tsy hinoana?
15. solofo ( 27/02/2004 11:22)
Ho an'i samoina: mahita olona iray ianao. Miteny izy hoe mitovy i Jesosy sy Hitler, tsy mampalahelo anao ve izy? Ary izaho koa angaha moa nihambo ho mahalala ny "tantara" rehetra, na nitonona ho irak'Andriamanitra? Tsikerao @ izay itiavanao azy aho fa tsy mahatezitra ahy izany, izany koa no antony anoratako eto mba hampiady ny hevitra fa tsy sanatria miandry dera, saingy aza mampiteny ahy ny zavatra tsy nolazaiko.
> Ny eritreritr' i solofo angamba dia mihevitra ho " irak' Andriamanitra hitady sy hamonjy ny very mihintsy i solofo. Dia rehefa tsy resy lahatra ny " ondry very " dia latsaina !!! > Hainao angaha ny mamaky ny eritreritro? Miaiky anao aho raha izany. Ary tsy hitako mihitsy izay latsa @ izany raha miteny ny fihetsem-poko mikasika azy aho. Izy koa izao io milaza fa tokony halahelo ahy, "tokony" hoy izy, fa tsy hoe malahelo, ka sao dia izy no mandatsa (sa "mitsara" azy indray aho @ izany?)?
Miala tsiny sy manao azafady aminao aho raha nanafintohina anao ny nosoratako ho an'i fijo.
Ho an'i fijo, >..izaho no tokony halahelo anao mino izay lazaina anao rehetra..> hoy ianao. Tsy maninona fa alahelovy aho, nefa ny tsy inoako izay lazainao dia mandiso sahady ny zavatra lazainao mikasika ahy (..."mino izay lazaina anao rehetra.."). Nandatsa anao hono aho hoy i samoina, azafady raha izay ny nandraisanao azy, serieux.
16. peluche ( 27/02/2004 11:58)
Solofo,Ny hevitra tina ampitana hono ilaina taktikany.Mino aho fa matoa ianao nanoratra an'ireo dia satria te-hiteny ny hevitrao ianao,te-hampita ny heritreritrao.
Tsy manakina anao aho sady tsy manamarina fa ny tiko tenenina fotsiny dia mba tsy hovery na lasa rivotra zay lazainao, dia ezaho tsy émotif refa miresaka na ohatra hoe fohifohy kokoa refa manoratr'enao...
sady enao koa zany milaza hoe ny tinao dia hisian'ny fifafnaklozan-kevitra,ataovy ary zay hijanonan'ny olona hiady hevitra e...sady ilay sujet rahateo interessant.
Tsiky de ampy hoy i Hery
17. samoina ( 27/02/2004 13:01)
VOALAZANAO !, hoy ny fitenenana ry peluche.
Mahafinaritra ny miresaka @ solofo satria manana fahalalàna lehibe io namana io.Saingy rehefa mihazatra anao izy kanefa tsy mbola miombon-kevitra aminy ianao dia manomboka masiaka izy fa diso fanantenana angamba. Na olona tokony ho resy lahatra aza mihemotra indray !!!
18. solofo ( 28/02/2004 20:58)
>Mahafinaritra ny miresaka @ solofo satria manana fahalalàna lehibe io namana io>
Asa raha voavakinao ny nosoratako etsy ambony. Tsy mitady dera aho sanatria, fa ataovy mifantoka @ ady hevitra ny resaka.
>Saingy rehefa mihazatra anao izy kanefa tsy mbola miombon-kevitra aminy ianao dia manomboka masiaka izy fa diso fanantenana angamba> Ianao no mahita ahy hoe masiaka, tsy anao akory anie ilay cas noteneniko testsy ambony fa i fijo e. Avadiko any aminao ny fanontaniana: raha misy olona iray miteny hoe mitovy i Jesosy sy Hitler, dia tsy halahelo azy va ianao? sa sanatria vao mainka ho tezitra aminy (nonsense!)?
19. fijo ( 28/02/2004 10:10)
solofo>nahoana moa no tsy azo ampitoviana amin'ny olona hafa i jesosy?inona no antony?
samy nilaza tena ho tsy mitovy amin'ny hafa izy roalahy ireo.
samy nametraka fomba fisainana hoan'ny taty aoriana koa,ary samy tia didi jadona.raha vao izy no miteny dia tokony hiaino sy hanaraka ny hafa fa tsy hiady hevitra.
nilaza i jesosy fa izy dia zanak andriamanitra?????za koa dia hafaka milaza fa izaho dia zanak'andriamanitra.nefa iza no hino an'izany.ary nahoana no inoana rehefa izy no miteny???
izay anie le hoe minomino foana e.
20. solofo ( 28/02/2004 10:58)
Mamporisika ihany aho, vakio ny Baiboly fa ao ny tantaran'i Jesosy dia ho hainao.
Nefa raha tsy mino ianao hoe marina io ka tsy te hamaky, dia mitadiava biografian'i Hitler dia vakio. Dia mariho tsara izay mety ho toetrany (caracteres) rehetra:
-mpanavakavaka
-feno fankahalana
-mpanao didy jadona
-tia fahefana sy voninahitra
-mpamono olona
-mpandainga
.....
Dia izao: ny mifanohitra indrindra @ ireo ny toetran'i Jesosy, ary raha mino Azy ianao dia omeny hery ho yonga zanak'Andriamanitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.275