Tsikeran'ny Baiboly

21. librepenseur ( 28/02/2004 20:37)
Rehefa avy namaky ny resakareo aho dia mba hiteny kely. Ny tonga tsy miarahaba hono naman'ny tezitra ka dia salut daholo ry namana !

Fa izao no mba tiako hotenenina @ solofo:
Mba aiza ho aho no ahitana boky milàza sy mitantara ny fisian'ny (JC) Jésus Christ e ? Raha zavatra tena nisy, niseho sady voaporofon'ny rehetra t@ izany andro izany ve tsy tokony ho voarakitra ho tantara ?
22. samoina ( 29/02/2004 20:46)
solofo) adi-hevitra tokoa no atao fa tsy fifampitsarana. Saingy ny iriana dia ny hanaovana izany amin'ny fo tony.
Sady tsy malahelo an'i fijo aho no tsy tezitra aminy @ izy manao fampitahana. Azy ny heviny ary na tsy mitovy hevitra aminy aza ny tenako hiezaka ny hitady valinteny hamaliana azy fotsiny aho hitsikerana azy. Rehefa tsy mahita havaly aho dia aleoko aloha mangina
23. solofo ( 29/02/2004 09:44)
>Mba aiza ho aho no ahitana boky milàza sy mitantara ny fisian'ny (JC) Jésus Christ e ? Raha zavatra tena nisy, niseho sady voaporofon'ny rehetra t@ izany andro izany ve tsy tokony ho voarakitra ho tantara ? >
Mitombina tsara mihitsy izany eritreritrao izany. Misaotra.
Nisy mpahay sy mpanoratra tantara iray antsoina hoe Fabius Josephus, sady mpanolon-tsaina ny emperora Romana roa nifandimby (i Vespasien sy i Titus zanany) t@ androny nanoratra mikasika Azy ao @ andian'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe "Antiquities of the Jews", izao no voasoratra ao @ toko (chapter) boky faha-18, toko fahatelo sy paragrafy fahatelo:
“Now there was about this time Jesus, a wise man, if it be lawful to call him a man; for he was a doer of wonderful works, a teacher of such men as receive the truth with pleasure. He drew over to him both many of the Jews and many of the Gentiles. He was [the] Christ. And when Pilate, at the suggestion of the principal men amongst us, had condemned him to the cross, those that loved him at the first did not forsake him; for he appeared to them alive again the third day; as the divine prophets had foretold these and ten thousand other wonderful things concerning him. And the tribe of Christians, so named from him, are not extinct at this day.”
http://wesley.nnu.edu/josephus/ant-18.htm

24. librepenseur ( 01/03/2004 17:57)
solofo>
- Fantatrao ve ny finoana nisy an'i Flavius Joseph ? tena azonao antoka ve fa tsy nitongilana tany @ kristiana ny fitantarany ? Tena azonao antoka koa ve fa tsy nanana idée préconçue mihitsy io lehilahy io ?
- Fantatrao ve ny vanim-potoana nanoratany sy ny zava-nisy tany @ toerana nonenany tamin'izany fotoana izany ?
- Fantatrao ve ireo historiens sy philosophes hafa nisy tamin'izany andro izany (grecs, latins, romains, juifs, sns...) kanefa tsy nampivohitra ny fisian'i JC ?
25. solofo ( 02/03/2004 12:20)
>- Fantatrao ve...
- Fantatrao ve...
- Fantatrao ve ...>
Amim-panajana aloha no amaliako anao fa tsy fanaovana \"etalage de connaissances eto\", sady na dia izay aza, tsy savant aho ka hahafantatra izany rehetra izany fa izay kely fantatro dia ezahako omena.
- I Flavius Josephus (FJ) dia Jiosy, ary ninoan\'ny Romana teny. Anisan\'ny fakana \"references\" ara-tantara ny asa-sorany, eny na ankehitriny aza. TSY Kristiana izy fa [teraka] Jiosy, ary tsy fantatro ny finoany satria ny Jiosy sakaizany aza (indrindra ny mpisorona) nanondro azy hoe \"mpamadika sy mpivarotra tanindrazana\" noho izy niara-niasa t@ mpitondra ambony Romana (amperora), izany hoe \"niray petsapetsa\" t@ Romana. Ekeko fa efa tsy tety an-tany intsony i Jesosy t@ androny (teraka ca 37 AD izy), nefa tsy voatery handiso ny asa-sorany izany. Raha ny fahitako azy dia tsy niandany t@ Kristiana mihitsy izy (nahoana izy no tsy ni-intervenir t@ namonoana Kristiana marobe farafaharatsiny t@ andron\'i Vespasian, Titus, izay sakaizany akaiky?)
-Ny zava-misy: nenjehina mafy ny Kristiana, nampangaina ho nandoro an\'i Rome t@ andron\'i Nero sy hoe manao \"sacrifice humain\"... sns... Tsy tian\'ny Romana mainty koa ny Jiosy satria manao \"revoltes\" foana, ary anisan\'ny mpikomy indrindra t@ faritanin\'ny (provinces) ampira rehetra.
- Ilay \"fantatrao ve\" fahatelo:
Betsaka ny mpahay tantara Romana (=latins, sa diso aho?), Jiosy na Grika t@ izany, fa betsaka koa ny asa-soratr\'izy ireny no very, simba sy lo, na may. Eto ohatra dia tsipihiko fa na ny Kristiana aza no nendrikendrehan\'i Nero hoe nandoro an\'i Roma, dia maro t@ ireo manodidina azy no niteny hoe izy ihany no nanao izany, saingy tsy sahy niteny raha tsy efa t@ andron\'i Galba (izany hoe efa maty i Nero), manginy fotsiny ny soratra may tany Athenes, Constantinople (Istambul ankehitriny) sns....ka ny ampahany kely @ ireny ihany no fantatro, nefa ampy hanaovako tsoa-kevitra mitombina
Hita any anatin\'ny soratra hafa ny anaran\'i Jesosy (Christus), fa tsy dia Izy loatra no vontoatin-dresaka @ ireny matetika fa ny Kristiana. Nisy mpanoratra Romana iray, Cornelius Tacitus no anarany, mpankahala Jiosy (anti-semite) sy mpankahala Kristiana fatratra nanoratra koa:
http://www.mc.maricopa.edu/~tomshoemaker/handouts/tacitus.html
Dia ity ny nosoratan\'ny iray hafa natao hoe Suetonius
http://www.mc.maricopa.edu/~tomshoemaker/handouts/suetonius.html
Ary ity ny nosoratan\'i Pliny, ary mariho tsara ato ny fampijaliana sy vono nataony ny Kristiana (i Pliny dia namana sy mpianatr\'i FJ):
http://www.mc.maricopa.edu/~tomshoemaker/handouts/pliny.html

Ankoatr\'ireo i Matio, Marka, Lioka sy Jaona dia mitantara @ antsipiriany kokoa ny tantaran\'i Jesosy raha tena liana ianao. Sa izay kely mba \"fantatry\" Solofo ihany no nahaliana anao?

Mba hametraka fanontaniana ary aho, ka mba iangaviako valiny:
-inona avy no lazain\'ny evolution fa toa \"voaporofony\" hoe lasa olona hono ny rajako rehefa ela ny ela? Mba tantarao hoe fa tsy haiko!!! Misaotra indrindra.
26. librepenseur ( 02/03/2004 18:37)
Solofo>
Amiko manokana aloha raha ny fahalalàna amin'ny ankapobeny (culture générale) no entina hifanazavana dia vao maika tsara, tsy tokony horaisina ho "étalage de connaissances" araka ny teninao ny fanohanana ny hevitra. Au contraire, mivelatra sy misokatra kokoa ny adi-hevitra fa tsy mionona amin'ny filàza iray (lakolosy tokana). Izay mantsy ilay fahavoazan'ny maro...
Manarak'izany dia voamariko fa source iray ihany no entinao hanazavana ireo philosophes sy historiens resahin-tsika. Izao anefa, Raha te hahalala bebe kokoa ny zava-nisy iray aho dia tsara kokoa raha manangom-baovao amin'ny fomba filàza samihafa mba tsy hisian'ny fitongilanana sy ny fahadisoana maro. ohatra: Raha milàza ny MaTV fa nisy olona 2 no maty, 1 naratra mafy tao analakely, dia tsy tokony hionona amin'izay aho fa mety hilàza ny TVPlus hoe 1 no maty ary 2 naratra mafy, iza no marina ??? toe-javatra mpiseho ny tahaka izany ka tsy tokony hahagaga. Raha hitarina, na dia tsy nisy akory aza mety holazain'ny sasany fa nisy 3 no maty,...
Mikasika ireo Evangelistes, raha ny ao @ baiboly ihany no hiaingana dia azo antsoina hoe partiel sy partial ny fitantaran'ny zareo sady maro ny contradictoires ao, mijereva source hafa "neutre".
Mikasika ny Evolution, araka ny efa nolazaiko moa dia sources d'informations maro no tokony ho fantatra fa tsy 1 ihany. Marihiko kosa anefa fa tsy ny filàzan'ny siantifika rehetra dia marina daholo à 100%, diso tanteraka kosa ny fitsaran'ny hafa fa diso daholo rehefa théorie siantifika; ianao angamba mety tsy hanao ny toy izany satria mahay mandinika. Ambonin'izany, raha disoana ny théorie scientifique dia tsy nisy fivoarana mihitsy izany ny fiainan'ny zanak'olombelona (boribory sy mihodina ny tany, relativité, ...) Ny siantifika nampiseho sy nanaporofo ireo aza moa efa nohenjehin'ny fivavahana taloha ary dia novonoina mihitsy ny sasany ! mampalahelo
27. solofo ( 03/03/2004 10:35)
>mijereva source hafa \"neutre\".>
Efa misy sources mihoatra noho ny neutre -mankahala ny Kristiana- nomeko anao, jereo ilay rohy voalohany sy fahatelo. Ny rohy angamba no iray, fa olona samihafa no nanoratra an\'ireo. Tsy manambara ireo hoe marina izay voalazan\'i Kristy sa diso, fa manaporofo (historiquement) ireo hoe NISY izany Jesosy izany historiquement, na olona tsy tiany aza.
>Marihiko kosa anefa fa tsy ny filàzan\'ny siantifika rehetra dia marina daholo à 100%>
Aleo aloha hazavaiko aminao tsara ny fijeriko sao diso be loatra aho: amiko dia samy hafa tanteraka ny evolution sy ny science. Mazava ho azy fa misandoka sy mitomany hitondra ny label hoe \"science\" foana ny evolution mba hampitomboana ny credibilite-ny, nefa arakaraka ny hanontaniana ny science no ahitana ny valiteniny: diso tanteraka ny theorie de l\'evolution. Raha hoy ianao hoe \"tsy marina 100%\", mba miangavy anao aho hilaza ampahany @ izay voalazany, na kely ihany aza (na biologie, na anthropologie, na geologie na genetique ... n\'inon\'inona eh), dia hiadiantsika hevitra eto. Tsy afaka hiambo aho na kely aza hoe haiko daholo izany akory, fa tsotra ny mitsikera ilay izy fa tsy mila hoe nanao PhD na MSc tany Harvard na tany Berkley vao afaka miresaka an\'izany.
>diso tanteraka kosa ny fitsaran\'ny hafa fa diso daholo rehefa théorie siantifika> Araka ny nambarako dia tsy siantifika ny evolution amiko, ka tsy fantatro hoe science ny tianao horesahina sa evolution. Raha ny voalazan\'ny siansa dia manaiky aho fa marina ny ankabeazany, sady ny siansa anie matetika manaporofo izay lazainy eh, na manao simulation (model) rehefa sarotra be na impossible ilay porofo. Saingy izay \"model\" no-developer-na sy naseho \"hanazavana\" ny evolution dia nandamoka avokoa satria be dia be loatra (mihoatra ny isan\'ny volon-doha) ny singa tsy mety mifanaraka (elements incompatibles), ny \"siantifika\" -raha azo antsoina tahaka izany izy- mpanohana ny evolution nefa tsy hilaza izany aminao mihitsy satria ahazoany $$vola$$ be sy laza ny \"fikarohany\".
28. fijo ( 03/03/2004 11:37)
za manokana aloha dia mino fa nisy ilay jesosy,fa saingy olona meloka izy.ary raha atao ny fampitahana amin'i hitler dia misy toetra maro itovizana
panavakavaka.tadidio fa nanilika ny tsy nombva azy izy(loholona jiosy)
feno fankahalana,ny nataony tao amin'ilay trano fiangonana lasa tsena ve fitiavana?
panao didijadona,mba efa nisy ve hoe nihaino olona izy,fa mila ny azy ihany no henoina.
tia fahefana sy voninahitra.raha tsy tia an'ireo izy tsy nisoratena ho zanak'antra.
mpandainga.hatramin'izao aloha dia sarotra ny milaza fa marina daholo izay nolazainy.
29. librepenseur ( 03/03/2004 19:00)
solofo> Raha tsy diso aho dia tsy mbola niteny mihitsy aho hoe tsy nisy i JC, ny mombamomba azy (historicité sy authenticité) no hilaiko, ireo sites teneninao ireo mantsy rehefa tena zohiana dia milaza fotsiny ny nisian\'ny fahagagana nataony, résurrection sns, izany hoe sady tsy vérifié no tsy authentifié satria ny mpianany sy ny akaiky azy ihany no milaza ho nahita izany...Raha tena voaporofo tokoa izany rehetra izany dia tokony ho voarakitra amin\'ny boky nianaran\'ny ankizy an-dakilasy. Na ny anaran\'ny taranja aza tsy natao hoe \"Catéchisme\" fa natao hoe \"histoire\" tahaka ny tantaran\'ny Mpanjaka, 2nde guerre mondiale, sns...

Mikasika ny évolution sy science, fa inona moa no atao hoe science raha tsorina ? valiny: fikarohana, matoa mahatsikaritra fa nisy ny évolution dia efa nisy fikarohana tao na matériel, na spirituel. Ary mbola marihiko ihany fa tsy tokony sarahina ilay expression hoe \"théorie de l\'évolution\" manjary maha-diso ny fandikàna sy ny fahafantarana azy.

Farany, ity sujet ity moa dia mikasika ny baiboly. Izao no mba teniko: Raha miaiky ianao fa misy ny fiovana amin\'izao tontolo izao tsy toy ny tany ampiandohana (climat, firoboroboan\'ny science sy technique, sns) ary raha manaiky koa ianao fa nisy ny nolazaina fa finoanoam-poana taloha, ohatra: mythologies samihafa 10000 ans av. JC, finoan\'ny malagasy fahiny (animisme), sns... satria mbola tsy ampy ny fahalalàna dia hoy aho: niova nihatsara ireny taty aoriana satria nivoatra ny sain-olombelona ka teraka ny (christianisme, islamisme, bouddhisme, tsy lazaina intsony ireo sampa-tsampana ao @ christianisme, sns), eto indray anefa dia mitarika ny sainao aho hijery akaiky ireo finoana misy amin\'izao vanim-potoana izao, sao efa tokony hanana fomba fijery hafa amin\'izay ?
30. tia_ery ( 04/03/2004 11:53)
TSIKERA ... zay angamba no lahahevitra dia ekena amin'izay.

Ny azoko ambara dia tsotsotra ihany; ny BAIBOLY dia TENIN'ANDRIAMANITRA. Mametraka sahady izay antokon'olona ROA LEHIBE samihafa. dia ireo izay manaiky sy mino an'Andriamanitra ary mametraka fa io Baiboly io dia TENIN'ANDRIAMANITRA tokoa ary tsy diso (ialako ny faute d'écriture sy ny grammaire isan-karazany aloha eto ...).

Ao ihany koa anefa ireo izay mametraka ny tenany handà fotsiny tsotra izao. ka hilaza fa ohatran'ny boky rehetra ihany ny BAIBOLY. eo no miainga ny dinika sy ny tapatapak'ahitra.

Ny hevitra rehetra na trangan-javatra iray dia manainga ny olona anankiray na
HANOME FANAZAVANA an'iny tranga iny na HANAZAVA tranga misy anankiray. Ka izay no tsara faritana hoe HANOME FANAZAVANA ve isika sa HANAZAVA ?

Dia aleo aloha hatreo ny androany fa manantena ny valinteninareo rehetra mora hirosoana amin'ny lalindalina kokoa.

Sôtra eh!
31. solofo ( 05/03/2004 14:06)
> Raha tsy diso aho dia tsy mbola niteny mihitsy aho hoe tsy nisy i JC>
Ny avaliko an\'io dia soratrao ihany tery ambonimbony tery. Ny teny mantsy mandeha fa ny soratra mipetraka, hoy tsara ianao:
>Mba aiza ho aho no ahitana boky milàza sy mitantara ny FISIAN\'NY(JC) Jésus Christ e ? Raha zavatra TENA NISY, niseho sady voaporofon\'ny rehetra t@ izany andro izany ve tsy tokony ho voarakitra ho tantara ? (avy amiko ny sora-baventy) > Amiko ny nanda ny fisiany no nahatonga anao nametraka io fanontaniana io, diso ve aho?
Mikasika ny THEORIE de l\'evolution, ny maha-theorie azy dia satria mbola tsy voaporofo (aza afanfgaro ny theorie sy theoreme). Tsy vitan\'ny hoe tsy voaporofo fa hita hoe diso, ny siansa no nandiso azy fa tsy ny \"mpino\" an\'Andriamanitra. Ary tsy fikarohana no namoahana io theorie io fa suppositions sy hypotheses be dia be fotsiny dia noezahana ho \"porofoina\", saingy tsy misy hevitra, satria izay \"porofo\" (tsy porofo akory fa hevitra noforonina saika hanohanana azy) nentina vao mainka nandetika azy, satria raha \"nanazava\" tranga IRAY ireny \"porofo\" ireny dia nitondra fanontaniana FOLO tsy ahitana valiny, na ny marimarina kokoa tsy misy valiny.
>...niova nihatsara ireny taty aoriana satria nivoatra ny sain-olombelona ka teraka ny (christianisme, islamisme, bouddhisme, tsy lazaina intsony ireo sampa-tsampana ao @ christianisme, sns), eto indray anefa dia mitarika ny sainao aho hijery akaiky ireo finoana misy amin\'izao vanim-potoana izao, sao efa tokony hanana fomba fijery hafa amin\'izay ? >
\"niova nihatsara\": ny niova aloha dia niova, ny nihatsara mbola relatif be ka asa, opinion io fa tsy misy absolu.
Mikasika ireo karazam-pivavahana lazainao, nisy fotoana tsy an\'asa am-bolana maro aho, ka nanam-potoana tsara, ary tsy misy na iray aza t@ ireo ka hoe mbola tsy nodinihiko. Ary sceptique foana aho isaky ny mandinika azy tsirairay (indrindra rehefa mandinika ny tenin\'i JC) hoe n\'iza n\'iza afaka mitonon-tena ho izao sy izao. Maro koa aza no nahavita fahagagana maro samihafa, saingy tsy n\'iza n\'iza no:
-niteny hoe \"hampijaliana ho faty aho\", tsy hoe hosamborina aho fa manaiky sy manolo-tena
-niteny hoe hitsangana aho rehefa maty 3 andro
- dia avy eo tena nitsangana tokoa
>..ireo sites teneninao ireo mantsy rehefa tena zohiana dia milaza fotsiny ny nisian\'ny fahagagana nataony, résurrection sns, izany hoe sady tsy vérifié no tsy authentifié satria ny mpianany sy ny akaiky azy ihany no milaza ho nahita izany.>
Ny antsipiriany t@ fiainany dia hitako hoe npormal raha ny akaiky azy no nanoratra izany. Fa ry Josephus, ry Pliny sy Suetonius dia mpahay tantara tsotra fa tsy akaiky azy, ka izany no tsy nanoratany antsipiriany. Ary ny hoe verifie sy authentifie, inona @ tantara moa no azo lazaina hoe verifie* sy authentifie*? Fa tsy izay voasoratry ny mpahay tantara ve dia ekena rehefa recouper-na ka hita fa tsy manipaka ny nosoratan\'ny hafa, sa misy fomba hafa hi-verifier-na azy?? Tena voaporofo ve ohatra fa zanak\'i Agrippina i Nero, nefa iza no nanda an\'izany teo @ tantara? Sa ianao mbola mila DNA test vao hino an\'izany?
*azafady fa tsy manana accents aho.
32. kitjo ( 12/04/2004 17:12)
librepenseur> raha hovakianao dol ny boky rht d contradictoire aby ary tsy afaka hilaza enao oe zao no tena marina
Amiko,tsy voatery hinoanao, dia ny baiboly no marina inddra satria nisy olona tena niaina ilay vanim-potoana nanoratra azy,"gospel"

Ny ahy aloha, tsy tereko enao hino anzay, d efa manana ny finoako aho,ekeko dia tsy hanakatra izay tsy fatako aho fa samihafa ny fihevitr'olombelona sy ny fihevitr'Andriamanitra: Maria virijiny bevohoka....,Jesosy nitsangana t@ maty.

Ary inona koa ny fait scientifique azo anazavaina fa efa fantatr'i Jesosy mialoha oe ho faty izysns.....sa oe scenerio efa nomanina???raha ilay oe tia tena,voninahitra sns,manin izy tsy nitsoaka, naninona tsy nanohitra mitsy???
33. ikaretsaka ( 12/04/2004 22:34)
ka tsy mandeha mihitsy hono ny resaka relativisme raha vao miresaka finoana
34. tia_ery ( 14/04/2004 08:11)
Zà aloha tsy hiady hevitra ê! Ny tiako ampitaina aminareo fotsiny dia tsotra be ny hoe : Ao anaty Baiboly ao misy tantaran'i Jonah ilay natelin'ny hazandrano lehibe iray. Ka raha io no ndeha avadika hoe i Jonah kely iny no nitelina an'ilay hazandra
35. tia_ery ( 14/04/2004 08:15)
Zà aloha tsy hiady hevitra ê! Ny tiako ampitaina aminareo fotsiny dia tsotra be ny hoe : Ao anaty Baiboly ao misy tantaran'i Jonah ilay natelin'ny hazandrano lehibe iray. Ka raha io no ndeha avadika hoe i Jonah kely iny no nitelina an'ilay hazandrano dia izay no nolazain'ny Baiboly sy voasoratra dia MINO ary TENA MINO an'izay aho.

Ny olana ange dia tsotra ê! isika samy manana ny fomba fihevitra sy fisainana. Samy manana ny sehatra nanabeazana azy ary ataoko fa samy manana ihany koa izay manitikitika azy sy tiany ho fantatra dia tsotra be ilay izy .....

Aiza ho aiza amin'izay rehetra izay no mahasoa sy mampilamina ny eritreritrao ? Fa io ange tsy vitan'ny hoe izahako j'accepte par la théorie de bing bang dia mionona eo fotsiny na milaza an'ilay théorie de l'évolution dia ampy ahy izay.

Fa mba alefaso ny eritreritra hoe naninona amin'izao taonjato hiainantsika izao no tsisy intsony izany ?

Sôtra ê!
36. tia_ery ( 15/04/2004 14:59)
Ka raha ny mikasika ny BAIBOLY indray dia io aza efa mampiady hevitra sy tsy hitanao ny ambara ny aminy koa mbola ampiana inona indray ?

Ny Baiboly ange tsy BAIBOLY ê! tsy misy expérience ao dia tsy misy ihany koa hoe projection vers zao taona na izao. Ny siansa ange ka miainga amin'ny expérience dia mi-tirer conclusion sy ny fait ê! Fa ho ampitoviana amin'izay ve ilay TENIN'ANDRIAMANITRA.

Lazaiko anao anefa fa ny TENIN'ANDRIAMANITRA DIA VAOVAO ISAN'ANDRO ary manana ny tiany hambara isan'andro isan'andro. Tsy mila havaozina izany fa vaovao ho azy.

Ary mbola manamafy hatrany izany ny anjara-toeran'ny BAIBOLY eo amin'ny olona tsirairay fa raha mbola misy ny BEST SELLER hatramin'izao dia ny BAIBOLY no LOHALAHARANA.

TENY VELONA io ary TENY FIAINANA; fa misy ilay TENY ambonin'io teny io dia ilay :

''Ary ny TENY dia tonga NOFO ka nonina tamintsika; Hitanay ny voninahiny dia voninahitra miendrika ny lahitokan'Andriamanitra ...''(Jaona 1: 1-14, io vakiana dia ho voavaly ny fanontanianao).

Izay ilay TENY VAOVAO ISAN'ANDRO ary mihavao sy manavao anao isan'andro.


Sôtra ê!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9637