rehefa tia dia tena tia

1. six ( 21/02/2004 18:10)
ianareo ve raha miaraka amin'olona anankiray, niteny hoe "za tia anao" na koa hoe "za koa anie tia anao e", eo imolotra fotsiny ve iny sa REHEFA TIA DIA TENA TIA?
novalian'i fijo ny 02/03/2004 12:11
2. kally ( 21/02/2004 19:00)
Rehefa tena miteny amin'olona iray angamba ianao dia sarotra ihany ny hiteny hoe tia anao aho nefa tsy izay akory no marina.Nefa koa ny toky fitaka fa ny atao no hita:na hiteny in'arivo aza hoe tia nefa tsy manaja,manitsakitsaka,
mametrapetraka,inona no dikany?
3. ccool ( 21/02/2004 19:33)
raha ny ahy manokana alou raha vo tiko d tsy maintsy teneniko @ny ny ao am-poko e,d raha tsy tiko d tsy miaraka @ fotsiny d @ zay tsy misy probleme,....hafa ihany nge zany mitia sy msy mitia zany e,cool b lay sensation @ iny
4. six ( 21/02/2004 20:18)
ie, ilay izy notenenina, nefa izay anie le olana, enao zany mbo hoe tena tia d nitory fitiavana, ary ilay iray niteny koa hoe tia, avy eo anefa izy tsy hita ze ataony fa hotran tsy haiko e, izy nefa tsy sahy miteny hoe tsy tia,
5. kally ( 21/02/2004 10:26)
Ka na ianao hiaritra hiaraka aminy @ izay saritsari-pitiavana izay na ianao haka saina dia hitady olon-kafa indray.Anao ny safidy.
6. bodallie ( 21/02/2004 11:50)
mahaiza mitia,d mahaiza koa misafidy. tandremo anefa latsaka lalina vao manenina. mitandrema tsara de mahaiza mandinika faza faly tia fotsiny fa ny fitia tsy lalao
7. pitchou ( 21/02/2004 12:19)
ka tena mahafinaritra be ange ilay tena tia e! toa manga foana ny lanitra!
8. dominique ( 21/02/2004 12:24)
amiko dia tsy heo vita amin'ny molotra fotsiny io hoe tia io satria ny fitiavana dia tsy kilalao fa rehefa tia dia tena ataovy avy ao am-po ny teny avoakan'ny vava sa tsy izany satria aty BREZIL rehefa miteny ny olona hoe : EU TE AMO dia tena tsy sangisangy eh! io ny mba hevitro eh!
9. hendry ( 21/02/2004 14:31)
Arakaraky ny olona io. Ny ahy manokana tsy tiako loatra ny maheno tiako ianao, tiako ianao tsisy farany nefa tsy hita zay tena marina. Aleoko lavitra aza tsy miteny mihitsy ilay olona fa ny ataony no ahatsapako hoe tia ahy marina zany izy zany na tsia. Asa aloha fa misy koa manko ny olona raha vao tsy irediredenao hoe je t´aime, t´es l´amour de ma vie, katsaka, tsaramaso, voanjobory dia mametra-panontaniana hoe: fa maninona enao tsy mba manome teny mamy ahy, tsy tia ahy ngah enao....patati patata.
Fehiny: arakaraky ny tsirairay ihany io fa na tsara indrindra dia aleo tsy miteny rehefa tsy marina akory zay lazaina.

10. psykatr ( 21/02/2004 17:04)
ALEO MIATSARA-IVELAN-TSIA
11. tequila ( 22/02/2004 14:11)
aaa tsy miatsaravelatsia zany amy fitiavana ry psykatr a , tsy fitiavana zany .Samy manana ny fanehoany azy ny olona , sy ny tiany hanehoana azy aminy koa . Marina aloha fa tsy midika inona ndraindray ny hoe tiako enao sns , nefa malahelo koa rehefa tsy maheno ... mistery!
12. ccool ( 23/02/2004 09:47)
d aleo zany less hidaboka fa tsy anjara zany fa raha forcena ohatrany zany io hifandratra ao laisany ny farany,mitadiava hafa d bon courage zany e,reste tjrs cool envers elle,....fa mety tonga saina izy we tena erreur no tsy nitazonany an'la t@ fotoana niarahan'laisany d mety hihova ngamba izy,....fa ny olna mety mitranga @ zay d atao ahona layoul miaraka @ la raha ohatra ka te hiverina @ ialahy...satria mantsy ny fitia mety tavela 2 am-po mandrakizay...
13. johanr ( 23/02/2004 14:37)
Ny amaritako ny oe refa tia d tia,dia ilay izy porofoina fona @ atao,fihetsika,tsy mapifilafila,maniry ho tina fona kou, d manao ezaka @ izany.An'ny andaniny sy ny ankilany io!TSy d azoazoko lotra ilay miteny oe "tiko enao mankatsy mankary",fa refa tsy tiko kosa d teneniko mazava !
14. ikaretsaka ( 24/02/2004 20:30)
tsy ny vava ihany ny miteny fa ny fihetsika sy ny atao koa e.. vao lesona vao azoko omaly io.. ilay nanome lesona angamba mahatapa ny tenany
15. six ( 24/02/2004 17:40)
k izy marina anie mody miteny hoe za ne tia anao nefa ts hita akory e, d raha hiaritra zany d z tiany hatao foana ve no hatao, nefa koa raha tsy hiaritra sa tokoa hoe refa tsy anjara izy zany d adaboka d hitady hafa dia raha araky c-cool hoe raha sendra manenina izy hoe takan'zay ihany d aona ndray no hatao, sa ahoana ary no tena ilazana hoe za ne ka tena tia anao, fa ianao to tsy mrahara kory...
16. voahary ( 24/02/2004 19:14)
rehefa tia koa anie tsy dia manome tsiny loatra an'ilay olona tiavina no tokony atao ry Six sy Cool e, faharetana kely tsy atao am-panenenana aloha de jerena eo izay vokany.... Ny fihetsika vokatr'io
faharetana kely no ahitana rehefa avy eo na poince na tsia, tsy eo imolotra fotsiny lé fitiavan eh...
17. fijo ( 25/02/2004 10:45)
pitchou a,rehefa tena tia ve tsy aleo gris ny lanitra amin'izay maha te hifampiondakondana foana.
18. voahary ( 25/02/2004 18:05)
aza manao an'izany ianao fa mety hisy oram-be izay raha vao gris foana ny lanitra hihiihi
19. faramamonjy ( 25/02/2004 12:01)
ka misy koa anie ny olona hatonina manalavitra, handosirana manakaiky dia tsy hay intsony zay hanaovana azy.
20. mimakely ( 25/02/2004 13:39)
Ny fitiavana miankina @ asa fa tsy eo am-bava fotsiny, ilaina ny mandre il ay teny mamy @ maha olona fa ny asa atao no tena determinant
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1746