mpanampy

21. fijo ( 26/02/2004 10:28)
fa any amintsika ilay izy tena mbola mampalahelo ka.
22. peluche ( 27/02/2004 12:45)
tsy de mahaga raha choquant be ho anao ilay izy satria enao avy any an-dafy,fa marina hoetsy ao ntsony ny maha-olona an'irny mpanmpy ireny ndraindray.
23. fijo ( 28/02/2004 09:29)
peluche a,tsy ny maha avy aty an dafy na avy aiza,fa dia tena tsy rariny ilay zavatra misy ka
24. pitchou ( 28/02/2004 18:07)
tena lasa lavitra ve raha lazaiko hoe fomba nitaizana ny olona iray no hita taratra @ toetra asehony ny mpanampiny? misy manko mahavita mandray an'ireny ho olona misy ny mahavita mihevitra an'ireny ho "tsy olona afaka"
25. hendry ( 01/03/2004 13:02)
Sarotra be hahita fomba tsara itondrana mpanampy mba tsy hahatonga azy hihevi-tena ho mpiasa be sy hahatonga anao mpampiasa tsy ho voambaka. Arakaraky ny toetran´ilay mpampiasa sy mpiasa io. Misy mpampiasa mba miezaka ny hitondra ny mpanampy ho zanaka an-trano fa ilay mpanampy mihitsy no tsy mendrika an´zany noho ny toetrany ohatra.
26. hendry ( 01/03/2004 13:03)
Misy koa ny mpampiasa efa tena mpanambany sy mpanandevo
( miala tsiny fa zay mihitsy ilay izy) ka na dia tsara fitondran-tena sy tsara fiasa aza ilay mpanampy dia ratsy foana no ahitan´ilay mpampiasa azy.
27. hendry ( 01/03/2004 13:06)
Ny tena mahasosotra ny mpampiasa @ mpanampy sy ny mahatonga ny disadisa koa anie matetika dia tsy avy @ mpanampy na ny mpampiasa loatra fa avy @ manodidina e, ilay mpifanolo-bodirindrana. Zahay nanana mpanampy tena nitoksina sy nifanaraka tsara taminay fa nony ela ny ela voarokirokin´ny mpiray vodirindrina dia nivadika ilay mpanampy. Lasa mamoaka entana an-trano, maniratsira ary mampifilafila mihitsy aza, indrindra fa rehefa hitany fa mila azy sy matoky azy enao. Lasa ratsy fitondra azy tsy fidiny koa ilay mpampiasa noho ny fiovany.
28. ikaretsaka ( 01/03/2004 18:36)
marina mihitsy io ry hendry. Misy koa fomban'olona ilay rehefa tsy manana mpanampy dia mody mandehandeha eny Tsimbazaza na Ambohijatovo na eny @ Avenue eny ilay mitady mpanampy dia mampiresaka ny mpanampinao eny izy (marihina fa ny akamaroan'ny mpanampy mahazo ilay fotoana fitsangatsanganana sy hialana sasatra) dia mody manontany hoe aiza indry no miasa ohatrinona ny karamandry, sns.. di mande amin;izay heo andao any amiko miasa fa ampiako 5 arivo izay ..
29. aladin ( 02/03/2004 19:21)
'za aloha ato an-trano raha vao mba miaro kely ny mpanampy de za indray no mahazo loza e!
30. fijo ( 03/03/2004 10:51)
za koa letsy dia voa foana tany ko.rehefa diso izy dia izaho no miteny hoe roahy.mba tsy hifandirana,fa raha marina izy dia arovako mafy,dia izaho indray no mihinana.
31. six ( 03/03/2004 16:31)
ka raha lahy ny mpanampy d ny vavy miaro na vavy ny mpanampy d miaro ny lahy, nefa raha zavatra marina d lasa ny ao an-trano ndray no miady,tsy hita mintsy
32. donemaskit ( 03/03/2004 20:35)
tsy mbô misy lalàna mikasika ny mpanampy marina nga ?
33. six ( 04/03/2004 18:47)
raha ohatra ka misy bulletin de paie izany hoe mandray karama toy ny mpiasan'ny orinasa rehetra ny mpanampy dia efa mazava ho azy fa ao anatin'ny mpiasa izy, dia raha ny aty m:kara dia ny loi du travail no izy. fa raha tsy izay toa tsy misy,
34. ikaretsaka ( 05/03/2004 10:49)
misy efa manao ny sasany an! olona prive fa ny mpanampiny sy ny saoferany ary ny jardinier ny mahazo buletin de paye
35. ikaretsaka ( 05/03/2004 10:50)
misy efa manao ny sasany an! olona prive fa ny mpanampiny sy ny saoferany ary ny jardinier ny mahazo buletin de paye
36. pitchou ( 06/03/2004 13:23)
sahala @ izany no nanaovako ny mpanampiko fa tsy nahasakana azy tsy hanondrana izany! dia toy ny mpiasa rehetra, faute grave = licenciement! mahatsapa ny fomba fitondrana ihany izy rehefa voaroka d mangataka hiverina, fa toy ny mpiasa voaroka rehetra asaina mitady any an-kafa! tena manahirana mihitsy e! afatsy izany io lazain'i six io hoe toa ny ao an-trano indray no miady @ farany!
37. fijo ( 12/03/2004 11:30)
tsy lavina izany,fa mba efa tonga kosa angamba ny fotoana tokony hanomboana ny hijerena ny momba azy ireny.
38. hendry ( 12/03/2004 11:34)
Efa nanomboka HONO.
Matetika koa anie dia ny mpampiasa foana no omena tsiny hoe manome karama kely, manambaka sy ny sisa nefa misy ilay olona te hiasa ni misisika na dia miteny aza enao hoe tsy manam-bola be hatao karamany.
Zahay efa sendra an´zany, zanaka tambanivohitra lavitra be, ilay rad´n´ilay ankizy 12 taona no niangavy sy nitalaho mba hampiasain´ny rad-ko ny zanany.
Efa niteny ny tao an-trano fa tsy hatakatra ny karama tokony ho izy ho an´ilay ankizy fa nisisika ilay rad satria dia tena charge be ho azy ireo ny mamelona zaza 11 ao an-trano, ny antom-piveloman´izy ireo resaka voly tsy dia mankaiza akory.
39. hendry ( 12/03/2004 11:36)
Dia anjaran´ny tena sisa no mieritreritra hoe tsy handray ilay ankizy ve? vao maika anefa hijaly lavitra izy @ tsy fahampian-tsakafo ao @ fianakaviany. Handray azy ndray nefa tsy hatakatra ny karama norme tokony homena azy.
Dia noraisina ilay mpanampy, rehefa zatra ny ville dia avela hitady asa hafa zay sahaza azy.
Raha efa nisy nefa ilay lalàla @ resaka karama ho an´ny mpanampy t@ zany dia ho ny rad-ko no voasazy nefa izy aza mba niantra.
Sarotra be ilay izy.
40. kitjo ( 13/03/2004 13:00)
sarotra b aloha e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0145