sarotra angaha ny mifehy ny fitaovanareo e...?

21. kally ( 20/02/2004 16:27)
Dia ny vehivavy izany no voatery hisarom-boaly sy hanao rebareba raha izany fa ny lehilahy vao mahita vehivavy miakanjo fohifohy na ohatr'ohatr'izany dia ndao!! Lasa mivadika ho mpanolana matianina daholo?
22. hendry ( 21/02/2004 14:58)
Samy tompon´andraikitra na ny mpampianatra na ny sipa mpianatra. Ilay sipa mpianatra koa anie ndraindray rehefa tsy manaiky ramose dia milaza ny hamono tena na koa dia misisika fotsiny zao tsisy ialàna mihitsy. Ndraindray ny solution tokana dia ny fiarahan´ilay mpampianatra aminy satria @ zay mba tsy ho tsikaritra be @ manodidina hoe misy zavatra tsy mandeha @ iny sipa sy iny ramose iny. Raha miaraka manko ry zareo dia mety handeha milamina na ny fampianaran´ingahy mpampianatra na ny fianaranan-dRakalakely.
Mety hiteny nareo hoe cas extreme be no noraisiko, ny tiako lazaina dia misy ny fiarahan´ny mpianatra sy mpampianatra mahatsara zavatra ary tsy tokony raisina @ lafiny ratsy foana. Raha zaho manokana aloha dia tsy pour @ ilay lalàna hoe tsy mahazo miaraka @ mpianatra ny mpampianatra. Na misy an´iny lalàna iny na tsisy, rehefa hiraka ry zareo miaraka foana, lasa théorie fotsiny ilay izy koa tsy aleo tsy asiana?
23. isrine ( 23/02/2004 18:18)
salut!
hendry: amiko, matoa ilay mpampianatra milaza fa " mampanaonao foana ny mpianatra indray2 "dia midika fa tsy tia an'ilay mpianatra izy fa filana fotsiny no misy ao aminy. fa raha tena tia an'ilay mpianatra izy de ho marina ny voalazanao;
24. voahary ( 24/02/2004 19:31)
raha tena hianatra no ao an-dohan'ny mpianatra fa tsy hi-provoquer mpampianatra dia tsy tokony hisy firy io resaka io rehefa any am-pianarana fa raha tsy izay aleo tsy mianatra.torohevitra ho an'nympianatra io an!!!
Ho an'ny mpampianatra kosa mba mifeheza-tena mba ho modely eh!!
Isrine : risque kely ihnay anie io misakaiza na manambady mampianatra io eh smile...
25. hendry ( 24/02/2004 17:09)
ilay mampiseho fihetsika imason´ny mpianatra hafa sy eny an-dakilasy ny ahy no tsy ekeko, fa raha any ivelany, vie privée-ndry zareo zany, azy ny azy. sady io hoa na hidradradra aza ntsika hoe tsy ekena dia misy foana io. Ny manova ny toetsain´ny mpianatra sy mpampianatra zany mbola henjana.
26. vegas ( 25/02/2004 20:04)
Fa aôna no fehezina e? fehezo nenareo!
27. fijo ( 25/02/2004 11:32)
dia samia misaina koa e.mora izany
28. ccool ( 25/02/2004 19:20)
ataovy zay mety fa aza miasa saina b e,so lasa adala @ zany ny farany ,nyfiainana ary ity efa tsy hita zay anaovanma azy ,
29. fijo ( 26/02/2004 09:38)
izay misaina aloha.
30. voahary ( 26/02/2004 19:02)
aza mangaro-biby an-davaka fotsiny aloha e
31. fijo ( 27/02/2004 20:01)
marina izany.
32. xxx ( 17/03/2004 14:56)
Io tsy misy hoe nahoana ny lehilahy no tsy bedesina na hoe ahoana!
Ny lehilahy, tsy resaka macho araka ny fitenim-bahiny akory, fa kapain-tsy hita fery. Ny vehivavy kosa malemilemy kokoa, ny teny hoe "fragile" no mandika azy mazavazava kokoa.
Mba eritrereto kely ane ny mihaino vehivavy miteny ratsy e, vehivavy mamo, vehivavy manamôly! RATSY BE, ary na ianareo vehivavy mamaky ity hafatra ity aza mety mba hanaiky izao soratro izao, na ny sombiny fotsiny aza.
Nefa ny bandy, raha manao ireo rehetra ireo, tsy koi!
Ny hafatra tiako hampitaina dia hoe, tsy tokony hifaninana amin'ny lehilahy ianareo vehivavy, RATSY DAHOLO ANIE NY ZAVATRA ATAON'NY LEHILAHY TADIAVINAREO TAHAFINA E!
Sa, raha misy vehivavy manana hambara hoe, inona amin'ny zavatra tsara ataon'ny lehilahy no tianareo atao ihany koa?
Mba valio ity hafatro ity.
Noho izany, toro hevitra ny ahy, ny soratro ario raha tsy tianareo, fa izaho aza ariana.
Fadio ity hitovy zo amin'ny lehilahy ity.
Tsy mbola fiteny eto amintsika ny hoe, JIOVAVIM-BOTO. Ka aoka re tsy hiforona izany.
Misaotra e!
teny atsipy amin'ny manam-panahy hono...
33. fijo ( 18/03/2004 11:00)
misaotra ra X an
34. rivorijasoa ( 20/07/2004 07:23)
Gaigy be izany hafatr'i xxxxxx ho anareo vehivavy izany an!
Fa le izy aloha dia tena marina e!
35. rivorijasoa ( 12/11/2004 08:29)
Fa ny tsy mazava ange dé hoe lé mpampianatra ve efa manambady, dé lé mpianatra ve efa ampy taona, sa mbola mineur, fa raha efa ampy taona mantsy ilay mpianatra dé mbola mpitovo ilay mpampianatra dé tsy hitako loatra izay izay olana raha miaraka ry zareo, fitiavana io ko! :*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2751