Safidy masina

1. psykatr ( 06/02/2004 19:35)
Misy zvtr tsy mety azoko mihintsy t@ fanpahan-kvtr' Andriamanitra:
Izy dia mahalala ny ZV-drehetra, koa maninona ary no mbola napetrany tao anaty Edena ilay hazo misy ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy raha efa fantany fa:
1-Ho hanin'ny Olona lé izy
2-Lasa miparitaka ny ratsy
Kanefa Izy tsy tia ny ratsy!!?
2. ngama ( 06/02/2004 13:45)
Ary maninona ra lafiny hafa no hijerena azy :
- nomeny saina isika, nomena fahalalahana hisafidy isika, efa nampitandrina ihany koa izy fa isika no te haniratsira de mbola izy indray ve no homentsika tsiny? sao dia tafahoatra loatra izany fahasahiantsika izany?
3. ngama ( 06/02/2004 13:45)
Ary maninona ra lafiny hafa no hijerena azy :
- nomeny saina isika, nomena fahalalahana hisafidy isika, efa nampitandrina ihany koa izy fa isika no te haniratsira de mbola izy indray ve no homentsika tsiny? sao dia tafahoatra loatra izany fahasahiantsika izany?
4. ikaretsaka ( 07/02/2004 10:28)
nomeny safidy isika... sy saina hahafahana mifidy mahalala ny tsara sy ratsy... ary indrindra fahalalahana hahafahana mifidy
5. donemaskit ( 07/02/2004 10:24)
zany hoe isika fotsiny no niseho ho be loha sy tsy niraharaha ny fitandremana dia zao no niafaràna
6. fijo ( 11/02/2004 11:53)
raha ianao lehibe sy misaina io no mametraka antsy eo amin'ny tany,ka raisin'ny zazakely ,dia iza no diso?ilay zaza sa ianao?
ny valiny angamba dia hoe,ianao lehibe.koa maninona izany andriamanitra izany no tsy diso nanao ilay voankazo tao an tsaha.DISO be mihintsy i lery ary adalany ny azy.
7. psykatr ( 11/02/2004 19:58)
Zay no tiako ho dinihina lalina.
Izy dia suposé ahalala ny Z.V- drehetra sady tsy tia ny ratsy.
Noho izany maninona no tsy nofoanana t@ voalohany ny ratsy?
8. mity ( 11/02/2004 09:14)
Zany ve hoeritreretina daholo?
Ohatran'ny hoe maninona kay no misy ny olona tena fadiranovana mahantra kanefa mpivavaka ihany, ary maninona ny olona sasany manankarena be kanefa mpanao risoriso fotsiny. Samy asatanan'andriamanitra ihany isika olombelona kanefany maninona no de misy nataony ratsy tarehy be ary misy ny tsara tarehy be?
9. fijo ( 12/02/2004 11:42)
izany no manaporofo fa tsy izy no nanao an tsika.raha ianao ve no nanao ny zanakao,dia nasianao ratsy?tsy mino izany aho.
10. kally ( 13/02/2004 20:48)
Tsy izany angamba!
Nandiso fanantenana an'Andriamanitra ny olombelona,izy nihevitra fa olona misaina sy manana ny safidiny malalaka ary hendry,kanjo olona malemy ihany.
Ny zanakao indraindray tezitra ery iaano ka miteny hoe:ianao lehibe indray no misary adala mampianatra ny zazakely.Misy fotoana atokisanao ny zanakao dia omenao fahalalahana izy nefa amin'ny fotoana tsy eritreretinao iny izy mibirioka.
11. jhouhlambout ( 13/02/2004 17:50)
Ka ny olana dia:
Afaka nesorina ny ratsy (ilay hazo) dia tsy nanota mihintsy ny olona.
Nefa in?
12. fijo ( 17/02/2004 11:48)
adalany izany ny azy.
13. ari.malala ( 20/02/2004 19:25)
ka tsy Andriamanitra anie no nanao hoe hano io hazo io ê! efa nandara izy fa ny demony no nanitikitika, dia miverina indray any @ ilay hoe anao ny safidy.
14. ari.malala ( 20/02/2004 10:43)
ary ilay hazo koa tsy hoe io hazo misy paoma, fa sarin-teny ilay izy. Ary @ ilay hoe voankazo voarara ny valiny. Avonavon'ny olombelona io hoe voankazo voarara io. Ny nahamay an'i Eva dia ilay hoe "hitovy @ Andriamanitra"
15. hendry ( 21/02/2004 17:02)
Nasiana ny ratsy mba hakana lesona ho an´ny tsara. Raha tsara daholo ny zava-drehetra dia efa tany an-danitra sika mianakavy fa tsy taty an-tany ntsony. Ny ohatra ao @ baiboly anie @ ankapobeny natao hisintomana hevitra mba hananarana ny olona e, midika zany fa ny ankabeazany dia miainga @ ratsy mba hisintomana lesona hikatsahana ny tsara.
16. fijo ( 27/02/2004 20:57)
ny baiboly anie ka tsy inona fa fitambaran'ny tantara jiosy e.tsy masina izany io.ny boky gasy"sikajin'ny dadabe"no mitovy aminy,fa iny moa gasy dia tsy lazaina hoe masina.
17. peluche ( 27/02/2004 12:31)
fantatr'Andriamanitra ny fisian'ny ratsy sy ny tsara,fa tsy nofohanan'ilay ratsy na de hanany aza ny fahefana...ankotr'izay mbola nosedrainy ihany ny olona noforoniny satria noheveriny hoe noforoniny t@ image-ny,dia tsy homora voatarika @ ratsy,saingy indrisy...
18. samoina ( 27/02/2004 13:08)
Hoy ilay vavaka nampianarinY " Aza mitondra anay @ fakam-panahy...". Iza no nampianatra izany moa ? Iza no lazaina amin'io ?
Maninona aza no tsy izao no nampianarina: " enga ka tsy ho azon'ny fakam-panahy izahay..."
Ohatry ny hoe manao sangy ratsy izany misedra fanahy malemy izany
19. jhouhlambout ( 27/02/2004 16:03)
Ka zay mihintsy.
20. fijo ( 28/02/2004 10:15)
izany hoe izy ihany no mitondra ny olona any amin'ilay fankapanahy.izay no hilazako hoe raha izany dia hadalany ny azy.
ary hoe namboariny hitovy amin'ny imageny.izany hoe izy koa izany toa antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0996