tratrako

1. lema ( 29/01/2004 11:38)
tratranao nampirafy ny vadinao na ny sipanao inona no fanapahankevitra ho raisinao
2. ravatorano ( 29/01/2004 11:45)
tsatsa ,ambody omby zany !
barakay tsisy famindra po aloha
lé aviheo mieritseritsa
Matoa ny olona iray sahy mampirafy dia efa tsy tiany intsony izany ilay niarahany vônalohany.
Ka inn no mbola hanana fandeferana amizany bye bye
otsan'ny tsy teo
3. tahiana ( 29/01/2004 15:47)
saraka ra za!
4. kally ( 29/01/2004 15:51)
Raha sipako mbola tsy vady:tsy asiako sira fa lamôria,omeko azy ambongadiny.
Raha vady,any an-trano mifanazava:inona ny antony?Ny hambopo ve no tsy hananan'ny ankizy ray?Fa samy olon-dehibe dia mifanitsy,averina aminy fa soa fa tsy ny zaza aza no nahatratra azy ,raha olona misaina izy ho tonga saina ihany.Na tezitra aza ny tena,io no nekena miaraka @ hagegeny sy ny hadalàny fa dia anjaranao ny manarina azy,izay no maha-mpivady ny mpivady koa.Fa tsy isaky ny misy olana dia mitsoaka an-daharana foana.
5. fijo ( 30/01/2004 20:06)
i kally wa tena vadiable mihintsy.tsy mba entim po izany,fa mandinika foana aloha,vao manao zavatra.
diso ilay filazana ery ambony hoe matoa mampirafy dia tsy tia.mety misy zavatra tsy tanty,fa tia ihany ka.matoa io nafenina,dia satria tiana ilay anafenana azy.
6. moi ( 30/01/2004 16:43)
Ary ahoana ilay hoe : "Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ?"

Aza mba tratra ihany no fanafodiny !
7. fijo ( 30/01/2004 16:59)
marina ny anao.mahaiza daholo manafina o.
8. pitchou ( 30/01/2004 09:04)
tsy hitako izay tokony hafenina amin'izany! raha mihevitra aho tokony hahatanty an'izany izy d tsy maintsy mahazaka koa raha izaho no mba ... noho ny antony maro samihafa!
9. tequila ( 30/01/2004 09:36)
Rah zah koa aloha dia arakaraka foana e , mbola tsy voa aloha aho fa mieritreritra ah hoe mety fanazavana no alefa , rehefa tsy mifankatia tsony ve moa atao ahoana fa zay zany .
10. jhouhlambout ( 30/01/2004 13:09)
Fanapahankevitra:

-Avy enao aty, tratrako ka ahoana?
-Mifona e!!
-Inn ny tianao: mbola hiaraka isiaka dia mampirafy aho sa hisaraka?
11. hendry ( 30/01/2004 17:23)
na fifampiresahana ihany no vahaolana tsotra indrindra, ka rehefa mitsotra izy hoe tsy tiako ntsony enao dia misaraka, sinon atao zay hifandeferana sy ifanarahana.
Hoy ilay hira hoe: "tsy misy tsy diso, zay mandia @ tany..."
12. lema ( 31/01/2004 09:51)
tena tiko be ny fisainanao ry kally tena vadiable marina énao.
13. kally ( 31/01/2004 10:05)
Misaotra an!i Fijo sy i Lema ary amin'ilay hoe vadiable e!
Dia angamba tsy izaho irery fa be dia be ny vehivavy na eto @ namana na aiza mbola ohatr'izany ny fisainany fa tsy ilay maivamaivana araky ny fitsaran'ny lehilahy azy matetika.
14. xxx ( 31/01/2004 15:40)
ka énao ve ary efa manambady fa efa roa sahady reo ny demande e!
15. pitchou ( 31/01/2004 16:35)
3 miaraka @ xxxxxxxxx!
16. xxx ( 01/02/2004 13:57)
ary énao
17. kally ( 01/02/2004 17:05)
Aiza koa izay fangatahana eo ry xxx a?Miteny fotsiny zareo,izany angaha midika hoe mangataka?
18. jhouhlambout ( 02/02/2004 09:01)
Miaouunn....
19. pitchou ( 02/02/2004 09:15)
énao iza ny xxxxxxxx?
20. xxx ( 02/02/2004 09:22)
énao pitchou ve afa manambady kou
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6429