Ny fahamarinana sy fahamasinana any dago malalantsika

1. pitchoune ( 28/01/2004 17:26)
Afaka mijoro vavolombelona eto aho fa mbola tsy misy ny atao hoe fahamarinanana sy fahamasinana any amin io Mcar tsika io. Mampalahelo be satria ao anivon ny fitsarana mihitsy no itrangan ny zavatra tsy mazava amin ny resaka tsolotra tsy toko tsy forohina(mety ho diso ny fanoratro io). Ahoana ny hevitrareo?
novalian'i hps ny 25/09/2004 18:55
2. kally ( 29/01/2004 20:03)
Io Pitchoune,n'aiza n'aiza tsy misy izany fahamarinana sy fahamasinana 100% izany a!na eto amintsika na any ivelany,ny tsolotra sy ny risoriso tsy fongana mihitsy na fitsarana io na pôlitika na toe-karena n'aiza n'aiza ka aza manakivy saina amin'izany loatra!
3. ravatorano ( 29/01/2004 16:53)
marina ny an'i Kally ! na dia natsangana aza ny departemanta lehibe iray izay hiadivana amin'ny kolikoly sy ny karazana tsolotra eto Madagasikara ry pitchoune dia mbola manjaka ihany ny risoriso ah !tsy afaka io satria mbola misy n manolotra ary dia mazava ho azy fa misy ny mandray.
Raha ny eto mbola i Ra8 iany no mety manao an'io fahamasinana sy fahamarianana io.Ny zavatra tokony hatao dia ny fiezahana hanakaikikaiky an'izany slogan izany.Mba tonga eny amin'ny 51% eny aloha defa milay é
4. xxx ( 29/01/2004 11:27)
Tsy misy io fahamarinana sy fahamasinana io na dia i Ra8 aza tsy manao izany.Jereo fotsiny ange ny fahasahiany milaza fa ny vola misy fa ny handaniana azy no tsy hita.Dikan'izany maninn ary no tsy asondrotra ny karama farany ambany, omena fanampiana ny mahantra.Mba manontania ange ianareo mpiasan'ny TIKO eh! ohatrinona ny karamany? Izany no tsy ahasahian'ny fanjakana Malagasy manondrotra ny karama farany ambany na Fonksionera io na privée
izay aloha eh
5. samoina ( 29/01/2004 14:41)
fahamantsinana no feno satria mbola tia kely avokoa na ny efa vokibe na ny noanalava na ny eo an-dalampamokisana ! ary ireo miezaka hikatsaka fahamarinana tsy maintsy hadaboky ny mantsina hatrany ka miafara maimbo koa na tsy fidiny azy aza !
6. jhouhlambout ( 30/01/2004 12:52)
Marina daholo izany fa ny tiako ho marihina dia ity phrase ity:
Ny firenena izay hatsangan-tsika...
Donc mbola vao hatsangana lay izy ary raha jerena ny lanjany(mavesatra) dia mbloa ho ela vao tafatsangana izy.
7. kally ( 31/01/2004 10:40)
Ka marina izany satria ekena fa nidaraboka izy teo aloha,nisy nanitsoka tany anaty lavaka ka arenina izy izao.Izay no zava-dehibe,rehefa tsy hamela azy hianjera intsony sy miezaka ny hisintona azy hitsangana.

Ny hoe fahamasinana tanteraka,tsy misy io na firenena aiza na firenena aiza fa rehefa tsy misaringo-borodamba intsony ny vahoaka,mianatra ny zaza madinika,afaka mitsabo tena ny marary dia izay angamba aloha no tratrarina,ho hita eo ny tohiny.
8. ratsiraka ( 03/02/2004 15:27)
Tsy mamely io fa aleo hanaovako azy
9. 2689 ( 09/03/2004 17:14)
Ny ahy dia toy izao no naoty nomeko ireo nilatsaka hofidina t@ 2001 :
Ra8 : 6/20
Ratsiraka : 1/20
Zafy : 0/20
Herizo : 1/20
Rajakobe : 0/20
Rajaonary 0/20

Dia toy izao ny naotiny ankehitriny :
Ra8 : 6/20
Ratsiraka : 0/20
Zafy : -20/20
Herizo : non notée
Rajakobe : non notée
Rajaonary : non notée

Dia na fahamarinana io na tsy fahamarinana; na fahamasinana io na tsy fahamasinana; tsy hitako izay milay noho Ra8, na dia tsy mahazo moyenne amiko aza ilehiry.
10. kally ( 09/03/2004 18:05)
Izaho mitovy hevitra amin'i 2689(hafahafa koa izany anarana marika izany,ohatry ny hoe any am-ponja).
Misy ny tsy mety amin'izao nefa mba misy koa nyasa vita,tsy olana avelao hitohy.Ireo teo aloha mantsy sady tsy mamely no mamarina an-kady.Ity eto ity na tsy mamely loatra aza mba misy afitsoka ihany.
11. jhouhlambout ( 11/03/2004 17:55)
Toa tsisy nahazo moyenne mihintsy ry zalahy nilatsaka!!?
Tsy mendrika daholo zany reo?
12. kally ( 11/03/2004 17:36)
Ka aiza eto ambonin'ny tany moa i jhouhlambout no mahita filoham-pirenena hoe mendrika?
13. kitjo ( 12/03/2004 14:05)
k izy aloha ny role zany na tsy mahazo moyenne aza e,ka mbola vao tsy misasaka akory ny taona fa aleo hanarina e,omeo sopapa eny @ sisiny eny ihany lery

fa teo aza firy taona mbola tsy nahazo moyenne mba tsy hilazana oe note negative, fa aza faly mitsara foana koa isika e,sady tsy mahita afatsy ny ratsy matetika,
fatako fa mbola vitsy aloha ny tsara kanefa vao loarana avy any ankady mitsy ange io fa tsy mba eo @ tany no arenina e

sa misy efa mahita hafa ndray any hahavita kokoa noho lery?
14. jhouhlambout ( 12/03/2004 20:13)
izaho ohatra...
15. miranto ( 12/03/2004 14:10)
tsy misy olona mendrika eto na relijiozy na dada pasy aza fa zany hoe efa izay ilay tanjona ho mpitory de izay.KA DE HO ELA VELONA ANIE ZAFY E!!!!
zao e! i ravalo anie tsy mahay politika fa misy olona mpibaiko ao ambadika ao de izy mpanaraka efa fotsiny e! sady io ho aho mitovy dolo zay tonga eo na za aza hihihi
16. ikaretsaka ( 13/03/2004 14:44)
za ko ohatra fa ... aleo aloha za ho miliardera/
17. kitjo ( 14/03/2004 17:32)
d mandra-piandry antsika mianakavy aleo izy ary aloha ho eo,
i jhoul mbol amila amboarina pseudo vao afaka manao propagande
18. ikaretsaka ( 16/03/2004 14:06)
mbola ho avy aho.. fa aza mikorapaka
19. kitjo ( 17/03/2004 11:22)
miandry fa gasy zany v
20. ikaretsaka ( 17/03/2004 18:29)
hatramin'izao aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.17