ny sandam-bola malagasy

1. ravatorano ( 28/01/2004 20:46)
Efa mananika ny roa arivo ariary malagasy izao ny sandan ' ny Euro akiray.HIta izany fa mitotongana ny sandam - bola malagasy eo amin'ny tsena iraisampirenena.
Raha nilaza ny heviny momba an'io ny minisitry ny toekarena malagasy dia houzizy wé : " miakatra kely fotsiny ny vidim-piainana eo amin'ny 2% na miôtra kely ary io fitotonganan'ny volatsika io né ka mandalo fotsiny é "
Raha nanaraka tsara ny "dépreciation" ny vola malagasy ianao dia efa nanomboka roa na telo volana teo izay.Nijotso ka nijotso ary dia tonga amin'izao toerany izao.Niditra antsehatra ny banky sentiraly fa tsy nahavaha ny olana izany.
Ny voka-dratsiny defa manomboka miakatra tsikelikely ny vidin'entana eny amin'ny rayon rehetra eny.Nilaza ry zareo mpivarotra solika(lasantsy;gazoil;pety rôle) fa hiakatra koa izany eny amin'ny pompe.Ary eo no tena hanomboka ny gidraka satria tsy maintsy hiakatra dhl ny vidin'entana rehetra satria hiakatra ny fré....
Dé asa fotsiny indray.....Tokony hitady vahaolana maharitra ain'izany ny ministera.Ny hany tombony dia hazot hakaty ny vahiny satria mora loatra ny vidi piainana aty raha oharina amin'ny vola entiny.Miakatra ny fanondranana entana any ivelany vokatr'io dépreciation io.
novalian'i peluche ny 21/02/2004 12:17
2. niainarr ( 28/01/2004 10:02)
Za tsy mahay toekarena mihitsy ka mba manontany anareo mahay: inona daholo kay ny facteur rehetra mampidina na mampihakatra ny sandambola?
Misaotra mialoha ho anareo rehetra izay hampianatra anay.
3. tagore ( 28/01/2004 11:29)
Io ry zareo dia tsy mahagaga satria dia olona tsy mamely ny tonga eo ary dia hatao handrana daholo ny asa ka ny mijaly amin'izany dia ny vahoaka.Io tsy ilaina fahaizana vao afaka hitsara ny resaka sandam-bola saingy kosa ny fiantraikanny amin'ny fiainana an-davana'andro, ny fisondrotry ny vidim-piainana sahady ao antin'ny 3 volana izay ,dia hahafahana fa misy tsy miady ao ka resaka fampatoriana fotsiny ny hoe "fisondrotana mandalo io".Vaholana dia ohatra ny any ivelany any rehefa tsy tafavoaka ny programme-nao sy ny tetikao dia ny mametram-pialana no mety fa tsy ny vahoaka no atao andrana amin'ny tsy fahaizana . Izany dia amin'ny lafiny rehetra ,aleo mitsara-tena , tsy ny hoe ny mahay no tsy ampy fa ny kitrano an-trano no be ary izay ihany no efa nahavoa teo aloha .Ka manjary "volan-kakafotra ka omaly tsy niova ihany" ,manakina ny teo aloha anefa toa ny teo ihany no teo.Hevitra mandalo ny ahy fa samia mitsakotsako e! raha diso ny fisainako dia modia tsy fantatra sao.....!!!!!!!
4. kally ( 28/01/2004 15:16)
Io koa anie ny euro koa no tsy nijanona niakatra raha ny fijereko azy.Izany hoe ny vola malagasy angamba mihoatra @ fandehany isan'andro tsy dia nidina be ahoana fa ny euro no niakatra be,raha ampitahaina ohatra ny euro sy ny dollar dia misimisy ihany ny elanelany izao mihoatra @ volana vitsivitsy taloha lasa.
5. donemaskit ( 28/01/2004 15:49)
Ohatran'izay koa ny fahitako azy : ny euro no niakatra be loatra fa tsy dia tena hoe ny ariary no nitsotsorika na dia nampidinin'ny détaxation aza.
6. ravatorano ( 29/01/2004 17:16)
re zany zao fa tsy hiakatra ny lasantsy satria ny fuel dia aloa amin'ny vola dollar fa tsy euro.Izany hoe raha tarafina amin'ny fisondrotry ny dollar izany ny fmg dia tsy dia mitotongana akoriny.
Ny wé atao andrakandrana ny fiainam bahoaka aloha toa tsy dia marina loatra ihany.Isika eto Madagasikara anie ka ny vola tena ampiasantsika eto dia fanampiana avy any ivelany daholo è(trosaina,omepotsiny).Ny hita sy tsapa aloha izao dia somary niakatra kely ny vidin 'entana , ny vary indrindra ² ka rehefa io no miakatra na dia ariary roa fotsiny aza défa henjana izay satria tsisy gasy tsy homambary zany é!
7. kally ( 29/01/2004 19:40)
Ny sara-pitaterana ny solika ve anefa aloha @ euro sa dollar?
8. ravatorano ( 29/01/2004 11:58)
ny sara pitanterana indray dia arararaky ny mpanafatra ihany io.
misy mampiasa ny euro ary maro ny makany amin'ny dollar.
Efa nidina 8500 fmg izao ny euro iray anjoany.
9. tianjon ( 08/02/2004 16:57)
tsy azo tsinotsiniavina ny fiakaran'ny euro manoloana ny vola malagasy ( na koa ny fidinan'ny vola malagasy manoloana ny euro) nefa tsy tokony ho atao mahataitra loatra ( panique ). Amin'izao fotoana izao dia mbola ny USD no mibaiko ny resa-bola manerantany. Hatramin'ny nisian'ny ady ao Irak anefa dia lefy ny herin'ny dollar, mazava ho azy fa mahazo aina kokoa ny euro noho io antony io.
Izany hoe tranga iraisan-tsika amin'ny rehetra ny fiakaran'ny euro fa tsy voatery ho aretin'ny toekarena malagasy.
Na izany aza dia miteraka olana ho antsika ny fiakaran'ny euro satria io maribola io no noraisin'ny fanjakana hanaovana fifanakalozana. Vokany : misondrotra ny vidin'entana afarana avy any ivelany (importations), Lafitsarany : tsarakokoa ny tsena amin'ny entana fanondrana any ivelany (exportations).
Ny vaha olana tsara indrindra dia mampifandanja ny miditra sy mivoaka, tokony hiezaka izany isika mba hamokatra izay azo vokarina eto an-toerana mba tsy hanafarana izany any ivelany. Voavaha ny antsasaky ny olana.
10. peluche ( 21/02/2004 12:17)
saingy indrisy mbola miankina @ any ivelany foana ny gasy na resaka produit de base arany,oviana voa hovolanja ny exportation sy ny importation?dans un quart de siècle raha aingana ndrindra,aleo tsy manofy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5272