Ny hava tiana tsy hiaraha monina

1. pitchoune ( 27/01/2004 18:18)
Very hevitra tokoa izahay mivady eto satri ny tena mbola sahirana nefa ny olona ipetrahana toa manahirana be ihany, ny tena mba efa miezaka manao izay azo atao nefa toa tsy misy sitraka sady tsy vitan izany fe refa te ho faly dia faly moa rehefa te ho sosotra dia tsy miteny amin iza na iza. Toro hevitra ho an ny rehetra: raha tiana ny itohizan ny fihavanana dia ialao ny fifampitakosenana be loatra
novalian'i fijo ny 20/02/2004 11:40
2. ravatorano ( 27/01/2004 19:09)
marina ilay ohabolana ary ny tena anton'io anie dia ny mba hahanan'ny zanaka fahaleovan-tena mba tsy hiakinanany amin'ny RaR nefa tadidio koa fa izay mahavangivangy tian-kavana.
Io koa dia miankina amin'ny fahaizana mifandray ihany.Raha hainao ny mitondrar tena , mitondra ny tontolo manodidina anao dia milamina foana io , ny fandeferana no tena zava dehibe sengy tsy mandefitra b fahatany
3. shadow ( 27/01/2004 09:23)
Marin aio fitenana io fa efa niainana. Raha tena tianao ny hisian'ny filaminana tsotra fotsiny ny atao miala, aleo hono miala tsy misy romo² toy izay miaina anaty loni² ny havana tsy ho faly @ izay mety ho fanananao na 'zay mety ho ataona fa tmt misy tsininy satria ny culture niainana sy ny fomba nitezana tsy mitovy ary ny milieu niainana koa oh 'zany aleonareo mifindra na de manofa trano aza de mihafy fa rehefa tafavôka nareo menatra ihany ny mpanenjika sady tsy misy manenjika lsa aloha izany fa any afara fôna . Mirary anareo ho tafavôka de mandraisa decision tapaho ny fifandraisana aleo misintaka.
4. kally ( 27/01/2004 12:41)
Maharava fihavanana tokoa io miara-mipetraka miara-mipetraka io.Tsy ny hoe vola lany na ny inona akory matetika no maahsarotiny ny mpampiantrano matetika fa ny fomba madinidinika tsy mitovy.Samy manana ny fahazarany mantsy ny tsirairay ary sarotra tena sarotra ny mandrindra an'io @ fahazaran'ny hafa.Ohatra fotsiny hoe,olona sarotsarotiny be izy,rehefa avy miborosy nify izy ohatra hamainina ny borosy nify vao ampirimina @ toerany,ny an'ilay nampiantranoina ohatra tonga dia ampirimina.Tsy hiteny aminao mihitsy izy hoe mba ataovy toy ny ahy ny fanaonareo fa dia hilongilongy fotsiny izy.Ka manahirana io fa zaza niara-notezaina aza tsy mahay miray trano fa aleo mihafy @ izay zakan'ny tena ,ny fihavanana ho rava ka raha tianao tsy ho rava ny fihavananaero dia mialà tao.
5. pitchoune ( 27/01/2004 18:29)
SOS maison à louer ary rey olona a! aty Paris izany an! Misaotra daholo amin ny toro hevitra e!
6. fijo ( 28/01/2004 10:28)
maninona tsy manao fangatahana any cachan aloha.lafo be koa mantsy ny hofan trano ao paris ao.na manantona assistante siciale,dia ivereno matetika,fa milona koa mantsy ny ao.mahereza fa aza kivy e.mitsako aloha vao mitelina
7. bichette ( 28/01/2004 19:52)
Sarotra dia sarotra tokoa ny miara monina indraindray. tsy hoe ny fitiavana no tsy misy, misy ny fitiavana fa araky ny voalaza dia ny fombafomba no tsy mitovy ary ny fahazarana samy manana ny azy. Sanatria ny hoe ny an'i ranona no mety fa ny an'i ranona no tsy mety. Ny azoko ambara anareo dia hoe ataovy izay hatsapan'ireo olona mampiatrano fa tsy enta-mavesatra ianareo fa ny mifanohitra amin'izany. Aza misalasala ihany koa miresaka mivantana aminy raha misy tsy fifanarahana loatra. Efa nandalo tamin'izany aho. Koa mahereza daholo.
8. pitchoune ( 28/01/2004 10:55)
Ny ezaka aloha dia tsy maintsy misy ry bichette a, ny course (provisions) efa mizara, ny zaza efa iarahana mitaiza, ny raharaha ao an trano efa iaraha manao. Ny hofa trano fotsiby no tsy alohanay fa na izana aza mba tsy maintsy mitady hevitra ihany zahay. Ary rahoviana i Bichette no mande vacances, d aiza no handeha?
9. bichette ( 28/01/2004 12:36)
sarotra kanefa donnez le meilleur de vous meme. Mahereza pitchoune a! mahreza amin'ny fitadiavana rehetra. Andriamanitra anie hanampy anareo ary koa ireo olona rehetra sahirana sy manana olana amin'ny fitadiavana trano aty am-pitandranomasina aty. fa ahoana i pitchoune no manontany ahy hoe rahoviana no mandeha vacances ?????
10. fijo ( 29/01/2004 10:08)
izaho koa efa niaina an'io tamin'ny vao tonga.ny mahagaga ahy dia nanaiky ilay olona ny handray,nefa avy eo manao io toetra ratsy io.
ny ahy aty efa nolazaiko tato,fa ireny mpitendry manenon'i besa ireny tonga taty,izaho no nandray azy.tsy misy haiko fa dia nampiako fotsiny.tsy haiko mihintsy ny mahatonga io toetra io,ary ny vehivavy no manao azy io matetika.nefa anie rehefa any mada dia any aminay no mipetraka e.
fa mahazotoa e.
11. ravatorano ( 29/01/2004 18:02)
raha nanana trano any paris zà dé nnampiatranoko i pitchoune sy ny ankizy.Marina dhl ny voalazanareo ary dia mankahery an'i pitchoune sy mirary azy hahita trano hialana amin'izay disa² efa mandreraka azy izany.Na sarotra aza no mitady trano sy hanomboka hitokatrano izany dia izao tsy misy mangidy tsy andramana é
bonne sanssa
12. ravatorano ( 29/01/2004 18:02)
raha nanana trano any paris zà dé nnampiatranoko i pitchoune sy ny ankizy.Marina dhl ny voalazanareo ary dia mankahery an'i pitchoune sy mirary azy hahita trano hialana amin'izay disa² efa mandreraka azy izany.Na sarotra aza no mitady trano sy hanomboka hitokatrano izany dia izao tsy misy mangidy tsy andramana é
bonne sanssa
13. fijo ( 30/01/2004 20:55)
tandremo ihany anefa ny agence sasany an.aza miditra logimo mihintsy.ary raha mitady fika aty amin'ny provence?sa ao no tianareo.
14. pitchou ( 31/01/2004 18:35)
d tsy haiko aloha ry pitchoune fa manahirana ahy ny gasy ao paris. namana b izao taty mada, d sendra nandalo tao paris aho d nataony otran'ny olon-tsy fantatra fa atahorany sao hipetraka any aminy angaha! nahita ahy nipetraka t@ hotel 3 na 4* izy vao mody nahatadidy! ny any @ province anefa tsy mba otran'izany ny gasy, fa raha mandalo qq jours fotsiny ianao nefa mandeha any @ hotely no hipetraka nefa ao misy gasy d tsy mahafaly loatra an-drizareo!
15. pitchoune ( 31/01/2004 19:09)
Ohatran ny hoe aty Paris anie ry zareo no misy an ilay asa maizina e (chuuuuut).Zaoa ani vao teo amin ny trois mois teo no tonga e! Eny e, tsy maintsy iafiana aloha ilay izy fa mba zarazaraiko aminareo fotsiny mba hanamaivana ny zioga, fa misaotra be ry zareo amin ny fampaerezana a! Tiak be daolo nareo.
16. pitchou ( 02/02/2004 10:21)
tsy ao ihany ka! andramo jereo ihany ny eny @ sisisisiny eny fa misy ihany! fa ny fantatro tsara loha d @ vacances d'été e! manao vendange!
17. fijo ( 03/02/2004 10:29)
ny vendange amin'izao ka.fa efa nasiako resaka tato io gasy ao paris io.tena mampiaiky.menatra ry zareo sao misy mahita ny fiainany e.
18. pitchoune ( 03/02/2004 11:32)
Fijo a, inona no tianao lazaina amin ny hoe fiainan'ny gasy ao Paris io? D zay mahita kandra rey ol d mba bipeo zay fa mafy ny ady a! kony a!
19. donemaskit ( 03/02/2004 20:30)
ny aty koa mitady raPitchoune a ! raha misy mibip toi dia biper-o koa ny aty e ! lol
20. pitchoune ( 03/02/2004 10:59)
ok ra done a, fa tandremo nefa sao d mifanadino refa tafita fa efa zay no devisen tsika eto ka aza ariana ny namana an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6627