sary sy anarana......

1. isrine ( 22/01/2004 19:41)
salut!
Rehefa tsy mametraka sary sy tsy mampiseho ny anarana 1 manontolo ve dia azo lazaina fa tsy matotra?
Fa ny tsy tsikaritrareo dia azo foronina ny anarana apetraky ny sasany eto, tsikaritro izany rehefa manome adrese email ilay olona. Vao maika moa fa ny sary, azo hovana izy ireny na tsy ny azy no apetrany eo. Iza anefa no afaka hanamarina izany? I Hery angamba?
novalian'i kitjo ny 26/05/2004 03:08
2. hery ( 22/01/2004 20:43)
:)
FA angaha ary @ premier contact ny olona iray dia hita hoe matotra. Misy olona tsy manome sary mihtsy fa rehefa miresaka ela sy mifanoratra eto foana dia mivoaka ho azy ny fahamatorana. Dia manomboka mifankafantatra sns.
Eny e mety misy ihany ny coup de foudre virtuel fa dia mahatantesa ny vokany avy eo.

Alaivo tsikelikely dia ho hita ny vokany.
3. ikaretsaka ( 23/01/2004 16:26)
f aahoana kosa no hozoanna hoe mahatetesa ny vokany ry Hery? f'angaha?
4. isrine ( 23/01/2004 18:34)
salut!
Ny tiko tenenina ry Hery dia ny zava-misy eto a. NA ny mametraka sary na tsia reehfa tsy matotra dia tsy matotra izay.
Za tsy milaza ny resaka coup de foudre sy ny sisa, fa ny fitadiavana namana @ ankapobeny no mahatongany resaka.
Eritrrereto hoe mitady namana vavy mipetraka ao Tana za, hay ka lehilahy no mifanoratra amiko naharitra ela. Nefa manao resaka matotra ilay olona.
Raha toa anao avokoa moa ry Hery ny olona eto ka maninona. Ianao manome ohatra tsara fa ny mpikambana no efa manana fahazarandratsy.
Ary ny tsy matotra eto dia tsikaritrako rehefa miresaka matetika, satria mandrebireby fotsiny ka tsy tadidiny akory ny resaka efa nolazainy taloha.
Za ry Hery efa nahita namana iray azoko itokisana eto, fa tsy t@ alalan'ny coup de foudre.


5. ravatorano ( 23/01/2004 20:14)
aza atao safo be mantsina kosa ry isrine ah ! tsy izahay rehetra eto akory no mpamitaka sary sy anarana.
Na dia izany hoe pseudo izany aza anié dia midika fa tsy ny tena anaranao no atao eo fa ny fohy indrindra na zé mba revinao é !
Ny mifanala sy mifananihany indray mbola tsy nandalo tany amin'ny caramail ianao dé ho hitanao fa tena bola gaigy lavitra no izao.
Ny inn koa moa no tena ataona hoe matotra amin'itony virtuel itony é?
mety matotra marina ilay oul fa eto izy mikivalavala.Tsi ai tsi ai tsotry é
Marina tokoa fa ny sary azo atao ny manamboatra anazy dé alefa aty Marina ny an'i Hery tandremo sao voan'ny toraka blao fotsiny eto .
6. isrine ( 23/01/2004 18:33)
salut!
tsy lavina fa tsy tokony atao safobe mantsina fa rehefa tsy mety de mba lazaina e. ary tsy izay ataon'ny olona any @ caramail de hifaninanantsika eto @ namana. Isika anie gasy e, mba mampiseho @ tsika samy gasy isika fa olona mendrika!
7. isrine ( 23/01/2004 18:35)
tsy ny ps akory no tiko tenenina @ ilay hoe anarana , fa ny anarana mihitsy. De raharaha sika e!
8. kally ( 24/01/2004 20:53)
Ka inona moa no azonao atao amin'izany fa na olona mifanena aminao izao aza anie afaka anarana hafa no lazainy anao raha anontanianao izy e! ka ny zava-dehibe rehefa niresaka tsara taminao izy dia izay;na Fanja na Rondro no nolazainy nefa i Bernadety no tena anarany,rehefa niresaka am-panajana izy dia izay.Raha tsy izany dia hisy fi-scanner-na kara-panondro eto isaky ny hiditra ho namana,tsy tsara kosa angamba izay kah!
9. ikaretsaka ( 24/01/2004 15:14)
marina io an'i kally io! fa ataoko kosa aloha fa tsy mety ilay lahy be na vavy be de misandoka ho lehilahy e... ny ahy indray ny fanaovako an'io inviteko manao webcam na phone na chat vocal dia hita eo ny laingany ry Isrine an... ilay anarana aloha tsy asiako olana raha I zan pol o lasa Zeroma dia tsy mampaninona ahy loatra noho ilay lahy lasa vavy
10. hery ( 24/01/2004 14:41)
Lafiny teknika.
Par défaut dia "Lahy" no tao amin'ilay fisoratana anarana. Tokony ni-vérifier an'iny izay nisoratra anarana fa indraindray ry zareo tonga dia mandalo fotsiny... dia manjary lahy daholo.
Efa nahitsiko io amin'izao
Raha vao tsy miteny ianao hoe lahy na vavy dia mbola tsy tafiditra. Izany hoe fanahiniana amin'izao ny maha lahy na mahavavy...

Raha ohatra ka lasa lahy tsy fidiny enao ka te hiova sexe :) dia mandehana ao amin'ny momba anao dia ovay.
11. ikaretsaka ( 25/01/2004 20:08)
raha mba azo atao an'izay hoe ovainany momba anao izany manko rehefa tena izy.... bedebe ny ho lasa hifamadika raha ilay ao @ forun hoe raha mba izaho no lehilahy na izaho no vehivavy! :)
12. ikaretsaka ( 25/01/2004 20:08)
raha mba azo atao an'izay hoe ovainany momba anao izany manko rehefa tena izy.... bedebe ny ho lasa hifamadika raha ilay ao @ forun hoe raha mba izaho no lehilahy na izaho no vehivavy! :)
13. ravatorano ( 27/01/2004 18:12)
marina ny an'ikaretsaka.Tokony hifanaja sy hiresaka amin'ny fomba feno fanajana isika , izay no tena mitondra ny fihavanana malagasy.
Ny momba ny lahy sy vavy eto dé anjaran'ny tsi1-1 iny fa ny fiangaviana dé aza dé diso misandoka loatra ré tompoko ô !
14. fijo ( 28/01/2004 11:49)
sady inona anefa no hisandohana aminizany e?ngaha misy aninona anao eo.mba mianara amin'izay mijoro,fa tsy mialokaloka foana.
15. 2689 ( 01/02/2004 12:38)
Izaho ry isrine manana anarana roa ampiasaiko an. Anaran' i Dadabenay ilay iray (ilay hitanao ato) fa tsy ahy, mba hommage no dikan' io, dia tsy matotra ve no dikan' izany. Ny sary koa ny ahy atokako ho an' izay efa namana akaiky ihany (izay soratako hoe namako ihany no mahita azy).
Ny an' ikaretsaka no tena marina : ny lahy milaza ho vavy na ny vavy milaza fa lahy no tena manahirana...

Mahasaikatra be ilay voafitaky ry zalahy...
16. taratra ( 16/02/2004 18:14)
tena marina aloa r'isrina an,fa manaraka ny evitrao za.
satria maro be ny olona aiko sy miresaka mivantana amiko aty.
de madefa sary ao @ serasera ao.
fa ny sasany tsy sar'zareo akory.
le oe anarana......aza mametraka anarana tena anarana fa misy olona tsy manjary manopa nopa ato.
nena alo de na atan'olona tsy matotra azy aho de in in.tsy ametraka veliveli ny sariko sy ny anarako feno ato za.
sady fampiasana teny gasy ko anie no tena idirana ato e.
efa 2 taona zay no nanokafako adresse t@ serasera ty fa mbola tsy nametraka tanteraka ny anarako aho.
zay e!!! aza kivy zany refa ataon'olona tsy matotra.
fomban'zavatra mantsy zany.
17. taratra ( 16/02/2004 18:15)
tena marina aloa r'isrina an,fa manaraka ny evitrao za.
satria maro be ny olona aiko sy miresaka mivantana amiko aty.
de madefa sary ao @ serasera ao.
fa ny sasany tsy sar'zareo akory.
le oe anarana......aza mametraka anarana tena anarana fa misy olona tsy manjary manopa nopa ato.
nena alo de na atan'olona tsy matotra azy aho de in in.tsy ametraka veliveli ny sariko sy ny anarako feno ato za.
sady fampiasana teny gasy ko anie no tena idirana ato e.
efa 2 taona zay no nanokafako adresse t@ serasera ty fa mbola tsy nametraka tanteraka ny anarako aho.
zay e!!! aza kivy zany refa ataon'olona tsy matotra.
fomban'zavatra mantsy zany.
18. kitjo ( 26/05/2004 03:08)
D aona njay le sarin olona hafa no apetraka ato?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3654