manonofy ratsy matetika aho

1. xxx ( 21/01/2004 15:54)
raha manonofy ratsy matetika dia inona no tokony hatao?!! ny finoana aloha matanjaka tsara fa ilay nofy raha tonga foana dia ahoana no hevitra?
2. donemaskit ( 21/01/2004 17:58)
aza matory @zay tsy manofy intsony.
3. kally ( 21/01/2004 19:09)
Ka alamino tsara aloha ny saina alohan'ny hatory fa sao dia ianao kosa isaky ny hatory dia hoe hanofy ratsy indray izao an!
Ny saina tsy tony koa anie mampanofy ratsy e!
4. donemaskit ( 21/01/2004 19:22)
Marina io an'i Kally io, alamino alamino.

Raha tsy izany dia mihainoa mozika milamindamina eo am-patoriana.
5. fijo ( 22/01/2004 12:13)
avy any amin'ny subconscience ny nofy,ka tsy milamin tsaina ianao matoa manonofy ratsy foana.
6. bice ( 22/01/2004 09:18)
misotro rano voahasina alohan`ny atory
ary so de mba tanana b pams any aminareo
ampilalaoviny ianao manko tsindrindray
7. ikaretsaka ( 22/01/2004 14:28)
Rehefa tena te hatory dia lasa foana io torimaso io ramose an... ny nofy aza mety tsy ho tadidy ... na tany be mpams io na inona!
8. fijo ( 23/01/2004 11:40)
ny mpams koa anie resaka fotsiny e.vizana koa angamba ianao ka
9. ikaretsaka ( 23/01/2004 16:36)
rehefa tena reraka aza hoa... tena eny ampovoana cimetiere no ajanona ny fiara de matory
10. samoina ( 23/01/2004 17:16)
Fa nofy ratsy ahoana aloha e? Nofy misy mpamosavy manenjika sa vaky trano ? Arakaraky ny haratsiny no azo iarahana mitady vaha-olana !
11. kally ( 24/01/2004 20:28)
Fantatro fa fanampiana ara-pinoana no tadiavin'i XXX matoa ato no napetrany ny lohahevitra,io moa samy manana ny fahaizana amam-pahalalany ny tsirairay,fa misy tokoa finoana manisy lanja be dia be ny hevitry ny nofy(Andravohangy Fivavahana ohatra raha tsy diso ny fitadidiko).Nefa miankina amin'ny fahatonian-tsainao koa io indrindra indrindra.
12. ngou ( 24/01/2004 15:56)
tsy dia mahafapo- ahy loatra ny valiteninareo fa akaiky loatra! izaho dia protestant fa tsy catholique, tsy notezaina t@ rano voahasina nefa kosa manaja an'io rano io aho saingy tsy finoako ilay izy!!! koa raha azo atao dia ataovy lalindalina kokoa ny valiteninareo atao satria mahatsiaro tena sahirana aho!!
eny indray ary aloha
fanazavana kely:
ilay nofy dia toa misy olona manenjika aho ; na omby masiaka, na koa biby olona, na olona maty fantatro ( havana sns... ), ireo no miseho ka mampatahotra be ( manao tarehy ratsy .... ) dia efa azonareo antsaina e
miandry valiny
aty andravoahangy ihany no misy ahy kah
13. xxx ( 24/01/2004 15:57)
ok ngou ah
14. ikaretsaka ( 24/01/2004 19:41)
Ngou.. sao kosa nanao ratsy t@ ilay olona maty na nampijaly azy ianao fony fahavelony na ananay zavatra?
15. kally ( 25/01/2004 11:37)
Asa raha misy mpivaofy nofy eto @ namana ve izany no tian'i Ngou ho fantatra e?
16. ikaretsaka ( 25/01/2004 14:19)
otran lozika ihany manko ilay fource an'ilay nofy raha izao ko
17. fijo ( 28/01/2004 10:53)
raha ny boky aloha dia milaza fa raha manofy izany ianao dia misy nanenjika.misy olona tsy tia anao mitady hanao ratsy anao.nefa asa,fa boky no nahitako an'io.
18. mahaizamifidy ( 04/02/2004 12:38)
1°)Aza mieritreritra ny hanao ratsy
2°)Aza mieritreritra zavatra ratsy
3°)Mihainoa MOZIKA milamindamina dia maka aina tsara
alohan ny hatory
4°)AZA MATORY MIHITSY RAHA TSY TENA EFA HITANAO FA TE HATORY IANAO.

Dia mirary fahombiazana ho anao.
19. mahaizamifidy ( 04/02/2004 12:43)
Ilay tsy matory tiako tenenina anao dia hoe:raha mbola tsy te hatory ianao na efa natory ka tsy mety mahita tory dia aleo TSY FORCE-NA aloha fa aleo mitady zavatra atao ka ny tsara indrindra dia ny MAMAKY BOKY raha misy ao aminao ka tianao koa izany.
20. six ( 03/03/2004 20:42)
raha mivavaka moa ianao dia mamakia baiboly mandra-patory
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3061