Ny fanamboaran dalana eto Madà

1. ravatorano ( 21/01/2004 16:32)
Mihetsiketsika mafy ny fitondrana ary misy tokoa ny ezaka eo amin'ny fanamboarana ny lalana.Miankina amin'izany ny famoaham-bokatra any ambaivolo rehetra any.Marina fa tsy godrao dhl ny lalana fa marobe koa ny piste .Ka na ny tanana andrenivohitra aza dia efa miroso amizany fanaovan dalana izany.
Ny mampanaelo dia ity efa nanomboka namely ny orana ary mbola ao anatin'ny androm-pahavaratra isika izao ka dia hita taratra fa efa misy tokoa ny lalana efa misy fahasimbana nohon'ny tsy fahaizana miasa sy ny fitiavana ny tia kely eo amin'ireo mpanao ny lalana .Jereo fa efa manomboka miharatsy tokoa ny lalana Miandrivazo Malaimbady raha ao tamin'ny taoana lasa no nasiana fanamboarana.Na dia piste azany no nanaovana an'iny dia hita tamboalohany fa pratikable.
Nisy ny fanaraha maso (contrôle/surveillance) natao tamin'ireny sa dé vitan'ny vonjy tavan'andro fotsiny ihany.Vola tsy toko tsy forohana anefa no lany tamin'ireny.Ohatra fotsiny ihany io fa mbola maro no azo lazaina sy hita porofo ny faharatsiana na dia vao tsy ela akoriny azany ny fanamboarana.
Vao haingana aza ny vice pm no nitsidika tana Manazary moa izy zay ary nahatsapa fa tsy "norme" ilay lalana izay natao tamin'izany fa mila famerenana.
Ny fahavitan'ny lalana no afaka hamoahana ny vokatra vetivety sady maro ary izany dia mahatonga ny dvpt rapide sy dirabla
2. ikaretsaka ( 21/01/2004 16:45)
ka io no lazaiko amin'ilay hoe na amboarina in-jato in 1000 aza io ka tsy etudiena ny ampiasaina azy dia ho potika foana io e.. na lalana ohatran'ny autoroute aza ve ka sady mandeha eo ny camion citerna no lasa lalan'ny rano maloto ilay izy no lalan-tsarety , no lalana omby no lalana fandehanana miasa sy mianatra no lasa tsena... aiza no hateza?
3. donemaskit ( 23/01/2004 09:38)
Ekena io, ny mety dia hatokana ny ho an'ny camions, voitures de loisirs, sarety... Sady sarety @ autoroutes zany ve tsy ho voafoaka be !
4. ramoul ( 01/04/2004 14:23)
Rà mba nareo moa no atao ho pm na m dia mba ahoana é??
ngambanuy hoy ianareo hoe "zah soloy fa tena tsy vitako tsony"
Vao firy taona zay no nahatongavan'i Ravaolomanana teo?
Izy ary efa miezaka ny hanamboatra ny lalana izay simba eto andrenivohitra fa i Ratsiraka inona no mba vitany teto?asa fa tsy kabary; fa ny an'lery kabary fa tsy asa.zany vé dia mba mety?
Marina fa hoé simba daholo ny lalana izay vita,fa ny maha simba azy anefa dia ny tsy fitandremana sy ny tsy fanajana ny azy koa no maha simba azy.Tsika vahoaka no tokony hitandrina sy hanaja ny zavatra izay homena antsika fa tsy isika indray no hamotika.
5. ikaretsaka ( 03/04/2004 20:52)
apetraho aloha de ho hita eo..tsisy mangidy tsy andramana
6. ravatorano ( 05/04/2004 13:20)
za tsy hanao pm na m izany fa tsy miady amin ny piesiko zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4159