Ahoana no ahalalana fa tena tia ny vehivay 1?

1. jhouhlambout ( 15/01/2004 09:57)
Satria androany milaza izy fa tia nefa rahampitso dia tsy té halala fa tsy tia intsony tampoka!!
2. donemaskit ( 15/01/2004 10:59)
Raha "tena tia" izy dia mandrakizay zay, matoa izy miteny hoe "tsy tia intsony" dia misy doute ao an-tsainy, ny antony dia misy zavatra tokony hamboarina eo @ relations n'ilay couple : tsy ampy tendresse, attention, affection... Fa rehefa voavaha iny (après discussion ou autres) dia hitanao fa "mbola tia" foana izy!
3. shadow ( 15/01/2004 11:38)
Misy sipa anie Radonemaskit miahiahy foana na manao inona ianao na manao inona fa izy aloha refa tia de tia fa refa tsy tia aza misaina azy intsony fa marary andoha fotsiny.
4. jhouhlambout ( 15/01/2004 13:03)
Fa tsy miss fomba ahafantarana ny fitiavany mihintsy ve?
Voatery Maminany izany?
5. xxx ( 15/01/2004 13:09)
d aleo tsy lazaina anareo hoe sahala @ ahoana ndrao raha fantrareo hoe tena tia vao maika ampijalinareo! @zay sahala anareo lelà tsy fantatra loatra zay tena marina @ e!
6. jhouhlambout ( 15/01/2004 15:14)
XXX mba teneno fa mijaly ihany ngé lé ol é!
7. xxx ( 15/01/2004 18:38)
Ny ahafantarana anazy letsy dia refa manome malalaka ny Fitombenany hasian'ialahy a! Dia refa azon'ela io dia azon'ela ialana am zay izy refa leo ialahy! mandeha mitady Sipa hafa indray!
8. fijo ( 15/01/2004 19:41)
tandremo ra XXXfarany fa mety fitaka koa ny fanomezany ny derierany an.sady tsy porofo izany,fa mitadiava hafa.hay ihany izy rehefa tena tia ka.
9. ikaretsaka ( 15/01/2004 19:59)
feeling sy experience io ry zalahy an... rehefa ela nanaovana de hay foana io hoe tena tia sa mi Bilagy zany ...
10. ikaretsaka ( 16/01/2004 15:03)
Ra mazkita an.. resaka samy isika ary tsy hoe mamely akaiky a fa mpiakama isika , fa ny fahitako an'ialahy dia ohatran'ny tsy mbola ampy andram-pianana... mailomailo ihany sao voa feinte fa tsy tafarina tsony eo!
11. ikaretsaka ( 16/01/2004 15:04)
na mahay aza ny rookies mbola voavidin-dra stockton foana (fika fiteninay taloha io t@ Kobe vao niditra)
12. ravatorano ( 16/01/2004 17:18)
tsy mila faminaniana ny fahatsapana ny tena fitiavan'ny olona iray ny tena.hita miendalana eny foana io.Izany no tsy mahamety ireny wé vao miaraka kely de mariazyé ! soratra é ! mila fotoana elaela io;mila jerena tsara sy koloina mba ho matotra ary amizay injinja no hahalalana hy halalin'ny tena fitiavana eo amin'ny olona anakiroa.
13. tokinao ( 16/01/2004 17:34)
manaja sy manome anao izy ary tsy mitady tambiny!
14. kally ( 16/01/2004 20:16)
Angaha moa io dia misy tena hoe lalana voafaritra hahafantarana azy e!Fantatrao amin'ny zavatra madinidinika fanaony eny ny fitiavany,tsy mila miteny akory izy,fa anjaranao ny mahafantatra.
Ohatr'ohatry ny fitiavan'ny reny ihany io,ny reny tsy mila miteny @ zanany isan'andro hoe tiako ianao fa fantatrao @ ataony fa tiany ianao.
15. hendry ( 16/01/2004 20:23)
Tia anao izy rehefa mahafoy fotoana ho anao, rehefa hitanao hoe finaritra foana izy miaraka aminao, rehefa tsapanao hoe tsy menamenatra izy mampiseho ny fitiavany anao eny imason´ny olona fa fière aminao.
16. hendry ( 16/01/2004 20:25)
Tia anao izy rehefa mahafoy fotoana ho anao, rehefa hitanao hoe finaritra foana izy miaraka aminao, rehefa tsapanao hoe tsy menamenatra izy mampiseho ny fitiavany anao eny imason´ny olona fa fière aminao.
17. pitchou ( 16/01/2004 11:32)
poika! tia anao izy rehefa tsy mamitaka anao! ny sisan'izay zesta ivelany fotsiny!
18. jhouhlambout ( 16/01/2004 14:26)
Marina ve zany ry Pitchou?
Ary Ianao ve tsy namitaka mihintsy?
19. pitchou ( 17/01/2004 13:35)
Tena marina izany! satria rehefa tia d tsy mikaroka afatsy izay hafaly ny iray!
izaho tsy mbola namitaka na namako na olon-tiako zany! ny an'i jhouhlambout angaha efa lasa réflexe ilay mamitaka?
20. felampitia ( 19/01/2004 16:08)
Marina ny an'i Kally, fa @ fihetsika ihany no hahalalana zany, ny asa atao angamba no hifampitsarana, ny fikolokoloana ny fitiavana de ny fifanajana ihany, te ho sambatra va ianao? hajao ary ny ol miaraka aminao de ho hitanao tokoa zany we paradisa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.296