rahoviana ny fiainan ny gasy vao tahaka ny any occidentaux

1. niavo ( 12/01/2004 14:05)
rahoviana ny fahfaha lmividy ny malagasy vao tahaka ny an dryu zareo occidentaux ireo ?(pouvoir d'achat) tena mbola otran ny elà elà ihany ko
novalian'i kitjo ny 18/05/2004 07:34
2. ikaretsaka ( 12/01/2004 14:21)
rehefa tsy porein'ny occidentaux intsony isika (araka ny hevitr'i Sareraka @ Meditation )
3. hery ( 12/01/2004 15:07)
Afaka 800 taona angamba, satria izany koa no nataon'ny occidentaux.
4. ravelo2 ( 12/01/2004 19:45)
raha ny fahafaha-mividy ny ho resahana ny @ ra-malagasy dé tsy hitovy @ hankapobeny sy @ ankamaroany @ occidentaux.Satria tsy mitovy rahateo ny fomba fisainana malagasy ilay atao hoe "base" et "mode de vie" hatrany amboalohany
Ny azoko ambara fotsiny dé ny hoe misy karazany 2 ny sokajin'olona holazaiko eto:
1.ilay olona nanodikodina vola tany ho any,dé ùmandany sy mihaina hoatrin'ny occidentaux ry zareo
2.ilay olona nifofotra t@ herin'ny tenany samirery dé tafavoka.Fa tsy hiaina hoatrin'ny occidentaux mihintsy izy fa dé mbola ao ilay fomba zatra
5. randria2 ( 13/01/2004 09:44)
Aza mampitaha zavatra tsy azo ampitoviana kosa e.
Firy euros moa ny SMIC eto France, firy euros no karama raisin'ny mpamily Taxi etsy Allemagne ary firy ariary ny karama farany amban'ireo malagasy andevozin'ny sasany any anaty "Zone Franche"?
Ohatrinona no karaman'ireo mpitatitra entana sy mpitarika posin'Anosibe sy Andavamamba no hampitovianao amin'ny tandrefana , ny mpanamory fiaramanidin'ny Air France, KLM na ny Lufthansa ohatra?
Ny sambo "Queen Mary 2" sy ny lakana fitaterana fasika etsy @ ranon'Ikopa ve no ampitahaina dia hitovy rahoviana. "Siècles" firy no manelanelana an'ireo? Mety"millénaire" akory aza ...
"Sujet hafa sy izay hevitra ampandrosoana haingana an'i Madagasikara resahana fa mandany andro fotsiny manonofy hitovy @ "occidentaux" ...
Ny tokony hiadian-kevitra ohatra dia hoe ahoana no ahafahana manatsara ny teknika fambolem-bary mba hampitombo ny vary eo an-dovian'ny malagasy tsirairay, dia mba ho voky ny gasy amin'izay.
Rehefa voky sy feno ny kibo dia mba afaka matory tsara, ny torimaso angamba no tsy vidiam-bola sy itovizana amin'ny mpanan-karena toa an-dry zareo "occidentaux" nofisinareo...
Soyez réalistes quand-même, faut pas trop rêver ....
6. ikaretsaka ( 13/01/2004 15:52)
rehefa tsy ny occidentaux intsony no alaintsika tahaka fa ry zareo no maka tahaka antsika
7. kally ( 14/01/2004 19:50)
Izay mantsy ho'a ry Ikaretsaka!ny sasany dia hoe rehefa occidentaux dia tsara halain-tahaka.
Ekeko,fa misy ny tsara fa be dia be ny zavatra mahatsiravina indrindra ny lafiny fiarahamonina tandrefana.
8. donemaskit ( 14/01/2004 12:31)
Ny fiaraha-monina malagasy koa anie betsaka koa ny maharikoriko...
9. donemaskit ( 15/01/2004 20:31)
Mitovy @ fari-piainan'ny firenena mandroso ny any Madagasikara rehefa mitovy @ fomba fiasa, fitantanana, fieritreretan'ny any koa ny an'ny Malagasy...
10. kally ( 15/01/2004 16:28)
Mbola tsara ny fiarahamonina Malagasy ry Donemaskita raha mihoatra @ firenen-kafa!
11. donemaskit ( 16/01/2004 16:28)
Ny ratsy nge misy foana e, fa i Kally zany faly @ fiaraha-monina gasy? Izah alo dia tena kiriko mihitsy @ fomba fisainana/fiainan'ny ankamaroan'ny Gasy e....
12. donemaskit ( 16/01/2004 16:58)
Jereo fa ny Gasy manana tendance ny hanimba zavatra na tsy hikarakara ny fananany... Ny firenena mandroso tsy andrasany ho simba tsy azo haleha intsony ny lalana dia amboariny ny azy. Rare zany mahita vazaha manao maloto any @ centre-ville zany, na mihinana manga dia hariany eny @ tany...
13. tianjon ( 04/02/2004 17:28)
Zavatra roa samihafa ny fiainana (mode de vie) sy ny pouvoir d'achat.
Ny pouvoir d'achat dia miankina amin'ny vola miditra amin'ny tokan-trano tsirairay. Dia misy tantara lava be vao tonga amin'ny hoe : tsy mitombo ny pouvoir d'achat raha tsy mitombo ny famokarana (production). bla bla bla, tsy hitovy amin'ny any andrefana ny pouvoir d'achat, raha tsy mitovy na mihoatra amin'ny vokatra avy any andrefana ny vokatra vokarina eto. Vahaolana : mila Investissement ahafahana manampy ny atao hoe Valeur ajoutee, sy mampitombo qualite.
Ny momba ny fiainana (mode de vie ) indray dia tsy tsara ny maka tahaka an-jambany fotsiny. Inona ny tsara amin'ny fomba malagasy tokony ho tazomina sy azo atsaraina hihoatra ny an'ny tandrefana? Inona ny tsy mety ka mila fanovana lalina? singano tsirairay ireo dia lazao mazava isanisany iza no voakasiky ny fanovana tokony ho atao (fanjakana foibe ve? ny vahoaka ve avy amin'ny alalan'ny solombava bahoaka fa tsy natao hikabary fotsiny ireny? sa y tsirairay isambatan'olona, na vondrona hafa...)
Dia aza miandry tolorana fa mba koa tia karokaroka.
14. fijo ( 06/02/2004 16:46)
tianjon>tena marina io voalazanao io.
done>aza dia faly mitsikera fotsiny,fa mila ezaka io.
15. ramoul ( 01/04/2004 14:39)
Fa maninona kay ianareo no te hitovy amin'ny occidentaux?
Isika nge tsy voatery hitovy amin-dry jareo é!
Izay fomba fisainana izay mintsy no tsy mety.
16. alz ( 01/04/2004 14:56)
Marina zany Ramoul an!
Diso lalana izay te hitovy amin'ny occidentaux?
Enjana be nefa ny manohitra an'io (aiza ireo alter mondialistes?)
Jereo fotsiny ny hira na sari-mihetsika tian'ny ankamaroantsika malagasy?
Ny eropeanina aza te-hiaro ny maha-izy azy eo anatrehan'ny amerikanina fa sandry tsy mitovy.
17. xxx ( 02/04/2004 15:39)
Hotsan'ny hoe rahoviana ary i Madagasikara no hifindra any akaikin'i Japan any no misy azy?
Fa aleoko ihany aloha mahantra eto Madagasikara, toy izay hifoifoy volo any an-dafy amin'ny efi-trano iray sy ny mofo dipaina tsy misy varany.
18. kitjo ( 06/04/2004 06:54)
very tsika mianakavy aloha ra hitomany hitovy aminy e, ny civilisation tsy hitovy mitsy
alaivo tahak fts ze tsara ananany fa tsika mbola manana tokony milay be noho ny azy fa ny toe-tsaina no voa d tsy mahay mi exploiter ny zavamisy

Tsy vitsy ange no mijaly koa e, marina fa be ny miadana materiellement fa.....
19. shinshan ( 17/05/2004 10:35)
rahefa miasa daholo isika ka tsy miandry tolorana fotsiny
rehefa tia tanindrazana ka miasa ho azy
rehefa tsy lany fotoana motokona sy mitaky zavatra tsy misy tambiny
rehefa tia tanindrazana marina ny mpitondra ka mampiasa ny zavatra misy eto an-toerana
20. kitjo ( 18/05/2004 07:34)
shinshan>> mahafinaritra e
zany ka gasy
na oh teny chin chao aza le anarana,hhihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.8038