iraimbl

1. bix ( 10/01/2004 15:10)
tena masaka no azo ilazana azy eh !! mbola tsy misy ny mahazaka ny mavesatra mihoatra azy sa ahoana ? asa miombokevitra amiko ve ny maro,,,?????
novalian'i bix ny 26/01/2004 14:31
2. donemaskit ( 10/01/2004 15:11)
Zah aloha manaiky e... ry leirony ngamba no mpanao rock manan-talenta indrindra tao Mada!
3. ikaretsaka ( 10/01/2004 15:35)
marina mihitsy izany....
4. mouvoka ( 11/01/2004 17:43)
Ary manao ahoana ny fahitanareo an'i TSELATRA ?.

sa tsy mahay rock i nedala ?
5. donemaskit ( 11/01/2004 09:48)
Mahavoa koa ireny ka!
Ny paoziny fotsiny no exagéré be loatra!
6. ikaretsaka ( 11/01/2004 13:21)
iny koa 1... pozy no somary mihoatra kely fa mahavoa koa i lery ka
7. tsirisoa ( 12/01/2004 20:56)
tanisao daholo ary ny mpitendry efa nandalo tao zay mahalala ,na ny tany andafy na ny teto dago,toa hisy hono ny fampihaonana ireo @25 juin zao

ho toa e!!
8. ikaretsaka ( 12/01/2004 09:31)
mpitendrin-draimbl io sa tselatra?
9. ambondronamialy ( 12/01/2004 15:22)
milay iraimbl e!!!!!!!!!!!!!!
10. bix ( 12/01/2004 14:41)
raha ny fahazahoako azy dia toa hoe efa somary nisaraka kely ry lerony teo alohaloaha teo sa tsy haiko asa ah !! anefa atohoato dia hanao hetsika goavana dia goavana izy ireo, fa ry zalahy koa anie ny mahavoa azy dia toa manao toerana hiakaran'ny olona fotsiny eh ! jereo izao ry roger kely manao izay ahatafita ny tarika hafa fotsiny fa tsy ny maha Raimbl azy no hifotorany dia mba malaza be @ izay , fa ny tena mahavariana dia maninona ilay artista no tena mirona be @ ilay mankany ampita eh ! anefa ny vola raisina eto mada koa anie ka @ sobika rehefa atao ny kaonty eh ! sa hoe hafa ny mahita an'i la frantsa asa izay angamba !! ny tena mampalahelo dia lasa miampita daholo ilay artista anefa anie ny tena probleme rehefa miverina avy any dia toa zara raha mahafeno ny ccesca sisa raha tokony ahafeno ny palais ho ipoka tanteraka asa aloha fa raha hoahy dia toa hitako hoe raharaha hilaina ny an-dafy raha resaka music, raha tsy hoe angaha mikarama kah !!! fa izao no azoko ilazana azy eh tiavo ny music gasy ry zalahy fa tsara ah!ny hafa aza mamoy ny antsika sady manome 5 taona aho dia lasa lavitra be ny music gasy sa ahoana ??!
11. tsirisoa ( 12/01/2004 16:18)
izaho koa aloha dia miombokevitra @ bix e,fa ry zalahy anie toa eto antoerana daholo hafa tsy ragerd e,toa mbola any andafy any hono ,fa tsy hay hoe aiza ilay andafy koa moa raha ny filazan'ny sasany toa tena midadasika ,ny tiako ho lazaina dia ireo mpitendry efa niaraka t@raimbla ny fantatro izao dia i razafy(moto) dia hery mahefasoa ,dia nisy zany donne zany koa, dia reko koa ny interw ndry zalay fa hoe misy zany bandy hoe franc zany nitendry taminy tany france tany radio rfi moa ngamba no nanao an'io raha tsy diso aho aleo tsy hilaza betise

sur ndray aloha e
12. fijo ( 13/01/2004 16:29)
tsara ilay iraimbilanja,fa mora loatra e,ih,ih,ih
13. ikaretsaka ( 13/01/2004 19:32)
tsss sarotra ihany ra fijo an...mitomany mihitsy t@ mbola bandikely mianatra Iraimblanja teny ambony tamboho ko
14. fijo ( 14/01/2004 11:57)
ilay vidiny anie no lazaiko e.tsy ariary akory ve
15. bix ( 15/01/2004 15:19)
ka ho atao euro indray ve ny anarany @ izay mifanaraka @ totr'andro eh!! sa dolars
16. fijo ( 16/01/2004 10:15)
aza sosotra rabix an.vazivazy iny,fa ny ahy dia ireny koa no mba panao rock gasy tiako.ny sasany moa tsy haiko,fa taty aoriana be.
17. ikaretsaka ( 16/01/2004 16:19)
mbola ho avy koa i mazkita sy ny 'YsotrY" zay ialahy ry fijo vao fanina tateraka
18. donemaskit ( 16/01/2004 16:41)
ha!ha!ha!

Rock made in Isotsy!
19. shadow ( 17/01/2004 11:23)
Iza nareo no manana ny k7 Irambl taloha fa za mitady?
20. bix ( 19/01/2004 14:55)
izaho dia manana izay ilainao mihintsy sady tena ilay fahiny be , fa ilay izy tsy natao tamin' ny studio fa tamin'ny spectacle ary feno olona mihorakoraka be mihintsiny raha ohatra ka anao registrema izay ary eh !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.58