Ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo

1. tia_ery ( 08/01/2004 12:43)
TIAKO IANAO, teny roa mambabo ny fon'ny maro nefa teny roa ihany koa feno fitaka sy fihatsaram-belatsihy. Mazàna mba tsy hilazana hoe matetika mihintsy de ny ao ambadik'ireo teny ireo de tsotra fotsiny fa TE HIRAY ARA-NOFO aminao ZA.

Ampiasaina ny teny malefaka rehetra mba ahatongavana amin'ny tanjona.

Tena mbola misy lanjany ve aminao zany teny izany sa ambara fotsiny comme ça mba ahatongavana amin'izany ?

Ny olon-dro ve afaka hifankatia ka tsy hisaina izany na anao an'izany ho laharam-pahamehana ?

Ny hevitrao no ilaina eto ary izay tena fahatsoram-ponao.

Sôtra eh !
novalian'i fijo ny 23/01/2004 10:32
2. ikaretsaka ( 08/01/2004 12:57)
arakarak'ilay olona io sy ny situation ilazany azy
e...
Misy ny manao sy mampiasa an'io ho sens propre... misy koa anefa ny manao sens figure:
anjaran'ilay olona voatenin'io ny mamantatra hoe: ilay dikany inona no tian'ilay anakiray lazaina eto?

ataoko fa mora koko ny amin'ny olona ny miteny hoe tiako ianao noho ilay hoe handao hiray ara nofo (na ny halavan'ilay teny aza dia efa probleme)
Tsy mifankaiza firy amin'ny hoe te hivoaka sy ny hoe te hang... io e!
3. xxx ( 08/01/2004 15:10)
fa io koa anie raha manda ianao ka @ sens tiako ianao de hoe hiray rehefa tsy mety ianao tsy afaka ny anao inon'inona eo izy e! anjaranao no mandanjalanja ny tenanao sy nydikany ilay mots anakiroa ireo fa tsy manaiky lembenana io teny io fitsiny fa tokony handrasa ilay teny aloha hoe raha izay ary de ahoana ho hita eo ny tohiny rehefa tsy manaiky io teny io ho atao fitaovana azahona ana aho sns
4. donemaskit ( 08/01/2004 16:32)
Tena zava-dehibe ho anay ireny "je t'aime" sy "tiako enao" ireny. Efa elaela ihany zay no namerimberenanay azy fa mbola mahafaly henoina foana; indrindra rehefa miady iny na misy moment de doute kely... Na tonga @ firaisana avy eo na tsia tsy dia misy dikany loatra : mifamihina fotsiny am-pitiavana mbol tsara lavitra noho ny manao pr le plaisir...
Fiainanay manokana io, tsy miteny aho hoe ohatr'izany daholo ny rehetra...
5. fijo ( 08/01/2004 19:19)
any majunga,rehefa miteny ny olona hoe misy vehivavy tiako ary dia izao no fiteniny azy:"misy viavy hiriako izay any.."io angamba no mahafehy azy kokoa,satria ny olona anie,dia biby hiany koa e.ka ny fitiavana dia manaitra ny fitsiriritana.raha vehivavy tsy tsiriritinao,tsy tianao,fa aza mandainga.
ny vazaha raha hiray dia milaza hoe:"faisons l'amour"amour >fitiavana,io koa anefa no andikany ilay acte atao.izany hoe,mifandray ny fitiavana,sy ny fitsiriritana ilay olona.
6. ikaretsaka ( 08/01/2004 19:26)
marina io ra fijo
7. xxx ( 09/01/2004 18:08)
Fanontaniana roa no napetraky ny namana tia ery etsy ambony ka noho izany dia tokony valiny roa miavaka tsara koa no omena eto ambany.
Ny momba ilay voalohany aloha dia azo sokajiana roa ihany ny zavatra azo ambara, eny marina fa misy amitsika na lehilahy na vehivavy dia miteny ireo TENY ROA ireo fa ny fahasamihafany fotsiny dia izao, ny lehilahy rehefa te hanao firaisana @ vehivavy iray dia milaza ireo \" mots magiques\" ireo mba entina hisarihana fotsiny ihany ilay vehivavy ho @ tanjona irina ary ny vehivavy dia tsy milaza ireo raha tsy efa eo ampanomezana ny vatany ho an\'ilay olona nilaza azy izany, ny tena tanjona izany dia ny hoe andao hanao firaisana, io endrika io matetika dia olona tsy mbola tena fantatrao tsara na koa hoe olona tsy mbola tena tianao fa tianao ho tiavina satria mahasarika anao ny endriny ivelany. Fa ny endrika faharoa azo lazaina koa dia ny fitenenana ireo teny ireo @ olona efa miaraka aminao, na sipanao na vadinao, @izay fotoana izay ilay izy dia ho hitanao tsara fa tsy midika intsony ilay izy hoe andao hanao firaisana fa misy lanjany hafa mintsy ary aza hadino fa ny fitenenana ireo matetika @ olona miaraka aminao no an\'isany fahafantarany fa mbola tena tia azy marina ianao, kanefa aza mitia @ molotra ihany hono fa harao asa izany dia ts\'inona akory fa ny firaisana ara-nofo, aza hadino fa ny firaisana ara-nofo matetika eo @ olona miaraka dia midika fa mandeha tsara ny fiarahana.
Ny momba ny valim-mpanontaniana faharoa indray dia miankina betsaka @ tsi11, azo hatao ho an\'ny sasany nefa tsy vita izany hoy ny sasany. raha hidirana lalina kokoa ilay izy dia miakina ihany koa @ ilay tiana hambara hoe firaisana ara-nofo, ilay tena teny hoe firaisana ara-nofo mantsy dia tena midika hoe olona roa miray na koa hoe vatana roa mitambatra ka mitady fahafinaretana kanefa @ izao fotoana izao dia efa mety miova io teny io hoe fahafinaretan\'ny nofo satria afaka mahazo fahafinaretana ny olondroa tsy misy firaisana izany hoe tsy mitambatra ho iray na koa hoe tsy miray. Raha araka ny hevitro dia azo atao tsara ny miaraka fa tsy voatery hisaina hanao firaisana ara-nofo na hanao izany laharampahamehana fa azo hatao tsara koa anefa ny mitady fahafinaretan\'ny nofo. Na izany aza, ny fanekenao hanao firaisana ara-nofo dia an\'isany porofo-pitiavana lehibe omenao ilay olona ekenao hanaovana izany ka dia azy no mieritreritra hoe olombelona misaina ihany ve izy sa dia vatana tsy misy fanahy sy saina. Misaotra anao namaky hatramin\'ny farany.
8. xxx ( 09/01/2004 19:01)
fa niova ato ko ve ny fimpopiana ara nofo no bokotra alefa avy no potsipotserina
9. moi ( 09/01/2004 20:04)
Valim-panontaniana voalohany :
Tena fahatsapana izay ao anaty vao manonona izany aho, satria tiako hisy hasiny io teny io ; misy olona izay mpiteny lava an'io (amin'izay vehivavy hiresahany), ka ny efa zatra tsy taitra intsony satria toa efa litania ilay izy. Saingy tsy ny vehivavy rehetra no mahafantatra fa efa routine izany amin'ilay bandy !!
Ilay antony anambarana azy samy manana ny antony, fa ho ahy dia izay no tsapako dia ambarako ; toy ny manao compliment amin'ny vehivavy e ! Raha ilazana hoe "mba tsara bika ianao" dia midika avy hatrany ve fa mikatsaka firaisana ?
Izaho aloha dia mpiteny sahala amin'ny hoe "Tiako ny masonao, ny volonao..." amina namana nefa tena fanehoana fihetseham-po ihany, toy ny izaho mba mandre koa hoe "Tiako be ny fitafinao" avy amin'ny vehivavy, tsy adikako mihitsy hoe tara amiko izy.

Dia hiditra amin'ny fanontaniana faharoa aho :
Arakarak'izy roa miaraka ihany io : misy ny mifanaraka mihitsy fa hifanaja, tsy midika izany fa tsy misy fahamaizana eo amin'izy roa, fa mba ao aloha ny fikasana tsara.
Arakaraky ny antony hiarahana ilay izy, sy ny tanjon'ny fiarahana. Misy fanontaniana izay mantsy hoe atao inona manao sipa ? Dia tsy nahitana valiny afa tsy hoe hanaovana firaisana ! Hoy aho hamarana hoe atao inona kosa ary namana sexe opposé ? Sa mitovy ny namana sy sipa ?
10. rinakely1 ( 09/01/2004 10:38)
matoa miaraka ny oln roa défa misy fiatiavana mitoetra ao zany!
raha miteny tiko enao izy samy ao daholo lé sens we tiako d'amour fa hita ao koa lé tiako pr qu'on fasse l'amour!
11. donemaskit ( 09/01/2004 10:45)
Rehefa eo ny fitiavana dia tonga ho azy ny firaisana...
Raha ny firaisana indray no tonga aloha... tsy voatery!
12. ille ( 09/01/2004 11:49)
Ahitsiko kely ny zavatra nolazain'i fijo ery ambony ny amin'ilay hoe "misy viavy hiriako ary"; ny fiteny hampiasaina any mahajanga dia hoe "mila" ohatra raha hitory fitiavana ny lehilahy iray dia hoy izy hoe: "mila anao zaho"; raha ohatra indray ny vehivavy ka mitantara amin'ny namany hoe misy bandy mikoty ahy ary dia hoy izy hoe : "misy laolo iny milamila anakahy". Ny tiako hisintonana ny saina izany dia hoe efa ao mihitsy ilay teny hoe "filana" (mila) koa tsy mahagaga raha misy ambadika filana ara-nofo ny fitoriana fitiavana ....
13. 1123 ( 10/01/2004 17:31)
mialatsiny aho fa raha io resaka io dai tena tsotra ny valiny amin'ny maha olombelona dia ao hatrany ilay filana te...
14. xxx ( 10/01/2004 10:04)
Tena marina ny an'i 1123! Amin'ny maha ao am regne animal n olombelona dia tsy mainsty eo foana io firaisan ara-nofo io e!
15. donemaskit ( 10/01/2004 10:17)
...nareo irery no biby e!! Tsy mila mampiasa saina be loatra nge ny mi-différencier ny olombelona @ biby e!

Ndana xxxxxx mankany @ zoo ary e!
16. rinakely1 ( 10/01/2004 10:44)
ka na biby na oln refa t hanao d manao daholo fa tsy hitako we inn ary ny olana @zany!
17. donemaskit ( 10/01/2004 14:16)
Diso tanteraka ny hevitr'i Rinakely!
Ny gidro ihany no biby manao accouplement pr le plaisir... le reste du règne animal s'accouple seulement pdt la saison des amours...
18. donemaskit ( 10/01/2004 14:17)
Ny olana : ny olombelona tsy tokony hampitoviana @ biby.
19. ravatorano ( 12/01/2004 11:34)
tsisy ny olana rehefa samy "ramaria " é ! saingy zao fotsiny raha atao ao anatin'ny sitrapo feno izy io dia hisy fahatsiarovana tokoa fa raha araky ny tenin dry lerony mahay ny "règne animal" ndray dé tsa fantatro.
Ny manao klou tsy maintsy misy fa ny fotoana aza no tsy maharaka
20. tia_ery ( 12/01/2004 12:33)
Hevitra daholo 'zany fa ndraso aloha averina kely ny resaka ary eh !!!

Sasanangy samy manana ny heviny kosa aloha ireo teny ireo eh !!! Ny olombelona kosa tsy de ampitoviana @'ny biby izany eh !!! Ny biby nge mi-agir par instinct na reflexe fotsiny de izay no mibaiko azy kosa eh !!!

Ny olombelona kosa de manana saina, fanahy afaka mieritreritra. Ny olona irery no manana an'izany hoe conscience sy subconscience izany raha tsy hiresaka ny hoe ''subliminal'' isika. Ary raha ireo toetra ireo no jerena de hafa tanteraka ny olombelona raha ampitahaina @'ny biby.

Na izany aza ny biby de manana toetra mety ho azy manokana ary tsy itovizany @'ny biby hafa na biby eo amin'ny manodidina azy.

Ka tsy raison mihitsy amiko ny hoe mifankatia de manao firaisana foana.

Ny tsy azoko ny olona iray afaka manao firaisana na tsy misy aza ny fitiavana !!!!

sa tsy 'zay ô!!!

Sôtra eh!!!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2946