Ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo

21. rinakely1 ( 12/01/2004 12:39)
donemaskit: tsy mampitovy ny oln @ biby aho fa na biby na oln samy manao daholo.
fa ny tena tsara aloha d ny tsy manao raha mbola azo atao, ary tsy tokony hanakany oln roa hifankatia ny tsy fanaovana firaisana .
22. fijo ( 13/01/2004 11:49)
>maskita,na aninona rangahy,isika dia ao anatin'ny klasin'ny biby.saingy misaina kokoa.matoa ny andrana atao amin'ny biby aloha,vao atao amin tsika dia satria mitovy ny rafitra ao amin'tsika.ratsy ny fihaino an'io,fa marina tsy azo lavina koa io.
>ille,ilay fomba fiteny hoe mila viavy,dia marina rehefa hikaoty,ary ny any amin'ny ville no tena miteny azy io,fa raha manketsy boanamary fotsiny ianao,dia iriako no ampiasaina.ny betsirebaka koa dia mampiasa io hoe maniry io.
fa ny important dia samy misy ilay fototra mitady firaisana ireo.
23. tia_ery ( 13/01/2004 18:28)
Ny fitadiavana firaisana sy ny fanaovana an'io kosa aloha tsy de hoe obligatire amiko eh !!!

Ny fanaovana firaisana de tsirin'eritreritra nisy tao aminao taty aoriana be. Raisiko ohatra fotsiny hoe firy taona ianao no nanao firaisana voalohany de ndeha nge mba jereo sy saintsaino hoe : Firy taona taty aorian'ny fisianao vao nanao an'izany ianao de eo no hisainana ny rehetra.

Amiko ny Fanaovana firaisana de zavatra vao novolena taty aoriana elabe ny fisianao, vokatry ny tontolo manodidina sy ny fitsiriritana ary ny filàna nisy teo aminao sy ny manodidina. Ary ianao no niroboka tao de voasintona. Ny an'ny biby de phénomène io ary ny femelle no tena mampiseho amin'ny lafiny rehetra fa mila an'izany izy pour se reproduire.

Ka raha resaka firaisana re rizareo de aza ampitoviana noho izany ny olombelona fa filana roa samy manana ny azy ny rehetra fa tsy mitovy izany.

Ny filana eo amin'ny biby sy ny filana eo amin'ny olona de tsy mitovy mihintsy zany.

Sôtra eh!!!



24. xxx ( 13/01/2004 20:00)
Ka mbola tsy nisy biby koa anie nieritreritra hamely any @ divo ary tsy nisy biby ninono katal zany, hihihihi..., ny olombelona zany tena super-biby, hihihihi....
25. donemaskit ( 13/01/2004 16:29)
Fijo> samy êtres vivants manana mobilité tokoa na ny olona na ny biby, ny détail kely tsy maha biby ny olombelona dia : ny fananana fanahy! Na ny Razana zay tsy nianatra ny évolution aza mahalala an'izany...
Tena mampalahelo lay fomba fisainana. Ndao ary atao hoe biby ny olona e, ankoatra ny olona fantatro sy ny tenako!
26. rinakely1 ( 13/01/2004 17:25)
zay tsy biby ,ny oln rehetra tsy biby fa ny fomba fanehona ny fitiavana no ohatran'ny biby angambany e!
27. fijo ( 14/01/2004 11:18)
ao anatin'ny sokajin'ny biby isika.saingy misaina kokoa(.evolution )ny fanahy izany,iza no milaza fa tsy misy fanahy ny biby?maheno marary hoatra an tsika io.ary maty hoatra an tsika koa.ao amin'ny biby dia misy karazany maro,alika,voay,akoho,dia isika olona.izay.azo atao ny mandaha,fa dia izay no izy.siantifika io,fa tsy hoe te hanadala aho
28. tia_ery ( 14/01/2004 17:22)
Ka ny andry Fijo ange somary manao étalonnage de connaissance na koa efa teren'ny rivotra mitsoka avy any andrefana de toa manao ny modianko tsy hita fotsiny. Terena be fahatany fa biby by olona. Na ny siansa aza mbola tsy nahita na nitompo-teny fantatra t@'izany, na de ireny théorie de bigbang sy ny théorie de l'évolution rehetra ireny.

Zà koa tsy handresy lahatra an'i Fijo hoe mino fotsiny amin'izao izay voalazan'ny baiboly sns ...

Ny fahavelomana sy ny fahafatesana tsy azo maritana zavatra iray. Mariky ny fisiana de ilay fiandohana sy fiafarana daholo ireny. Mampiseho fa voafetra ny zavatra rehetra.

Ohatra iray : niaraka tamina tovovavy iray Fijo de nisy ny fiatomboan'ilay fitiavana noho ny tsy fantatro anefa de rava ilay fiarahana de tapitra izany de izay ve no ndeha hamaritana fa tsy misy fitiavana tsony eo @'i Fijo. Ary mino marimarina ary zà fa tsy fongana tanteraka ao ampon'i Fijo iny olona iray iny fa mbola misy ao foana na de sombitsombiny aza.

De zay fa mihevera tena eh !!! mbola tsy nahita biby nianatra sy nisakafo teny ambony latabatra loha zà hatramin'izao.

I Fijo ngamba no biby voalohany ndeha hanambotra tontolo iray vaovao .....ha!ha!ha!hi

Sôtra eh!
29. rinakely1 ( 14/01/2004 12:41)
aoka zay ty resaka biby ty fa mahafanina ka!
30. donemaskit ( 14/01/2004 17:45)
Ny firaisana amiko tsy tokony ho resaka physique fotsiny, mila affection, respect, ... fitiavana.
31. ikaretsaka ( 14/01/2004 18:21)
samy manan any tiany io ry mazkita a
32. fijo ( 15/01/2004 10:58)
miray aloha,dia ho hita eo avy eo.
33. tia_ery ( 15/01/2004 19:40)
Tsy hitarina tsony angamba ny resaka. Nefa koa tsy ho atao kabary tsy valiana. Tsy ho roritina lava eny foana toa tsinain-keny ihany koa fa ny tanety lava hono misy hisainana. Ary raha lava ny teny very ny soa raha lava ny ahitra very ny kisoa.

Ataoko fa isika rehetra nandray anjara teto de samy afaka ny handanjalanja sy hisaina izay rehetra voalaza. Ny an'ny hafa MARINA ary ny an'ny sasany TSY DISO. Toy ny felan-tanana io ka ny mijery ny felan-tanana tsy hiteny fa tsy tanana ny vohon-tanana ary ny vohon-tanana tsy hilaza fa tsy tanana ny fela-tanana. Samy tanana ireo ary samy manana ny anjara asan'ny avy.

Koa trafon-kena omen'ny mahery re ka am-bava homana am-po mieritreritra.

Sôtra eh!
34. rinakely1 ( 22/01/2004 15:36)
mpikabary ngah i tia_ery zany ?
35. fijo ( 23/01/2004 10:32)
taloha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5184