Tia fandrosoana

1. donemaskit ( 01/01/2004 16:44)
Tena te sy vonona ny handroso tokoa ve ny Malagasy?
novalian'i kally ny 15/01/2004 16:27
2. kally ( 03/01/2004 11:51)
Amin'ny ahoana ary???!
3. donemaskit ( 03/01/2004 17:26)
Ny fandrosoana ny firenena zany mantsy mila mihetsika daholo ny olona rehetra (ny habetsahany).
Ny Malagasy koa manana toetra tsy tia/matahotra fiovàna izay (ny any ambanivohitra indrindra²)
Raha hanorina fianarana ve ny fanjakàna : hazoto handeha hianatra tokoa ny kilongantsika? (ny mahita fianarana aza moa tsy miraharaha intsony!)
Ny Malagasy sasany koa manana ny fahazaran-dratsy hamotika @ tsisy dikany ny fananam-panjakana(poteaux, feux tricolores, panneaux...) manao maloto sy manary zaoridira eny rehetra eny...
4. kally ( 05/01/2004 15:11)
Raiso amin'ny toeranao fotsiny e!raha hanorina fianarana ve ny fanjakana halefanao any am-pianarana ny zanakao sa tsia?
tsy any angamba ny olana fa ny hoe inona ny fototr'ireo fihetsika rehetra volazanao ireo?Tsy misy olona tsy te-handroso izany fa raha misy zavatra takiana amin'ny vahoaka dia mba ilaina koa hisy valiny avy @ fitondrana.Isaky ny firy kilômetatra izao vao mba mahita daba-pako hanariana zôridira ianao?Firy no mba efa voasazy tratra namotika fananam-panjakana?Misy anie ireo olona vitsivitsy maano ireny fihetsika ireny dia ny besinimaro no voafaoka ao daholo e!
5. donemaskit ( 10/01/2004 15:06)
Tsy vitsivitsy mihitsy raha ny fahitako azy ny manao an'ireny zavatra mahatezitra ireny : na dia etsy 1 metatra etsy aza ny fanariam-pako, mbola eny @ tatatra ihany no alefa ny hoditr'akondro sy ny tariny.
Tokony hoe vao misy tratra manao maloto dia sady asaina dioviny eo no ho eo, no mbola ampandoavina dina-na 100 000 ihany... aleo faizina tsara @zay mba mahalala fahadiovana ny any aoriana any.
6. donemaskit ( 10/01/2004 15:07)
Tsy mitovy koa anie ny fomba fieritreretan'ny olona e, izaho zao mahita ny hilaivana ny fianarana; betsaka nefa ny Malagasy (na eny an-tanandehibe aza) tsy mahatsapa an'izany akory : fandanian'andro aminy izany...
7. donemaskit ( 10/01/2004 15:08)
Mety hoe te handroso izy fa tsy hainy akory ny atao hoe fandrosoana!
8. donemaskit ( 10/01/2004 17:13)
ohatra : raha tia fandrosoana maninona no mbola dorana foana ny tanety, nefa efa raràna?
9. kally ( 11/01/2004 12:36)
Alohan'ny handraisana fepetra iray dia ilaina aloha ny mahafantatra hoe avy aiza no nihavian'ny olana,satria ny fepetra dia isan'ny vahaolana.
Raha mandoro tanety ny any ambanivohitra inona ny antony?Maninona no be dia be ny ala may amin'ny faritra atsinanana?Fiaraha-monina io olana io.
10. kally ( 11/01/2004 12:38)
Raha ny fanariana fako eny @ tatatra indray,asio pôlisy maromaro ary haanra-maso ny fahadiovana sy hanasazy an'ireny e!Tsy ny gasy no matahotra fiovàna fa ny governemanta no tsy ampy hetsika.
11. kally ( 11/01/2004 12:40)
Fandrosoana izany anie tsy avy @ vahoaka irery e! ny fitondràan no mandray fanapahan-kevitra:ohatry ny zaza sy ray aman-dreny io,rehefa hanapa-kevitra ny dadanareo hoe manomboka androany i Doemaskit manary fako ao anaty daba fa tsy eo an-tokotany intsony,raha 5 mianadahy ohatra ianareo aiza no ahhafantarany hoe iza aminareo no nanao an'io raha tsy misy manara-maso ianareo,ary raha tsy misy dabam-pako akory eo,hatelinareo angaha iny fako iny no tsy harianareo amin'izay mampety azy?
12. donemaskit ( 11/01/2004 14:24)
Donemaskita koa anie afaka mahatsiaro tena hoe efa lehibe zao, efa manana andraikitra @ fanatsarana ny fianam-pirenena... Raha sauvages ny Malagasy dia ekeko ny hanasiavana mpiambina mba tsy hanariana fako, sy tsy hanaovana maloto... fa mino aho fa efa mahatakatra an'izany "minimum de savoir-vivre" izany isika Malagasy.
13. donemaskit ( 11/01/2004 14:26)
Avy eo, tsy aferan'ny vahoaka irery marina, fa avy @ vahoaka surtout! Na governementa compétent tahaka ny inona aza, rehefa tsy manaraka ny peuple, tsisy n'in n'in vanona... Raha miteny sy mananatra ny RaD ka tsy mihaino Maskita, tsisy dikany akory!
14. donemaskit ( 11/01/2004 14:29)
Farany, noho ny fahantran'ny firenena, tsy afaka ny hanara-maso araka ny teninao mihitsy izy na handeha mbamin'ny loha aza... Tsara lay hevitra, ary mila discipline mihitsy ny Malagasy, fa tsy hadisoan'ny governemanta mihitsy zany, fa "autodiscipline" no hilaina.
Fanampiny : ny olona raha vao terena, tsy maintsy "mipoaka"!
15. kally ( 14/01/2004 19:51)
Aiza amin'ny firenenna fantatrao i Donemaskit no mahita fiarahamonina tena hoe autodiscipliné 100%?
16. donemaskit ( 14/01/2004 12:29)
Tsy ny perfection nge no tadiavina e, 100% zany extrême!... La majorité no ilaina disciplinée, ny ambiny manaraka foana.
Ny any Sidney na Singapour ohatra zao tsy misy olona manary fako @ tany izany, na tsy embesana aza, fa efa voaraikitra ao @ fomba fiainany ilay izy. Na ny alika aza fafana ny malotony raha sendra ka....
n°1 en terme de discipline : ny Japonais. Refa mahay mifehy tena ny tsirairay dia milamina sy madio ny tany sy ny fanjakana.
17. donemaskit ( 15/01/2004 20:32)
Lazaina lava ny mahaMalagasy ny Malagasy @reny fahendren'ny Ntaolo sns ireny nefa toa resa-be fotsiny rehefa tena dinihina!
18. kally ( 15/01/2004 16:27)
Singapour nefa isaky ny firy metatra no misy pôlisy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885