safidiko

1. lema ( 31/12/2003 11:19)
betsaka ny olona mifankatia nefa betsaka ihany koa ny mpanohatohana dé ireo ray aman-dreny sy ny fianakaviana nohon'ny firazanana sy ny fananana nefa tiako izy.
novalian'i fijo ny 23/01/2004 11:06
2. nata ( 31/12/2003 12:02)
d maninn!fa anga ray amandreninao no haka vady azy!no zany ny olana!
3. donemaskit ( 31/12/2003 16:19)
"razana sy fananana" sa "fitiavana"?
... izay tian'ialahy!
4. isrine ( 31/12/2003 18:51)
Manahirana anie ry reto zany we hanambady izany e. Ankavitsiana zany fananmbadiana zany no we tsy misy sakatsakana mitsy fa de izay revinao atao, de ho hita eo ny tohiny, f'aza tapahina fotsiny ny fifandraisana @ fianakaviana na dia nisy sakatsakana aza e!
5. nata ( 31/12/2003 19:17)
za mafatatra ol!tsy nety fianakavin'ilay sipa fa tsy natao nanakana ny fanabadiany ry zareo zany fa vao maika ry zareo niroso! d zao manaiky ihany ny farany ny olona!sady afaka anao inona kou moa ny hafa refa iny ny safidinao sy ny tianao!
6. lema ( 01/01/2004 15:19)
misy hono ilay ohabola hoe"ny vady mbola azo soloina fa ny havana tsiamisy maha voasolo"ka tsy aiko tsony e!
7. donemaskit ( 01/01/2004 16:21)
Ny vady azo soloina?! Hafa-tsy hoe nga tena ratsy be lay izy!
Koa raha tsy ba kiraro leisy koa!
8. lema ( 01/01/2004 16:38)
raha misafidy azy za de tsy ho sambatra mihitsy izahay satria izahay mety tsy anana fianakaviana intsony
9. donemaskit ( 01/01/2004 16:42)
Aza matahotra @zany leisy fa :
> na ho ela na ho aingana, tsy maintsy ho eken'ny fianakaviana foana nareo
> ary indrindra² : efa hamorona tokantrano ihany nareo koa! lol
10. nata ( 01/01/2004 19:06)
vady v d ho solinao!satry tsy tiany fianakams!sy ny havana! marina fa ny havana manana ny place ny! fanga moa d nohon'ny havana na fianakavina no hanambadianao azy!?
za miombonkevitra @ donemaskit mitsy fa ny olona anie bdb ny hiteny sy ny hanakana fa refa sitrakareo ary refa t-hiroso nareo!tsy hitako hoe iza no asaka anzany! ny fianakams sy ny havana v no olana!?? tot ou tard tsy maintsy anaiky ihany izy fa ny anareo fotsiny no ataovy milay e!
11. isrine ( 02/01/2004 18:05)
ka raha tsy mitsodrano anareo ny fianakms de ahoana?
12. rniaina ( 02/01/2004 19:10)
Dia misy koa an'ilay hiran'i Ejema:

"...........
O zao malalako ô
aza kivy na entim-po
Ny vady hono
manam-pandehana ohatr'ohatra
fa ny havana tsy azo ariana

Ka nefa tiana ô
tadidio ary aza adino
misy ohabola-mifanohitra
amin'izegny aminay agny
"vitam-bady tsy vitan-kavana"
........"
13. donemaskit ( 02/01/2004 09:50)
Isrine a atao inona koa tso-drano e? Une fois ve enao décidé ny hanao ny fiainana miaraka @ olona dia hiankina @zay zavatra kely zany. (kely mihoatra @ fitiavana)
14. donemaskit ( 02/01/2004 09:50)
Rniaina : "vitam-bady tsy vitan-kavana" Ekena 5/5 e!
15. moi ( 02/01/2004 11:02)
Rehefa mpivady ianareo dia aza adino ny mba manao adidy, toy ny famangiana samihafa, fa any no hanehoana fa tsy manary fianakaviana ianareo na nisisika nivady aza, dia ho raisiny tsara ihany ! Fa raha ianareo no tsy mba hita mihitsy rehefa misy fahoriana, na fihaonam-pianakaviana, dia hojerem-potsiny ianareo na an-kafaliana na ankaratsiana.
16. lema ( 02/01/2004 11:51)
ilaiko fantarina ve ny antony ankahalainy ny olona miaraka amiko sa tonga dé omeko ny cout de ttete fotsiny ry zareo hoe i "izy no tiako"
17. ikaretsaka ( 03/01/2004 15:13)
Eh eh! ny saina no mitondra fa tsy ny fo! ny fo natao hitempo fa ny saina natao hieritreretana... ary ny tso-drano zava-mahery
18. rinakely1 ( 05/01/2004 20:14)
bonne année aloha ry lema an!
inn dray aryzany olanao izany?
zao e: ny tena tsara aloha d ny mahazo ny tso-drano arakan'ny voalazan' Ikaretsaka. Fa raha ny fomba2 maro karazana izao v no atao hanakana oln roa mifankatia ,d inn no anjary @ ity fiainana ity?
fa anontanio tokotrany ny tena tsy hazoana miaraka @ io oln io sinon tonga d hampafantaro azy fa" izy lay ry dada sy mama fa na faly nareo na tsia efa izy aloha lé oln ny foko e!"
zay fa bonne chance
19. donemaskit ( 05/01/2004 19:31)
Tandremo nefa sao tsy contre akory izy dia asiana ny hoe : "na faly nareo na tsy faly...!"
Raha zah aloha no tratran'izay dia io lazain'i Rinakely io mihitsy no hataoko!
20. fijo ( 06/01/2004 11:31)
sarotra izany fa tsy mora akory.raha ny havana no mikarakara ny zavatra hatao,dia manan kolazaina izy,fa raha hianareo no manao ny rehetra,dia ampilazana fotsiny izy.misy mantsy fianakaviana tena miray be,ka eo dia sarotra ilay tsy mahazo tso drano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2076