Ny lehilahy gasy,be ny mpamitaka.

1. xxx ( 08/12/2003 19:46)
Mahagaga ahy ry zareo fa maninona kay ny lehilahy gasy,tdy mba atokisana ara-pitiavana,toy ny mila miova foana ve?sa efa miseho an-dry zareo dadany mihintsy ry zareo;ka mora miala bala any @ sipa hafa toy ny tsy mety matotra;na manambady aza de mampirafy,tena mankaleo mihintsy indraidray.
2. riana ( 09/12/2003 10:14)
Tsy amin'ny gasy ihany akory no misy toe-javatra ohatran'izany ry xxxxxx fa maneran-tany a, ilaina matotra fotsiny ny lehilahy. Raha fony tanora, inona moa no dia hanomezana tsiny maharitra azy... fa raha efa olona natao hitondra tokantrano kosa na efa manambady mihitsy aza (manana responsabilité), dia inona intsony no azonao andrandraina aminy, raha célibataire : mialà fa mbola manana choix ianao. Fa raha efa ao anatin'ny tokantrano dia ny mikarakara sy manao ny adidinao sisa no azonao atao... sy manao ny adidiny koa aza angamba. Tsy ahatsapa ve izy fa tsy hisy atakalony anao ihany... mety hiteny izy ohatran'ilay olona izay hoe "tu es ma princesse..." fa à quel prix !
3. riana ( 09/12/2003 10:15)
Tsy resaka tsy fahamatorana izany manko, fa resaka filangalangana.
4. fijo ( 09/12/2003 11:22)
izay indray ilay mamely lehilahy gasy.ny matcho angaha teny gasy.naninona anefa no nisy.
5. rfanjav ( 09/12/2003 20:28)
Tsy ny gasy ihany io fa ny lehilahy rehetra mihitsy e!

fa na izany aza, za mahita hoe ny gasy mbola hendry kou !

6. rinakely1 ( 09/12/2003 17:39)
Efa ho lava ny andreo fa d avelao hanao zé tiny e! Refa reraka v tsy hay hijanona ho azyeo ihany sa ahoana ry fijo?
7. fijo ( 09/12/2003 19:55)
izay ahay ry rina.hay ianao ity hendry be ihany ko.ianareo mantsy e.
tsy blagy,fa aty europa atsimo,italie,espagne,grece,sud ny france dia tena matcho ny lehilahy.izany ka tena loza an.tsy mba manampy ny vadiny mihintsy ry zalahy,fa de lasa misotrosotro no ataony miandry sakafo.mifandray amin'ireo antitrantitra aho ka mahita ny tena totrany.
8. rinakely1 ( 10/12/2003 14:30)
zany no atao we "domination masculine "koa inn indray!
9. isrine ( 10/12/2003 17:13)
Alao hanao izay tiny ry zareo e, alao hamitaka e. Fa rehefa sendra ry zareo @ ataon'ny vehivavy de raisin'ny namany eo!
Ny lehilahy tsy mety matotra raha tsy voadona!
10. fijo ( 11/12/2003 16:33)
aza dia asiana mafy kosa izahay e.
11. salita ( 11/12/2003 18:05)
Masiaka kosa ange nareo zany e! Tonga dia generalisé-na be ilay resaka fa mahita olona izay aho, lehilahy ny tena marina fa izy dia tsy misotro, tsy mifoka ary tsy mpijery vehivahy nefa ny olona dia miteny hoe iray @reo dia tsy maintsy ataon'ny lehilahy iray. Sady izao koa anie toetra efa hanan'ny lehilahy mintsy ilay tia vehivavy, endrika ivelany no tiako ho lazaina, mora taitra raha vao mahita tsaratsra fa tsy ny rehetra koa ange no mahasahy hampiresaka sy hisarizoro fa betsaka koa ny mijery fotsiny dia mijanona eo. Ary iza moa no mahalala fa ireny fomba fitafy sy fomba fihetsika ataon'ny vehivay ireny dia fomba hisintonana lehilahy e? Asa anefa....
12. fijo ( 11/12/2003 19:51)
ha,ha,marina izany,ianareo vahivavy ihany anie no manao izay hisariana anay e.taitra izahay,vao gaga indray ianareo.inona ary ity.
13. rinakely1 ( 12/12/2003 11:11)
enao io v ry salita miara mipetraka @ io lelà io ka hafahano miteny we tsy mirona na d iray @ ireo vice-ny lelà ireo izy? Aiza moa no hafantaranao zé tena ao an-dohany?
14. isrine ( 12/12/2003 18:45)
Ny ahy alou izay tiko no ataoko e, izay mahafinaritra ahy na akanjo na fihetsika. indray2 manao izay hisintonana ny fomba fijerin'ny lehilahy, satria ohatra ny mba tsara zany le misy mpanara'maso!
Fa tsy hitako ny hifandraisan'izany @ famitahana ataon'ny lehilahy!
F'angaha ze lehilahy manaramaso dia atao inona, na hilaza inona?
Ny maso mijery anie tsy mitondra mody e!
15. bandymilay ( 13/12/2003 20:44)
za izao mahita hoe ny vehivavy dia infidèle be rehefa jonoin'ny bandy!! dia iza no diso @ izany !!ilay mpanjono sa ilay voajono? mety hoe ny sipa koa no mpamitaka an! mahasosotra anie ry ireto ilay voafitaka e
16. xxx ( 14/12/2003 19:03)
za vehivavy fa mahamarika ilay lazain'i salita, tsy miteny akory hoe "ny rehetra" fa ny "ankamaroany" rehefa tsy misotro na tsy mifoaka ny lehilahy dia ny ankamaroany tia vehivavy
17. isrine ( 14/12/2003 17:35)
bandymilay: sur koa e, infidèle ny vehivavy, fa iza no maha-infidèle azy ireo raha tsy ny lehilahy ihany?
Za alou somary mpamitaka e, k'efa ifanaovana kou! De aza mbo voany ihany!Fa ny ankamaroan'ny lehilahy mifoka sy misotro de tia vehivavy!
18. rinakely1 ( 15/12/2003 13:02)
bandimilay: tsy infidele mitsy lé jo raha toa izy ka mbola tsy manana sipa ! Iza koa no miteny anareo we jonoy izahay e? hi!hi!hi!hihihihi
19. fijo ( 16/12/2003 10:33)
tsy marina aloha ilay hoe,rehefa tsy misotro sy mioka ny bandy dia tia sipa.izaho izao,tsy misotro tsy mifoka nefa koa tsy dia mpanenji body.
rinakely.ianareo ihany no manao hoe jonoy izahay ka.
20. rinakely1 ( 16/12/2003 10:02)
ny vhv ry fijo lazaiko anao fa tsy maintsy mipozy izy (fafinaretana ho na'i tenany ary koa ho an'ny hafa) ka refa taraiky nareo d zay e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2759