cartes postales

1. fanalanaazy ( 08/12/2003 16:01)
miarahaba antsika rehetra,

soso-kevitra ihany ity mba hanampiana ireo zavatra be dia be efa misy eto @ serasera.org.

Madagasikara dia tany be mpitsidika, na ireo samy gasy miparitaka maneran-tany koa aza mba mifandefa vaovao ihany. Koa maninona raha toa ka angonina eto ireo "cartes postales" sy sary momba an'i madagasikara dia azo alefa ho ty ny "cartes postales virtuelles" amin'ireo namana?

novalian'i hendry ny 30/04/2004 17:09
2. hery ( 08/12/2003 16:09)
Tsara be ilay hevitra. Azoko amboarina ilay site raha ohatra ka vonona ny namana hi-scan na hitady sary momba an'i Madagasikara (tanana etc...) dia atao cartes eto.
3. isrine ( 09/12/2003 15:57)
Mankasitraka ry Fanalanaazy a!
4. fanalanaazy ( 09/12/2003 17:03)
'zà aloha vonona hi-scan ze mba hitako e . Fa ahoana no handefasana azy rehefa avy eo?
5. rfanjav ( 10/12/2003 17:43)
Manja ilay hevitra, fa ahoana no ampidirana azy ato fotsiny?

za zao efa mahita bdb!

fa ny olana fotsiny dia misy olona miaraka amin'ilay sary ! hi hi hi

de ahoana?
6. ronaldo09 ( 10/12/2003 11:08)
Tsy misy ho kiananiana ny hevitrao fa ny fanatanterahana azy no ilana atao
7. dd ( 11/12/2003 10:55)
Hummm! hevitra mety!
sady mba misy azo aroso ihany aty ...

ohatra ny ho tsara ... :)
8. fanalanaazy ( 11/12/2003 15:16)
mandra-pahavitan'ilay site, afaka avy dé manomboka manao scan aza ve ny tsirairay dé mba tazominy ao amin'ny PC-ny ao. Amin'izay mantsy rehefa vita ilay izy dia avy dia mandefa fotsiny sisa ny tsirairay. Avy dia manana safidy @ sary maromaro amin'izay ireo olona te handefa carte...

Naoty: inona mou no dikan'ny "carte postale" @ teny malagasy madio?
9. rfanjav ( 12/12/2003 14:01)
fa rehefa mandefa azy dia mba asio teny kely a , ohatra hoe aiz ilay toerana fa sao dia tsy fantatra !

10. hery ( 13/12/2003 10:29)
Manahoana,

Tonga dia hosokafako ny toerana fitehirizana an'ilay carte. Amin'ny alatsinainy angamba.
Dia efa afaka manomboka mampiditra ny carte izay tiany ao.

Fanamarihiana kely
- Ara-teknika: Ny habe (lavany sy sakany) an'ilay sary?
- Ara-endrika: Sary momba ny tanana sy toerana ao Madagasikara ihany? Sa misy sarin'olona ihany koa?

Manomboka amin'ny alatsinainy dia hefa ho hitanareo ilay toerana fampidirana sary aloha ary e. Ho hita eo ny tohiny
11. hery ( 14/12/2003 19:26)
Manahoana,

Dia efa angony ato amin'ity lien eto ambany ity izany ny sary e. Rehefa betsabetsaka ny sary dia ho hitantsika ny hanasokajiana sy hanangonana azy.
http://namana.serasera.org/index.php?rub=special/subcarte_temp

Fanamarihana kely:
- Aza dia atao ngeza loatra.
- Télécharger-o fotsiny fa anjaranay no hanamboatra azy.
- Fichier jpg na jpeg no hi-enregistrer-na azy fa izay ihany no mety tafiditra ato.
12. rfanjav ( 16/12/2003 19:15)
Tsy tokony asiana sarin\'olona izany fa mananihany za teo e !

andraso indray ary fa hanangona carte postale mihitsy fa ny sary ao misy olona mizeste @ ilay sary daholo
13. ikaretsaka ( 06/01/2004 19:57)
Carte postal @ teny gasy madio? karatra am-paosiko aina!
14. hendry ( 17/03/2004 15:52)
Misy fanontaniana momba ilay sary: taiza io sary farany ambany misy rahona io? tsara be.
15. dd ( 27/03/2004 13:34)
Efa elaela ihany izay tsy nahitako ity resaka ity ... mbola mety ve ny andefasana ireo sary ?

Misaotra
16. hery ( 28/03/2004 11:42)
mbola mety kah... efa mandeha tsara.
17. hendry ( 30/04/2004 17:09)
Nosy komba tokoa ve ilay ao? toa any Toamasina no ahitako ohatran´io, ohatran´ilay "nosy" tazana avy eo @ port, tsy haiko aloha e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4636