"Sao de ataonao filantsy mahita fotsiny aho"

1. isrine ( 08/12/2003 19:21)
Fa maninona no misy lehilahy mahasahy milaza an'izany nefa izy no mikoty ilay vehivavy?
novalian'i pitchou ny 24/01/2004 11:37
2. gasikely79 ( 08/12/2003 11:41)
Manao ahoana,
Tsotra fotsiny efa be ny marary saina @ zao fotoana izao.
3. fijo ( 09/12/2003 10:50)
tena tara izy izany ka.ilainy ho azy irery ianao fa tsy hizarazara intsony.
4. rfanjav ( 09/12/2003 14:50)
Manantena zavatra betsaka izy zany, ka matahotra sao ianao milalao fotsiny aminy !
5. rinakely1 ( 09/12/2003 17:52)
zany v ?
6. fijo ( 09/12/2003 19:41)
ary i rinakely miahiahy foana an,maninona ary?
7. rfanjav ( 10/12/2003 18:25)
Fa ny lehilahy hono tsy dia tia mampiseho "sentiment" loatra, fa rehefa tia dia tena tia tokoa !

tsy haiko aloha ny fahamarinan' izany fa mba misy cas hitako fotsiny !
8. isrine ( 10/12/2003 18:54)
Salut!
Bandy 2 samy hafa no niteny ahy io teny io, ary ny 1 efa manambady, ny 1 fantatro we manana sipa. Zany anie ka mbola atao we mpinamana fotsiny zahay e. Na izy tsy mbola nilaza fa "hiray amiko", za rahateo tsy nieritreritra na kely ny @ izany.
Rehefa nanontaniako ny dikan'le teny, dia tsisy valiny. Tena tsy takatro zany le izy e.
Fanjav: inona hoy ndry no mety antenainy amiko eo? Hanantena raha tsa hisy izy raha izaho no andrasany, ny momba azy efa fantatro. Sady izy anie akia no nikoty e. De za vehivavy indray ve no lazaina fa hilalao lehilahy. Mety ho hisy alou angamba ny toy izany fa tsy izaho e.
Izy
9. bice ( 10/12/2003 09:08)
ny bandy nge miasa milamina e
hodiny mihenoheno eo de tratrany avy eo
hihihihihi
10. hiaro ( 10/12/2003 11:12)
ahesoy fitiavana lay olona miaraka aminao, ary fitiavana madio zany, be anie no mitady an-izany fa anjaranao no misafidy e, fa io sexualité io anie ka mandeha ho azy refa mifanaraka tsara nareo roa ary @ fo madio no hanaovana an'izany e
11. fijo ( 11/12/2003 10:00)
tena tia izy matoa manao izany ka.vitsy ny bandy mahateny an'izany.
12. doris ( 11/12/2003 19:20)
Marina zany lazain'i Fijo zany. Tena tia ny lehilahy manao an'izany. Fa toy ny mihodina kely fotsiny ny fanontaniany. Ny lehilahy samy manana ny fomba entiny hanamarihana ny fitiavany vehivavy.
13. fijo ( 11/12/2003 19:31)
ahiahy tsy hiavanana io e.
14. rfanjav ( 12/12/2003 14:25)
fa na izany aza rehefa tsy azoazondry akia ialao a, harary fo amin'izany eo fotsiny !
15. isrine ( 12/12/2003 15:42)
Le izy anie ka zavatra efa 10-12 ans lasa zay e, fa tsy nety takatro ny hevitry ny teniny ary izao vao entiko eto aminareo ny fanontaniana.
Fanjav: tena nialako tokoa mou, satria tsy azokazoko na ny zavatra nolazainy aza. Ny zavatra filazan'dreo ahy matetika t@ zany de we: olona toa anao zao ve de tsy hanana sipa. Tsy haiko na we, rehefa vehivavy ve de tsy maintsy manana sipa?
16. fijo ( 16/12/2003 16:12)
ahiahy ny azy ka.tena tia izy dia mody be famakafakana,satria te ho anao irery.
17. rfanjav ( 16/12/2003 13:27)
Raha izany indray tena filan-tsy mahita fotsiny ny azy !

mitady hanao kilalao !
18. isrine ( 17/12/2003 20:26)
fanjav: zay indrindra akia no tsy nahalalako ny tena hevitr'le teny a!
Fijo: izy ve no te- ho ahy irery sa izaho no tiny ho azy irery?
19. fijo ( 17/12/2003 10:31)
samy tiany toa izay daholo ka.tsy misy mpanelingelina.mahavita loza ireny bandy tia be ireny.
20. rfanjav ( 18/12/2003 18:37)
isrine: na koa efa fatra-pilalao tany ivelany tany ny andry dia nialan'ny sipa, dia aty amindry izy no mody mamikitra be!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1649