"Faire un bébé toute seule"

1. isrine ( 06/12/2003 18:39)
Inona ny mahatsara na ny maharatsy azy?
novalian'i isrine ny 16/12/2003 19:00
2. xxx ( 06/12/2003 19:04)
ny zaza dia mila ray sy reny vao any am-piandohana mandra paha lehibeny
3. xxx ( 06/12/2003 15:17)
Ny zaza dia mila fitiavana indrindra indrindra. Raha ohatra ka hahita fitiavana ao anivon'ny ray sy reny izy dia ok... fa raha ohatra ka reny fotsiny dia efa afaka mitia azy feno dia mety ho ok koa.
Eritrereto hoe misy vehivavy anakiray efa hahatratra ny ménopause ka te hiteraka kanefa any am-pigadrana. Fa zany hoe tsy haiko aloha e... mampalahelo koa anefa ny mahita zaza tsy manan-dray.
4. riana ( 07/12/2003 09:07)
Ny zaza aloha dia mila ny dada sy neniny foana vao tena azo atao hoe afaka mivelatra tsara na ara-tsaina na ara-po (affection) na amin'ny lafiny maro e : matérielle, sns. Fa indrindra fa eo amin'ny PERSONNALITE-any. Fa maninona no misafidy hanao zaza irery, tsy mahasoa ny zaza irery koa anie ilay izy fa indrindra indrindra koa ilay reny (na ray) -satria efa reny (na ray) matoa manan-janaka-. Fanampin'izany ny fizakanao samirery tsy toy ny olon-drehetra ny fitaizana azy mandrapahalehibeany, ary etsy an-daniny ny fitsaràn'ny manodidina anao amin'ny lafiny maro. Ary farany, mety hanome tsiny anao ilay zaza rehefa lehibe satria izy mety nahatsapa fa nila mafy ray (na reny) nefa niseho ho "tia tena" ianao "nisafidy izay netinety" (ni-arranger) taminao.
Toro-hevitra: Marina fa mety misy ny famoizam-po ho an'ny olona nisafidy ny vahaolana toy izany farany (raha tsy tena caprice-n'ny tsy mieritreritra fotsiny izao, dia tsy hitako izay atoro azy afa-tsy mieritrereta tsara), fa "tsy fantatra izay ho fivadiky ny ampitso", ary "croire c'est une route vers l'espoir, et espérer c'est déjà avoir fait la moitié du chemin vers ton souhait" hozy ilay olona tsy tadidiko izay. Mahavaly kely an'ilay fanontaniana ve ?
5. isrine ( 07/12/2003 09:56)
Salut!
Matetika alou ny vehivavy no maka ny fanapahankevitra ny hanao toy io e, indrindra ireo izay leo tanteraka ny lehilahy.
Hahavaly ny fanontaniana avokoa ny hevitra mandeha eto, satria misy ny lafitsarany sy ny lafiratsiny ilay izy.
6. ikaretsaka ( 07/12/2003 11:01)
misy lehilahy manao an'io koa ka... tsy avelany esorina ny zana-badiny dia notaizany
7. xxx ( 07/12/2003 18:36)
Amiko aloha de izao e!ny fiainana efa miova samy manao izay fantany fa mety,ka ataovy ze tinao atao sao manko le lehilahy nazahonao zaza manelingelina ny fiainanao ko,ary rehefa tena izany ny hevitrao dia ataovy e!ary i riana etsy ambony tsy d'ac @ hevitrao aho hoe (ny fitsaran'ny manodidina)inona no irarahinao izay vavan'olona na tsara na ratsy no atao ny olona manaratsy foana,ka aza vakina loha zany;ny zanakao indray velonao foana raha izany no fikasanao;sady zavatra hita ange izao ry reto de miha-maro ny tanora ankehitriny no manomboka tsy te hanambady intsony e!satria toa samy haka ho azy,de ataovy izay mahasoa anao e!fiainana mandalo ity;MAHEREZA.
8. isrine ( 08/12/2003 18:54)
Salut!
Tsy mitovy anie ny hoe: "maka fanapahankevitra hamelona samirery ny zaza alohan'ny hahabevohoka" sy ny hoe "mamelona samirery ny zaza satria nialan'ny lehilahy".
9. mity ( 08/12/2003 09:49)
Tao @ c'est mon choix no nahitako an'io kou!
Amiko ny mahatsara azy tsy misy fa ny maharatsy azy de betsaka.
Efa voalazan'ny sasany eo ny maharatsy azy.
10. oupsyyy ( 08/12/2003 10:57)
Isrine> Tsara kokou ny ankizy raha samy eo anilany ny RAR ny, misy impact be eo am toetrany sy ny fiainany iray manontolo ny fahabangan'ny iray amin reo. Ny zaza kamboty aza efa tsy fidiny. Misy ny sasany fitiava tena no hanaovany an'io, safidin ny tsirairay daolo zany fa mba jereo ko ny ankizy satry izy no tena antony. Ny heloky ny RAR ve no ho babon ny ankizy.
11. rinakely1 ( 09/12/2003 17:42)
Hoy xxxx we mila ray sy reny ny zaza. Tsy mandà aho nefa ra ray tsy mahalala ny responsabilité-ny v atao inn? Tsy aleo taizan'ny reniny rery any ny zaza!
Zà aloha tsy contre @ io sujet-ny Isrine io ary tsy misy maharatsy izany fa i neny hafaka manolo an'i dada refa tsy eo izye! Vitan'ny lelà v tsy ho vitan'ny vevavy?
12. jm ( 10/12/2003 12:08)
Samy manana ny tiany io,raha hitany fa mety aminy ny hamelona ny zanany irery,tsy koi zany,fa raha ohatra kosa hoe fantany fa tsy ho vitany ilay izy,ny ho avin'ilay zaza ko amb ajerevana ihany.
Fa ilay zaza kosa mba mil ray sy reny kosany é,izany no mba zavatra anisan'ny tsara indrindra.
Izay no mba hevitro
13. jm ( 10/12/2003 12:08)
Samy manana ny tiany io,raha hitany fa mety aminy ny hamelona ny zanany irery,tsy koi zany,fa raha ohatra kosa hoe fantany fa tsy ho vitany ilay izy,ny ho avin'ilay zaza ko amb ajerevana ihany.
Fa ilay zaza kosa mba mil ray sy reny kosany é,izany no mba zavatra anisan'ny tsara indrindra.
Izay no mba hevitro
14. rinakely1 ( 10/12/2003 14:31)
eny ary e! andao fa izao no mamany d enao no dadany ry jm sa ahoana?
15. isrine ( 10/12/2003 17:30)
Salut!
Mity: hitako tokoa ilay tao @ c'est mon choix.
Zao anie raha misy vehivavy maka io fanapahankevitra io de noho ny taonany efa mandroso. Fa tsy we mbola 20-30ans de hilingilingy @ io.
Marina fa ny zaza fona no victime, reehfa tsy eo i Dada na i Neny, fa na eo aza moa i Dada nefa mamo lava. isaky ny mahita an'i dada ny ankizy de hanao we: "mamo ndray dada", inona no fiainan'ny ankizy vanona @ zany!
Raha hiandry "prince charmant" tsy ho tonga, ny efa hita rehetra tsy nisy ni-charme! Lasa antitra be vao mitaiza, de lazain'ny namany an'izao le zaza any ampianarana we: "nenibe nareo angaha le nanatitra anao teo iny!"; No sady tsy à la page ny zava-misy ilay reny @ izay, de ahona ny ho fiainan'le zaza? ny fanabeazana azy sns?
Tsara anie ny zaza irina e! nefa firy @ ireo zaza teraka anefa no nirina na atao we mpivady aradalana aza ny RAD. Firy no zaza natao tany anaty placard na teny @ toilette? Fa rehefa mifanaraka de lasa mpivady ny lahy sy ny vavy hiarovana ny henatra sns. Nefa tsy ferana avy eo mety ho rava ihany ny tokatrano, satria toy ny fifanerena fotsiny. Ary matetika ny ankizy de manontany we: "nirina ve izy no tonga teto antany?"
Ary ny vehivavy tsy mitovy @ lehilahy, ny lehilahy afaka ny hananjanaka fona na 70 ans aza, fa ny vehivavy anie misy limite e. Ny lehilahy afaka manambady vehivavy 20 ans izy na 70 ans aza.
16. fijo ( 11/12/2003 16:38)
isrine,io hevitrao io no mitombona sy marina.
rinakely,sambatra ihany jm izany an.declaration be mivaivay ity.
17. rinakely1 ( 12/12/2003 11:13)
fijo: mba misangy fotsiny aho ka an!
18. isrine ( 12/12/2003 18:24)
Sady ilaina ny sangy ry rinakely a.
Mialona i Fijo ry Jm a.
19. rlcj ( 13/12/2003 20:23)
tsy de tsara loatra zany isrine an satria ny ankizy dia tsy maintsy mila ray aman-dreny foana mandrapaha-lehibeany.Ireo kely de efa kamboty aza efa tsy fidiny.Sady manahirana be zany satria ny sitra-ponao vita fa tsy ho fantatra izay ho tenenin'ny zanakao @nao rehefa lehibe izy.Mety hiteraka fifandirana @nareo mihitsy aza .
20. isrine ( 14/12/2003 17:38)
Rehefa azavaina aminy ve zany tsy ho azony e. sady ny rainy anie ka eny ihany fa we tsy miara-mipetraka fotsiny e. Ka hiandry rahoviana ary hoy enao vao hanambady. za indray zany no handeha hikoty kofa? Ko raha tsy kofa nandra kou hiditra à toy izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1595