gasy ao paris

21. ariary ( 28/11/2003 10:15)
Fijo,

Ahitsiko kely ny teninao fa tsy hoe tsy mahafaly ahy ny ilazana izany . Tena tiako aza ny hanapotserana an'izany eto ary isaorana anao.

Tena manaiky aho ary d'accord tanteraka aminao fa MARO ny manana io toetra tsikeraina eto io.
Izao koa dia mifanena amin'ireny matetika.

Fa sarotra kosa ny hilazanao hoe ny ANKAMAROANY no manao izany. Dia io no nahatonga ahy nanao vazivazy (nefa tsy tena vazivazy tanteraka) hoe ilana methode siantifika (toy ny ataon'ny instituts de sondages) ny fanaporofoana fa tena ny ANKAMAROANAY tokoa no manana ilay toetra.

Ny tiako hotsindriana dia izao : samy hafa ny hoe MARO (nombreux = mora tsapa sy hita maso) sy ny ANKAMAROANY (la plupart = mila porofo) ka aza afangaro.

Indro kely ho an'i xxxxxxx : diso hevitra ianao satria ny niandohan'ny statistika dia ny fanisana olona :-)


22. rinakely1 ( 29/11/2003 10:51)
Inn koa ary ty manaratsy namana samy malagasy izao ihany. Koa na any an-tany lavitra izy refa te ho ratsy toetra aleo ho azy irery izany. Ary aza géneraliser-na ko ny cas fa tsy mitovy daholo ny oln aty!
23. xxx ( 29/11/2003 11:41)
raha ny hoe miavonavona tsy miarahaba sy tsy mamaly na mitsiky rehefa arabaina ny gasy ao paris no lazaina hoe toetra ratsy, dia mba amaly kely aho na dia tsy mipetraka ao paris aza,

ny antony angamba hoy aho dia mety tsy misy hidiran ny hoe tsy tiany ho hita ny fijaliany sns izany, fa ny zavatra voamariko, tsy ao france ihany, fa na any amin ny firenena hafa izay betsaka gasy, dia izay ao andrenivohitra miavona daholo, io efa lazain i xxx io fa manomboka ny any new york,

ny mety mahatonga izany araka ny fiheverako azy, dia satria betsaka ny tsimaintsy mifamezivezy ao, ny vao tonga mandalo ao, ny hody mandalo ao, ny avy amin province mikarakara taratasy mandalo ao, ireo anefa rehefa tonga any betsaka no tsy mahita hipetrahana, ny mitady trano koa manahirana sady lafo rehefa hoe renivohitra, ary ny olona efa mipetraka ao mahafantatra hoe vahiny ianao rehefa hitany, marina fa hoe tokony hifanampy satria samy gasy an tany lavitra, nefa raha izay rehetra mifanena aminao tsy manantrano hipetrahana ve ho raisinao daholo, mety ho lasa toy ny eny Andralanitra ihany amin ny farany, ny antony ilazako io mantsy dia satria mba misy ihany ny olona fantatro tsy miavona ao paris, miarahaba tsara sy mitsiky etc, ary zareo ireo milaza fa dia misy tokoa olona mifanena aminao indray mandeha tsy menatra mihintsy avy eo miandry eo ambaravaranao, hoe sao mba misy hipetrahana aty, ny dikany dia narahany ny trano misy anao, ilay olona iray fantatro izay ary moa dia gasy no manjary atahorany sy voatery manalavi dalana rehefa mody, satria dia toy ny mandrahona mihintsy ilay olona mitady trano..... asakasak isika, omena tsiny ve ilay olona raha tsy te hiarahaba olona tsy fantany intsony,

tsy misy hidiran ny hoe tsy tiany ho hita ny fijaliany sns hoy aho, satria matetika ny olona dia mivoaka maraina, hariva vao mody, ary saika ny iray trano toy izany daholo, raha atao ary hoe nampiantranoina ihany ilay olona tsy fantampiaviana, tonga ny ampitso ianao hivoaka maraina izy mbola miesona.... hainareo ny tohiny, aza dia faly manenjika fotsiny fa betsaka amin tsika koa no tsy mahatsapa tena, ny olombelona tsy misoratra eny amin ny andriny ny toetrany ka ho azonao fantarina hoe atokisako ity olona ity raha mijanona irery ato antranoko

ny any amin province toa an dry fijo dia marina tokoa raha tsy miavona ny olona, satria tsy misy io olana trano io, angamba ataoko vitsy koa ny olona hoe ho any marseille izany raha tsy efa misy olona fantany hivatanana any, na mety mora kokoa ny mitady trano any, fa ny olona makany amin ny renivohitra anie dia mbola averiko fa betsaka no voatery tsimaintsy mandalo ao, ary io tsy anjatony fa amanarivony maro ....

fehiny ity misy ohatra ho antsika tsirairay:

mipetraka Tana ianao, mandalo matetika eo ambodivoina, indray mandeha nisy olona nifanena taminao tsy fantatrao vao vahiny eto, nangataka trano dia nampiatranoanao, lasa ilay olona very ny vilia sotro sy entana madinidinika, fanindroany fanintelony nisy mitovitovy amin zay koa..... asa mbola mety hitsiky sy hiarahaba olona milanja valizy vao tonga eny ambodivoina ihany ve ianao sa.... ary raha tsy hitsiky sy tsy ampiantrano azy ve ianao dia azo lazaina hoe manafina izay fijalianao ao an tranonao ao no dikan izay....
24. hery ( 29/11/2003 18:30)
Dia mbola miverina amin'ilay généralisation indray.

- Aza heverina hoe ny gasy rehetra hitanao eny an-dalana dia mahantra ka hangataka trano aminao daholo. Dia izany no antony hiavonavonanao aminy.
Misy tokoa gasy vahiny, sambany nahita gasy an-tany lavitra... dia faly ery mba mahita anao... kanefa heverinao fa hangataka izy... dia iavonavonanao. Maninona raha mba raisina aloha dia hohita eo na mpangataka na tsia?

Izaho izao ho any Paris :-)
Fa aza iavonavonana aho raha sendra hitanareo eny an-dalana fa tsy hangataka izany an :)
25. zouzoun ( 30/11/2003 09:29)
mampime ee !!

ary ny mahagaga ange fa ny ao Paris manokana no asiana teny fa tsy ny any marseille na ny any grenoble ... na tsy fantako ee !! any cameroun ohatra !!

Tsisy resaka statistika ohatra ny volazan'ny sasany io na resaka avonavona fa zao fotsiny ee :

(miala tsiny amin'ny teny vahiny)
«c'est le désir d'être important qui caractérise nos faits et gestes»

Ka samy manana ny fomba hanehoany an'io daholo ... misy ireo izay manao fihetsika tsara, misy kosa ireo manao fihetsika «tsy vanona» ka tonga amin'ilay fitenenana hoe te hoderaina ohatran'ny holotra nefa ao anaty tay no milomano !!! pour mettre la poudre aux yeux eh !!!

Ka miverina amin'ny voalazan'ny namana hafa etsy ambony hoe MISY ny manao izany fa tsy azo généralizzzzena akory !!
26. xxx ( 30/11/2003 14:25)
Fa maninona ary ianareo ireo dia tia mivangongo ao la frantsa ao, izay firenena efa tsy mamely. Any ka lasa miavonavona daholo na samy malagasy aza fa tereny fiainana. Mba miova filamantra e!
Tongava aty aminay (USA) raha te-ahita an\'izany fahafahana, manja e!
Mba mihetsiketsika fa ny makaty anie tsy dia sarotra e.
27. isrine ( 30/11/2003 12:22)
Salut!
De ho any USA zany zahay e, sady eo ampitadiavana lalana zao.
Matoa apetraka ny fanamarihana dia ny hahatsara zavatra.
Ny fiavonana dia efa toetra io, ka na any Paris na Dago na USA rehefa miavona dia iray ihany.
28. rinakely1 ( 01/12/2003 20:40)
d aza miavonavona sy miseho he "je suis " d samy vita e!
29. isrine ( 01/12/2003 15:21)
Zay mihitsy ry Rinakely a
30. fijo ( 02/12/2003 11:26)
ho anilay xxxx nilaza hoe raha mandray olona dia misy zavatra very.efa nataoko matetika io taloha,ary marina fa nisy tokoa ny zavatra very,tsy indray mandeha,fa matetika.ary dia nisy artista nalaza tonga taty marseille aza dia nitady olona ny organisteur hampiantrano ny panaraka azy dia noraisiko ny roalahy pour 3 jours,dia nisy tokoa ny zavatra very.nefa dia tsy mapiova ahy izany,fa dia mitsiky aho rehefa mahita gasy,na vao tonga io na efa ela.tsy mapiatrano intsony aho,fa ny tsiky sy arahaba tsy amidy io fa dia omena fotsiny e.ho an'ilay hoe any USA,canada no efa hitako,fa dia misy io toetra io any USA,araka ny filazan'ny olona any.manambany ny any canada ny any USA.ary zavatra marina io raha amin'ny samy fotsy hoditra no jerena.
31. rfanjav ( 02/12/2003 20:17)
hitanareo fa tsy ho an'ny ao Paris ihany io zavatra io,

32. fijo ( 02/12/2003 19:35)
fa ny ao no tena malaza aty ka.
33. isrine ( 03/12/2003 18:06)
Tsy hoe ao Paris no malaza fa ao no be gasy indrindra angamba, de ohatry ny hoe hita be.
F'angaha tsy azonareo mampiatrano olona ny milaza aminy ny fandaharampotonanareo dia miara-miala aminareo ao antrano izy dia toy izay mandritra ny fotoana hipetrahany ao. Dia mba mandehandeha any @ izay tiny izy @ fotoana iasanareo e;
34. fijo ( 04/12/2003 20:29)
vahaolana koa io,fa ny andry zareo efa zavatra hafa mihintsy.
35. isrine ( 05/12/2003 19:02)
Satria izy mpivahiny no tokony hanaraka ny rythme ny tompotrano. Izay ny resaka fahaverezanjavatra.
Fa ny resaka fiavonana, mety ho fialonana e!
36. xxx ( 06/12/2003 13:41)
Ny gasy ao paris ranga tena miavona²b mitsy!! tsy fialonana angaba tena izy fa oh hoe efa any paris e! oh ny adino ny mahagasy nefa reny ol reny kou tena tss!

za alo tsy any fa hitako t@ za tany! fa na miavona na mijery ambony ambany!oh tena hoe anazy ny tany!

37. fijo ( 09/12/2003 11:07)
nefa anie tsy ho aiza akory e.fa angaha rehefa hoe ao paris dia inona?france ihany anie io,fa tsy aiza a.
38. rfanjav ( 10/12/2003 19:19)
Aza reraka mialona na mitsara na mijery olona ho'aho fa izay hahatsara ny fiainanareo atao !

reraka eo fotsiny, fa hitondra mankaiza nefa izany?!!!
39. fijo ( 11/12/2003 10:26)
ngaha izany fa mba tsy maintsy lazaina ny tsy mety e.
40. isrine ( 12/12/2003 16:01)
Zay mitsy, atao ny tsikera hanatsarana zavatra, de samy mianatra tsikely2 eny. Tsy misy lafatra anie eto antany, fa mianatra fona e, ary tsisy taona ny fianarana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2236