Ry tovolahy isany................

21. oupsyyy ( 25/11/2003 19:05)
Eh oui, tena sarotra ny mitia olona, satry tsy voatery mitovy fijery ny mpifankatia iray. Mora ny miteny hoe ny compréhension sy ny fifampatokisana no tokony ho andry iorenan'ny fifankativana fa tena sarotra ihany no anantateraka izany.
22. fijo ( 26/11/2003 09:35)
ilay mahatoky indrindra,tena sarotra be.raha izaho aty izy any dia ahoana.iza no mahita izay any?
23. oupsyyy ( 26/11/2003 17:45)
Avoir confiance je veux bien fa am maha olombelona ny tena ny eritreri-dratsy sy ny ahiahy mande ihany. Aza omena tsiny e
24. lema ( 26/11/2003 14:07)
ho anreo vehivavy ny tena mahatonga anay ampirafy anie dia misy zavatra tsy ampy omenareo anay ka voatery zay mitady any ivelany nefa tsy tianay harary ny fonareo dia aleonay madainga ary rehefa tratra izahay dia tsy tianay ny mifona satria zay mieritreritra fa hoe normal ny fihetsikay na misy aza izany rehetra izany dia nareo foana no tianay.
25. rfanjav ( 26/11/2003 14:51)
izahay foana no tianareo , hoy lema, mandra-pahitanareo vehivavy hafa anoloana anay indray,

dia ho toy izany foana izany ny fiainana?!

mazana izany,

dia aiza izany ny safidy sy fitiavan'ny vehivavy, tsy asiana resaka mihitsy fa afaka mitady any @ hafa foana ianareo izay tsy hita @ anankiray!
26. fijo ( 26/11/2003 18:57)
fa angaha kosa izy miteny hoe mandra pahita hafa.ny vary tsy miova,fa ny laoka no mba hovana indraindrai e.dia ho ravitoto foana ve,na dia hoe io aza no tena tsara.
27. rfanjav ( 27/11/2003 11:59)
izany hoe tsy misy dikany mihitsy izany ilay teny hoe "fihafiana" na "fiarahana mihafy" raha @ izay lafiny izay,

dia maninona raha ny ao an-trano no ovaovana ny laoka fa tsy mitady any ivelany raha izany?!
(mba manoro hevitra hoe : izao indray no tsara, fa leo ravitoto aho, ohatra ! ha ha ha)
28. xxx ( 27/11/2003 12:08)
Tonga d tsaraiko i Lema faoln tia tena b mitsy no sady tsy miheritreritra mitsy zé zavatra endurer-ny vevavy @ataonareo fad mbola hitanareo fa normal ihany zany !!!!!!!!!!!!!!!!
Refa tsy ampy ny omeny sipanareo maninn raha mitsotra @ fotsiny d samy vita au lieu de hampirafy azye!
29. rfanjav ( 27/11/2003 14:37)
ka hoe ny lehilahy hono tsy mahay mitsotra izany,

sady ohatra ny mahafinaritra ny sasany mihitsy ilay manandrakandrana any ivelany fa tsy manao izay hahasoa ny eo ampelatanana !
30. fijo ( 28/11/2003 20:39)
tandremo kosa ry rfanjav an,tsy milaza mihintsy izahay hoe tsy manao izay hahasoa ny eo ampelatanana.ny tombotsoan'ilay mibolila anie dia izao e,amin'izay hitanay ny haratsin'ny any ivelany,dia mifikitra ao an-trano izahay.ary ny ao an-trano koa mihezaka foana ny hanatsara ny fandehany.izany hoe manatsara zavatra io fa tsy manimba akory.
31. rfanjav ( 28/11/2003 12:34)
zany a?!

izany hoe raha tsy alefa manandrana any ivelany izany ralehilahy dia tsy mety hihatsara mihitsy ny ao an-trano?!
32. xxx ( 29/11/2003 10:21)
Nareo lehilahy reto wa tena tia tena mitsy marina e! Tena mba manontany tena ihany aho e ahona ary no nanamboarana oln ratsy toetra toa anareo?
33. isrine ( 29/11/2003 11:48)
Zao akia no izy a, ny lehilahy dia lehilahy mandrakariva, efa ra mikoriana ao @ dreo ny fampirafesana. KA inona no tadiavintsika @ valintenindry zareo e? Reo anie mahita holazaina fona, fa rehefa tena tia anao anie ry zareo ka tsy mahaloa peo firy e!
34. rinakely1 ( 01/12/2003 20:19)
hafaka hovaina izany raha toetra ratsy! Ko maninn ary ny lehilahy sasany mahavita tsy mibililalia d ny sasany tsy t halala fa d mande joliment @ zany ny fiainany?
35. xxx ( 01/12/2003 14:15)
zà niaraka t@ olona iray izay, fantatro fa tena tia ahy. de ny nampatahotra azy indrindra izany hoe ho tratrako mampirafy izany. fa ndray mandeha izy nandeha tany de tsy mandry ny sainy de nilaza tamiko. fa novaliko tsotra hoe tsy mbola mpivady isika ka aoka tsy hifandrara @ zay tiantsika atao! d fay tsy namerina intsony sady tsy sahy nanontany ahy sao misy olonkafa any !
36. isrine ( 01/12/2003 16:36)
Zao anie akia ry Rinakely e, ny sasany izay mbola tsy mibililalila sns mety manao ihany fa enao no tsy maharaka e.
37. jm ( 03/12/2003 13:37)
Ny olona rehetra mapirafy daholo,na léla na vévavy,fa tsy azoko hoe maninn ny léla foana no coupable rehefa mampirafy ,fa rehefa vevavy ohatran'ny hoe tsy maninona.
Hamaly ireo fanontanina ary à,
raha vevavy tsy tiako kosa aloha de hampirafesiko izy é,lozika zany,fa raha tiako izy tsy hataoko an'izany mintsy.
Izahay tsy mandainga aminareo fa voatery manafina zay tsin satria fantatrayy lela fa mety zavatra sarotra hoazonareo vevavy ilay izy dé miteraka olana,za akory tsy miteny hoe kely saina ianareo ,fa ny fisainan'ny lela sy vevavy tsy mitovy.
Marina tokoa izany aloha fa raha izahay no diso sarotra aminay no mifona satria lela zay
38. isrine ( 03/12/2003 16:31)
O ry Jm a, raha ny 90 % ny lehilahy no mampirafy de 10 % no vehivavy mampirafy. Ary ny lehilahy no coupable satria ny lehilahy anie no mikoty e. Ny vehivavy manana choix na hiditra na hiala.
Koa maninona no kotina rehefa olona tsy tina sa hanalana azy fotsiny. Za ndray tsy miaraka @ bandy tsy tiko zany na hatao inona aza.
@ izao fotoana izao dia efa tsy tokony hanafina aminay vehivavy ntsony ianareo lehilahy ny zavatra ataonareo rehetra, mety hoe hiteraka olana le izy fa mety koa ho lasa zatra ny vehivavy maheno ny fahatsoranareo na dia we diso aza nareo, de hiova tsikely2 koa ny vehivavy!
Miezaha tsikely2 hifona re tompoko o!
39. fijo ( 04/12/2003 09:07)
o ry isrine a,raha mikoty ny lehilahy,ka manana safidy ny vehivavy,nefa miditra,dia izy izany no diso fa tsy ilay lehilahy.raha manipy tady aho,ka misy mandray,dia izaho ve no diso,fa tsy izy nandray.
ary raha 90% ny lehilahy no mampirafy,midika izany fa misy 90% ny vehivavy miaraka aminy.dia omena an iza ny fahadisoana?
40. isrine ( 05/12/2003 18:42)
Izao anie le izy ry Fijo e. Mety hilaza enao hoe misy vehivavy 90% koa miaraka @ lehilahy 90%, fa mety ireo vehivavy vitsy ihany no mihodina @ nareo lehilahy. Mety we misy lehilahy 10 manana sipa, tsy voatery we 10 ny sipa @ io fa mety 3 ihany fa mety ny lehilahy 3 @ nareo mety hanana vehivavy 1ohatra we "X" ihany satria ianareo tsy mifankalala we iza no an'iza. Ka mety ilay vehivavy no manana 3 @ izay fotoana izay. Satria nareo matimatin'ny we mahita vehivavy tsar tarehy sns fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2648