NY TANANA MADIO

21. fijo ( 25/11/2003 09:18)
vita izany ko.
22. moi ( 25/11/2003 10:16)
Rehefa tsy mahalàla menatra intsony, na dia feno WC aza ny tanàna, dia ... Tsy misy mpiorakorako koa ry zareo izy ireny a ! Nefa izany mety ho vahaolana tsy ialam-bola !
Ny gasy koa kamo hisahirana e ! Misy toerana efa akaiky WC public izao nefa tsy lavitra eo mbola fanaovana azy ihany ! Toy ny poubelle ihany io, na dia fantatra aza fa hoe misy iray afaka 10m ao aloha ao, tsy tazominao ny fako fa tonga dia revena amin'izao e !
Aleo tsy ho tohizana fa ... za ko mba efa ...
23. oupsyyy ( 25/11/2003 10:20)
Bref, mbola voretra ny gasy ,miala tsiny fa sec be le teniko fa marina zany, mbola ho ela vao anana tanana madio sika. Tsy mahafinaritra ny sasany ny mahita tanana madio, fa faly fotsiny ny handoto. N'in n'in effort ataon ny fanjakana, na hanisy poubelle sy WC isa metatra aza refa ny toe tsaina no tsy ao de peine perdue sy vola arim potsiny zany e
24. moi ( 25/11/2003 10:25)
Rehefa tsy mahalàla menatra intsony, na dia feno WC aza ny tanàna, dia ... Tsy misy mpiorakorako koa ry zareo izy ireny a ! Nefa izany mety ho vahaolana tsy ialam-bola !
Ny gasy koa kamo hisahirana e ! Misy toerana efa akaiky WC public izao nefa tsy lavitra eo mbola fanaovana azy ihany ! Toy ny poubelle ihany io, na dia fantatra aza fa hoe misy iray afaka 10m ao aloha ao, tsy tazominao ny fako fa tonga dia revena amin'izao e !
Aleo tsy ho tohizana fa ... za ko mba efa ...
25. fijo ( 26/11/2003 09:51)
mila fitaizana io ka.tsy vita vetivety izany,fa mandeha miadana.
26. rfanjav ( 26/11/2003 18:31)
iza kosa no andrasana hitaiza an'iza?
fa tokony mba samy hahatsiaro tena ny tsirairay,
27. kally ( 26/11/2003 15:06)
Izao e!isika vehivavy angamba na ny lehilahy koa moa maninona?No tena iankinan'ireo hevitra sy olana rehetra ireo.Raha isika tsirairay izay manan-janaka moa no manazatra ny zanatsika sy ny zandrintsika hanary fako any @ daba-pako sy hanao maloto any @trano fivoahana dia fantaro fa be ny zavatra hiova rehefa ho lehibe ireny zaza ireny.Betsaka anie ny ray aman-dreny no tsy nanazatra ny zanany tamin'izany ireo teraka teo alohaloha teo e!fony kely dia misy maniraka hoe mandehana ario any an-tokotany itsy na iroa,na manipy fonona biscuits avy eo am-baravarankely nefa tsy misy mibedy,fahazarana hatry ny kely daholo ny ankamaroan'ny fihetsika rehefa lehibe,ka atombohy ary e!
28. fijo ( 26/11/2003 19:17)
io voalazan'i kally io dia tena marina,fa ny fanjakana koa dia tokony manao izay ahazatra ny olona.mila fanazarana ny vahoaka fa tsy mandeha hoazy.
29. rfanjav ( 28/11/2003 19:55)
marina izany,

fa raha atomboka vao kely araka ny nolazain'i Kally, dia hiandry firy taona izany vao hiaina @ tanàna madio,

tsy afaka ny hiova intsony izany ny "génération" @ izao fotoana izao,

efa asa fanasoavana ny manodidina daholo izany, mba miezaka kely e!
30. isrine ( 29/11/2003 15:26)
Sali!
Mbola lavitrezaka alou ny gasy e. Marina ny an'i Oupsyy sy Kally. Tena mahakivy ny mieritreritra ny tontolo iainan'ny malagasy ankehitriny.
Nefa raha ny hoe fanabeazana no lazaina dia tsy ny gasy ihany no voateny fa izao tontolo izao. Ny RAD ankehitriny mihitsy no tsy mahataiza ny taranaka toy ny taloha ntsony ary ny ankizy na mahalala fa tsy mety aza rehefa tsy misy maso mijery dia mivaralila.
Ny fandraisan'ny vahoka anjara @ fanarenanan anie no tena ilaina e. Ohatra hoe raha misy ilana andry Oupsyy dia hety ve izy raha ametrahana adidy @ zavatra toy izany?
Ny lehilahy alou no tena fosotra e, tsy hoe poritra fa mora ho andry zalahy mipiss satria mitsangana de vita, fa ny vehivavy tsy ho sahy mihitsy, fa raha mahita ianareo vehivavy mipiss @ lalana izany dia tena tsy azony iaretana ntsony ntsony.
Le wc public alou tena tsy azo idirana e.
31. fijo ( 02/12/2003 16:02)
ka dia ny wc public no tokony atao izay ahatsara sy ampadio azy aloha.
32. isrine ( 02/12/2003 15:41)
De izay angaha!
33. fijo ( 03/12/2003 20:25)
raha toa ilay eo ambohijatovo,na ilay ao analakely kosa aloha tsy hiditra ao mihintsy aho fa dia aleoko hitan'olona ery ivelany.
34. isrine ( 03/12/2003 15:14)
De raha samy ohatranao zany anie ny olona ry Fijo de tsisy dikany ny wc, marina fa mety maloto le izy fa rehefa we io no eo dia idiro rangah 'ty a. Hihihi
35. fijo ( 04/12/2003 09:16)
an,an,azafady kosa aloha fa tena tsy rariny raha toa ireo ka.tsy miaingitraingitra aho,fa tena tsy lasa e.fanina ny tena avy tao.
36. rfanjav ( 04/12/2003 17:05)
efa misy kosa ny wc public vao namboarina sady madio e!

soarano (ampitan'ny firaisana voalohany) efa misy, anosy efa misy, izay aloha no hitako fa izay no falehako matetika,

37. fijo ( 05/12/2003 20:21)
mbola tsy hitako izany,fa raha madio dia tsy maninona.
38. oupsyyy ( 05/12/2003 19:00)
De eo anosy kou
39. rfanjav ( 05/12/2003 19:11)
Fa izao koa ho'aho, tsy resaka wc izy ity, fa ireny manary fako eraky ny tanàna ireny,

eritrereto tsara hoe fiara milay be izao (406), dia nihinana glace ry zareo tao anatiny, dia niainga ilay fiara, vao nahazo arabe , nefa arabe eto @ ville a (Tanà io), dia nariana teny an'arabe ireo fonona glace , grrrr !

mbola ho ela mihitsy vao hanaja fahadiovana ny aty e!
40. oupsyyy ( 08/12/2003 10:53)
Ka zay mitsy fa le fisaianana mitsy no tokony hamboarina, na misy fanarim pako isa metatra aza io refa ny hakamona no mibahana ao an doha de tsy hadio ny tanana. Tsara sazina mitsy ny mpandonto tanana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977