Matahotra am sexualité ko zaho

1. xxx ( 04/11/2003 09:57)
Sarotra ny toerana misy ahy am zao satry tsy aiko tsony ze atao.
Ndraindray za ti ol mitovy fananahana amiko ndraindray za ti ol mifanohitra fananahana amiko.
Efa niseho tamiko zany, ary tena matahotra za satry ahiko ho simba ny ho aviko eo am fitiavana.
Ny ol mifanohitra fananahana amiko de nandiso fananatena ahy daolo ary tsy vo ela akory zay de tena matahotra be za.
Mila ny fanampinareo za.
Ekeko fa ny tenin'ny soratra masina de ny fifankatiavana ny lahy sy ny vavy ihany no ekeny fa tsy aiko tsony ze atao ngee.
Ampio za ry namana an!!!!! De misotra de ny mialo
novalian'i raten ny 22/12/2003 18:46
2. xxx ( 04/11/2003 16:19)
Manahoana,
Tandremo fa mety tsikaritr'ireo izay tena mirona amin'ny "homosexualité" ny fihetsikao ka sao dia araraotiny.
Raha ny fahitako azy mantsy dia toa vokatry ny fahadisoam-panantenana no mahatonga anao hirona ho amin'ny olona mitovy fananahana aminao fa tsy mbola ilay tena fironana tanteraka. Mbola azo tsaboina izany.
Ny torohevitro dia ny maka aina kely aloha. Maka fotoana 2 na 3 volana tsy mieritreritra fitiavana izany. Raha miasa ianao na mianatra dia zay aloha atao tsara... ho afaka ho azy izany rehefa manao départ vaovao enao.
Courage.
3. fijo ( 05/11/2003 09:38)
manao ahoana ianao ry namana.voalohany aloha dia aza atao mamaky ny lohanao izany.ary faharoa dia izao:aza mandainga amin'ny tenanao.ny fijerin'ny olona tsy misy dikany io,ny maha izy anao no jereo,ary rehefa finaritra ianao dia izay no izy.tsy misy tokony hitsarana anao izany.mahereza.
4. rfanjav ( 05/11/2003 12:55)
Je crois , et je souhaite croire, que c'est juste une déception amoureuse,

nahatsiaro ho voafitaky ny olona mifanohitra fanananahana aminao ianao,
dia tafalatsaka lalina tao aminao ny hoe sao dia mba tsaratsara kokoa ny miaraka @ olona mitovy fananahana aminao,

mino mafy aho fa mbola azo arenina izany,

raha ohatra ka sitrakao moa ny hiaraka @ olona mifanohitra aminao dia ianao ihany dia afaka miady @ izany,
fa raha tena maniry ny hiaraka @ mitovy aminao kosa ianao dia tsy ho afaka ao aminao intsony izany!

Ka ataovy ambony ny morale fa tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto akory!
5. fijo ( 06/11/2003 09:27)
izay tsapanao fa tena misy ao anatinao arahana.raha olona iray no niala,mitadiava indray hafa.raha toa moa ka ny mitovy aminao no tena mahasarika anao,tsy maninona,fa dia izay atao,fa aza minia tsy mahalala izay tena momba anao.fa izay no tena ratsy.tsy mahamenatra akory ny omo.
6. xxx ( 06/11/2003 17:29)
Misaotra anareo nanohana.
Za akory tsy te ho homo fa mitady hanana tendance ho any za no tena probleme ko. Za tia olona tsy mitovy fananahana amiko fa sendra ny déception fona za. Otran'ny hoe lainga sy feno fiatsaram belatsihy zany fona ny fiarahako. Eny e, mety mbola tsy sendra ny tena izy angamba za e????
7. pisobe ( 06/11/2003 11:35)
Salut!
Aza mba kivy zany eo @ fiainana, na voadona fona aza ianao dia mitraka mandrakariva!
Tsy hoe irery akory ianao @ izay lafiny izay, betsaka ny toa anao fa tsy sahy milaza. Fa efa dingana tsara be ny nahasahianao nilaza zavatra toy izany.
Raha vehivavy ianao dia manorata amiko.
Mahereza!
8. oupsyyy ( 06/11/2003 14:30)
Marina zany lazain pisobe zany

Ary enao tyu tena mampiaky ana mitsy ka. Sao ary enao ty psy na tsy fantatro.
Mba misy lazaiko kely fotsiny. Ny fiainana zany feno lalatsarotra e. anjarano ny madray zany ho lesona. Fa zany akory tsy natao hahakivy fa raha samy otra zanu daolo ny ol tsisy anjary ny fiainana eto.
Aza kivy ry namako fa mbola ho avy aminao ihany ny fahasamabarana ary am tsy ampoizinao zany.
9. fijo ( 06/11/2003 19:39)
raha hoe mandiso fanantenana ny sasany dia izao fotsiny atao antsaina,aza atao tena matotra ny fiarahana,fa avelao ho kilalao aloha,dia hitanao eny ihany ny fiovany,na miha matotra na mijanona eo.aza mieritreritra zavatra be amin'ny voalohany.
10. oupsyyy ( 07/11/2003 09:26)
Ie ary za de ny fo kou no atao mitondra ny fiainana fa ny saina kou fa manjary lasa manaonao fona eo kou
11. rinakely1 ( 08/11/2003 20:35)
Ny zavatra lehibe indrindra angamba d ny fanananao ny personalité-nao manoloana zay olana mety sedrainao eo @ fiainanao.
Olona manana fahalalahana manokana enao, manana zo izay maha oln anao ary manana safidy manokana hitia ny oln zay mahataitra ny fitiavanao.
Ny any hafatro aza marary saina sy fo @ zay tenenin'oln any fa zay lazainy fonao ihany no araho.
12. mijo ( 19/11/2003 16:08)
Raha ny fiheverako azy aloha dia tsy solution mihitsy izany hiaraka @ olona mitovy fananahana aminao izany.Mbola be dia be ange ny sipa azo hiarahana e !.Tsy voatery hitovy daholo akory ny toetran'ireo sipa ireo ka tsy tokony atahotra izany i anao ny hiaraka @ sipa vaovao.
Raha ohatra ka manana eritreritra an'izany i anao dia manana eritreritra ho PELAKA izany.Tsy tsara lty izany bandy pelaka izany fa mba mieritrereta ihany a !
13. fijo ( 20/11/2003 09:06)
ka avelao izy no handinika ny tenany.fa izy ihany no mahalala ny tena tadiaviny.
14. xxx ( 20/11/2003 14:27)
Misaotra anareo fa tena manana namana tokoa. Sahirana be zaho amin'ny izao.
15. fijo ( 20/11/2003 19:45)
mangala aloha fotoana kely hieritreretana tsara,dia dinio tsara izay tena tsapanao momba ny tenanao.dia izay atao.
16. xxx ( 22/11/2003 14:12)
fijo, koa raha haina ny mandinika ny tena tadiaviny inn no hilazany ny olany ato @forum ra izany? Mba mahaiza wa mamaly
17. bonetra ( 24/11/2003 09:12)
salama eh
ny olanao raha azoko tsara dia tsy ny olona @ izy hoe fifankatiavana fa ny olana aram-piarahamonina, izany hoe tsy izay tianao no ataonao fa izay tiany olona ataonao miteraka zavatra ratsy be mantsy io ,tsy misy olana mintsy amiko izay hevitra raisinao , ataovy @ fo fotsiny ilay izy de aza mijery izay tiany olona hafa
18. xxx ( 24/11/2003 09:45)
Mafinaritra ahy zany vali teny zany fa misaotra betsaka, fa tsy azo tsy jerena koa anefa ny fiaraha monina satry mbola mavesatra ho antsika malagasy ny fifandraisan'ny olona roa mitovy fananahana.
19. fijo ( 25/11/2003 20:28)
ka izay no anorona hevitra azy.mba ahay mandinika tsara aloha.tsy nanana fotoana nanaovana an'izany izy matoa nisy blema.rehefa tsapany izay ilainy,dia izay no tokony arahany,fa tsy mijery ny hafa.ilay fanontanianao tsy sahy milaza anarana toa fanontaniana mivalana be.
20. mijo ( 08/12/2003 15:27)
Tu sais pas pourquoi les filles t'ont quittées ?.Parcequ'elles pensaient peut être que tu as l'air de je sais pas quoi.
Si tu dis ça,tu veux vraiement sortir avec un mec alors que tu es un mec aussi.On peut dire quand même que tu es un P...... .
Fait attention mon cher !.C'est pas bon d'être homo.IL y a bcp de filles qui cherchent de partenaires.Ne perds pas de courage.Ton problème peut passer avec tout le monde.Prie tous les jours !:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2889