Inona no tena atao hoe fitiavana

1. folaka ( 31/10/2003 10:06)
Rah notiaviko ilay olona izay, dia loza no nafitsony fa angamba aho noheverina fa andevokeliny, dia nogiazinay tao ny tenako, ka na ny havako, na ny zanako izay efa nampisaraka anay dia saika tsy ho navelany ny hihaona tamiko intsony.
Voatery aho nandositra ka nilefa lavitra dia navelako teo daholo na ny zanako na izy mandra-panadinony ahy.
Voatery hoy aho satria dia norahonany aho hoe mampanao ahy zavatra tsy tokony ho ataony amiko(tsy hamono ve izany ?)
Mandra-piresaka indray.
novalian'i fijo ny 07/01/2004 10:07
2. clara ( 03/11/2003 16:57)
Nisy marina ny zvt nataonao kanefa kosa tokony tsy ho nilaozanao ny zanakao raha tsy ohatra angaha hoe zakany ny mipetraka ao @ ilay vadinao.
Ny tena fitiavana ve? Izaho koa mba mikatsaka azy. Izaho koa mantsy mba mitovitovy @ tantaranao ihany ny tantarako fa ny mahasamy hafa azy kely dia any amiko ny zanako.
3. voaignana ( 04/11/2003 10:37)
FITIAVANA=
Fanazavana tsotsotra: Avy ao anaty no itoeren'ny fo sy saina, fanahy. Izay mifampibaiko dia lasa FITIAVANA ( mila fikolokoloana anaty izy io)mivoaka ety ivelany miantsampy amin-javatra azo tsapaintanana. ohatra ny tenanao, izay zavatra irinao.
Omeo bizonoroka raha afa-po
4. fijo ( 04/11/2003 11:19)
tsy miblage aho fa mampalahelo ilay tantara.amiko,ny atao hoe fitiavana,dia fahatokisana sy fiaraha mikaroka eo amin'ny olona roa.raha saropiaro ka mangeja,dia tsy fitiavana izay fa,"fitiavan-tena"satria tsy mijery ilay olona iray ianao,fa ny tenanao ihany no tianao omena fahafaham-po.toy ny zaza tia voron-kely.dia ilainy ilay vorona ho eo ankaikiny foana,dia atao anaty trano kely.dia faly izy ary milaza,fa tiany ilay vorona.ary ilay vorona?mba faly koa ve izy?toa izay koa ny fitiavana.mila mifamaly ireo,vao misy izy.
5. oupsyyy ( 04/11/2003 09:43)
Tsara fipetraka be ny fanontanianao? Filozofika be nefa alo le izy satry ny olona tsirairay de samy manana ny fandraisany ny fitiavana.
Aminao ohatra ny fitiavana de ny fizarana am hafa, ny olo tinao ny soa, ny tsara, ny toe ponao ohatra. Fa am hafa kosa de mety hoe ny fitiavana de ny fanomezana fafaham po ny ol tiny fotsiny.
Raha amiko manokana de ny fitiavana de midika zavatra be da be.
Raha ol 2 ohatra no resahako de ny fitiavana de fifanjohin'ny fo anakiro ho iray; hifampizara ny tsara, ny mafaniratra eo am ny fiainana, mizara ny alahelo, ny hafalina; ny fahorina. Ny fitiavana eo am ol 2 ko fikatsahana tanjona iray na maromaro eo ma fiainana.
Misy ko ny fitiavana miseho am endrika hafa ohatra eo am fianakavina, ny mpinamana, reny ndray de fahaizana mizara.
Ho lava be ty tantara ty raha tohizako fa zay raha araky ny hevitro ny atao hoe fitiavana.
Mirary ny tsirairay ahita le tena fitiavana marina, madio, tsisy fiatsaram belatsihy.
6. noasy ( 05/11/2003 18:46)
Ny fitiavana amiko dia tsy arahina condition voalohany indridra izany hoe tia amin'ny mahaizy azy ilay olona . Ary raha tena fitiavana no miasa dia mipetra ny fifampitokisana . mahay mifampi comprendre ary mahafy mifamela heloka . natao hampivelatra amin'ny fiainana ny fitiavana fa tsy natao hanagiazana ny hafa
7. kanty ( 05/11/2003 09:03)
Manaiky anao aho fijo @ ny atao hoe fitiavana.
ho ahy anefa dia tsy voalazan'ny teny ilay izy fa ny zvt aterany ihany no voalazanny teny. Tsy zvt atao ihany koa fa zvt heno.
8. fijo ( 06/11/2003 09:50)
marina ny an'i kanty.fa ny voalaza ery ambony anie dia ilay fomba anehoana azy e.ilay olona managaja anie ka tia koa,saingy ratsy ny fomba fanehoany azy.
9. nasolo ( 06/11/2003 20:59)
momba an'i noasy aho, fa amiko ny fitiavana dia tokony hifamaly ary nefa tsy misy hifanerena ny amin'io fa ra asiana condition dia tsy fitiavana zany fa otrany asa tsy maintsy atao, ra tianao ny olona iray dia tsy misy interet ny hitiavana azy fa izy @ iny maha izy azy iny no hitiavana azy, ary izay no atao oe fitiavana"tiako ianao tsy asiana oe nahoana", mety t@ fomba fanagejana ny nanehoany ny fitiavany nefa misy fitiavantena ihany ao anatin'izany satria ny tenany ihany no neritreretiny fa ny hafa tsy rarahany fa ny tsy mety t@ nataon'i Folaka dia tsy tokony nilaozana alo ny zanaka, ny sombinainao ve de ni-sacrifienao @ ze zavatra otran'izany, aza ilaozana ny zanaka fa ny zaza tsisy ray aza efa tsy fidiny
10. ndria ( 06/11/2003 10:40)
samy manana ny heviny ny olona @io.fa amiko ny fitiavana dia ny fiarahana mitady ny soa iombonana ;ny fiatrehana hatrany ny ratsy na tsara.ny fifampitokisana.
11. pisobe ( 06/11/2003 11:12)
Salut!
Sarotra faritana ny fitiavana. Mandeha ho azy eny izy io. Fa rehefa grave kosa ny ataon'ny 1 de sitrany ahay miavo-tena. Marina fa ny zanakao navelanao fa ny tenanao fotsiny no nentinao dia tena mety satria azonao alaina fona ny zanakao in-1 andro any, ary @ izay fotoana izay ilay olona arahinao @ lalana. Natao ampiharina ny lalana, à izay mendrika azy!
De mahereza e!
12. xxx ( 06/11/2003 14:15)
ny fitiavana dia betsaka ny zao andikana azy .fa io anjaranao ny manamboatra sy mikatsaka anazy za dia efa teo no niala satria ny RR tsy manaiky ny niarahiko t@io olona io kanjo taty aoriana marina ny andry zareofa olona nanararaotra ny fahalemeko fotsiny io manambady izy izao sendra ny vady adala toa azy faly aho
zao aho izao miaraka @tsotra matahotra ahy efa matotra sady nisy bleme koa teo @ olona niaraka t@ izy miaraka izahay izao efa ho 4taona natahotra ihany aho t@ voalohany tsy fantany io tatara io h@izao fa ny azy fantatro matoky ana izy zakoa matoky azy tsy mbola nifandutra izahae atramin'izao fotoana izao
13. fijo ( 06/11/2003 19:47)
fifanajana,fifandeferana ary fifanarahana,dia asiana tsiky matetika,dia mandeha io.
14. voaignana ( 07/11/2003 13:07)
Ny fitiavana no lehibe indrindra.
Andriamanitra dia fitiavana. Trotroy am-bavaka io fitiavan'io. Ao no ahitanao vaha olana. 3 F
15. oupsyyy ( 07/11/2003 09:59)
Fitiavana ve??????? Eo ndrindra sika zao???? Za zao vo mitady an zany fa mbola tsy tena hitako hoe in alou le izy e
16. rinakely1 ( 08/11/2003 20:31)
Amiko ny fitiavana dia zava-manan-danja bdb eo @ fiainan'ny oln iray.
Ny fahaizana mifandray aman'oln, ny fandeferana manoloana ny zvtra rehetra mety iseho ary indrindra2 ny fifanekena ny hafa sy ny toetrany ary farany ny fifanajana d mariky ny fitiavana avoko amiko ka ireo no any fiarovana entiko manoloana ny fiainam-pitiavako.
17. oupsyyy ( 08/11/2003 13:40)
Mahay mitia be zay rinakely1 raha izany kouuuu
18. tia_ery ( 10/11/2003 12:03)
Ny fitiavana dia tsy ho azonao faritana velively. Fa eo amin'ny fotoana izay hamaritanao ny fitiavana dia efa tsy FITIAVANA tsony izy zay
19. xxx ( 10/11/2003 14:18)
Ekeko daholo ny hevitrareo toy ny hoe tsy azo faritana ny fitiavana , sy ny sisa.
saingy noheverinareo ve fa matoa ny olona iray nanaiky hiaraka amin'iny olona iarahany iny na de mitondra ny mangidy aza izy amin'izany de tsy tena fitiavana izany ataony izany?
amiko ny fitiavana dia azo lazaina hoe fiainana , noho izany maha fiainana azy zany dia hitambaran'ny tsara sy ny ratsy tsy zakan'ny hafa heritreretina nefa zay no voasoratra, adalana anefa ny hionona fontsiny amin'izany anjara ratsy zany fa tsy mikarohany ny hanatsara sy hampahafantatra ny ankilany ny tokony hatao ,tsy misy olona tsy azo atoro mantsy eo @ fiainana ka mahatonga ny sasany hiteny zavatra mifanohitra amin'ny tokony ataon'ilay olona hianjadian'ny lazaina hoe fahoriampitiavana
fehiny ny tena fitiavana zany dia izao raha jerena :
- ny fifandeferana no voalohany
- ny fifampahatokisana
- ary ny fifanajana
handramo nge ireo ehhh!!
olona mifankatia mifandefitra , mifampatoky , ary mifanaja ,Hmmmmmmmmmm,tsy tena fitiavana ve izany ?
20. fijo ( 11/11/2003 09:15)
raha tsy mifankatia koa anie afaka mifanaja e,ary afaka mifandefitra koa.marina ny an'i tia-ery.rahavao faritana io dia tsy izy intsony izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1659