Fahasambarana ...

41. rfanjav ( 18/11/2003 14:11)
Ho anao tsy nitonona anarana nametraka ity hevitra ity, sao dia manadala ny sain'olona fotsiny ianao, na minia tsy mijery ny manodidina anao, na ny vadinao aza,
fa tsy hita eto izany fahasambarana izany,

mety ho valian'i Fijo indray izaho raha hiteny hoe olon-tokana ihany no afaka hanome fahasambarana dia ilay Andriamanitra!
ka aleo tsy hotohizako satria tsy ato no tokony hiresahana an'izany!
42. fijo ( 19/11/2003 20:26)
marina izany fa olona te hanofy fotsiny io .
ary andriamanitra anie ry rfanjav tsy olona e.izany hoe,tsy misy hafaka hanome izany mihintsy.
43. rfanjav ( 19/11/2003 20:41)
Fahafahampo sy fitonian-tsaina no mety ho azonao eto,

fijo : tsy hovaliako ny fanamarihana nataonao fa manjary mivoana @ lohahevitra ny resaka, na dia mangidihidy be aza ny tanako te hanoratra!
44. fijo ( 20/11/2003 09:13)
koa maninona no tsy manoratra.hampijaly tena eo?
45. xxx ( 22/11/2003 14:45)
Sambatra ataoko fa tsy mbola nisy oln iray teto ambonin'ity tany ity ka tsy nahatsapa we "sambatra" na d tsy naharitra aza izany!
Tsy voatery eo @ lafiny fitiavana ihany no hahitana fahasambarana fa na @ fiainana isan'andro ko d hahitana izany.
Raha mpifankatia, mahatsiaro tena sambatra enao voalohany indrindra satria tojo lé oln mba revirevinao, mifampizara zvtra maro, eny na d eo aza ny ady2 tsy mahasakana ny fahasambarana hitoetra eo @ mpifankatia izany.
46. xxx ( 23/11/2003 13:33)
Manamafy izao tenin\'ny namana farany izao ny tenako izay nitondra izao novoaboasanareo teto izao.

Nahatsiaro izahay fa sambatra, aza atao hoe tsy misy izany ety ! fa mba niainanay ka aleo ho anay ary! ho fahatsiarovana mipetraka mandrakizay!

Tsy misy tapitrohatra ety, fantatray izany, ary ny andro sy fotoana mandalo dia mikiky ny fitiavanay tsikelikely, hany fanantenana dia ilay mpahary anay no hameno zay banga satria fantatray fa tsy hoe safidy akory ilay nifanenana fa lahatra mihitsy, (eny fa na mbola sarotra aza ny manakatra azy antsaina sy ampo, satria tsy mbola tanteraka ny voady tiana hatao) ... dia lahatra natao hitondra anay ho amin\'izao fahasambarana ampitiavana izao.
Misaotra anareo nifampizara ny manta sy ny masaka, tena tsapa fa misy namana tena namana eto @ ity sehatra ity ...
47. fijo ( 25/11/2003 20:39)
iza ary ilay tena namana,ireo izay manohana ny voalaza,sa ireo izay mampieritreritra.sy mamoha anao amin'ny nofinao.
48. rfanjav ( 26/11/2003 15:19)
mazava ho azy fa ireo izay nanamafy ny fahasambaran'izy roa,
49. fijo ( 26/11/2003 19:09)
amiko indray ny namana dia izay mamoha ny maso,fa tsy ireo manatsara be fahatany.
50. rfanjav ( 27/11/2003 14:43)
nefa raha misy namana sahy mandiso ny eritreritrao, dia tonga dia manana "tendance" avy hatrany ny olona hi"se méfier" azy,

raha toa ka mahatsiaro sambatra ianao, dia kolokoloy tsy ho very izany fa perle rare sarotra tadiavina eto @ ity fiainana ity!
51. fijo ( 28/11/2003 20:47)
ianao izao impiry no nandiso ny hevitro nefa tsy mahana anao aho.nahoana?ny hevitra anie tsy voatery ho marina e.ny namana no manintsy,avec argument kosa fa tsy forcine be an.
52. rfanjav ( 28/11/2003 12:43)
fa arakaraky ny anoheranao ny hevitro no mampizingizina ahy hitazona ny hevitra efa tato amiko,

dia izay koa ny azy, arakaraky ny ilazantsika hoe tsy misy ny fahasambarana no ahitany hoe tena mahatsiaro sambatra izany izy!
53. xxx ( 09/12/2003 20:20)
Nareo miady eo fa misy namana ange ato niteny ao amin'ny commentaire-ny hoe "mitady HASAMBARANA" no alehany ato amin'ny namana.serasera, asa mety mahavaly type-na hasambarana hafa koa angamba izy e, sa andao izy anontaniana e ! i ra "r-herve".
54. salita ( 10/12/2003 18:03)
Fahasambarana, azo raisina hoe @ lafiny inona moa ilay hasambarana resahana fa misy betsaka ny fahasambarana, fa raha FAHASAMBARANA no tena tadiavinareo dia marina ny tenin'i rfanjav hoe tsy ahita izany nareo eto an-tany fa any an-danitra any angamba, iza no mahalala?
55. isrine ( 21/12/2003 20:21)
ka nareo angaha hiakatra any andanitra no manantena fa hahita fahasambarana!
56. xxx ( 13/04/2004 01:42)
Elaela izay tsy namaliako ity lohahevitra iray ity, ...
fa noho ny antony maro nitranga teto amin'ny fiainako, dia niverenako androany izy ity.
Ary anamafisako ireo efa nolazaiko tamin'ny faramparan'ny taona 2003.
Izao isika 4 volana anatin'ny taona 2004 izao dia vao maika tsy mitsaha mitombo ny fahatsapako ny fahasambarako ! (sentiment d'etre heureux) tsy haiko izay andraisanareo azy fa izay no azoko amaritana azy aloha izao.

Marobe ireo fotoana niarahana niainana fitiavana, ahiahy, adim-piainana sns, fa mbola maharesy ireo rehetra ireo ny fifankatiavana misy eo aminay. Ary na nisy aza fotoana nampisalasala, nisarahan-toerana tena lavitra tokoa, dia tsy voagejan'izany ny fifankatiavana fa mbola nitohy sy nihamafy hatrany.
Aiza ho aiza an'izany ny fahatsapana ilay fahasambarana? TENA mahatsiaro sambatra rehefa akaiky ny olotiana, afaka mitantana sy mifanome toky fa hifankatia lalandava.
Tsapanay fa mandalo ity fiainana ity ka raha tsy izao izahay no miezaka miaina izany fahasambaran'ny mpifankatia izany dia ho rahoviana indray? any an-koatra araka ny filazanareo ve...? aminay eto sy ankehitriny no iainana izany fa tsy aiza tsy akory!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3339