Fahasambarana ...

21. fijo ( 31/10/2003 09:42)
M a,aza hafangaro ny fahasambarana sy ny fiadanana.raha miteny ianao hoe tsy materialy no mampiadana,fa ny fo,dia mety ho marina io.saingy miadana ianao eo fa tsy sambatra.
sahala amin'ny hoe mahay sy mahalala tsy mitovy.mahalala zavatra:fahafantarana ankapobeny zavatra iray.
mahay zavatra:sady mahalala ianao no hafaka,manazava antsipirihany an'io zavatra io.mahay=maitrise.sujet hafa io fa ataoko hoatra fotsiny.
ohatra hafa:tia sy mila.any amin'ny province,rehefa misy vehivavy mandalo,dia fiteny ny hoe:"tiako zalahy viavy iny e"na"hilaiko zalahy viavy iny e".samy midika fitsiriritana ireo teny roa ireo.
22. rfanjav ( 31/10/2003 18:59)
Azo ekena ihany ny fanazavana nomen'i Fijo teo,

tsy misy ny tonga lafatra raha eto an-tany e!

23. xxx ( 03/11/2003 13:38)
izaho moa no nanomboka azy ity, koa dia tohizako ny ahy ny tantarako.
Marina daholo ny teninareo, fa amiko fahasambarana ny akaiky ny tiana, indrindra ilay fotoana nihaonanay izay nampitombo hatrany ny fitiavanay.

Tsy hoe miadana am-po akory satria 'tonga lafatra' loatra izany atao hoe fiadanana izany, fa fahatsiarovana 'fahasambarana' na dia tao anatin'ny fotoana mandalo ihany aza izany. Izay no tiako marihina kely. Ary miezaka tsy manadino izany fahasambarana niainanay izany amin'ny atao rehetra, satria azo lazaina hoe fahasoavana nomena izany fa tsy sitraponay akory no nahatonga azy ho anay.
24. xxx ( 03/11/2003 17:01)

Tena marina zany e! hafa ihany zany hoe nahita fahasambarana t@ fitiavana zany.
Fa rehefa nojereko ny resaka teto de samy manana ny atao hoe mahasambatra azy ny tsirairay. Le fahasambarana koa tsy hoe mitohy foana de sambatra eny foana enao, fa ohatran'ny fiainana rehetra ihany io tsy maintsy misy ny ranomaso sy ny alahelo. Ka de mahaiza fotsiny rizareo manararaotra rehefa @ tonga izay fotoana izay e!
25. mahaizamifidy ( 03/11/2003 09:21)
Izaho indray anefa rireto dia mahita fahasambarana foana isan andro isan andro nefa izaho sy ny olon-tiako mifanalavitra loatra,vao mifoha aho dia mahatsapa fa sambatra,satria nomena masoandro,nomena rivotra aho iainako ary mahafaly ahy izany,ilay manankina sy mitoky fitia be koa ange tsy mety e!,koa raha maty na tsy tia tampoka ny olon-tiana dia ahoana,dia very ianao izany,misy aza lehilahy tsy ampoizina mihitsy no mivika sy mamoy fo,izany akory tsy midika fa ratsy izy io fa aza dia mitoky fitia be loatra e! fa raha mivadika tampoka anie ny tantara ka mety tsy sitrakin ny fonareo izany e!,angamba.
26. fijo ( 04/11/2003 10:53)
raha ny fahitako azy dia vao sambany nitia io olona mitantara io.koa sahy milaza,fa tsy sitrapony akory no naha tonga izany.misy fifanoherana be izany fa dinio tsara.tsy sitrapo ve dia mahasambatra.problema izany.io no mahavoa ny kristianina.tsy natao hieritreritra,fa natao hino fotsiny izay lazaina azy.dia ahilika amin'izany andriamanitra izany daholo ny zava mitranga rehetra.mahantra aho,e atao ahoana fa izao no sitrapon-andriamanitra e.tsy manana toe-tsaina hitsikera intsony fa dia maty ho azy eo.dia rehefa voafitaka dia mbola mionona ihany hoe izay no lahatra.
27. lion ( 04/11/2003 18:11)
Aza mampihomehy ianao ry Fijo a!

ka izay mihitsy no manahirana be aminny sasany,lasa ohatrany teritery izany ianao rehefa sendra mba tafaraka aminy,nef izy namanao moa koa hatao ahoana ary ny hifanditra aminy,sady izy tsy mba manaiky gisitra izany a!,satria mino izy fa azy ny...Lova be!!!,
enganie!!!
28. fijo ( 05/11/2003 10:00)
dia aza miemotra mihintsy fa dia azavao ny masony.ianao namana no tokony hanazava azy amin'izany.fa izy efa mamon'ilay dainan'ny fivavahana.
29. kanty ( 05/11/2003 20:57)
Fijo>
Fa iza moa no milaza aminao fa ny atao hoe fahasambarana dia fianana tsy misy olana sy tsy misy adim-piainana ? Ady foana ny fiainana. Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an'izay manam-piniavana handresy hoy Clarisse RRATSIFANDRIHAMANANA.
Izaho tsy mino an'izany hoe : efa tsy hisy mihitsy ny olana vao ho sambatra. Tsy hisy olona ho sambatra mihitsy raha izany. Diso ny fandraisanao ny hevitry ny hoe : fahasambarana.
Misy mihitsy ny fahasambarana nefa. ny dikan'izany dia misy izy na anatin'ny olana aza. Toy ny zvt rehetra dia tsy misy kimoramora izany ny zvt eo @ fiainana. Dia ilay izy tsy terena fa zvt heno fotsiny. Toy ny fitiavana ihany izy. Noho izany, ho ahy manokana aloha, dia fahasambarana anaty ilay izy. Fahasambarana mieritreritra hoe : misy olona tianao any ho any raha sendra tsy eo anilany ianao...
Dia aza maika raha toa ka mbola tsy nahita fa mahareta e!!

30. kanty ( 05/11/2003 20:59)
Dia mbola amipiako kely ihany ilay resaka teo ambony. Milaza i fijo hoe tsy materialy ilay izy ka ao anatiny daholo ny fitaintainana, sns... Fa mbola ao ambadik'izany rehetra izany ny fahasambarana.
31. fijo ( 06/11/2003 09:58)
kanty a,heritreritra ny fahasambarana.tsy misy izy eto amin'ny fahavelomana.hafaliana,sy fahafahampo ary fiononana no misy.aza hafangaro ireo.homoe ahy hoatra ny dikany amin'ny teny hafa,satria raha misy izy io,dia tokony manana ny filazany azy ny olona rehetra.
32. rfanjav ( 06/11/2003 16:18)
Raha @ eritreritro dia rehefa maty ny olona vao azo atao hoe sambatra, raha tsy izany inona ireny hoe fananganana ho olon-tsambatra ireny!

Asa na efa hitanareo ilay tononkalo tato hoe :

Raha te ho sambatra, nosoratan’i Claude RANDRIANANTENAINA
(efa ato @ Tononkalo.serasera.org izy io)

Raha te hitady hasambarana
sy te hamboly fifaliana
Te hanala hasasarana,
sy te hanala fanaviana,
dia esory tao ny fo !

Raha te hitady fitoniana,
tsy te hahita fijaliana,
te handamina fisainana
tsy hiventy fitarainana,
fitiavana tsy atao an-doha !

Tsy te hahita fahoriana ?
foano koa ny faniriana.
Raha tsy te hivaky loha,
esory tao ny ati-doha !
dia matory tsy mifoha !

Raha te hiadam-poana,
ka tsy te hiahiahy,
te handroba fa tsy sahy,
te hatavy te hifahy,
dia esory ny fanahy !

Fa ho tretrika ianao ! ...

ASA INDRAY IZAY FANDRAISANAREO AN'IO

33. fijo ( 06/11/2003 19:54)
marina izany.raha mbola velona tdy misy ireo.
34. xxx ( 09/11/2003 19:49)
Ahoana ary izany,???
Ianareo ve tsy mino hoe mety sambatra na eto aza? indrindra rehefa miaina tanteraka ny tena fitiavana ? fitiavana olondroa io an!

Izaho manokana, izay nampiditra ity resaka eto ity dia nahatsapa sady mbola mahatsapa izany fahasambarana izany satria niainako tanteraka! eny fa na dia tsy tonga lafatra aza ny eto an-tany satria tsy maintsy hisy foana fisarahana, tsy maintsy misy foana tsy fitovian-kevitra mety hanelanelana, fa izao ny ahy, tadidiko foana fa sambatra aho satria tia sady tiana teo amin'ny fiainako nandalo tety! toa tsy ampy izay kanefa atao ahoana, ... zay aloha no azo ilazana azy izao!

izao vao omaly ny omaly no nisy indray fisarahana ka atao ahoana? tsiky no ampiarahina aminy dia atelina ny alahelo ...

mirary anareo rehetra koa mba hahita izany fahasambarana izany izahay !
35. tia_ery ( 10/11/2003 12:28)
Ataoko fa tsy dia ho tanteraka ety an-tany 'zany hoe mpifankatia ka tena hianoka ao anatin'ny fahasambarana izany. Mety misy moment nandalovana et puis inoubliable fa ilay tena atao hoe fahasambarana angamba mbola tsy aty zany.
36. fijo ( 11/11/2003 09:31)
avelao izy hanofy fahasambarana e!izay.
37. xxx ( 11/11/2003 11:39)
Oadray! tsy nofy re ry fijo a! tena fiainana niainana fa aza atao hoe nofy e! hitan'ny maso sy notsapain'ny tanana anie e! entina ampo mandrakariva satria fitiavana marina e! tsy kisendrasendra hoy aho fa toa ohatra ny efa nalahatra koa anie e!

tia_ery! sao dia ataonao fa rehefa inoubliable d tsy fahasambarana? sambatra aho satria tena fitiavana marina no itiavako ilay malalako, ary mifameno ny fifankatiavanay!
jereo ery ambonimbony ...

efa nolazaiko fa tsy maintsy misy foana anie hoy aho ny fisarahana ary samy mahafantatra izany izahay, fa ny teniko amboalohany anie dia hoe tena mety tonga amin'ny tena fahasambarana ve ny mpifankatia? tsy ilay firaisan'ny nofo fotsiny fa ilay fahatsapana fa sambatra eo anilan'ny tiana ? tsy fahataperana anie ny tiana lazaina fa ilay fahatsapana hoe sambatra e! na t@ fotoana iray izany na mandritra ny fotoana lavalava eo amin'ny fiainana, ilay fahatsapana azy no zavadehibe amiko, asa aminareo hoe ahoana ...
38. fijo ( 12/11/2003 20:45)
tsy sambatra ianao fa afa-po tamin'ny zava nisy.tena tsara io fotoana io,fa rehefa avy eo miverina amin'ny fiainana tena izy ihany.
39. isrine ( 14/11/2003 15:16)
Fahasambarana hono! Aiza ianareo no hahita an'izany e?
40. vazol ( 18/11/2003 09:42)
Aza hadino fa misy koa nyfahasambarana hosoka na ny sarisarin-kasambarana. Ireny ilay fahasambarana maharitra. Raha tena hitady ny fahasambarana isika dia ao amin'i Tenin'ny Tompo no hahitantsika ny fahalavorariany. Ka raha ho an'ny mpifankatia dia tsy maintsy fenoina amin'io tenin'ny Fiainana io ny fifankatiavana eo amin'izy roa raha tsy izany dia kimpantsona maneno fotsiny ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2516