INY MASOANDROKO INY

1. ryana ( 11/09/2003 16:17)
INY MASOANDROKO INY

T’anaty haizi-kitroka, tsy nahitako mangirana ;
Voton-tsento sy tomany ;
Sendrasendra no nahatazanako sompirana,
Taratr’andro tany ho any.

Dia nikisaka aho nanatona ity varavarankely,
Hizaha izato hazavàna ;
Kanjo tojo masoandro feno, ts’isy rahona na kely,
Tanteraka ny hafanàna!

Dia tafatombina teo aho, ny fo no nadanadàna,
Mba ho sitrana ireo fery ;
Ny saiko toa nanaiky tsy am-pihambahambàna,
Fa hanova ny fijery.

Zary hafa no fahitàko ny tontolo, ny rehetra,
Nazavain’ity masoandro ;
Fiainana misy hafaliana no manomboka mitoetra,
Ny alina aza… mody andro!

Dia tafarina aho, vonon-kisedra ny fiainana,
Satria manjary manantena,
F’hisy ny « maraina vao » na eo aza fanaintainana,
Mianjady amin’ny tena.

Nefa indraindray aho te hinia hanadino…

F’iny masoandro iny anie, na dia nanjary namako aza,
Dia iombonako amin’ny hafa ;
Ka tsy maintsy tsinjarainy, samy hahazo izay sahaza,
Ireo rehetra te hitafa.

Ka tsy ho tia tena aho, na koa hierona fitia,
Na hialona ny sasany ;
Satria ny hizara hasambarana amin’ity tany ity,
No efa voatendry ho anjara asany!

Iny masoandroko iny…

Nofiko, hono, … iny ianao tandrify ahy iny tsara,
No mandà ny hiodina ny tany,
Ka hafanàna sy hazavàna no hitantana ahy hatrany am-para…
… Nofy mamy tsy ho lany !

Ryana
(16/09/02)




novalian'i ryana ny 27/09/2003 17:09
2. mampikanto ( 13/09/2003 16:45)
Ryana,
mankasitra r'ise a!
Mampikanto
3. moi ( 15/09/2003 09:01)
Tena mbola tohizo eny amin'ny volana ry Ryana rehefa dify ny masoandro a !
4. ryana ( 15/09/2003 09:58)
Moi,
hahahahaa
Misaotra nitsidika ê!
Ryana
5. deba ( 27/09/2003 16:34)
Raha mbola mazoto iano dia asio iany koa ny kitana dia atovy tena milay be mihitsy ri ryana
6. ryana ( 27/09/2003 17:09)
:-)
Ryana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.167