Endrika amambika hoe?

1. xxx ( 04/07/2003 12:21)
Aminareo, tena critère ilaina @ fitiavana ve ny endrika amambika? Ary tokony ve ny olona iray, lehilahy na vehivavy, hiteny @ ilay olona hoe ratsy ianao?
2. xxx ( 05/07/2003 13:24)
ny filazana fa tiana ny olona iray dia mazava : voafaritra ao daholo ny; endrika, bika, toetra, fahaizana sns .......Raha milaza fa tia olona iray ianao ary mifanaiky fa hiaraka aminy dia tsy aharitra velively izany fiarahana izany raha mitoetra eo @ endrika am - bika fotsiny .
Sanatria, ny harivan' ny andro nanaovana ny mariage dia accidenté ilay tsara endrika sy bika. dia ahoana hoy ilay iray ????
Samy manana ny famaritany ny hoe tsara sy ratsy .Sarotra ary tsy fahamendrehana ny miteny mivantana @ olona iray hoe ratsy ianao . Samy manana ny kilemany ny tsirairay avy . Tsoriko aminareo fa maro @ ireny olona tsara endrika sy bika ireny ( na lehilahy io na vehivavy )no tsy mamely raha resaka firaisana ara - nofo . Lehilahy aho no manoratra ary raim -pianakavina .
3. xxx ( 05/07/2003 13:51)
bien sur que c\'est important le physique et la beaute car la premire fois que tu rencontre quelqu\'un tu ne vois que sa beaute
par contre il ne faut jamais dire a quelqu\'un s\'il est moche ou quoi que se soit car meme s\'il est pas vraiment beau ou belle chacun a son charme et on ne peut pas plaire a tout le monde non plus
raha ny resaka firaisana ra nofo indray dia chacun a sa methode il peut etre si beau et nul ou meilleur aussi
4. nyandry ( 07/07/2003 16:28)
Tsy dia haiko aloha hoe zava-dehibe ve ny tarehy amam-bika.Amiko fotsiny dia tokony mba izay eken\'ny saina ho tsara no iarahana satria rehefa aoriana anie ka misedra olana na lefilefy ilay fitiavana izay vao leo ianao raha tsy dia eken\'ny sainao hoe tsara ilay olona miaraka aminao e!Tsy azo atao kosa ny miteny olona hoe ratsy ianao satria ny ratsy aminao mety ho tsara @ hafa.Rehefa tena mifankatia koa anie dia tanteraka ilay hoe:izay tiana mitombo tarehy !
5. xxx ( 07/07/2003 14:54)
Tandremo fa raha araka ny voasoratra dia hoe : fitaka ny endrika amam- bika .....
Ilaina ny endrika amam-bika fa tsy azo atao ho fototry ny fitiavana .
Tsy sanatria misy te - hanan-dratsy : Ny fanahy no maha-olona
6. hery ( 08/07/2003 15:56)
Vodisobika aza manana ny tandrifiny. Raha toa tokoa fa ny endrika amambika no ahazoana izay ilaina dia efa betsaka ireo izay nahazo.
7. kaliba ( 10/09/2003 14:06)
De ahoana rehefa antitrantitra rafotsy??? tsy maintsy hoe hitady vaovao ihany rangahy satria ny an'ny tena ao antrano efa miketrona avokoa :-)
Ny lehilahy sy ny vehivavy eo de tsy mitovy zo satria ny vehivavy 45 taona farafahatarany de menopause fa ny abndy na 70 taona aza mbola afaka miteraka raha tiany.
Ny tiako ambara de ny mba hampieritreritra an'ireo miantehitra be @ bika aman'endrika :-)
Zavatra tsy tokony hisy adihevitra akory izany raha ny hevitro satria mandeha ho azy, satria ny masonao no mahita voalohany, misy lanjany izany ny physique-nao, saingy
1) La beauté est relative hoy ny vazaha, ka ny tsara aminao mety ho ratsy @ hafa
2)Izay nametraka ity question ity de manana tendance hi favoriser kokoa ny bika aman'endrika( de raha sanatria moa ka accidenté ianao de simba ilay bika amn'endrika???)??
8. xxx ( 29/09/2003 11:39)
Aza de variana loatra amin'ny bika aman'endrik'e ! Jereo ihany koa ny toetra sy ny fanahy mahaolona fa sao de mijabaka any amin'ny tsy tokony aleha vao anti-kely eo. Amiko aloha dia ny toetra sy ny fanahy maha-olona ihany amiko no tena zavatra. Ambonambony fotsiny izany endrika amam-bika zany fa raha vô variana amin'izany enao de eo no raisina.
9. lion ( 09/10/2003 18:07)
Amiko manokana matoa nasiana ny endrika dia ilaina,fa raha tsara endrika aza manaratsy ny hitanao fa ratsy endrika,ny fitiavana indray ilaina ny endrika fa ny olona tsy misy ratsy toetra na ratsy saina fa misy olona tsy natao hifankahazo mihitsy eto amboninny tany,izany hoe:ny saina mihitsy no tsy mifankahazo,fa mety misy olona mifankahazo @ihany anefa any ambadika any,fa ny sainay roa ohatra no tsy mety mifankahazo mihitsy.
10. rfanjav ( 16/10/2003 14:13)
ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovana,

ny endrika amam-bika koa mora halazo e,

raha ohatra ka hitan'ny olona iray fa ratsy ilay olona iray, ka manelingelina azy dia aza miaraka aminy fotsiny e, aleo izy mitady hafa tsara,
fa aza mitsara hono mba tsy ho tsaraina!
11. xxx ( 22/11/2003 16:51)
Ny tiana mitombo tarehy, ka ra sendra ny ratsy enao nefa manana toetra milay v inn ny olana! Raha tsara nefa tsy mamely ny toetrany d inn kou!
Aza atao miankina @ bika sy ny tarehy io fitia io fa @ toetra!!!!!!!!!
La franchise aloha tsara fa jereo we hozakan' ilay olona v le zvtra hoteneninao @. Fa refa tsy tinao izy fa ratsy d teneno e!
12. fijo ( 25/11/2003 09:05)
rfanjav a,ny tarehy ratsy izao efa azo ovana koa.aza dia mivantana kosa re fa tsy mety e.
13. xxx ( 04/12/2003 18:36)
fa anga moa ny endrika amambika ny no nitiavanao azy!! anga moa tsy hainao ilay hoe"ny endriny fotsiny kanto sy meva fa ny atiny oh ny lohandrameva"moa zay!!

tsy ny aspect ivelany no tena manadanja fa zay ao anatiny!!
14. fijo ( 05/12/2003 20:18)
ka mety ho tianao ihany aho izany ko.ih,ih,ih.
15. xxx ( 06/12/2003 16:17)
ka andrao anie ry fijo! ra oh aza misy sipa tena milay b!mitsy nefa ny toetrany tena tsy ao mitsy!! d ahonn zany!!
16. mahaizamifidy ( 07/12/2003 11:50)
Nareo ko mampihomehy raha mbola resaka fanana izany ve misy ohatrany manana ny tsara,ka raha misy sipa na bandy milay no nahazo vady tsy dia mandona nefa azokazonao ny sainy ka voakiana @fiarahamonina ianao na ilay olon-tianao,izay vao miainga io resaka io satria tsy misy evitra intsony,ka dia normal mihitsy izay hiteny hoe:Toetra fa tsy endrika,ny endrika ange halazo e!,sy izay fikanao eo e! mety daholo sady mahita fika ialana bala foana koa anie izay tratran io e!.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.164