Fa maninona???????

1. xxx ( 15/06/2003 17:02)
Misy zavatra iray tsy mety azoko mihitsy @ny kôfa mitovy @ko...
Fa maninona kay ny lehilahy notsy maintsy mampirafy?
Tena marina fa @ oln fanatro dia samy manana au moins sipa roa na telo ry zalahy fa tsy mety mionona @ 1.
Tsy haiko fa zah koa ngamba no diso fidèle loatra fa tsy mety @ko zany mizara ny foko ho roa zany fa rehfa iny dia iny aloha.
Ny farany dia tiako holazina fotsiny hoe tena mahafinaritra anie ny tsy fisian'ny fihatsaram-belatsihy e!!!!!!
novalian'i hendry ny 19/12/2003 17:09
2. xxx ( 15/06/2003 19:55)
Fa inona kalou lé hoe mampirafy???
Manana sipa mihoatra ny iray ve sa manana vady mihoatra ny iray. Raha resaka sipa izany angé ôtran\'ny tsy dia atokisana lôtra e. Ny kôfa mampirafy dia tsy mizara ny fony satria mety sipa iarahany fotsiny io fa tsy tiany akory.
Ny tsy mety kosa aloha dia ny kôfa miteny hoe ianao irery no tiako éééé, halaiko vady enao ééé, sy ny sisa kanefa mandainga. Rehefa mampirafy dia mahasahia mikôzy hoe tsy tiako angéé ianao fa iarahako fotsiny fa misy anakiray tena tiako sy halaiko vady any eee. Na koa hoe ianao no tena tiako sy halaiko vady fa misy sipa iray iarahako fotsiny any... raha tena kôfa vrai dia mahasahy miditra am\'zany.
Raha tsy izany dia aleo tsy mampirafy.......
3. steven ( 15/06/2003 11:33)
tsy azoko fa manina zahako mandefa afatra tsy omenareo point ? indraindray efa mify 20point eo ho eo no very
4. zama ( 15/06/2003 16:26)
Fa maninaona no mampirafy ?
Mampirafy ny olona iray (Lahy na Vavy ) satria tsy manana ny fahamatorana loatra , indrindra ny ara-panahy .
raha fantany mantsy fa tokony olona iray ihany no tokony ho tiavina dia mety tsy ho sahy izy.Fa ao ilay fomban'izao tontolo izao.
maro ny azo lazaina fa aleo amin'ny manaraka
5. trimo ( 15/06/2003 16:42)
amiko aloha ny fampirafina dia midika tsy fahamatorana ary fanimbazimbana ny hasin'ny fitiavana nefa io fitiavana io no lehibe indrindra @ fiainana. Tsarovy ihany koa fa tsy hanana filaminan-tsaina mihintsy ianao raha vao anaty fampirafesana;avy ny lainga; ny fiatsarana ivelatsihy sns.fijaliana no hitanao ao
6. voangy ( 16/06/2003 19:21)
amiko aloha,raha misy olona iray mampirafy na lehilahy io na vehivavy dia mila mahazo porofo izy avy ao anatiny ao,izay ataon`ny vazaha hoe pouvoir de seduction,mila mahafantatra tsara izy hoe mahazaka vehivavy roa telo na efatra ve izy,ao anatin`izay koa ny tsy fahamatorana sy ny tsy fahatokisan-tena
7. julianna ( 16/06/2003 19:39)
Amiko aloha nyolona mampirafy dia tsy manana safidy fa izay hitany de tiany avy.
Matetika ireny olona ireny de tsy hatokisana na amin'ny lafiny zavatra atony aza fa tsy serié.
Fa ny tena tsara dia ny mandeha tsirairay ihany no tsara rehefa tsy tia dia avelao, tsy hoe misafidy fa io ange rehefa miaraka aminao de tokony ho efa hitanao amin' izy andavan'andro ny toetrany ilay olona
fa tsy hoe misafidy dia ato 2 vao mety.
zaho mbola tsy nampirafy izany teo amin'ny fiainako fa rehefa tiako de tiako , fa rehefa tsy tiako ny ataony de ny manaja teno no ataoko,
8. xxx ( 19/06/2003 17:21)
Aza mijery ny namanao ianao fa tohizo hatramin'ny farany ny fidelité-nao, zany anie ny zavatra tsara indrindra e ,ary koa midika fahendrena.
Sur aho fa ny olona sasany ary angamba manenina t@ fanenjehana bitro roa fa tsy afa manôtra intsony. Je t'admire bcp pr ton beau comportement. Syez - fidèle jusqu'à l'eternel..
9. hendry ( 19/12/2003 17:09)
Nanontany enao hoe fa maninona? olona niaina ny fampirafesana aho ka afaka milaza aminao ny antony. vehivavy aho, nampirafy satria ilay olona miaraka amiko voalohany tsy dia tiako. Mety hiteny nareo hoe ko no niaraka? tsotra be, andrakandrana fotsiny no niarahako t@ ilay voalohany. T@ ilay faharoa aho vao tena amoureuse, tsy afaka misaraka @ ilay voalohany anefa satria 1. tia be ahy izy ka mety hanahirana ny fisarahanay, izy rahateo marary fo.
2. efa mifandray be ny fianakaviana
3.efa voadona matetika izy ka tsy ho zakany ny fisarahako aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4989