sipa gasy lasa...

1. xxx ( 04/06/2003 18:56)
Ny sipa gasy aloha dia azo lazaina fa tsy ambakan'ny sasany é!...misy tena manja, nefa ny olana ngeza be dia lasa sarotiavina ry zareo ireny @ izao fotoana izao... sa hoe tsy maintsy ampy saosy be ny bandy na manana kandra milay sy hotrahotran'izay no dia tsy vakiandry zavavy loha intsony sa lasa materialiste daholo ny sipa gasy...dia lasa mitady vola fy tsy fitiavana intsony (toy ny mpivarotena)!!!
novalian'i fijo ny 06/01/2004 09:57
2. xxx ( 05/06/2003 14:46)
Vola kouloungany hozatry ny fiainana, na dia eo aza lay hozatra be ... Mba misy mahamarina azy ihany nefa ity lazain'ny namana iray ity azy izany.
3. xxx ( 05/06/2003 08:24)
Tsy voatery ho vola fa miankina betsaka @ ilay lehilahy ! , manana complexe be ianao miteny voalohany io ! voa ianao angamba ! saingy raha ny hevitro miankina betsaka @ maha ianao anao ! voalohany iza aloha ianao ? sao ianao irony karazana oul mifidra @ fikambanana masina irony, fa any mahazo fiara sy ny sisa entina am-pirevena sipa !(mamban-javatra hafa loatra) amiko raha izaho no ampideraina ny vola sy ny fananana, na koa tolorana an'ity retraretra ity ! dia hiala eo no ho eo , satria tsy farahidiny aho akory ka ampideraina an'izany !
Farany ho anao nanao ity sujet ity ! aza dia manao ny vavan'ny nahazo e ! entina hampisondrotra ny zava-mitranga ohatr'izany fa tsy entina hitsarana olona ho e"mpivarotena" ianao 'zany mpividy !?
4. xxx ( 05/06/2003 13:12)
Ny antony aloha ny mahatonga ny vehivavy ho lasa materialista dia satria mitovy daholo ny ankabeazany ny toetran'ny lehilahy mba tsy hilazako azy hoe ianareo rehetra! ka rehefa samy hijaly ihany ve ohatra tsy aleo miaraka @ sady manambola no ... toy izay hiaraka @ tsy manana nefa sady hijaly no fadiranovana!!! eo angamba ny tsy hifanomezan-tsiny e!
5. xxx ( 05/06/2003 16:48)
Hamaliako anareo izay namaly ny hevitro ery ambony dia tsotra:
-tsy mpanambola aho ary fantatro fa ny vola no hozatrin'ny fiainana nefa aza hadino fa ny fitiavana no zava-dehibe...ary hoy aho hoe(principe-ko io ) :"il faut gagner pour vivre mais pas vivre pour gagner" , raha ho ahy manokana izany dia ny fitiavana no zava-dehibe indrindra.
-Raha eo @ toetrako indray araka ny voalazan'ilay namana faharoa dia marina ny voalazanao fa voadona foana aho matetika, mihezaka aho ny hampiseho izay tena fitiavako kanefa ireo vehivavy dia manararaotra matetika.
-Ny resaka réligion indray dia araka ny filazan'ny sasany hoe: c'est le dernier de mes soucies satria tsy any @ resaka toa ireny no hanaovako démonstration na harena, ary tsy ho hitanao @ izany aho satria tsy olona mpanana aho na dia efa mizaka tena aza no sady mpitovo.
-amaranako azy dia tsy mpividy aho fa raha vao misy resa-bola @ fitiavana dia lasa toy ny mpivarotena hoy aho satria tsy fitiavana no misy fa fitadiavambola.
Tsy aleo ve manana ny ampy @ resaka fitiavana toa izay manan-karena nefa hijaly... Aza hadino fa raha mampijaly ianao dia mbola hisy hampijaly ihany koa satria ny tody hono tsy misy fa ny atao no miverina ka mba jereo ihany ny mahasoa anao fa aza ny mahafinaritra sy ny mora no jerena satria ny olana dia misy foana ka raha samy mitovy izahay lehilahy dia tsy aleo ve miara ory @ olotianao sy tinao???
6. xxx ( 06/06/2003 16:25)
Izaho aloha manaiky fa miha matérialiste isika e! tsy ny vavy ihany fa ny lahy ihany koa. Izao anefa:tsy ny tarehy amam-bika no mahatara ny sipa fa ny fo amam-panahy tsy mampiahiahy!
Tena ekeko fa ambony ny fitiavana noho ny vola fa inona ko izany ol be vola tsisy fitiavana izany? Nefa matetika ny olona tiana no manakifika ary mamela ratra tsy hay fafana ka hoy aho hoe: aleo tsy mifampitsaratsara fa samy manana ny kilemany ary koa tsy izay oul tiana no vadiana fa izay vadiana no tiavina. Satria tsy azo terena ny fitiavana hoe hifamaly.
Fehiny: samia mandinika sy mandanjalanja tsara fa ny itsikitsika tsy mandihy foana fa ao rà.
Ny cas antsika sy ianao izao mantsy no tena mifanohitra satria ny vola mba manana ihany aho na dia tsy manan-karena aza, noho izay antony izay anefa dia nanjary nifanalavitra izahay satria izy tsy manana. Ny tiako ho tenenina dia ity: ianareo lehilahy dia mora tohina ary complexé ny vehivavy kosa anefa tsy manaiky ny ho ambaniana satria mitovy zo isika na dia samy manana ny heriny aza. De mieritreritra ve ianao fa ny vehivavy ihany no mate?? de ianareo ve tsy manataka mihitsy??
Hamaranako azy, hoy ny soratra masina hoe: \"aza mitsara mba tsy ho tsaraina\".
7. xxx ( 06/06/2003 09:06)
Fa inona aloha aminareo ireo no atao hoe "TENA FITIAVANA"?
De maninona io olona io no tiavinareo?
De maninona koa no nekenareo ny niaraka amin'io Olona iarahanareo io nefa anie lazaina ho matérialiste izy dia ianao anie izany no tsy mahay misafidy izay olona tianao hiarahana ehhh! sa tsy zany? vao mahita dia roboka nefa tsy hay ny momba azy fa ny endrikao ivelany no hiarahany aminao raha tsy tianao ny ho voafitaka anie zany dia aleo ny olona fantatra toetra sy fomba fiaina ary mety aminao no hiarahana fa tsy mitomany randrana manendrika ny hafa ehhh sa tsy marina izany?
amaranako ny teniko dia izao ehh tsara ny mitia nefa tsy izay hita rehetra akory tsy mendrika avokoa na dia hita aza fa miraratra izay tsy izy
8. xxx ( 06/06/2003 18:15)
ny sipa gasy mitady fika hangalana na hakana ny sosy be any @ ny bandy fotsiny ka tsy manpaninona azy na vita be azaa ny azy @ ny izany fotoana izany sa ahoana hoy i ianao?
a plus fa lany fotoana eo ahy raha resaka .................
9. xxx ( 10/06/2003 11:50)
dé ahoana 'zany ireny kofa kely taona mahavita misaraka @ jobany mihitsy hiaraka @ MADAMA be fa iny be sôsy ! sh ! aza be lazao e !
Ny fiainana tsy vitan'ny fitiavana koa raha misy zazah kely avy eo dé ho velomina @ inn? @ sperme â ?! sh blablabla !ny taranany kosa aminao hijaly ! io ambony io ny marina ! aza mitomany randrana tsy manendrika ny tena !
10. xxx ( 11/06/2003 13:05)
Marina aloha fa mihamaro ny vehivavy lasa materialista kanefa kosa tsy izy rehetra. Kanefa kosa moa rehefa nitia t@ fitiavana ianao nefa ny hany mba azonao dia fampijaliana sy fampirafesana ... ohatran'ny voasarika ihany ny tena ieritreritra hoe tsy aleo ve mitady izay sady tsara no be sôsy refa zany.
11. xxx ( 16/06/2003 08:52)
Ouano ny entana de samy miala e!
12. xxx ( 20/07/2003 08:06)
ny nakamaroan`ny bandy no nahatonga ny sipa miova toa izany, tsy dia gaga loatra aho, fa misy kosa aloha miaraka @ fitiavana e! ka rehefa samy hijaly @ bandy ihany aza tsy aleo ve mba sitrany izy misy vola kosa? ka au - mba misy zavatra positif e!
13. xxx ( 21/07/2003 13:42)
Ary raha mitady ny positif anie enao dia mety hahazo zavatra hafa e.Mety tsy positif ihany no azonao fa miampy séro-
14. mialy ( 27/08/2003 17:57)
Izaho dia efa manambady ary betsaka ny zavatra efa nolalovako. Ilay resaka matérialiste aloha dia misy tokoa io kanefa izao no tena marina.Matoa misy ny fiarahana olona 2 dia tsy maintsy misy vola aloha ilaina @ izay rehetra atao, ny tiako lazaina dia izao natao hifanampy ny olona fa tsy hanataka faona no ataon \' ny bandy ao anaty ny lohany rahefa mba misy zavatra ilain\' ny vehivavy.Rahefa tianao iny olona iray iny dia ny manome zavatra azy no fahafinaretana ho anao lehilahy ny manome raha olona tena tia azy ianao fa tsy resaka sexe fotsiny izany. Izany no tena atao hoe fitiavana amiko fa tsy miandry hangatahina vao manome akory( vola , na izay zavatra mba fantatrao fa ilainy, hafa indray raha zavatra goavana hoe autos, etc) ka amiko ny fitiavana dia ny manome , ary ny dia ny vadinao ao an-trano aza dia mila izany izy fa tsy hoe manataka faona no ao tsainao lehilahy hoe matérialiste ny vehivavy, tsy hany mihintsy ny fipetrany.Raha ohatra kosa ve sipa niaraka taminao 1 mois dia mangataka autos aminao izy dia tena matérialiste kosa izany amiko. Fa raha ohatra kosa ve nareo avy miaraka dia na frais hodiany aza tsy omenao azy dia tsy rariny kosa izany amiko aloha e!marina fa tsara ny miaraka kanefa mba izay hahatsara ny fiarahana no atao .
15. xxx ( 29/08/2003 17:53)
@ ankapobeny aloha d resaka fotsiny ny hoe tena fitiavana fa tsy mila vola e! mifampiankina ireo.ny fomba fotsiny no tsy mitovy. efa tratra manko aho zay mitafa ka izany no hilazako oe resaka fôna no bobaka fa ravola tsy maintsy ilaina ihany. ka raha mifankatia moa inona no olana mba samy mangataka izay ilainy e! ifanapiana ny fiainana, fa tsy mody hoe tsy miady tsy miady nefa ny kobay ankelika ihany.Aleo mitsotra fa tsy olana izany rehefa hifanarahana e!
16. rfanjav ( 15/10/2003 18:35)
fa tsy ny bandy @ izao mihitsy ve no miseho milay fa manam-bola e?
sinon complexé izy raha tsy manam-bola dia izay iray ataony na mipetrapetraka tsy sahy mikonty sipa na manaratsy sipa fotsiny no ataony!
17. pisobe ( 04/11/2003 12:57)
Salut!
Ianao nanao ny sujet zany bandy voadona be, sa? Tiko ho fantatra hoe aiza enao no mipetraka dia hifanoratra aminao za; Satria misy antony be de be ao fa tsy resabola fotsiny angamba.
Bye
18. fijo ( 05/11/2003 09:20)
marina kosa aloha fa ny sipa gasy maro no lasa tia vola fotsiny.fa io ny fiainana no maha tonga io toe-tsaina io,ka tsy homeko tsiny mihintsy ny sipa.raha samy hamely kosa ve ry zalahy ,tsy aleo mba izay sady mampirevy no anaovana.
19. pisobe ( 07/11/2003 15:30)
Salut!
Za alou tsy manao hoe tia vola na tsia fa efa izay indray anie no malaza ankehitriny e. De nareo lehilahy zany mila mihetsika @ lafiny rehetra raha tsy izay de tsy hahita mihitsy. Satria na gasy na vazaha , ny vehivavy @izao vanimpotoana izao dia miasa, mahaleo tena ny ankamaroany, ka raha enao lehilahy tsy hanana ny bebe kokoa noho izy, dia toy ny mampifila ny vehivavy. Tsy hoe toy ny mpivarotena akory ny vehivavy @ izay lafiny zay o. Kanefa na atao aza hoe toy ny mpivarotena, iza kay no mpividy raha tsy ny lehilahy ihany? TSSSSSSSS
20. fijo ( 12/11/2003 20:09)
izahay kosa tsy mividy izany fa mitady fotsiny ka.tsy prix iny fa honoraire.ah,ah,ah.tsy izany ve?miao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3253