Vazaha lasa namana?

41. mcnyh ( 30/05/2003 11:05)
Amiko aloha dia tsy hitako izay olana e fa saingy avelao kosa mba amin'ny teny gasy no hifampiresahana satria raha teny hafa no hataony dia ho maro ireo vaka ka aleo rangà amin'ny tenin-drazan-tsia no hifampiresahana ato à sady manomae hasina ny tenin-drazantsika koa izany
42. djiulambout ( 01/06/2003 10:58)
mamerina ny arahaba aminareo rehetra, mitodika aminao manokana izaho Rajaojen, tsy ny oe " raciste " na "tsy raciste " no asiana reska eto, fa ny oe vita gasy , fifaneraserana @ samy isika mpinamana mnadala ny teny malagasy , izay ilay "teny malagasy " izay mihintsy no resahana, ka io no ezahina ho ampiasaina ato, handresendahatra ny te hiditra ato oe, izany no teny hampiasaina ato, tsy misy manda nge hoe samy mahay na hoe misy mahy ny teny vahiny e, raha ho any @ ireny tranonkala vahiny ireny ve ianao dia andeha hanoratra @ teny malagasy ao @ dinidinika ohatr'itony de mba ahoana no fahitanao azy, ka raha ianao ve no miditra eto nefa tsy le teny ifanarahana ampiasaina eto aza no ataonao, mahagaga ihany, hevitro io, ary malalaka ny ny dinidinika, raha hankaty izy , raha faniriany ny hianatra sy hampiasa sy hifanerasera @ fiteny malagasy, izahay afaka manampy raha mbola tratry ny herinay e

izay fa mirary volana jiona vaovao sady mahafinaritra ho an ny mpiserasera rehetra

mankalaza de ho ela velona ny rehetra e
43. peratra ( 03/06/2003 10:32)
efa lava iany ty tafa ty fa efa mba tena tonga am zay v le vazà e?
44. doum ( 04/06/2003 13:01)
an an tsy misy to kony hampisalasala zany fa tonga namana ndray ve vo mavomavo fa izay tonga de arabaina e
45. mimibe ( 05/06/2003 17:48)
raha amiko aloha rehefa maharaka ny fepetra izy inona no maharatsy izany ka aleo hifampitafa ato jiaby e nefa kosa raha tsy mahay malagasy ve izy tsy aleo hijanona e
46. ndriale ( 05/06/2003 10:08)
Raha ny vazaha aloha amiko dia tokony mba homena fahafahampo ihany izy .
Za aloha dia manaiky ny hampidirana azy satria tsy mety raha manavakavaka izany e !
Sa ahoana ?
47. henyhntsoa ( 05/06/2003 10:53)
tsy maninona mihitsy raha manana namana vahiny indrindra fa mahay tsara ny teny frantsay izy, sady mahafinaritra izany e!
48. jimie ( 06/06/2003 17:15)
amiko alo tsy maninona e! sady ny gasy anie malaza ho tia mandray vahiny e!porfon'izany ny fanekena azy ireo hiditra ato
tsy mampaninona antsika izany e
49. xxx ( 12/08/2003 14:20)
vao maika tsara ny hisian'ny tera-tany hafa eto @ serasera satria izay no atao hoe serasera.Mety hisy tombotsoa ho antsika ny fisian'izy ireny eto @ serasera.Maro be ny teny vahiny hianarantsika eto Mada ka tombotsoa ho antsika ny hifanerasera @ izy ireo.
50. hery ( 14/08/2003 08:11)
Dia eto amin'ny serasera ve no hianarana teny vahiny? Ny teny gasy anie no hita betsaka eto e... angamba hoe mila ampianarina teny gasy kou ny vazaha dia ekeko.
51. rfanjav ( 10/10/2003 15:10)
Mbola manan-kery ve ny fanontanian'i Hery ?

Amiko aloha, rehefa gasy dia gasy, fa tsy hitako izay ilàna vazaha, tsy efa mahavita ve isika e,
sady amin'ireny vazaha ireny koa anie misy manambanimbany gasy e, ary misy koa ny tsy mahay raha tsy ny hitsikera fotsiny!
Inona no mba hainy amin'ny teny gasy, sao dia hanaparitahany ny teniny fotsiny no tanjony ato !
Betsaka ny takelaka miandraikitra fifaneraserana @ vazaha ka tsy aleo izay liana hitady namana vazaha hiditra @ izany,
ny gasy aza tsy lany ve!
52. fijo ( 13/11/2003 20:30)
an,an rfanjav a,raha mahay teny gasy izy dia avelao ihiditra.fa izy no tsy maintsy miezaka fa tsy isika akory no andeha hiteny frantsy aminy.
53. ariary ( 14/11/2003 10:58)
Tsy hitako ny olana @ fandraisana ny olona rehetra na avy aiza na avy aina fiaviany, izany no vato fehizoron'ny internety. Iza aminareo moa no mahalala fa izaho izay miteny dia gasy sa karana na libanais ?
Nefa kosa tsy ilaina ny manisy toromarika manokana ho an'ny vahiny fa aoka mba hijanonana ho @ teny malagasy manontolo ny takelaka rehetra (afa-tsy ny dokam-barotra vahiny mazava loatra!)
54. ikaretsaka ( 16/12/2003 13:27)
avelao ho avy fa saivo miteny gasy fotsiny ee
55. ralanz ( 01/01/2004 09:22)
aza mba manavakavaka olona zany fa ratsy ny avahana .rahamahalala fomba izy de raiso ampanajana
56. iriana ( 22/01/2004 19:25)
inona moa no olana fa ny tenintsika ihany no asaina ampiasainy e!
57. taratra ( 16/02/2004 17:59)
ny evitro de ny fampirisiana anireo vazaha ireo mba ianatra teny gasy.
amin'zay r'zareo mba ahay zay zavatra mandalo ato.
ary to voalaza ko fa misy fampianarana teny gasy any france any,ka omeo sosokevitra r'zareo mba anantona ny foiben'i fianarana teny gasy de zay vao miditra ato.
fa tsy mety mitsy raha tsy mahay teny gasy r'zareo,nefa te hiditra ato.
satria ty tsy site vazaha ka site gasy.
ze zavatra mandalo ato de gasy avokoa.
58. taratra ( 16/02/2004 18:01)
ny evitro de ny fampirisiana anireo vazaha ireo mba ianatra teny gasy.
amin'zay r'zareo mba ahay zay zavatra mandalo ato.
ary to voalaza ko fa misy fampianarana teny gasy any france any,ka omeo sosokevitra r'zareo mba anantona ny foiben'i fianarana teny gasy de zay vao miditra ato.
fa tsy mety mitsy raha tsy mahay teny gasy r'zareo,nefa te hiditra ato.
satria ty tsy site vazaha ka site gasy.
ze zavatra mandalo ato de gasy avokoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1491