Vazaha lasa namana?

21. cannelle ( 26/05/2003 18:40)
mitovy amin'ny voalazan'ny namana etsy ambony koa ny hevitro: aleo izy hiditra ho namana rehefa manampiniavana hanaraka ny fitsipika misy ato amin'ny serasera ato. ny site aza ovaina fa aleo mijanona gasy 100% satria izany no efa antony nidiran'ireo namana (efa mihoatran'ny arivo) eto amin'ity serasera ity.
22. tsongler ( 26/05/2003 19:12)
Izaho aloha dé tsy hiala @ be sy ny maro é.Tsy hitako mihintsy izay olana raha mahazo izay tantaraina izy é sa ahoana?Aleo hiditra izy fa ny savorovoron-kilatoana é!!!!!!!!
23. lalasoa ( 26/05/2003 08:52)
salut daholo
tsy dia misy olana mihintsy aloha raha misy vazaha miditra eto é,rehefa mahay miteny gasy fotsiny izy sady manaja ny fepetra dia tsy maninona
24. radama ( 26/05/2003 09:34)
VAZAHA?????Tsy misy olana.Mitovy aby olo jiaby.Ekena ny fidirany izy koa manaraka ny fepetra misy.Sa karakory??
25. leandry ( 26/05/2003 09:45)
tsy misy maharatsy ny fidiran'ny vazaha ho ato mihitsy,raha toa ka manaja ny fitsipika rehetra izy.
ary ataoko fa mety hahasoa ny sa
sany amintsika aza izany fisian'ny vazaha izany: ny gasy hianatra teny vazaha sy hifanakalo vaovao eran-tany;moa ny vazaha koa dia torak'izany hianatra teny gasy sy hifanakalo hevitra @ gasy ary mety hampandroso bebe kokoa .
Sa ahoana hoy ianareo???
26. mandamina ( 26/05/2003 10:17)
tsy misy olana ny fidiran'ny vahaza eto. ary toy ny fidirntsika @ tobin-tserasera any aminy koa, dia ny teniny no ampiasaina, ka raha te hiditra izy de mba, ireharehantsiak ihany ko ny tenintsika fa tsy asiana teny vahiny zany, raha tsy hoe misy tanjona manokana tiana kendrena angaha avy aty aminareo tompon'andraikitra...... ?!? de hanisy teny vahiny ihany, tsy mety anefa zany, ireharehano an'ny tena ary tazony mafy...
27. tiana1 ( 26/05/2003 10:38)
Mitovy hevitra @ ankamaroany aho : mijanona 100% mgsy ny tranonk'ala. Tsy miova ny fombatsika, ny chat-tsika ets...
28. sin ( 26/05/2003 12:13)
Ts-manin' ,kanefa ny Jôba malagasy ange tena efa mhmhmaanja be àby è! Dé mbôla ampina vzongo koa da mh-mh-mh!
29. lalarasoa ( 26/05/2003 16:55)
Tsy misy olana fa dia izay te hanoratra teny gasy aleo hanoratra dia izay ifanjevon'ny vazaha any, sady tsy hay koa anie ireny na mba vazaha te hihanatra teny Gasy e!!! Dia mba mitady site Gasy. Izany hoe ny hevitro izany dia mijanona 100°/° teny gasy ny tranokaly dia sahy ny vazaha miditra tsy sahy dia miala.
30. peratra ( 27/05/2003 19:03)
efa nanoratra teto ihany ny tenako, fa asa angah lasa aiza ilay izy (glup!?) ary hoy aho tamin'izay hoe aleo ny vazah hoah hiditra de rosoy ranom-boankazo izy d rosoy mofomamy koa. ôka anefa, tandremo fa ny olympiko moramora kokoa. tsara ny mofogasy. hmmm...
31. zoul ( 27/05/2003 09:55)
Salut daholo eh!
Manamafy an'izay voalaza tetsy ambony fotsiny eh!! Antsika Malagasy io de aleo atao teny gasy hatr@ farany. De miditra ze te hiditra! Zay!
32. brunel ( 27/05/2003 12:39)
faly miarahaba anareo mpiandraikitra ny namana serasera aho, ataoko angamba fa tsy dia misy maharatsy azy loatra izany vaovao izany indrindra ho anay mipetraka aty an-dafy zara aza mba misy site mampalaza an'i Dago atsy ho atsy sa ahoana,
izay ary fa dia misaotra amin'ny fifandraisana e!!
33. 6razy ( 28/05/2003 15:22)
Akeza marô, azôvy aby irô ato fa zaho zehe efa hempaka taim-bazaha sy vazaha matoelahy tsisy ilaina azy mba ataovo maromaro koa tsaikitsaiky jeune regny. Efa hempaka zigolo ho zaho aminao.
34. rizareo ( 28/05/2003 15:56)
salama jiaby,

Tsy de misy olana raha te hifanerasera amin'ny gasy ny vazaha refe vonona hiteny malagasy izy.
Sady ahoana moa ny fomba hifandraisany raha tsy nahay le teny fampiasa izy? Marihina fa diso hevitra ireo zay milaza fa ny sipa vazaha ihany no tsara , satria tsy toerana fitadiavana lehilahy na vehivavy ny fifandraisana fa hifampizarana hevitra. Raha izany mantsy no tena tanjona, de hevirinay fa diso adresse ihany ry zareo ka tsy eto @ serasera no tokony hitady fitiavana satria tsy ho afaka hifandray @ resaka madio mihitsy ve izany fa de fitiavana foana ??????
Mandrapihaoana daholo e .
35. nari ( 28/05/2003 16:41)
bonjour daholo! ho ahy aloha tsy misy olana firy ny hidiran'ny vazaha ato amin'ity misy antsika ity rehefa manaja tanteraka ny fepetra misy izy. Ny hany angatahiko dia aleo hijanona fiteny malagasy ihany ny takelaka rehetra fa izay no maha -
Malagasy antsika sy ho fiteny Malagasy ny serasera rehetra fa tsy ho fiteny vahiny kosa! izay ihany .
36. ankoay ( 28/05/2003 17:48)
k'aiza daholo, amiko toa tena tsy masaka le asiana vazaha k'ty! mba ity ange no sehetra hifaneraseran'ny gasy eh! raha toa ka te hitady gasy izy dia misy site vaza hafa misy gasy any! any izy no miditra!
amiko tsy hoe akory rehefa sehatra isokafana @ zao tontolo izao ny internet dia lasa isika gasy fa niroboka ao koa! izay no hitiavako ny serasera satria antsika gasy irery dia manantena aho mba hijanona amin'izay isika.
afaka maka namana vaza foana ange eh! tsy voatery ho eto @ serasera eh!
37. sakabe ( 28/05/2003 09:17)
Tsy olana izany fa raiso izy.Ny serasera 'nge natao ho an'ny daholo be.Sady mampivelatra koa anie izany mitafa @ vahiny izany.Sa ahoana?
38. rajaojen ( 28/05/2003 10:49)
je trouve aucun inconvénients que les vazaha rentrent dans ce site! Moi, je suis malgache et en meme temps francaise alors! Vous etes raciste ou quoi?
39. xxx ( 30/05/2003 16:27)
Raha ny amiko manokana aloha de tena tsy misy olana mihitsy ny idiran'ny vazaha ho namana ato amin'ny namana.serasera.org satria de mba afaka mifampizara evitra amin'ny olona any evelany .
40. xxx ( 30/05/2003 10:06)
Izao no mba hevitro mikasika ity lohahevitra iray ity.
Izaho aloha tsy mametraka olana @ fahatongavan'ny olona hafa firenena sy hafa fiteny amintsika eto ... tsy ataoko akory hoe vazaha, amiko raha tonga eto izy dia hainy izay voasoratra eto, ka inona no olana? tongava daholo fa 'zahay eto anie tia namana, na avy aiza izy na avy aiza, sady liam-pivoarana e! mandra-panoratra tompoko ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098