Baolina kitra 
hery - 05/05/2003 16:01
|
![]() |
cool007 - 14/05/2003 13:58
|
![]() |
hery - 14/05/2003 16:28
|
![]() |
randria2 - 24/06/2003 17:46
|
![]() Tsy vitan'ny petatoko sy vonjitavanandro raharaha io fa mila fanomanana matotra sy lavitrezaka tompoko. Tsy hoe afaka telo volana ny lalao dia androany vao hikoropaka etsy sy eroa. Tsy haka ohatra ny ejipsiana aho fa ny sinoa no raisiko ohatra. Tsy misy fahagagana mihintsy ny niakaran'ny sinoa teo amin'ny dingana faran'ny fiadiana ny amboara eran-tany satria tamin'ny taona 1992 izy, mbola zaza ireny mpilalao ireny dia efa nofaniny sy nampianariny hilalao ho fanomanany ny lalao olympikan'ny taona 2000 nokasainy hatao tany aminy , saingy tsy tanteraka. Dia ireny izy niakatra tany Korea sy Japana ireny. Fantatry ny razan'ny sinoa taiza moa izay baolina kitra, firy taona taorian'ny nijoroan'ny federasiona gasy ny sinoa vao nanao baolina, kanefa tafakatra izy na dia mbola osa aza. Mampitaha lakana amin-jahatra raha ny ejipsiana sy ny gasy no ampitahaina, ny ejipsiana efa inefatra no tompondakan'i Afrika, firy ireo ekipa ejipsiana mampihorohoro an'i Afrika (Zamalek, Ahly, Masry, Arab Contactors sy ny sisa) efa mipetraka ny rafitra rehetra misy ny mpisolo toerana sy ny taninketsa,mnaomboka hatrany amin'ny "possins", "minimes", "cadets" ary ny "juniors". Eo amin'ny fanomanan-tena izy mandranto lalao amin'ireo ekipa goavana tahaka ny Frantsay sy ny Danoa, na dia resy amin'ny isa mavesatra aza. Ka raha tsy misy rafitra mazava hatramin'ny any @ kartie, ny fokontany, section, ligy ary ny federasiona, mirindra ny fifaninana eo amin'ny sokajin-taona rehetra. Milaza indray isika fa ny tsy fisian"ny vola no olana, firenena mahantra ny zambiana tompoko, saingy mipetraka tsara ny azy ny rafitra fitantanana ny baolina kitra, raharaham-panjakana ny baolina kitra, dia mandeha tsara ny azy. Rehefa misy ny an'ny olona ny tsy mety dia miara-mizaka ny tsy fahombiazana. Ny antsika hifanilika andraikitra sy mitady "bouc émissaire" araka ny fitenim-bazaha. Porofo mitohoka amin'ny tendany, resin-tsika taty ny Madagasikara ny ejipsiana, nirehitra ny hatezeran'ny mpanohana, tongso-tseza iray sisa nitazona ny toeran'ny mapanazatra. Noraisina ireo tsikera rehetra, nandranto lalao iraisam-pirenena ary niezaka hanarina ny tsy mety , dia resin'i danemark sy Frantsa tamin'ny isa mavesatra, narenina ny lesoka dia ireny ny vokany. Ny fametrahana rafitra mazava sy ny fitantanana mahomby no vahaolana hatrany amin'ny sokajy "poussins". Ataovy izay hampiroborobo ny sekoly fianarana toy nany Antsirabe. Karakarao ireny AJESAIA katika kelintsika ireny fa azo antenaina ny hiakarantsika any amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany isika afaka 12 taona. Vita tompoko. |
dd - 25/06/2003 15:41
|
![]() Mirary soa hatrany |
amoureus - 04/07/2003 08:41
|
![]() |
randria2 - 08/07/2003 18:42
|
![]() Ianao manonofy milalao ao amin'ny kianja olympikan'i Munich amin'ny 2006 kanefa i Bénin aza mbola tsy fantatra nao horesinao na tsia. Ny baolina miditra any anaty haraton'ny mpifaninana amin'ny tena ihany no isaina fa tsy ny nofinofy sy ny fanaovana ariary zato am-pandriana akory. Mila fiezahana sy fandraisana andraikitry ny tsirairay io. |
ranix - 10/07/2003 15:19
|
![]() |
ranix - 10/07/2003 15:19
|
![]() |
ranix - 10/07/2003 15:32
|
![]() Avy eo hoy ny fédération hoe tapitra ny fepotoana nilana ny entraineur ; Ary feotoana nilana ny Féderation ve mbola tsy tapitra ihany ? Efa betsaka ny resaka nandea t@ taloha momba io Fédération io : ny asa vitany , ny volat@ lalao baolina rehetra teo Mahamasin a sns...e! Ka izao indray izany de soloina ny entraineur . Aleo angamba nanova joueurs mihintsy sy manova ireo tomponandraikitra rehetra aloa fa toa ireo no tena tsss.....ka raha ny fahitako azy na i Ronaldo na iRivaldo na i Michel Platini na iza na iza no entraineur eo , efa betsaka ihany mantsy ny entraineur teo fa toa mazana ratsy foana ny vokatra ka asa na hanao ahoana indray nybaolina kitra ato hoato @ io hevitriry zareo Féderation io?, Izay ary aloa e!Ny ajesaya izao no hitako fa tokony hotohanana sa tsy izany ! ireo notoa mahavoa noho ireto lehibe ireto koh! |
xxx - 10/07/2003 16:07
|
![]() |
hoditrakondro - 12/11/2003 10:42
|
![]() |
zizou - 11/12/2003 19:54
|
![]() |
emy - 11/12/2003 13:58
|
![]() Aona moa no ahafahan'ny mpianatra iray fanadinana raha ny tontolo manodidina anazy tsy milamina na de ataoko oe mahay aza izy ! Aiza no ahafahany mampihatra zay fahaizany zay!? Refa tsy milamina ny tontolo manodidina ny zavatra atao de betsaka ny salam-pahombiazana e ! Mety marina zany oe tsy misy rage de vaincre zany fa aiza mou hidevelopper na an'izany refa eto satria ny lehibe miady, ny olona tokony entina tsy alefa sns e ... ! Efa tena miezaka ireo bandy kely reo ! Soroka miaramilanja anefa izy io vao ahitana fahombiazana e ! |
fijo - 12/12/2003 16:46
|
![]() |
xxx - 16/12/2003 17:10
|
![]() Eo amin'ny fifatenana ny bandy tokony alaina d tokony hisy selectionneur manokana mihintsy fa tsy ny ao amin'ny federasiona no manao ny selection de ze tiany sy ze mety hakany vola ihany no tafiditra ao. D aiza izany le tena mahay. D ohatran'izany fôna anie hatramin'izay ka hatramin'izao e ! sahirana mihintsy ny entraineur. Io federasiona io mihintsy no tena fototra tsy mampandeha ny scorpions-tsika, ny fitiavan'ireo vola, jereo tsara fa le 7 efa ni-demission daholo ireo niverina ireo indray. |
xxx - 16/12/2003 17:13
|
![]() |
xxx - 13/01/2004 15:16
|
![]() |
ronaldo09 - 13/08/2004 19:21
|
![]() Hitantsika fa taloha ange ka tsy dia hita taratra firy ny ekipa Senegalais fa raha nanova tetikady ry zareo nanomboka tamin'ny taona 2000 ireny ny vokatra ,iza moa no nanam-po fa i Senegal ho tafakatra amina lalao 1/4 eo amin'ny mondial ?manaraka izay ny fahagagana nataon'i Grece t@ Euro farany teo tsy nisy mihitsy ny nanam-po fa ry zareo no hibata ny amboara nefa ireny no zava-misy Vitan'ny olona ve tsy ho vitan-tsika ?Vita fa saingy izao aoka ny federation tsy hijabaka amina asan'ny Mpanazatra fa tokony ho ny mpanazatra no masimandidy toy ny t@andron'i Ntsoa izay tena namirapiratan'ny Scorpion satria izy tsy manaiky ho baikoina amin'ny fametrahana mpilalao eny ambony kianja ,faharoa aoka mba ho hentitra ny federasionina amin'ireo mpilalao matihanina satria maro amin'izy ireny koa ny mapifilafila ,eo ihany koa ny mba tokony hisian'nylalao iraisam-pirenena (match amicale) fa tsy hianona fotsiny amin'ny lalao ny samy eto antoerana .Farany rehefa handany vola ihany ve tsy aleo maka mpanazatra vahiny manana ny maha izy azy raha toa ka tsy mamely ny mpanazatra gasy ,ary saika hadinoko fa mba eo ihany koa ny tokony hanomezana tambiny an'ireo mpilalao hahambony ny moral-ny Izay no mba azoko ambara amin'ny maha mpitia baolina kitra ahy |