Kidaona maraina

1. hery ( 03/05/2003 19:32)
Be ny nitaraina momba ny resaka kidaona maraina @ Radio Tana. Mitohy ihany anefa ny fandaharana. Tsara ihany izany io? Izaho k'lou efa vahiny tao e. :)
novalian'i six ny 06/03/2004 11:46
2. njara ( 03/05/2003 15:46)
Inona kosa moa no tsy hitiavan'ny olona ilay fandaharana e. Raha za klou tena hitako hoe tsara le izy e, ny tsininy kely fotsiny de lasa be pub loatra.
3. njara ( 03/05/2003 15:46)
Inona kosa moa no tsy hitiavan'ny olona ilay fandaharana e. Raha za klou tena hitako hoe tsara le izy e, ny tsininy kely fotsiny de lasa be pub loatra.
4. dd ( 17/05/2003 09:49)
mety ho renay aty ampita ve izany kidaona maraina izany? sao mahasoa!
5. eugene ( 17/05/2003 14:21)
Ny Radio Tana no mandefa azy ka toa mbola tsy mivoaka any ampita... fa fandaharana tsotra anié lé izy e. Animation normale mihitsy fa izany hoe ry zalahy Fou Hehy sy Goth ary Francis Turbo fotsiny no animateurs dia izay no mampi-vika azy...
6. rniaina ( 23/05/2003 16:01)
Tena mafinaritra ilay kidona maraina mamitina ny vaovao eto antoerana sy any ivelany sady miaraka amin'ny vazivazy ihany io, izao lasa be pub tokoa fa tsy dia maninona rehefa ilay mampihomehy ireny ny famakian-dry zareo azy anie.
7. anjakely ( 20/06/2003 15:24)
mba tantarao anay znay fa zay tsy mba mihaona radio e!
8. xxx ( 21/06/2003 18:41)
anjakely> tsisy pile angaha any hono sa ny radio mitsy no tsy misy
9. anjakely ( 23/06/2003 16:50)
tsy ampy pile sady tsy misy courant aty aminay e! hihihihhihihi
non je suis pas à mada et je ne suis pas au courant de cette émission
10. rivoaridera ( 07/08/2003 16:27)
betsaka no tia ilay émission nefa koa misy ireo izay tsy mahazaka ilay façon-dry zalay ka manome tsiny be fahatany satria na mivazivazy aza ry zalay dia sahy manindrotsindrona izay tsy mety rehetra eo amin'ny fiaraha-monina
11. xxx ( 30/08/2003 10:41)
Natao hitsekerana olona fotsiny ny fandaharana.Tokony zavatra mari-pototra anefa ny holazaina ao.
Misy zana-pandaharana tsy dia milay loatra.
12. xxx ( 24/09/2003 12:04)
Ny mpanao ny tsy mety no tsy tia io satria voatsikera ry zalahy d tsy tantiny.Za manokana lou d tsy hitako izay maharatsy azy e! Ilaina le tsikera @ zay manova famindra izay mitady hibolisatra!!!
13. jahary ( 29/09/2003 16:44)
Iza kosa no milaza fa tsy mety ny kidaona ? Zah aloha de mpankafy azy e! Ny voatsindrona ihany no tsy tiaa azy satria manaio ny tsy mety!

Ity misy vaovao kely ho an'ny kidaona maraina: Misy école privée iray ao Tsimbazaza ao (LA RUCHE anga no anarany) tahaka ny hoe hono rarany tsy avelany mitondra an'ireny kitapo nozaraina ireny ny ankizy hono! Ny ankizy moa ankizy ihany nefa misy ray amandreny mitaraina hoe Inona no antony anaovana an'izany?

Mba jereo kely ry zalahy AN!
14. fijo ( 17/10/2003 08:05)
aty andafy moa dia tsy maheno io fandaharana io,nefa raha ny fahitako izay voalaza eto dia fandaharana tena tsara ary ilaina ny toa izany.hitanareo moa ilay ao amin'ny canal+(ppda,bartezysns)ny tena hatahorany mpanao politika an'io fandaharana io anie dia izy be panaraka e.ny pub indray dia lalanan'ny varotra io,ka tsy azo sakanana,fa raha tsy izay dia maty ny radio,na ilay fandaharana.koa tohizo ry zalahy ary aza misalasala mihintsy mamely izay miborika a!
15. rajaona ( 04/11/2003 17:23)
Raha ny fahalalako azy ny hoe kidaona = maimaim-poana, ka noho izany............ izay e! be ny mirohotra mankany, ary rehefa betsaka tsy ilaozan'izay ratsy nefa kosa tsy azo hodian-tsy hita ny fahatsarany e! Ny mpanentana koa anie efa fantatra e. Voankazo an'ala io. Ianao no erany.
16. rfanjav ( 05/11/2003 19:43)
Ao @ kidaona maraina aloha no azon'ny rehetra andehanana rehefa misy zavatra tiany itarainana,
tsy hitako izay maharatsy an'io,

fa eo @ ilay blague ataondry zareo no misy indro kely,
toa trop loatra indraindray ka, salé loatra nefa ren'ny rehetra, tsy any @ spectacle voatokana ho azy ve ry goth sy francis no tokony hanao an'izany (any mantsy efa sur fa izay olona mankafy azy ihany no maheno ny hadalany) fa ny ao @ Radio mahamenatra mihitsy indraindray!
17. moi ( 26/11/2003 12:35)
Tamin'ny tsingerin-taona an'io fandaharana io dia nisy niresaka hoe "Mitandrina mafy sao voatonona ao amin'ny kidaona maraina izahay, nefa hoy izy mba misy tokony hamarinina ihany izay avoakany fa tsy tonga dia tenenina ao amin'ny radio ao izay re !".
Fa ohatry ny somary pro ra8 ry zalahy ireo, ka asa re raha ny zava-misy mahakasika ny mpitondra mivantana no alefa ao !
18. rfanjav ( 28/11/2003 20:00)
raha ny @ izay indray, tsy mialon-jafy ny ao @ kidaona ka,
19. rinakely1 ( 29/11/2003 14:09)
aleo tohizana fa io ihany no mba hafahan'ny tsirairay manolotra ny heviny sy hitarainany @ zavatra tsy tina e!
20. xxx ( 14/12/2003 14:34)
Tsy hitako izay ilana an'io fandaharana io satria natao hanaratsiana sy hitsekerana olona fotsiny.Dia faly ery ny olona mandray anjara sy ny tompon'andraikitra ao anatiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0915