Inona no ataoko?

1. xxx ( 12/04/2003 15:43)
Fantatro fa mampirafy lé sipako. Izaho anefa tia azy. Isaky ny miteny azy aho dia lazainy fa tsy sérieux fa manenjika azy. Mahita excuse fona izy. Hisaraka aminy ve aho?
novalian'i SYLLA8 ny 09/10/2015 03:48
2. xxx ( 14/04/2003 08:32)
aza misaraka fa tiavo foana izy e! hohitany eny ihany fa ianao no tia azy kokoa ary mety indray andro any hosafidiany hatramin'ny faran'ny ... andro hiainany
3. ilyo ( 14/04/2003 16:09)
raha ny hevitro indray dia aleo misaraka dia ny mbola tsisy maratra,fantatro fa tena tianao izy kanefa rehefa manapak'hevitra ianao dia adinonao eny ihany izy,tsy tia anao izy matoa mampirafy,anontanio tsara anefa aloha izy ary ambarao aminy fa tena tia azy ianao
4. mamamia ( 14/04/2003 19:58)
Manana porofo ve ianao? Raha eny dia manaova dialogue ary anontanio ny tena heviny. Misy zavatra tsy ampy angamba amina ka tadiavany any ivelany.
5. xxx ( 14/04/2003 08:28)
Ny ataonao dia:aza misaraka aminy ianao fa tambatambazo foana izy de anontanio tsara we tena tia anao ve izy sa tsy?ary tena manana porofo marina ve enao?
6. xxx ( 14/04/2003 09:02)
Aza mifanambitamby 'zany ! ! ! vao maika énao hitsahiny , sy hampifilafilainy ! Tsotr fotsiny miresaha aminy ! asaivo mandray décision izy , na ilay 1 na énao ! Marary ny fonao manaiky aho, fa aleo miafy @ izay ! ! ! Vodi-tsobika aza mana-tandrify kk'inn no mampikoropaka ano ! C pas le bout du monde ke tu vois ?! NON ?!
7. xxx ( 14/04/2003 10:19)
Zavatra hita matetika anefa dia izay mampisafidy no ialany...Famolahana ?
8. xxx ( 14/04/2003 10:19)
Zavatra hita matetika anefa dia izay mampisafidy no ialany...Famolahana ?
9. xxx ( 17/04/2003 16:04)
Zao ho an'ireo zay mampirafy ny sipany ah de zao :mbola marobe ireo tovolahy sy tovovavy tsy manana sipa ka anareo ny safidy.
"Sarotra ry retou ny miala @lalana efa nahazatra" Rà te-hiharitra anga ,tsy maninona e;tena tianao izy ?
>Any koa anie misy olona tena tia anao ka mandrasa kely.Ze te hamaly ahy de afaka manoratra amin'ny :rabezavana@yahoo.fr
10. xxx ( 17/04/2003 16:05)
Zao ho an'ireo zay mampirafy ny sipany ah de zao :mbola marobe ireo tovolahy sy tovovavy tsy manana sipa ka anareo ny safidy.
"Sarotra ry retou ny miala @lalana efa nahazatra" Rà te-hiharitra anga ,tsy maninona e;tena tianao izy ?
>Any koa anie misy olona tena tia anao ka mandrasa kely.Ze te hamaly ahy de afaka manoratra amin'ny :rabezavana@yahoo.fr
11. zarai ( 18/04/2003 15:58)
Aza misaraka fa hampisehoy azy fa tsy rarahinao koa e! Hajanony ny fanontaniany sy ny fahasarotampiaro. Iza no mahafantatra raha hitsapany anao koa io hoe hatraiza ???? Mety hampiheritreritra azy io. Fa aza mifaninana fotsiny.
12. manakasina ( 19/04/2003 13:27)
fa anga izy irery no sipa tsy misy fery tsy ho sitrana ry tary a! mitadiava fany sipa tsy lany
13. levondraky ( 06/05/2003 14:42)
Amboary ny saina dia eritrereto fa tsy manana olon-kafa ankoatranao izy. Aza ivakina loha izany, dia manja toy ny taloha ny fiarahana, ka dia mamy ery ny miaina. Raha manao \'provocation\' aminao ilay ery andaniny, zay vao mandray fanapahan-kevitra ianao. Avy dia ipitsio fa aza moveraka.
14. sifotra ( 07/05/2003 17:24)
Zao hatao e: mandehana mijery mpimasy, anontanio azy ny tonon'andronareo sy ny dadanareo de omeo azy ny anaran'ny sakanao.
Trotroy ambavaka ny fianakaviany de andrahoy sakafo matsiro ilay saka. Mihodîna in-tsivy eo @ seza fipetrahanao matetika de roray ny lanitra. Raha tanterakao ireo dia ho sambatra ianao.
15. perla ( 21/05/2003 10:23)
Aoka kosa leisy ilay resaka mpimasy fa tsy izy mihitsy, efa andro mazava izao ve dia mbola izany no haroso e! aoka leisy!!!
Ny tsotra indrindra ho ahy dia izao e! rehefa tsy hitan'ny masoko ny hadalany dia tsy olana, fa raha kosa ve aseho ahy daholo ity film rehetra ity ?? efa déclaration de séparation izany. Anao izany ny safidy. Tadidio fa na any anaty tokantrano aza misy izany, ka isaky ny misy blème ve dia hisaraka. Andramo aloha ny miaritra fa rehefa tsy zaka hafa izay. Hainao aiza koa sao mitsapa anao izy?? izany an! courage foana e!
16. xxx ( 30/05/2003 19:00)
Maro no mahafantatra fa tsy tena tsapa hoe hatraiza ny fitiavana olona na zavatra iray raha tsy efa tsy eo aminao intsony izy
17. amoureus ( 02/07/2003 10:36)
ialao izy
18. xxx ( 18/07/2003 19:18)
Rehefa milaza anao tsy ho serieux izy nefa ianao manana porofo dia lazao azy ny porofo.
Raha tena mampirafy izany koa izy raha ny fiheverako azy tsy mendrika anao izy e.
Dia tsy hilaza aho hoe misaraha dieny izao dia tsy misy maratra fa tsy misy misaraka tsy misy maratra izany fa ny fery tsy maintsy ho sitrana foana.
19. xxx ( 22/07/2003 18:20)
tsy manome rariny an' ireo mpampirafy aho . Tsy moramora izany hoe misaraka....
Raha hisaraka ka tsy hiaraka amin' olon - kafa intsony dia OKAY. Raha mbola mieritreritra ny hiaraka amin' olon- kafa kosa dia aleo mifandamina : jereo ny fototry ny olana ary iaraho mitady ny vahaolana.
Raha nampirafy anao ny vadinao dia nisarahanao . Mety sady mpampirafy no mpangalatra ny hisolo toeranana azy , mety ho ratsy lavitra noho izany aza
20. xxx ( 23/07/2003 18:15)
Raha toa ka tsy asehony miharihary eo anatrehanao le sipany any ambadika any de mety ho mbola manana respect aminao ihany izy sinon ajanony any de mitadiava hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3071