hafatry ny fiainatsihita

1. balite06 ( 15/11/2005 13:21)
Italic text:evil:tany amin'ny fiainatsihita aho no nahazo hafatra ho antsika te hahalala zavatra miafina io.
Any no hitoeran'ireo fanahy rehetra rehefa maty ary any koa no misy ireo fanahy mbola tsy niaina tety antany fa fanahy hatriza ka hatrizao.
Betsaka ny tombotsoantsika olombelona rehefa haintsika ny miaramiasa amin'izy ireo ; afaka manampy amin'ny famahana olana madinidinika izy nefa koa afaka mamaha ny mety tena goavana be fa araka izay haben'ny ilaintsika no haben'ny mety mba ilainy amintsika ,io ilay ho takalopatsa vidimpihinanana nefa dia lazaiko aminareo fa mahavita zavadehibe ny any.Ny amin'izany no hifanoratantsika raha mahaliana anareo ka manorata amin'ny kotoali2000@yahoo.fr dia eo isika manohy ny kozy , ny antony dia secret ny zavatra tadiavinareo ary secret koa ny fomba atoroko ny hamahana azy , eo isika no mifanao fotoana dia mihaona midinika tsara.Zay fa kontakteo aho e!
novalian'i dadabe ny 25/11/2005 15:37
2. xxx ( 15/11/2005 15:43)
fantanina alou:
balite06:
tany amin'ny fiainatsihita aho no nahazo hafatra ho antsika te hahalala zavatra miafina io.

tsy azoko tsara - nitsangana tamin'ny maty ve ianao no tianao ho tenenina sa ... ?

nahoana kay raha zavatra tsara sy hahasoa ny olona no atao hoe secret?
3. sipagasy ( 15/11/2005 17:30)
eeeeeeeeeeeee kay resa-beeeeeeee fotsiny hihihihi raha izany ny ahy tsy secret ny tedaviko fa ny mba tsy hisian'ny tsy manan-kohanina rehetra ety an-tany e! dia mba atoroy ahy aza ilay kozy e! hihihihihih

oups adinoko koa hihih saika mba mila ilay isa 6 @ loto za mba ahazahoana vola be mba hanaovan-tsoa kely e!
4. Veloo ( 15/11/2005 18:29)
inn ary ty? :roll:
5. tenderlove ( 15/11/2005 19:28)
Karazana sigara inona ary no nofohanareo razoky no mampihomehy toa izao ianarareo ?
6. akamatiana ( 15/11/2005 19:46)
=))=))=))=))anseee rey razako eee, aleo iany eto am fiainana hita k, tô ôtsany hafa be l oul avy tany hahahhaha
7. Herimiafina ( 15/11/2005 21:41)
Ie, Boudhisme sy Hindouisme no tena manao an'io pratika fivavahana io. Mino ny reincarnation, mino ny fisian'ny fanahy-na olona efa maty ka mitahy sy mijery antsika olombelona.

Matetika ireo olo-malaza nifandimby izay nahazo fahombiazana tamin'izay rehetra nataony dia heverina fa fanahy iray ihany no nonina tao anatiny.

Azo atao hono ny miresaka amin'ireo fanahy ireo, ary misy fadifady takiany eo amin'ny resaka sakafo na ara-nofo, izay izy vao afaka mitoetra eo anilan'ilay olona mangataka azy.

Izay aloha no azoko hambara, mbola honohono no notanteriko fa zah alou mbola tsy nahita e.8)
8. maditra ( 15/11/2005 22:35)
Izay ary fa mba nahita vavolombelona nilaza azy fa mahay zavatra aho. Rombo zalahy. :lol: lol
9. namanao ( 16/11/2005 14:12)
raha ny fahitako azy aloha de tsy araka ny finoana kristianina ity zavatra lazain'ny namana ato ity. Ny Fanahy Fito , fanahin'Andriamanitra tsy toha ihany no fangatahana tolo-tsaina sy famahana olana(raha mila vonjy @ fanahy) raha ny @ maha-kristianana raha ny fahalalako azy.
10. booboo ( 16/11/2005 14:32)
Herimiafina > tsy boudhisme na hindouisme io raha lazain'i balite06 fa raha hafa mitsy. Ny an'ireo raha 2 ireo ny fanahy tsy mitaky takalony ary samy manana ny toerany ny fanahy isan-karazany fa tsy miray toerana araka ny an'i balite06
11. rabejo ( 16/11/2005 16:26)
Ianao kosa ry balite06 sao dia mba sanatria avy nanamaina a ! Raha tena nahatsapa izany marina ianao dia eritrereto hoe tena ao an-dohanao ao fotsiny izany fa tsy tena marina.
Ary mitandrema fa sao dia avadik'izany an :evil: !. Ka efa milliardaire ve izany nareo e ? Sa nahazo zavatra goavana inona ? Mba ambarao anay e ! Raha izany mantsy dia tena bravo !=D
12. xxx ( 16/11/2005 17:09)
tena resaka tromba io marina hi hi hi hi hi
13. Veloo ( 16/11/2005 17:32)
booboo :-D:-D:-D:-D
14. Bariry ( 16/11/2005 21:13)
Aza de mifoka betsaka ilay karantsigara hafahafa voalaza ery ambony enao fa lasa mahita ny tsy hita... forona no betsaka avy eo.. savatra tsy hita lazaina fa hita. hoooooooooooooooy
15. Herimiafina ( 16/11/2005 21:41)
booboo:

Herimiafina > tsy boudhisme na hindouisme io raha lazain'i balite06 fa raha hafa mitsy. Ny an'ireo raha 2 ireo ny fanahy tsy mitaky takalony ary samy manana ny toerany ny fanahy isan-karazany fa tsy miray toerana araka ny an'i balite06

Marina ny anao, misy fanahy ratsy sy fanahy tsara koa.
16. Herimiafina ( 16/11/2005 21:52)
Iza no te ahahfantatra ny Grand Maître du sixième rayon?
17. cutie ( 16/11/2005 23:41)
iza zany ?
18. Herimiafina ( 16/11/2005 23:43)
Jereo ny Baiboly de ao amin'ny Testamenta vaovao no misy azy.
19. cutie ( 16/11/2005 23:44)
ka za wa tsy manana Baiboly e :-D
20. Herimiafina ( 16/11/2005 23:45)
Jereo ao amin'ny google ary hoe sixième rayon, Grand Maitre de mety ho hitanao angamba, hehehehe:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1885