Fihaonan'ny namana 2003

1. rfanjav ( 10/10/2003 12:59)
Manao ahoana,
Raha hanomana fiarahana mitsangantsangana (excursion) @ ity taona ity, mazoto ve ianareo?
2. dd ( 10/10/2003 18:59)
Efa misy hevitra ny hihaona ny 25 Oct 2003 ho avy izao any Paris, mbola eo ampanomanana izany ny namana sasantsasany. Aza misalasala manontany raha misy azo ifanampiana. Fihaonan'ny namana rehetra aty dilam-bato io aloha, izay afaka dia tonga na avy aiza na avy aiza.
Misaotra
3. rfanjav ( 11/10/2003 19:41)
Ny anay eto Madagasikara no tiako hotenenina fa ahoana moa no andehananay any Parisy?
Raha tsy possible koa ny @ ity taona ity, maninona raha asiana fifampiarahabana tratry ny taona 2004 e?
Eto Dago izany!
4. akamora ( 14/10/2003 15:46)
Tena ankasitrahana ilay hevitra ,
tonga dia farito ary ny fotoana ,ny toerana hivoriana sy hanomanana ilay fotoana .
Ny eto Dago ny tiako resahana an!
5. rfanjav ( 16/10/2003 19:24)
F'angaha tsy misy mazoto no tsy misy mamoaka ny heviny!
Miandry ny soso-kevitra avy any aminareo anie!
ataovy hevi-maro fa tsy vitan'olondrery akory io zavatra io!
6. tahiry ( 18/10/2003 14:57)
Ka andao ary hifamotoana e!

Ohatra hoe ... ny namana rehetra eto @ http://namana.serasera.org tongava daholo eo amin'ny avenue anoloan'ny Gare Soarano! amin'ny 25 Oktobra 2003, dia asaivo tonga eo ny mpaka sary sy ny mpanao gazety namanareo, mandritra ny antsasakadiny no ifamotoana ... MANOMBOKA amin'ny 17h30 ka hatrami'ny 18h00,

Ohatra io fa tsy voatery tsy maintsy atao an!
7. rfanjav ( 18/10/2003 19:43)

Voaray ilay hevitra fa misaotra e, miandry ny an'ny hafa indray e, dia ho hita eo izay azo arahana kokoa

Dia miandry ny hevitrareo koa @ io soso-kevitr'i Tahiry io, azo tanterahina ve, sa?

Fanamarihana kely fotsiny :tsy hariva loatra ve izany 17h30 izany e, dia ahoana ny @ fotoan-gasy?

8. tahiry ( 19/10/2003 12:35)
aza asiana fotoan-gasy aloha mou e!
fa izao, efa niresaka tamin'ny namana vitsivitsy aho, dia toa mety kokoa ny 17h fa efa maizimaizina hoe ny 17h30 ... ka mety izany ka!
izay afaka d mifanaova fotaona raikitra tsara, dia manantena ny rehetra hotonga an!

raikitra izany fa eny @ Avenue, Soarano anoloan'ny Gare amin'ny 25 Oktobra 17h ve no fotoana ?

9. mirnilla ( 19/10/2003 11:23)
ok!
10. eritreritra ( 19/10/2003 12:49)
mety l hevitra @ 25 fa tsy antomotra b v zany mety mbola tsy maheno daholo ny namna rehetra.
Ohatra hoe @ 1er ny toerana tsy miova ny fotoana ko fa ny daty ihany. Sa?
11. tahiry ( 20/10/2003 15:01)
atao zay mety e! na hasiana koa aza ny 1er Nov tsy maninona, ...

izay afaka ny 25 aloha dia tsara, fa ianao io eritreritra angaha tsy afaka ny 25?

ampitampitao @ namana e!
12. ngama ( 20/10/2003 17:58)
Marina izany, tsynmisy antony tokony hiemorana izany fa azo atao daholo ny hoe asiana ny 25 oct sy ny 1er raha tiana. Misy 1 semaine be izao hiomanana sady efa nalehan'i Hery ao @ liste de diffusion io ka inona indray no hampihanahana.
13. eritreritra ( 20/10/2003 18:34)
Tsy maninona amiko na 25 na 1er fa mba sosokevitra fotsiny ny ahy.
Ataovy maro2 ny pub @ zay bdb ny namana tonga e!
14. eritreritra ( 20/10/2003 18:43)
fa na d izany aza asio ihany prog @ fotoana manaraka ho an'izay tsy afaka @ io fotoana io.
15. rfanjav ( 20/10/2003 19:14)
dia raikitra izany ho an'ny eto Tanà @ 25/10 à 17h, Avenue Soarano alohan'ny Gare, dia ampitampitao e,
ka misy zavatra hoentina ve aloha sa tanam-polo? dia ahoana ny @ ilay mpaka sary?
16. rdilan ( 20/10/2003 15:56)
salut daholo e!
raha ny hevitro indray raha io asabotsy io efa mba week end ihany maninona raha atao aloha² ilay fotoana ohatra hoe ny 25/10/03 fa atao à 15h na hoe 16h any ho any kosa ohatra hoa an !
misy e! vive namana serasera e!
17. lucienr ( 20/10/2003 16:11)
Tena mifanandrify @ efa eritreritra ela ihany zavaa-masaka eto @ namana izany an!
Ka araka ny tenin'i rdilan, satria io efa week end dia maninona no tsy atao alouh louh: ohatra hoe @ 4ora hariva fara-fahatarany. Satria raha tsy diso aho dia io no fihaonana voalohany ataon'ny namana an, eto dago......tsara ka,
Misaotra @ fanamasahana e!
18. rfanjav ( 21/10/2003 16:15)
Aleo mihitsy alohaloha fa manahirana be izany tratra alina izany

@ telo ora ohatra, na @ efatra farafahatarany (mba jereo ihany mantsy ny mody lavitra e)

dia tsy mety ve raha mba samy mitondra zavatra kely tsakotsakoina ,
ohatra jus classiko kely iray isan'olona dia tsakitsaky izay ho entiny eo, dia vera à jetter iray isotroana azy,

eritreritra fotsiny ny ahy iny ka ahoana no mba hevitrareo?
19. eritreritra ( 21/10/2003 17:18)
ny ahy indray le à 17h no mety amiko, hevitro manokana io an!
Ny programme efa nipetraka efa ho 1 semaine donc ef misy zavatra hafa atao alohan'io d ef mipetraka tsra ka raha haroso indray!!!! mety ho misavoritaka daholo!
Sady ny ef fantatry ny rehetra d à 17h ! Ka sa aloha e!
20. djiulambout ( 21/10/2003 19:07)
Voaray e, efa ela no vonona sady niandry, azo tohizana io kan, rehefa eo mahita izay vinavina hafa mety haatao de eo mandrasa sy manapakevitra e, efa dingana lehibe le izy de isaorana isika rehetra.
Ny eo lafiny arapitaovana fakantsary sy ny sisa, miandry ze sosokevitra.

Eny @ gara e, olimpiko sy vera à jeter.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3921