tsy (...) ho marina daoly zay ambarany

21. rhaj0 ( 16/01/2020 15:17)
F'angaha tsy "Tenin'Andmntra" ilay dika-teny namenao avy tao @ Baiboly (gasy) iny re ry RBNIR, no eto indray ianao mamadi-dresaka any @ tenin'ny mpanjanaka

Tsy hay mihintsy 'le RBNIR 'ty. Dia arianao RBNIR any anjaoridira izany ny Baiboly gasy.
Bravo RBNIR.. koa na izaho azany ve hahavita an'izany? :-)
22. RBNIR ( 16/01/2020 17:30)
Arakaraka io rhajo misy teny vahiny no hainy tsara... Indrindra rehefa resaka problemana comprehension na grammaire tahaka an io
23. rhaj0 ( 16/01/2020 17:40)
Tena mba serieux ve ianao ry RBNIR @ io resakao io, sa ironie/sarcasm io, sa valy borainginy fotsiny no ataonao eto?..

Tandremo fa mijery anao RBNIR anie I Bainina avy "ao ambony ao" ho'a eee...
ataovy ao moa mananihany resa-Jesosy eto :-)
24. RBNIR ( 17/01/2020 10:57)
Izay mihitsy ilay izy ka ianao izao ohatra efa hita fa tsy dia mahay teny malagasy firy intsony na dia efa tena mihezaka mafy tokoa aza...

25. rhaj0 ( 17/01/2020 12:57)
rhaj0:
F'angaha tsy "Tenin'Andmntra" ilay dika-teny namenao avy tao @ Baiboly (gasy) iny re ry RBNIR, no eto indray ianao mamadi-dresaka any @ tenin'ny mpanjanaka

RBNIR:
misy teny vahiny no hainy tsara...

Ilay "Tenin'Andrmntra" @ teny vahiny izany no mitombona sy mazava kokoa, hozy RBNIR.

Ka dia averiko indray..

Tsy hay mihintsy 'le RBNIR 'ty. Dia arianao RBNIR any anjaoridira izany ny Baiboly gasy.
Bravo RBNIR.. koa na izaho azany ve hahavita an'izany?
:-)
26. RBNIR ( 17/01/2020 13:13)
afaka ampiasaina daholo ny dikan-teny rehetra amin'ny baiboly, misy amin'ireny no tena manazava tsara ny teny tiana ambara..;

Ohatra : Heb.4:9 « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebreo 4:9)

Io teny io ndraindray samy manana ny handraisany azy ny olona, nefa rehefa tena mamaky ianao ny sabata resahina eo dia ny "andro fahafito" araka ny baiboly katolika amin'ny teny angilisy...

9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

https://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4

Dia otran'izay e!

Misy koa ohatra ity teny ity « Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kolosiana 2:16)

Io teny io dia misy mihevitra fa ny sabata (andro fahafito no resahina eo) nefa rehefa jerena ny dikanteny frantsay dia hita fa sabbat(s) pluriel no resaka...Izany hoe tsy ny andro fahafito fa ireo sabata hafa izay voalaza hoe "sabata taona sns ao anaty baiboly no resahina eo...

https://saintebible.com/colossians/2-16.htm

Dia izay ilay izy e, mila mandalina kely indraindray dia mahita ny marina...

27. rhaj0 ( 17/01/2020 13:44)
Eka ro.. efa hay fa Ratsimpontsimpona Betsindrotsindroka RBNIR no anaranao... :-)

Tsimponina toko aman'andininy, tsindrohana dika-teny samy hafa... na mifanipaka aza ny isan'isany, dia mety foana io eee.. hozy RBNIR..
mila serivao "madio"-n'ny lavazy fotsiny io :-)
28. RBNIR ( 17/01/2020 14:27)
vakio tsara ihany sao hanenina e! efa ezahina hazava tsara mihitsy ny resaka...
29. rhaj0 ( 17/01/2020 16:41)
Dia ireo olona TSY manana ilay "Tenin'Andtrmna" tao @ Louis Second Bible izany, nefa "namaky tsara" ilay Baibolin'Andrianaivoravelona, izay "Tenin'Andrmntra" koa, dia manaraka "fampianaran-diso" ao, hozy RBNIR.

Izay izany izy io ry RBNIR an?..

Bravo RBNIR... bravo ho'a ee...
30. RBNIR ( 17/01/2020 17:04)

rhaj0:

Dia ireo olona TSY manana ilay "Tenin'Andtrmna" tao @ Louis Second Bible izany, nefa "namaky tsara" ilay Baibolin'Andrianaivoravelona, izay "Tenin'Andrmntra" koa, dia manaraka "fampianaran-diso" ao, hozy RBNIR.

Izay izany izy io ry RBNIR an?..

Bravo RBNIR... bravo ho'a ee...

I rhajo ange no tsy mahay teny malagasy fa ilay izy efa mazava be e!
31. rhaj0 ( 19/01/2020 20:09)
RBNIR - 16/01/2020 18:30:
misy teny vahiny no hainy (Andmntra) tsara...

RBNIR - 17/01/2020 18:04:
I rhajo ange no tsy mahay teny malagasy

Ngo dia tsara voazanaka voan'ny lavazy de serivao ao ry RBNIR, ary dia namorona fimirana vaovao: vahiny = malagasy


Fa mampalelo eee.. "fampianaran-diso" izany HONO, hozy RBNIR, no azon'ny gasy avy @ io baiboly nadikan'i Andrianaivoravelona io, fa ilay @ teny vahiny, izay hain'Andmntra kokoa, no marina kokoa
32. RBNIR ( 20/01/2020 08:21)
rhaj0:

Fa mampalelo eee.. "fampianaran-diso" izany HONO, hozy RBNIR, no azon'ny gasy avy @ io baiboly nadikan'i Andrianaivoravelona io, fa ilay @ teny vahiny, izay hain'Andmntra kokoa, no marina kokoa

Izao ilay hoe aza mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko...
33. rhaj0 ( 20/01/2020 13:48)
F'hita ho'a fa izany no ao an-tsainao re ry RBNIR..

Inona no maha-menatra anao tsy hiteny ny ao an-tsainao re ry RBNIR? Ataonao fa tsy efa takatr'i Bainina "ao ambony ao" moa izao ao an-tsainao ao izao ry RBNIR?
34. RBNIR ( 20/01/2020 20:11)
torakovitra ianao hoy aho raha mahita ny hitako....sy mandre izay reko rhajo! ngamba tsy ho zakanao ny mieritreritra hoe kay tena marina fa izaho no.....ary dia hisy nenina goavana tokoa moa izany ho tonga ao anatinao...

Enga anie ho tonga aminao izany...tsy ho zakanao ny atao hoe fahaverezana mandrakizay namana
35. rhaj0 ( 20/01/2020 20:13)
RBNIR:
Enga anie ho tonga aminao izany...

hi hi hi.. ozonozona ve izany ataonao izany ry RBNIR?

hi hi hi.. hainao ihany fa ny Atheist tsy miraika @izany ozona sy pensees mazika izany eee.. tsisy mahakasika ny Atheist ny imazination be vata anao ao ry RBNIR aa :-)
36. RBNIR ( 20/01/2020 20:50)
jereo fa ny ozona sy ny tsodrano aza tsy fantatrao akory .....iriko re mba hohitanao ilay miafina hitako mba hampahiratra anao rhajo a!!!
37. rhaj0 ( 21/01/2020 13:29)
Avoahy eo fotsiny ho'a izay resaka ry RBNIR aa.. Sa mahamenatra izy izao?

Nefa anie, milaza-tena i RBNIR fa miresaka aminy i JEsosy, avy etsy antongom-pandrianany isan-kariva ee..

Koa raha nahazo MAIMAIM-POANA ry RBNIR dia zarao MAIMAIM-POANA koa aa...

Sa tianao hanome ny 1/10-n'ny hananako ato ho anao koa aho ry RBNIR?
38. RBNIR ( 21/01/2020 13:40)
izaho tsy mandray ny 1/10 fa mpandoa ny 1/10....ary matoa aho mandoa dia fantatro fa izay no marina araka ny baiboly...

Raha ny baiboly no vakiana (tsy mahazo mihinana na dia iraimbilanja amin'ny 1/10 aho fa lasa mpandroba an'Andriamanitra...

« Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*. [Heb. fanatitra asandratra] » (Malakia 3:8)

Matahotra Azy aho ary tsy sahy mandroba Azy....
39. gasy1zay ( 22/01/2020 18:23)
RBNIR a! Vakio ny asan'ny apostoly 15, dia raiso ho anao io hafatra io satria ianao ilay tsy taranaka jiosy niova fo
40. RBNIR ( 23/01/2020 05:51)
efa novakiko tsara io fa resaka "famorana" no tena fototry ny resaka tao gasy1zay...
manaporofo izany ny voasoratra eo amin'ny sora-mandry...« [Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena. » (Asan'ny Apostoly 15:1)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2035