Ny Fitiavana sy ny Fivavahana/Finoana

1. rhaj0 ( 15/08/2017 17:05)
Samy manana ny tena mba tiany lazaina ny @ Fitiavana ny Fivavahana/Finoana isan'isany.
Inty nisy famintinana nataon'olo ny @ izany.


BAHAISME: Mon Amour atteindra celui qui m'aime véritablement.

BOUDDHISME: Cultivons un coeur d'Amour envers le monde entier.
(DALAI-LAMA: Love and compassion are necessities, not luxuries. Without them, humanity cannot survive)

CHRISTIANISME: Love your neighbor as yourself, Mark 12:31
(Andrianaivoravelona 12:31: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.)

CONFUCIANISME: La plus grande des bienveillances est d'aimer tous les êtres.

HINDOUISME: C'est à travers l'Amour que l'on peut le mieux adorer Dieu.
(YOGI BHAJAN: Where there is Love, there is no question.

ISLAM: Nous sommes petits face à limmensité de Dieu. Ceci inspire l'Amour en nous.

JAINISME: Les jours profitent davantage à ceux qui ont agi avec Amour.

JUDAISME: Tu aimeras les autres comme toi-même.

SIKHISME: Ceux dont le coeur est rempli d'Amour seront inspirés.

SHINTOISME: L'Amour est le reflet de Dieu.

TAOISME: Indestructible est l'Amour pur.

VEDANTA: La connaisssance du soi est l'Amour.

ZOROASTRIANISME: Aimons le Seigneur comme Il nous aime.


Dia @ ireo Atheist indray, dia misy toa ny hoe:

ADAM SAVAGE: Rules do not make us moral. Loving each other makes us moral.

EINSTEIN: When there is Love, there is no imposition.
Peace cannot be kept by force; it can only be achieved by understanding.
Love is a better teacher than duty.

Richard A. Weatherwax: You do not need the bible to justify Love, but no better tool has been invented to justify hate.



novalian'i Miharena ny 22/09/2017 19:21
2. RBNIR ( 16/08/2017 09:40)
Ampiko ilay an'ny kristiana rhajo

« Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » (Romana 13:10)

« Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, » (1 Korintiana 13:4)
« tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, » (1 Korintiana 13:5)
« tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, » (1 Korintiana 13:6)


Farany :
« mandefitra* ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. [* Na: manarona] » (1 Korintiana 13:7)
3. rhaj0 ( 16/08/2017 21:11)
Ka nandeha tany amina Tempoly Hindou ho'a izaho t@ herinandro teo, nanatrika ny fotoam-pivavahany.

1- Niantomboka tamina oommmm ny fotoana. Izany hoe, mifoka rivotra tsara (respiration profonde), dia mamoaka izany miadana sady mi-oommmm daholo ny iray Tempoly... teo @ 5-10 minitra teo. (Samy mipetraka) toa ny manao yoga daholo @ io.

2- Dia nitohy tamina fisainana am-pahanginana (meditation) efa ho 30-40 minitra teo. Mikimpy ary samy manadio ny an'eritreriny ny mpahay azy (mpanao yoga) @ io.

3- Dia narahina hira mifamaly: miventy ny mpitarika, dia mamaly mamerina ny eraky ny Tempoly. @ teny sanskrit moa ny hira, fa ny bokikely teo dia nanome dikan-teny: midera ireo ivavahana isan'isany, ry Ganesha sy ry Vishnu ... teo @ 15-25 minitra teo

4- Dia nisy tori-teny. Ny nataon'ilay mpitarika, dia nosokafany fotsiny ny Boky, dia izay voasokatra teo no noresahiny. Dia ny noresahiny t@ ity dia ny Fitiavana, teo @ 15-25 minitra teo.

5- Dia notohizana tamina hira indray, ary nofaranana t@ fandrehetana ilay encens, ilay tsirakazo manitra ireny, nanodidina ny kisarin-dry Ganesh sy Vishnu ary ny Guru be tao. Dia ny encens avy eo, entina eraky ny Tempoly, dia toa samborin'ny tsirairay ny setroka avy eo, ary anondrahany ny lohany.


Fa ny tiako resahina, dia ny Fitiavana, araky notoriana tao @ Tempoly Hindou io teo.

Ny takatro t@ tori-teny dia:

1- ny fototry ny Fitiavana (Hindou) dia ny Fahalalana.

1a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao, ary dia tokony (tena) mitia ny tenanao ianao, mila (tena) mitia ny tenanao ianao. Raha tsy tia ny tenanao ianao, dia misy fiantraikany (ratsy) @ hitiavanao ny hafa izany.

1b- ny fahalalanao ny hafa indray, dia (afaka) mitondra ho azy @ fandeferana (tolerance) sy firaisam-po (compassion), ka mahatonga anao ho mora mitia ny hafa.

2- ny Fitiavana (Hindou) dia tsy mitady fameriny.
Ny ataonao @ hafa, dia tsy antenainao valiny (amour gratuit, benevole) ary tsy asianao fepetra (amour inconditionnel). Rahefa manome am-pahalalahana ianao, izay ilay am-pitiavana Hindou, dia ho sambatra.


4. Miharena ( 17/08/2017 17:12)
Raha ny marina amin'ireo tanisaina ireo dia fitondran-tena no voaresaka ary fampiasana ny Fitiavana ho an'ny olona tsirairay eto ambany masoandro mba hampahomby azy tsara.

Raha ireo ataon'ny Hindou ireo dia hita hoe efa voalaza ao anaty Baiboly koa ilay fombany mandoro dintin-kazo manitra amin'olombelona mitovy aminy, izay tsy ara-panahy fa lasa sampy.

Ka tsy ilay fitiavana no olana fa ilay fombafomba hafahafa...
5. rhaj0 ( 17/08/2017 18:03)
Ndeha vabahako kely ireo fombafomba

Ny fombafomba nanitika an-dry Miharena k'lou, dia ilay dintin-kazo hono dia tsy ara-panahy fa lasa sampy. O ry Miharena.. Izaho k'lou mba nanatrika kifombafomba Kristiana (katolika ohatra) ihany, fa mba manofaofa sy manapariaka setroka tsihaitsihay koa zareo eee.

Dia ireo sary vongana sy sarin'i Ganesha sy Vishnu ary ny Gurus be etsy anoloana, dia tena toa ny ataon'ny Kristiana (katolika) sy ny sary (vongana) an'i Jesosiny ary Mariany sy ny Papa ihany.

Ilay fombafomba mi-ooommmm sy ny hira malezo @ teny sanskrit indray, dia raha ny fandrenesako azy, dia mitovy koa @ ireo hira sy lamentation be miaraka @ ilay feo monotone be an-dry Mopera, indrindra rahefa miteny Latina ireo.

Rahefa nanatrika ny revy Amerindiana koa aho, dia ny pow-wow koa dia toratorak'izany ihany.


Koa raha ny fahitako azy, dia ny sivilizasiona isan'isany izany, rehefa samy nampiasa ny imazination-ny tao ny olombeny aby tany, dia samy nahatsapa, fa ... ireo "fombafomba" ireo dia .. mamono lolo, ary mahatonga ny mpanaraka hanaraka.

Samy tany @ nisy azy aby tany zareo, ny Hindou tany Azia, ny Kristiana tao moyen-orient ary ny Amerindiana taty Zamerika, TSY nifankahita sy samy TSy nahalala ny fisian'ny andaniny akoriny, nefa dia samy roboka @ ireto fombafomba, dia ny lamentation-lavarenibe ity, na ny entona-setroka toa mazia-mazia, na ny fiankohofana amina sary (vaingana) ao.

6. Miharena ( 17/08/2017 18:16)
Marina ireo resakao ireo fa tsy lavina fa fombafomba ivelan'ny vontoatiny avokoa dia izay no mahatonga azy ho sampy rehefa mandeha ny fotoana ka hita fa tsy ahitam-bokany ilay fombafomba fa manao boribory vetaveta fotsiny.

Raha toa ilay fombafomba mampifantoka sy mampianatra dia hafa indray izay.

Ny momba ny olona tsy mifankahita nefa mitovitovy fombafomba : manamarina avy hatrany fa iray ihany no niavian'ny olombelona ary efa voamarika ao anatin'ny zenany ao fa hanao ireo fombafomba ireo izy abiaby voalazanao.

Fa raha tsy nisy Baiboly dia tsy afaka tamin'izany fombafomba izany ny olombelona efa mifoha ankehitriny.

Asa aloha fa izay no fandraisako azy hoe izay manao ireny dia olona mbola torantorana ka fohampohazina angambany fa tsy tena mifoha tsara arak'izay atoro azy ao anaty Baiboly ao.
7. rhaj0 ( 17/08/2017 18:32)
Miharena:
Fa raha tsy nisy Baiboly dia tsy afaka tamin'izany fombafomba izany ny olombelona

Asa k'lou n'enao, fa ny fahitako an'ireo, dia NAKA TAHAKA ny an'ny hafa (talohan'azy) ny Kristiana.

Raha mamahabaha kely ireo Fivavahana/Finoana talohan'ny Kristiana ianao, dia hahita fa betsaka ny revirevy naverina noraisin'ny Kristiana, averiko indray revirevy.

Io sahala @ ilay embleme Nazi ihany eee... Kay tany India no nakan'i Hitler ny kisary.

Fa lazainao fa "tsy ahitam-bokany" moa ny an'ny hafa, fa ilay Kopia nataon'ny Kristiana no "tena izy", hoz'ianao Miharena, dia ... (mety) marina tokoany ny anao, satria lasa dominant ny Kristianisma. Nefa aloha, na oviana na oviana, dia tsy hahavita hamafa ny soatoavina sy fombafomba hindou izay efa aman'alin-taonany no nisiany mihintsy ianao kristiana.
8. Miharena ( 17/08/2017 18:37)
Tsy resaka fakan-tahaka ny an'ny Kristianina fa misy ny fombafomba izay tsy navelany satria efa nataony talohan'ny naha-kristianina azy.

Toy ny Malagasy, rehefa mamadika ka rarana fa tsy misy ilana azy ny fandehanana eny am-pasana hangata-pitahiana dia tsy mety fa manao ihany na dia efa milaza ho Kristianina aza.

Ka aza afangaro ilay izy Rhaj0 fa avaho tsara a!

Avaho tsara ny fombafomba sy ny finoana miorim-paka.
9. RBNIR ( 17/08/2017 22:49)
rhaj0:

Ka nandeha tany amina Tempoly Hindou ho'a izaho t@ herinandro teo, nanatrika ny fotoam-pivavahany.

Ary efa manomboka miala ao amin'i rhajo ange ilay fotopisainana atheiste raha izany e! ;-)
10. RBNIR ( 17/08/2017 22:51)
ela ela tsy hita dia niverina indray an! manomboka manomana ny ho avy (mandrakizay) angah????

Enga anie ka ho hitanao i Jesosy ry rhajo!!!
11. rhaj0 ( 18/08/2017 01:12)
esy e ry RBNIR.. f'angaha misy Jesosy any @ Tempoly Hindou.. Lazaiko anao ry RBNIR fa nandalo tany @ Tempoly Boudista koa zahay t@ io herinandro lasa io. Saingy tsy nahita moine aho fa ireo sary vongana goavana no nojerijerena. Ary t@ iray volana ho'a, dia nanatrika pow-wow an'ny Amerindiana. Ny mandalondalo any @ Leglizy moa dia efa fanao. Dia eto @ serasera eto aho izao, miara-misotro mafy daka "virtuellement" miaraka aminareo eee.. ampazahoantsika ny razana etsy an-joro-trano, sa ahoana?? :-)

Fa ohatra izao t@ niaraka t@ ireo Hindou, dia ilay Yoga no tena nalehako tany. Mbola ho zaraiko eto ny @ io, fa @ ankapobeny, dia mitaiza manaraka dingana 4, dia ny vatana-fiaina-fisaina--"fanahy" ilay izy, fa izaho manokana, rehefa manomboka miresaka ilay "fanahy" zareo, dia itsikiko dia ijereko lanitra fotisny :-)


Fa ny nahavariana ahy, dia tena tsisy complexe ilay hindou, tao @ toriteniny, fa miresaka hoe, i Jesosy koa dia be fitiavana araka ny fiheviny, ary ny Atheista koa torak'izany. Izay fisainana izay, dia tena tsy mba hitako mihintsy @ Kristiana.. na hoe, dia tena isaina @ volon'orona ny Kristiana misoka-tsaina @ tsy-mitovy-finoana aminy.
12. RBNIR ( 18/08/2017 04:50)
rhaj0:

Lazaiko anao ry RBNIR fa nandalo tany @ Tempoly Boudista koa zahay t@ io herinandro lasa io.

Tena efa mitady mihitsy an! :) Enga anie hoy aho mba ho tonga any amin'i JESOSY ihany ny fikarohanao ny farany e!!
13. rhaj0 ( 18/08/2017 11:54)
Raha mba mikarokaroka Siansa koa aho izany dia "mitady" inona koa, hozy RBNIR?

Ny olona ho'a TSy toa anao daholo ry RBNIR, ka manao fiki-maty @ hazo tokana boboka ao foana, dia mihidy aman-trano mihevoka boky tonta lava ao ee... Ianaro re ny Hindou sy ny Silamo ohatra, fa zareo ho'a tsisy complexe miresaka Jesosy. Asa rahoviana ianao no tsy hanana complexe sy tsy ho coincé toa io, ka tsy sahy mba manoka-saina dia miresaka Ganesha sy Mahomet sy mba manaja ny an'ny hafa
14. RBNIR ( 18/08/2017 12:27)

rhaj0:

Raha mba mikarokaroka Siansa koa aho izany dia "mitady" inona koa, hozy RBNIR?

Ny olona ho'a TSy toa anao daholo ry RBNIR, ka manao fiki-maty @ hazo tokana boboka ao foana, dia mihidy aman-trano mihevoka boky tonta lava ao ee... Ianaro re ny Hindou sy ny Silamo ohatra, fa zareo ho'a tsisy complexe miresaka Jesosy. Asa rahoviana ianao no tsy hanana complexe sy tsy ho coincé toa io, ka tsy sahy mba manoka-saina dia miresaka Ganesha sy Mahomet sy mba manaja ny an'ny hafa


Mahafinaritra rehefa niala tamin'ilay "iringiriny" ianao rhajo a!

Tato koa nisy iringiriny tahaka anao teo aloha fa niova e!

http://rustyjames.canalblog.com/archives/2010/12/25/19966322.html

15. RBNIR ( 18/08/2017 12:28)
Mbola hazavaiko ny antony tsy handraisako ny sasany (raha sitrapon'Andriamanitra)....
16. rhaj0 ( 18/08/2017 12:48)
hi hi hi... tena mbola "Atheista iringiriny" aho ry RBNIR aa... Fa misoka-tsaina ary mamahabaha ny fomba fi(s)ainan'olona sy izay sivilizasiona isan-karazany ara-tantara sy jeogirafia, na ny lasa na ny ho avy, ary hatraiza hatraiza.

Fa ity no aoka hazava: TSY ho hitanao hanakapoka ny fi(s)ainako amina "dieu imazinera" velively aho. Ary mandrakizay doria izany. "Iringiriny" eee...
17. rhaj0 ( 18/08/2017 16:01)
Miharena:
Fa raha tsy nisy Baiboly dia tsy afaka tamin'izany fombafomba izany ny olombelona
rhaj0:
Asa k'lou n'enao, fa ny fahitako an'ireo, dia NAKA TAHAKA ny an'ny hafa (talohan'azy) ny Kristiana
Miharena:
Tsy resaka fakan-tahaka ny an'ny Kristianina fa misy ny fombafomba izay tsy navelany satria efa nataony talohan'ny naha-kristianina azy.

Ahoana koa azany izany kabarinao izany ry Miharena.

Ny "fombafomba" Zoroastrians ohatra dia ni-s'inspirer t@ Ahura Mazda: io no Andrmntra keliny.

Dia IZAY no "notohizan'ny Kristiana", hozy Miharena.

F'angaha ny "fombafomba kristiana" tsy mifototra, ary mifototra IHANY @ Andrmntra Kristiana???


Mitsangam-bolo mihintsy izao ny puriste Kristiana any, fa i Miharena dia manafangaroaro revin'i Ahura Mazda sy Jesosy.

Ataovy sy tohizo ho'a fa izaho ve hi-contredire anaao @ izany :-)
18. Miharena ( 19/08/2017 08:57)
Ny olana eto anie Rhaj0 dia toa milaza fa rehefa niseho ny Kristianina dia mba nisafidy izay Andriamanitra azo hivavahana izany ka naka tahaka tetsy sy teroa e!

Ny tena marina anefa dia tsy ny Kristianina no te-ho Kristianina fa ny Mpahary izao rehetra izao no miantso sy mampianatra azy aby hoe mifandraisa AMIKO mahazo fiainana ianareo voariKO!

Ny tsy manaiky fa IZY no nahary ny tenany aby no mandehandeha mivenjivenjy eny rehetra eny mitady fombam-pivavahana, na koa aza tsy mitady fombam-pivavahana fa mitazatazana ny mino fotsiny dia mitsikera, dia eny rehetra eny izy tsy mba manana fiononana mihitsy satria tsy manam-pifandraisana raikitra amin'ny Mpahary.

Ireo karazan'olona faharoa ireo no ataon'ny devoly fitaovana ampiasainy hampetipety ny fiainany dia very amin'ny katesizy araka ny tenin'i Mompera.
19. rhaj0 ( 20/08/2017 19:56)
Tohizako kely indray ny an'ny Hindou.

Misy hetsika mirindra ataon-drizareo iarahabana ny Masoandro hono. Toa ireny "kata" ireny. Dia miantomboka @ miaina tsara sy lalina, dia mitohy @ fitaizana vatana toa ny mihenjana (etirement) sy miforitra sns.. Azo atao kisarisary hoe, toa manipy tanana any an-danitra, dia miankohoka indray koa ilay izy.

Nisy psy any @ sekoly iray izay teo niresaka tamiko. Dia hoz'izy hoe, ny mpianany izay stressé na angoissé ireny hono, dia ampirisihany hanao io toa "kata hindou" io, fa sady mitaiza ny vatany io no mampilamina ny sainy.


Dia izay mihintsy no fahitako azy. Ny an-drizareo Hindou, dia toa araikitra (incorporé) @ Finoany ny fitaizam-batana sy saina. Eto izany, dia ... sarotsarotra ihany ny hilaza @ Ankizy hoe, mandehana manao zym kely sy miaina tsara sy mandamin-tsaina rehefa isa-maraina, fa tonga dia tsotsorina fotsiny hoe, "mandehana mivavaka @ Masoandro".


Ary io no maha-samy hafa azy @ Kristiana. Ny Kristiana aloha dia tena zéro mihintsy @ fitaizana vatana/fiaina sy ny mampilamin-tsaina (meditation). Ny Judéo-chrétien dia.. ity mikimpy mafy toa constipé ity, dia ny mandohalika fotsiny sy mimenomenona (lamentation) lavarenibe no hany mba ataony. Ny Jiosy azany moa manakapokapoka loha @ ilay mur des lamentations-ny ao.
Raha ohatra hoe samy marary ao izany ohatra, dia izany ve dia hanampy hahasitrana?
20. Miharena ( 21/08/2017 04:14)
Diso io fijerinao ny Mpino an'Andriamantra Mpahary io Rhaj0.

Jehovah sy Jesoa no Mpanasitrana amin'ny mpino.

Misy tranga tsy hain'ny dokotera, psy na Yogii manasitrana nefa sitran'i Jesoa sy izay mpanara-dia AZY.

Raha sendra ireo karazan'aretina mila psy ireo ianao Rhaj0 dia manatona fiangonana fa sitrana a!

Aleo atao ohatra tsara ilay Tsaratsara izay efa voa mafy nefa nampandehanin-dreniny tany amin'ny fiangonana dia sitrana.

Jereo indray koa ny tantaran'i Mama Hova izay efa maty notsindromina formol fa iny velona miresaka hatraiza hatraiza iny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1278