Ny Fitiavana sy ny Fivavahana/Finoana

21. rhaj0 ( 21/08/2017 11:49)
Tsy takatr'i Miharena ny resaka, na oaininabe izy fa zéro ny revireviny. Fa dia averina indray izany ee...

Ny atao marain-tsy hariva dia:
- ny an'ny Hindou, dia lasa nataony hoe, vavaka = zym+fiaina+meditasio.
- Ny an'ny Kristiana anefa, vavaka = constipé+mikimpy, na manitrikitrika-manakapokapoka-loha.
Iza @ ireo no manampy ny fahasalamana, na ara-batana na ara-tsaina??

Dia navilin'i Miharena @ mazia-mirakla an'i Tsaratsara sy Mama Hova indray ny resaka.


Raha ny kely takatro ny an'ny Katolika, dia raha misy manao mazia-mirakla, dia asandratra ho Masina. Fanefa kosa, misy fanadihadiana lalina sy elaela vao miroso @ io zareo.

Fa ny an'i Miharena moa, vao miteny fotsiny i Tsaratsara, tonga dia inoany. Nefa moa, efa rikoriko ihany ny namanao Kristiana izay mba "nanadihady"; jereo anie ato ohatra
http://forum.serasera.org/forum/message/m55e572721a0a9
22. Miharena ( 22/08/2017 10:35)
Aza atsipy any amin'ny taona 2012 ilay izy fa jereo ny tranga miseho isaky ny misy olona maty natsangana.

Ny an'i Rhaj0 manko raha vao tsy mifanaraka amin'ny eritreritra lazainy fa manara-penitra aminy dia lazainy fa tsy izy.

Ny fisian'ireo tranga fananganana nataon;ny Tompon'ny aina no resahana dia zavatra hafa no avaliny azy ary fiheverana tsy manazava velively izay tranga nihatra tamin'ireo olona voambara etsy ambony.

Mba asio fitohizan-kevitra izy ity Rhaj0 fa tsy hoe rehefa tsy tianao ny mirakla dia ialana ny fanazavana azy.

23. rhaj0 ( 22/08/2017 11:47)
Dia (mbola) hiankohoka foana ve ianao ry Miharena raha mahita an'ity?
IO izao "tranga fananganana nataon;ny Tompo", ary ampolony io ny "vavolombelona", ary voaray video mihitnsy!!!

24. Miharena ( 22/08/2017 12:03)
Aza avily any amin'ny tsy izy ilay resaka fa ataovy matotra kokoa Rhaj0 a!

Resaka fananganana ny maty no resahana dia zavatra hafa no resahanao.

Tadiavo ny porofo aloha fa tsy misy fananganana maty nihatra teto ambonin'ny tany vao miresaka vfa aza avily.
25. rhaj0 ( 22/08/2017 12:28)
Araho tsara ny fizotran'ny resaka ry Miharena, fa resaka Hindou sy ny zym+fiaina+meditasio sy ny Kristiana sy ny constipe+mikimpy no nolazaiko, fa navilanao any @ fitsanganana @ maty.

26. Miharena ( 23/08/2017 19:08)
Fa aleo ity resaka eto ity ajanona fa tsisy idiran'ilay fitiavana, fivavahana/finoana ilay resaka zym meditation.

Ny fananganana ny maty aza no mifandraika kokoa satria fitiavana no hananganana ny maty ary finoana izany ka izany no hivavahan'ny olona mba hahazo fiainana mandrakizay.
27. rhaj0 ( 25/08/2017 12:39)
rhaj0:
Fa ny tiako resahina, dia ny Fitiavana, araky notoriana tao @ Tempoly Hindou io teo.

Ny takatro t@ tori-teny dia:

1- ny fototry ny Fitiavana (Hindou) dia ny Fahalalana.

1a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao, ary dia tokony (tena) mitia ny tenanao ianao, mila (tena) mitia ny tenanao ianao. Raha tsy tia ny tenanao ianao, dia misy fiantraikany (ratsy) @ hitiavanao ny hafa izany.

1b- ny fahalalanao ny hafa indray, dia (afaka) mitondra ho azy @ fandeferana (tolerance) sy firaisam-po (compassion), ka mahatonga anao ho mora mitia ny hafa.

2- ny Fitiavana (Hindou) dia tsy mitady fameriny.
Ny ataonao @ hafa, dia tsy antenainao valiny (amour gratuit, benevole) ary tsy asianao fepetra (amour inconditionnel). Rahefa manome am-pahalalahana ianao, izay ilay am-pitiavana Hindou, dia ho sambatra.

Ka ny Fitiavana izany dia miainga @ "(Fahalalana sy Fitiavana) ny Tena". Raha mbola tsy milamina ianao sy ny tenanao, dia hisy fiantraikany (ary mety ratsy) foana izany @ fifandraisana sy fitiavanao ny hafa.

Dia eo no tonga @ ilay YOGA. Ny Yoga, raha ny fahazoako azy taloha, dia ilay mahay mamolapola-tena sady tena mahay manatony (calme) ny tenany. Fa toa izao no nohazavaina tamiko..


Ilay "filaminan'ny tenanao sy ianao" dia 1-ara-batana, 2-ara-fiaina, 3-ara-tsaina sy ara-po, ary ... 4-ara-panahy (méditation). Rakofan'ny Yoga daholo ireo. Ilay 4-méditation no tanjona farany, fa mandalo @ fanafolahana ny 1-vatana, 2-fiaina, 3-saina ary fo ilay izy, izay vao lafatra ny fahatongavana @ 4-ara-panahy (méditation).


1- mila milamina (confortable sy à l'aise) @ tenanao ianao, @ fipetraka isan-karazany (dans toutes positions). Io izany na mipetraka mifolapoaka mahazatra iny, na mitsangana, na akoriny aza, raha manao poirier (mipetraka @ loha). Ka dia eo izany dia toa ny manao zym (étirement+musculation) no ifampitaizana.

Ny voalohany izany dia fitaizam-batana. Eritrereto hoe, rahefa manao poirier ianao, dia miasa ny hozatra isan-karazany HAFA noho ny hozatra @ fahazaranao mitsangana. Mekanika ny vatantsika, ary nefa, raha tsotsorina, dia ohatra hoe, toa ny manindry havia foana isika. Izany no mahasimba haingana ny ilany haviantsiaka.

Fa rehefa voataiza ho milamina (confortable) io ny vatana,
- dia ho moramora kokoa ny manao méditation @ fipetraka isan-karazany: izay ny tanjona farany.
- ary afaka ny maha-araka (controle) ny vatanao ianao, @ fipetraka isan-karazany: mahalala ny vatanao ianao, ary afaka ny hitia ny vatanao (sy ny tenanao): izay koa ny tanjona lehibe farany.


Ho tohizana aoriana kely... Fa averiko kely fotsiny, fa ny an'ny Hindou eto izany, dia io "fitaizam-batana" io, izay dingana iray @ Yoga, dia
- raiki-tapisaka (incorporé - embedded) @ fitadiavanao Fitiavana... sy hasoavana sy hasambarana (bien-être),
- ary indrindrindra koa, raiki-tapisaka @ Finoana. Kifombafomba miaraka @ fivavahany sy finoany ilay izy.

28. rhaj0 ( 25/08/2017 14:06)
Iverenako ihany ary amafisiko foana, fa raha ny fahazoako azy ho'a, dia kifombafomba miaraka @ Fivavahana/Finoana Hindou ilay Yoga. Toa ny hoe, ny Katolika raha ao @ Leglizy dia mandohalika. Ny Moslimo dia miankohoka. Ny Hindou manao (pose-na) yoga.

Fa tsy "pose" fotsiny ilay Yoga, fa misy fitaizana vatana/fiaina/saina/fo/fanahy, ary IRAIKA TAMPISAKA @ Fivavahana/Finoana Hindou izany. Ary izay no maha-SAMY HAFA BE ny Hindou sy ny Kristiana ho'a.


Ny an'ny Kristiana izao, ny takatro mba "araiki-tapisany" @ Fivavahana/Finoany, dia ny .. Politika. Tiany fehezina ny olona/firenena @ alalan'ny Fivavahana/Finoana. Resaka lavabe ity ary mila akisaka ho lohahevitra hafa. Fa mba te-hampazava ilay "raiki-tapisaka @ finoana" fotsiny aho.



Entre-pa fa ny resako eto, dia mba tiako izarana ny fahalalana sy fahendren'ny hafa (Hindou ohatra eto). Fa... sady mamely fantsy, manabaty sy manazinona ;-) an'i Miharena na RBNIR (Kristiana) ihany foana moa aho. Eto izao dia sirika be fa tsy mety ho taka(ri)n'ny hoza-dohan'i Miharena-Kristiana mihintsy ity resaka eto ity, noho izao finoany zéro ao izao. Nisy namana nanontany ahy ambadika hoe, tsy dia ilaina ilay mamely mafy ireo Kristiana, dia hoy aho hoe, ka tena mila electrochoc zareo, fa isaorany @ izany ihany aho any aoriana any. Fa dia akipilio izay (resak') i Miharena/RBNIR rahefa tsy tianareo, fa raiso ilay fizarana resaka eto ee... :-)
29. Miharena ( 25/08/2017 18:32)
Mety mazava kokoa raha toa ka eken'i Rhaj0 ny fitaisam-panahy.

Fa raha ny fahafantarako dia tsy tia fitaizam-panahy izy.
30. rhaj0 ( 25/08/2017 20:15)
Velabelaro azany ny "fitaizam-panahinao" dia iaraha-mahita eo ee...

Fa mba miaiky ve k'lou ianao ry Miharena, fa tena zéro manatody ny Kristianisma raha resaka fitaiza-tena?? na koa fitsaboa-tena??

Tena mba misy resaka fitaizana vatana tokoany ve k'lou ao anaty Baiboly ee??

Toa maziamaziamirakla ihany no mba takatry ny Baiboly dia asesiny averimberiny.
Taiza nisy "fotaka+roa" na koa "tain-tsofina+rora" manasitrana izany, fa mba angano ka tantaraina.
31. Miharena ( 29/08/2017 12:07)
Sao dia resaka tiana roritina aza ity ataonao ity Rhaj0.

Ianao izany anie toa mpanao safobemantsina araka ny fitenenana rehefa maka ohatra e!

Ahoana moa no hamantaranao fa tsy manana fitaizan-tena ny olona mivavaka?

Ny fanasitranana dia an'i Jesoa fa ny olona manao izany dia fantsona ihany.

Maro ireo olona viatsabo noho ny Anaran'i Jesoa.

Ny resaka fitaizam-batana ao anaty Baiboly dia mifototra amin'ny fanajana ny Tempolin'Andriamanitra dia io vatana io izany.

Rehefa tsy mitaiza io ianao dia simbain'ny Tompo namorona izany vatanao izany. Rehefa manaja azy kosa ianao dia miasa araka ny nanamboarana azy araka ny tena fotony io vatana io.

Izay nositranina dia nilazana hoe mandehana ary aza manotra intsony. Ka ny ota no mankarary raha ny marina.

Toa anao ihany io, rehefa mangalatra dia tsy mahazo aina dia mandraiky marary avy eo satria miahiahy lava.
32. rhaj0 ( 29/08/2017 16:37)
tohizako indra yity...
rhaj0:
Fa ny tiako resahina, dia ny Fitiavana, araky notoriana tao @ Tempoly Hindou io teo. Ny takatro t@ tori-teny dia:
1- ny fototry ny Fitiavana (Hindou) dia ny Fahalalana.

1a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao

Ilay "filaminan'ny tenanao sy ianao" dia 1-ara-batana, 2-ara-fiaina, 3-ara-tsaina sy ara-po, ary ... 4-ara-panahy (méditation). Rakofan'ny Yoga daholo ireo.

1a.1- mila milamina (confortable sy à l'aise) @ tenanao ianao, @ fipetraka isan-karazany (dans toutes positions) ... dia ho moramora kokoa ny manao méditation @ fipetraka isan-karazany: izay ny tanjona farany.

1a.2- mila mahafehy tsara ny fiaina (respiration) izany ianao, aoriana, na ny marimarina kokoa, ampiarahina iliay nahafehezanao ny vatanao teo io.
- tsy vitan'ny manome oksizena ny tena ny fiaina (izay "mampilamina" ny vatana koa),
- fa atao koa anombohana amehezana ny saina hifantoka.

Ny ifantohana, rahefa miaina milamina io, dia ny ampi-relaxe ilay vatana sy rantsambatana (sy ny hozatra...).

Toatoa izao ny fampiarahana ireo 1- sy 2- ireo. Arahina @ ilay fitempon'ny fiaina, dia eritreretina ny vatana. Ohatra hoe, eritrereto ny ankihikeli-tongotrao. Dia baikoy izany hi-relax. Dia eritrereto indray ny laferam-paladia. Dia tohizana miakatra hatrany.

"Manomboka mifantoka" izany ianao eo, izany hoe, mamehy ny saina, izay mamehy ny fiaina sy vatanao.

RAhefa voafehinao ireo 3 ireo, dia ho moramora kokoa ny manao méditation any aoriana: izay ny tanjona farany.
33. Miharena ( 29/08/2017 20:42)
Lesona efa fantatra ny fanaovana meditation. Ary fomba fitaizan-tena raha ireo voambara ireo no jerena.
34. rhaj0 ( 29/08/2017 23:13)
Fa tandremo ho'a ny misavisavika ny fombafomban'ny HIndou sy ny Yoga-ny ary meditation-yogist, fa.. misy Kristiana (toa anao) nilaza fa "devolivoly" hono io, satria toa miantso Ganesh sy Vihnu an...

TSY ao anaty Baiboly ny meditation-yogist, fa raha Kristiana marina sy tena izy ianao ry Miharena, dia ifikiro ny fomban'i JEsosy rehefa mivavaka izy. TSY manao yoga Jesosy.
35. calin.brandon ( 05/09/2017 05:58)
Miharena a, efa fantatra anie fa rehefa tsy mifanaraka amin'ny hevitry Rhaj0 ny hevitrao dia laviny amin'ny fomba rehetra e !

Tary ambadika tary dia efa nolazaina Rhaj0 fa ny fivavahana rehetra dia misy hifandraisany sy itoviany daholo. Tsy nanaiky an'izany izy. Fa izao izy vao manomboka mankato an'io tsikelikely. Fa na izany aza dia tsy mbola hainy ny miala aminy fanaovana resaka matavy.
36. Miharena ( 05/09/2017 07:25)
Efa fantatra ihany io fombany io Calinbrandon a!

Ny fijeriko azy io izao manko dia karazan'olona mivoana amin'ny maro izy io dia mamboly foto-pisainana manohitra izay hatrany satria angamba miavaka amin'ny maro izy.

Na mifanohitra tanteraka amin'izay : izany hoe Rhaj0 dia mitoky amin'ny tangoron-kevitra manohitra ny zavamisy fotsiny fa tsy mijery azy rehetra ary mametraka azy aby ao anaty erana tokony hitoerany tsirairay avy.

Ny ezahana fotsiny dia ny manitsy rehefa miteniteny foana eto izy.

37. rhaj0 ( 05/09/2017 14:56)
Miharena:
Lesona efa fantatra ny fanaovana meditation.

Asa ho'a raha takatr'i Miharena fa ireo "lesona fantatra" ireo dia
- TSY ao anaty Baiboly. Ary TSY takatry ny (hoza-dohan'ny) Kristiana velively
- fa ny avy @ "fampianaran'ny Hindou" no noraisin'ny mpanome "lesona" (mba tsy ilazana hoe nangalariny tahaka).

Dia averiko foana. TAndremo ry Kristiana tena izy ny misavisavika ny "fomban'ny Hiindous" io, fa ... ny namanareo Kristiana mpandalina no efa nilaza fa "devolivoly" io "méditation (hindou)" (avy @ yoga) io satria miantsoantso Ganesh sy Vishnu.

Dia ampatsiahiviko ihany fa ny Hindou dia POLYTHEIST.. ary izany dia fahavalon'ny MONOTHEIST, toa ny Kristiana.

FAntaro (sy ianaro tsara) ilay Kristianisma fa aza mba ny eritreritra nofinofy imazination-nareo ao ry Miharena sy Calin no akapokapokareo @ ity izy, fa manala-baraka an'i Kristy anie ianareo ee...

NEfa moa raha hanao izany foana i Miharena sy Calin..
hi hi hi.. izaho indray ve hi-contredire anareo :-)
38. Miharena ( 05/09/2017 18:30)
Efa mazava fa asan'ny olombelona ary fikarohany manokana ny an'ny Hindoue sady mitoky amin'andriamanitra maro hono.

Ny an'ny Kristianina dia IZAY MAHARY azy no itokiany fa tsy izay voary hafa miara-belona aminy akory.

Ka ahitsio tsara arak'izay aloha ny hevitrao fa aza manohitra ilay tena Fototra Iorenan'ny Mpahary manome ilay hafatra avy AMINY e!

Raha anio alina ianao izao no mahazo hafatra avy AMINY dia tsy afa-manda fa izay no izy.

Ry Vishnu sy Ganesh izany tsy manana ny tsiambaratelon'ny fiainana mandrakizay fa ny manome ampaham-bintana fotsiny angamba raha hisy aza izany.

Ka izay hivelomanao eto an-tany tsy mahasoa noho ny fiainana mandrakizay ka aza afangaro amin;ny zava-mandalo fa kilasio tsara araka ny tokony ho izy.
39. rhaj0 ( 05/09/2017 18:46)
Moa va mba hainao ny revin-dry Ganesh sy Vishnu ry Miharena no toa tonga dia itompoanao teny hoe "tsy manana ny tsiambaratelo" zareo? FAhitako azy eto dia tena tsy hainao akoriny azany fa "naka inspiration" t@ fivavahana hindou anie ny kristianisma. Sa atao hoe "hindou fanavaozana" ny kristianisma vao azonao? Nefa anie toa niteny ihany ianao fa "misy ifampidirany io ee"..

Tsarovy tsara foana fa ny Hindouisme no talohan'ny Kristianisma.

Fa dia averiko ihany eee.. Fantaro (sy ianaro tsara) ilay Kristianisma (sy ny HIndouisme) aloha, fa aza mba ny eritreritra nofinofy imazination fohinao ao ry Miharena no akapokapokao @ izay resaka rehetra eo, fa tena sady manivaiva ny hafa tsy amim-pototra ianao io no manala-baraka an'i Kristy ...
40. Miharena ( 06/09/2017 07:46)
Tsy miresaka firehana aho fa ny Fototra eo ambony eo.

Izany hoe na antitra be toy ny inona aza ny Vishnu sy Ganesh dia tsy teo raha tsy nisy Mpahary izay voalohany hatramin'ny fanorenana izao rehetra izao.

Ka aza ampidirina amin'ny fe-potoana ampahan-davotrisan'ny fe-potoana nisian'ny Mpahary ilay izy fa manjary mampidina ilay finoana Kristianina matoky ILAY MANDRAKIZAY any amin'ny omazinasion-nao mitanisa tranga anatin'ny eram-be iresahana Rhaj0 a !

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1966