Ny Fitiavana sy ny Fivavahana/Finoana

41. rhaj0 ( 06/09/2017 11:38)
Miharena:
Izany hoe na antitra be toy ny inona aza ny Vishnu sy Ganesh dia tsy teo raha tsy nisy Mpahary izay voalohany hatramin'ny fanorenana izao rehetra izao.

Andramo indray i Prajapati.. toa Izy io no namorona ny Andrmntry ny Kristiana sy i Brahma. Satria i Prajapati efa teo, ary taoriana vao nipoitra ny Andrmntry ny Kristiana sy i Brahma :-)
42. Miharena ( 06/09/2017 18:07)
Ilay Mandrakizay tsy misy talohany ka ahoana moa no ilazanao Rhaj0 fa izay anarana tanisainao eo dia ho taloha?

Tsy resaka tantara taty aoriana fa fiandohana no resahana ary IZAY efa nisy talohan'ny zava-drehetra.
43. rhaj0 ( 06/09/2017 19:02)
Z'afady fa tena TSY mamaky Baiboly tsara ianao ry Miharena. Ivereno vakiana Genesisy, izay efa nohadihadiana lavabe teto, fa "au pluriel" ny Andrmntra.

Ary i Prajapati dia "mazava ho azy" fa tao koa..
Ary Izy dia talohan'ny Andrmntry ny Kristiana sy i Brahma.
44. Miharena ( 07/09/2017 18:49)
Ny Andriamanitra lazainao fa maro dia ny TELO IZAY IRAY niara-namorona izao rehetra izao.

Ny hafa dia mazava ho azy fa voary koa dia ny Kerobima izany ary manana anjara asa mazava tsara ireo Kerobima ireo.

Ny olana dia nanaotao foana ny Kerobima mazava indrindra tao dia Satana izany ka nitarika fanafintohianana satria dia nisy ireo nanaraka azy nanao izay ratsy toy ny hoe nanambady olombelona nefa Anjely tokony hiaraka amin'Andriamanitra manatanteraka ny fanatsarana ny zavaboary.

Efa betsaka ihany no rava ankehitriny aloha fa tsy mirindra mihitsy fa dia matoa mbola arindra arak'izay mahametimety fa tsy tena mety toy izao dia mbola eo Andriamanitra RAY sy Zanaka ary Fanahy Masina manasitrana sy mamoha izay azo fohazina hitana ny tontolo tsy ho ringan'ny ratsy.
45. rhaj0 ( 07/09/2017 19:07)
Mitsindroka "TELO IZAY IRAY" any @ andininy hafa tsy hita any indray i Miharena. Nefa efa hoe ao @ Genesisy io Andrmntra au pluriel io.

Aboahy eo (toa ny fanaonao) azany ilay Andrmntra au pluriel ao @ Genesisy, ary ho hita eo raha azo hitarina toa elastika hatrany @ 3/1 ny baolina.

46. Miharena ( 08/09/2017 07:53)
Azo atao tsara ny manazava kah!

Mitaona anao aloha aho hamaky ny talohan'ireto andininy ireto:

Gen 1 : 26-30
26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
28 Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
29 Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
30 Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.



Ny Gen 3:22-23

22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
23 ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
24 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.


Raha mamaky ny talohan'ny namoronana ny olombelona ianao dia tsy misy afa-tsy i Andriamanitra no namorona ny Mazava sy ny zavaboary rehetra mandra-pahatonga ny faha-26 izay namoronany ny Olona. teo IZY vao nilaza hoe handeha isika hanao.......

Noho izany, ireo Voary teo alohan'ny voary samihafa natao ho eo ambany fanapahan'ny olona no nanome ireo noresahan'i Jehovah ireo hoe indro, efa mitovy amin'ny iray amintsika ny olombelona. Ireo no Kerobima sy Anjely izay miara-miasa amin'Andriamanitra.


Azo antoka fa io ilay iray io ilay Devoly ka tsy azo atao intsony ny mampaharitra ny olombelona hiaina mandrakizay satria hanaotao foana manomboka teo amin'ny fahalavoana ny olombelona.

Ny mahatonga ilay hoe TELO IZAY IRAY indray dia ireto andininy ireto:

Jaona 17:23-26
23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
26 Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.


Vavaka nataon'i Jesoa io ampahany raisina io fa maro ireo teny milaza fa efa ary Jesoa talohan'ny fanoranana izao rehetra izao.

Ny dikan'izany dia Jesoa no hary voalohany indrindra ary tao amin'Andriamanitra IZY sy ny Fanahy Masina izay nirahina rehefa niakatra tany an-danitra IZY.

Raha fehezina dia Jehovah - Jesoa - Fanahy Masina no voalohany.

Avy eo ny Kerobima sy ny Anjely.

Avy eo nanao ny fahariana rehetra Andriamanitra.

Avy eo niresaka tamin'ireo mpiara-manana FAHZAVANA AMINY IZY hamorona ny olombelona.

Dia rehefa nanaraka ny baikon'i Satana Eva dia lasa toa azy. Izany hoe lasa nitsiry tao ny ratsy izay tsy tokony ho ny olombelona no hanana izany fa ny iray tamin'ireo Kerobima ihany.

Dia teo no nisian'ny korontana mandrak'androany.

Dia averina eto an-tany amin'izay aloha isika dia hakana ohatra velona amin'izay:

Raiso fotsiny hoe tsy rony tsy ventiny eo misy olona mamono olona, mandainga, mamitaka ny namany amin'ny fanaovana politika maloto sns... Avy aiza izany? Avy amin'ny fahazoana ilay voa ratsy azo tamin'io tantara io.

Dia azo raisina tsara hoe iza no arahinao rehefa tsy manaraka an'Andriamanitra sy Jesoa ary ny Fanahy Masina. TSOTRA BE


47. rhaj0 ( 08/09/2017 23:13)
Ilay ao @ Genesisy anie ry Miharena, dia ... mba fantatrao ve hoe, iza moa no "vavolombelona" tao, dia nandrakitra azy ho lasa tonga ao anaty Baiboly io??

Tsy izany fa i Prajapati koa mantsy nampitantara ny "vavolombelony", ary nefa ho'a, ny an-dry Prajapati dia TALOHAN'NY an'ny Kristiana.


Ny an-dry Prajapati izao, dia voatsinjony ny hisian'i Brahma sy ny Atry ny Kristiana sy izay hafa rehetra, ao AORIANA ao.
Prajapati is the Supreme Creator, The Lord of Creatures


Ny Atry ny Kristiana anefa tena TSY kopy ny teto ambony tany.
- Tsy fantany akoriny hoe, nisy Prajapati anie talohany.
- Tsy fantany akoriny ohatra hoe, misy iceberg any @ pole nord, fa ny hany fantany dia ny 10 km a la ronde tao moyen-orient tao, dia lazainy fa noforoniny avy takaikin'ny reniranon'i Babilaona izao tontolo izao.

48. Miharena ( 11/09/2017 17:47)
Azonao omena ve ny referansy sy ny asan'io Prajapati io aloha fa hoatry ny hoe manonona anarana tsy fanta-pihaviana izany no fijery azy sady oviana koa moa io soratra io no niseho ary toy ny ahoana no fomba fanehoany izany famoronana nataony izany?
49. rhaj0 ( 11/09/2017 18:18)
Miharena:
Azonao omena ve ny referansy sy ny asan'io Prajapati io aloha fa hoatry ny hoe manonona anarana tsy fanta-pihaviana izany no fijery azy sady oviana koa moa io soratra io no niseho ary toy ny ahoana no fomba fanehoany izany famoronana nataony izany?

Raha vao migogola ianao ry Miharena, dia .. (a)hitan'i Prajapati. SAvasavao ao eee... Ianao koa ve dia miandry ho toriko teny eto? Hafa ihany rahefa ianao mihintsy no mi-decouvrir azy :-)

Hanampiana anao ny @ sanskrit fotsiny, dia hoe:
Sanskrit, meaning 'perfected' or 'refined', is one of the oldest, if not the oldest, of of all attested human languages.

Dia io izany no "human language" voalohany, ary "mazava ho azy", niresaka ny God voalohany.

Koa raha avadika @ Kristianisma ny fanontanian'i Miharena dia:
-- avy aiza no nihavian'ilay anarana (tsy fanta-pihaviana) hoe "Andriamanitra" ry Miharena? Avy t@ sanskrit koa ve?
-- oviana izany no niseho (voalohany)? Talohan'ny sanskrit ve?




50. Miharena ( 11/09/2017 18:23)
Hay ve resaka Sanskrit no tianao hiaviana e!

Ny teny Malagasy dia avy amin'ny teny Sanskrit aloha.

Dia tokony ho fantatry ny Malagasy Ntaolo tsara izany io Prajapati io fa anontanio daholo ry dadabe isany fa tsy mahafantatra izany fa Zanahary no fantany.
51. rhaj0 ( 11/09/2017 22:27)
Miharena:
anontanio daholo ry dadabe isany fa tsy mahafantatra izany fa Zanahary no fantany.

... sahala @
- TSY fahafantaran-dry Dadaben'i Dadabe an'i Dieu chretien, sy
- TSY fahafantaran'ny Kristiana (Miharena) an'i Prajapati

Hitanao @ izany ny tantaran'ny FInoana.. fa ianao Miharena moa coincé ao @ ilay Dieu Chretien satria ho'a dia acculturé lozabe ao: ny an'ny Razanao arianao, ny Dieu chrétien no hany fikirinao, ary ny an'ny hafa tsy takatrao.
52. Miharena ( 12/09/2017 06:52)
Izany hoe raha azoko tsara dia heverinao fa miteny amin'Andriamanitra niforona taty aoriana be ireo Kristianina ireo fa tsy miresaka amin'Ilay Mpahary Hatrizay mandrak'androany?

Valio tsara aloha ilay fanontaniana Rhaj0.
53. rhaj0 ( 12/09/2017 12:40)
Miharena:
Izany hoe raha azoko tsara dia heverinao fa miteny amin'Andriamanitra niforona taty aoriana be ireo Kristianina ireo fa tsy miresaka amin'Ilay Mpahary Hatrizay mandrak'androany?

Tsy azoko tsara ny fanontaniana. Fa azavaiko kely fanin-2 azany ilay izy.
1- Ary dia nisy ny "Mpamorona ny Mpamorona", dia i Prajapati... noresahin'ny sansikirity.
2- Ary dia nisy ny (zana-)Mpamorona toa an'i Brahma sy ry Dieu Chretien... noresahin'ny Latina
3- Ary dia namorona ny ... Judeo-Krisitianina HONO Izy

Araho tsara ho'a anie Genesisy fa ny hany takatr'ilay "Dieu chrétien" dia ny "100 km à la ronde-n'ny reniranon'i Babilaonina". Efa fantatry ny mpandinika (judeo-chretien) ohatra hoe, aiza ho aiza izao "Saha Edena" izao fa ao.

Koa na h@ l'an zéro azany, dia mbola coincé ao @ 100 km à la ronde-n'ny reniranon'i Babilaonina ny Judéo-Chrétien. Efa nisy sari-tany nalefako teto, fa dia TSY fantany ny Artic, Chine, ary na Kilimanjaro ao atsimotsimo io azany TSY fantany, mainka moa Amazonia sy Aostralia na koa MAdagasikara. Ary ny ankoatry ny "hitan'ny masony", dia ... Helo (raha any ambany) na Paradisa (raha any ambony) na TSY-misy fa "fara-vodilanitra".

Dia ihomehezan'ny Mpino an'i Prajapati fotsiny daholo izany :-)
54. Miharena ( 12/09/2017 18:24)
Hay ve izay no tianao hiaviana e!

Fa mba azonao an-tsaina ve Rhaj0 hoe ireo karazan-javaboary toy ny rano, tany, rivotra, afo ary ny zavamananan'aina rehetra dia ILAY MPAHARY no lazain'ny Kristianina fa nanamboatra azy ireo.

Ary mbola voalaza ao anaty Baiboly ny hoe : IZAHO IZAY IZY hatrizay ka ho mandrakizay no niresaka tamin'i Mosesy tamin'ny fotoan'andro nitarihana ny Isiraely nivoaka tao Egypta.

Ka raha nisandoka ny Mpahary fa Prajapati no tena izy fa izay voalaza ao anaty Baiboly miteny ilay teny eo ambony io lazainao fa tsy nahita afa-tsy ny 100km manodidina Azy, tsy hiteny velively Izy hoe IZAHO no mampisy, ary koa hoe : Ny zanako sy ny asan'ny tanako, aoka ho adidiko ihany.

Azo atao koa ny mamantatra hoe izany Prajapati izany ve nanangana ny maty ary nanome fiainana mandrakizay toy ny nomena an'i Jesoa, Elia ary Enoka?
55. rhaj0 ( 12/09/2017 18:44)
hi hi hi.. ny an'i Prajapati anie "reincarnation" no angadiny eee... MIverina velona DAHOLO ny "nohariaNY" rehetra, fa amina seho hafa fotsiny k'lou. Ny an'ny Dieu Chrétien anefa izao izy 3 mitsam ihany izany no voaveloNY: Incomparable :-)

Fa hozy ny Dieu Crhétien hoe, IZY no mampisy, dia ... toa hadinoNY ho'a fa i Parpajati no "nampisy" AZY ee....
56. Miharena ( 14/09/2017 05:34)
Tsy azo heverina ny reincarnation raha ny marina fa asan-devoly izany raha ny Krsitianina no resahana.

Ny olona tsirairay dia manana ny lalany amin'ny sehatra eto an-tany sy any Ankoattra fa tsy miverimberina eto an-tany izany.

Azonao atao ny manao fanandramana raha misy ireo olona reincarne ireo fa ankavitsiana no milaza fa nanao izany andrana izany.

Ny Dalai Lama sy Lobsang Rampa no ohatra fantatro aloha mba manao izany.

Ny ambiny dia izay olona raviravizan'ny devoly hanao izany asa izany mba hahazoan'ilay devoly hery hivelomana lavalava kokoa alohan'ny famerezana azy any amin'ny farihy mirehitra afo mandrakizay. Ity resaka farany ity dia atahoran'ny Devoly satria tsy manana fitsaharana izy sy fahafinaretana raha tsy misy olombelona hanaovana fandraviravizana hatramin'izay fe-potoana nomena azy izay.

Ka eo indrindra isika no mijery hoe iza no voalohany? Izay milaza fa tsy misy ny reincarnation raha ny tokony ho izy sa izay nanao io fomba io mba hivelomana lavalava kokoa amin'ny toerana izay ety ambanin'ny masoandro??

Valio tsara io aloha vao miteny ianao hoe iza no ELA?

Raha hamaly ihany ianao dia jereo ny fiainan'i Elia sy Jesoa raha miverimberina eto izy ireo maka vatana anankiray isaky ny miverina ary manao asa mahagaga sy fantatry ny olombelona hoe iny ny Jesoa miverina fa lasa izatsy na izaroa no endriny sy ny anarany.



57. rhaj0 ( 14/09/2017 12:16)
Miharena:
Tsy azo heverina ny reincarnation raha ny marina fa asan-devoly

Raha tsy diso aho, dia TSISY Devoly devoly izany ny revin'i Parpataji. Izany hoe, reviredy noforonina TATY AORIANA izany Devoly devoly :-)
58. Miharena ( 14/09/2017 17:47)
Ny toetranao izao dia isan'ny toetran-devoly.

Mety ho tezitra ianao nefa dia izay no fanakilasiana azy aloha.

Isika moa dia miteny mivantana ary tsy ankinafina koa no ilazako izay fijeriko mahitsy.

Mety hampifoha olona manko izay ka tsy ho voafatotry ny devoly izy aoriana kely ao.

Fa raha mikikitra amin'ilay toetra ihany ilay olona fa tsy mahatsiaro tena dia efa voa hatrany amin'ny tsinaimaintiny.

Aza avadika ny tantara fa hita mazava araka ny voalaza fa izay tsy manana fiainana mandrakizay no mamorona izao fiverenana ara-nofo ankibon'ny olombelona izao, ka izany Prajapati izany no lohany nivoy izany izay zavatra mifanohitra amin'ny fahamarinana momba ny famoronana.
59. Miharena ( 14/09/2017 17:47)
Ny toetranao izao dia isan'ny toetran-devoly.

Mety ho tezitra ianao nefa dia izay no fanakilasiana azy aloha.

Isika moa dia miteny mivantana ary tsy ankinafina koa no ilazako izay fijeriko mahitsy.

Mety hampifoha olona manko izay ka tsy ho voafatotry ny devoly izy aoriana kely ao.

Fa raha mikikitra amin'ilay toetra ihany ilay olona fa tsy mahatsiaro tena dia efa voa hatrany amin'ny tsinaimaintiny.

Aza avadika ny tantara fa hita mazava araka ny voalaza fa izay tsy manana fiainana mandrakizay no mamorona izao fiverenana ara-nofo ankibon'ny olombelona izao, ka izany Prajapati izany no lohany nivoy izany izay zavatra mifanohitra amin'ny fahamarinana momba ny famoronana.
60. rhaj0 ( 14/09/2017 18:47)
I Papajarti no "namorona" voalohany ho'a.. Ny sisa dia TATY AORIANA.
Ahoana no tsy aneken'i Miharena an'izany azany.. TSy azoko mihintsy :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1874