Andao aza ho alalinintsika hatramin'ny voalohany mihintsy ny baiboly dia hohitantsika ny marina...sa ny diso

1. endriny ( 05/05/2017 15:53)
Jenezy na Genesisy Toko I: Vakio tsara

1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
       6Hoy Andriamanitra: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano. 7Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. 8Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Aiza tsara hoe ny misy ny "LANITRA" a? Eo anelanelan'ny Rahona sy ny tany (Mazava io)

       9Hoy Andriamanitra: Aoka hiangona amin'ny fitoerana iray ny rano eo ambanin'ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina. Dia tanteraka izany. 10Nataon'Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe, ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 11Dia hoy Andriamanitra: Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin'ny tany. Dia tanteraka izany. 12Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.
       14Hoy Andriamanitra: Misia fanazavana eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; 15ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany. Dia tanteraka izany. 16Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa 17Napetrak'Andriamanitra eo amin'ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, 18hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
.

Teo amin'ny andro voalohany (1) eo amin'ny andininy faha3 Atra dia efa nampisy ny maizina sy ny mazava, kanefa aty amin'ny andro faha efatra (4) izy vao nanao ny masoandro amam-bolana. Dia mitombina ve izany?

Dia teo koa izy vao nanao ny kintana, nataony madinidinika kely be dia be ireto kintana ireto.

Ary mbola tsy nisy akory ny masoandro sy ny volana dia efa nisy zavatra naniry teto ambonin'ny tany.

Diso fijery ve ny masoko noho ny setroky ny saribao e ?
novalian'i Miharena ny 29/05/2017 04:43
2. henitsoamama ( 05/05/2017 17:08)
Na iah ku ar mb gaga ku, f ef io mu n ao ka hatao ahoana :D
3. rhaj0 ( 05/05/2017 17:10)
MIla raisinao koa ny dikany frantsay izay niaingan'i Andrianaivoravelona, ary ho hitanao fa tena sampona eeee...
- indraidray nohatsarain'ilery, satria dia mahamenatra loatra ny "voasoratra" (en francais). -
Indraidray disoin'ilery, ary dia tena mahamenatra loatra ny "voasoratra" (@ teny gasy).

Ka ndao azany tena asesy isaka ny fehezan-teny mihintsy ee..

1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
1 Au commencement, Dieu créa les cieux et la terre.

LES CIEUX ny original.. MIsy dikany ve izany? misy dikany satria raha tokana ilay izy, dia izay "ao ambony ao" rehetra izany no resaka. Fa raha maro ilay izy, dia ... hum.. "galaxie" ve no tiany tenenina? sa ireo lanitra 12-n'ny horoscope??

2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano
2 La terre était informe et vide: il y avait des ténèbres à la surface de l'abîme, et l'esprit de Dieu se mouvait au-dessus des eaux.

Endrika ve lehiretsy no "forme"?? Nataok'ty "bika" no "forme". Fa tsy maninona.
Fa vao noforoniny izany hono ny Tany, dia nisy Hantsana sy Rano.
Dia hoe "des ténèbres ". Misy maromaro. TEna tsy azoko. Hitako no tsotsorin'Andrnvrvnl ny resaka.
Dia hoe esprit = fanahy. Izay izany no takatr'i Andrnvrvnl.

Fa mba hotrhotry ny ahoana tokoany moa izany ilay izy tao? toa ny chutes de Niagara fa @ alina ao anaty maizina??? Dia ilay zavona na ilay piriti-drano mihevaheva eo ambony rano no "fanahin'Andriamanitra misonenika"??
4. bor2lais ( 05/05/2017 17:29)
:-)
Tena Créateur tokoa Izy e ! Normaly raha tsy takatry ny créature ny zava-bitany !
Indrindra moa raha setroky ny saribao ny tena ! ;-)
Aiza ve ka :
- miTeny fotsiny Izy dia lasa misy ny tsy nisy
- hay moa efa aty amin'ny andro faha-4 vao nisy ny resaka 1 jour = 24 h raha izany ô !
- raha izany ahoana indray ilay teny hoe "andro voalohany faharoa, ..., fahafito" tamin'ny famoronana sy ny jour 24h (alatsinainy, Talata, Alarobia, ...) ampiasaina @ izao fotoana izao e ?
Ilazao ihany rehefa afaka ilay setroka ô !
:-)
5. andriatiana2 ( 05/05/2017 17:57)
Arivo taona ny iray andro amin'Andriamanitra noho izany mety fito arivo taona angamb zany iz no nitsahatra a! :-)
6. andriatiana2 ( 06/05/2017 05:52)
ity misy groupe vaovao momban'ny finoana natao sehatra ivelaran'ny adihevitra eo aminy mpino tsy ankanavaka https://m.facebook.com/stories.php?aftercursorr=1494049339%3A1494049339%3A14%3A-347747191501949728%3A1493987556%3A6416893050987554051&tab=h_nor&__m_log_async__=1&refid=28&ref=opera_speed_dial
7. bor2lais ( 06/05/2017 07:41)

andriatiana2:

Arivo taona ny iray andro amin'Andriamanitra noho izany mety fito arivo taona angamb zany iz no nitsahatra a! :-)

Dia inona amin'ireo fito ankehitriny ilay andro atokanao ho Azy izany ?
:-)
8. lahindroy ( 06/05/2017 18:29)

andriatiana2:

Arivo taona ny iray andro amin'Andriamanitra noho izany mety fito arivo taona angamb zany iz no nitsahatra a! :-)

salama jiaby isika mpiserasera eto
1 andro (Andria...)= 1000 taona(olomb...) => 1 taona(Andria...) = 365 000 taona (olomb...)

100 taona hono i Abraham no niteraka an'Izaka ary i Sara kosa 90 taona koa raha marina ny filazana eo ambony io dia :
365 000x100 = 36 500 000 taona (olomb...) i Abrahama no niteraka an'Izaka !

angamba rehefa ankipy ny maso ary indrindra ny ...saina dia azo mety ho heverina ny mampitombina an'izany rehetra izany
9. rhaj0 ( 08/05/2017 04:04)
Mandeha haingana loatra ianareo.. misy efa any @ andro faha-4 sahadty. Fa mbola vao ny andininy faha-2 dia efa mananihany.

2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano
2 La terre était informe et vide: il y avait des ténèbres à la surface de l'abîme, et l'esprit de Dieu se mouvait au-dessus des eaux.

Teo izany dia efa nisy Latera (hantsana+rano=abime+eau)), ary izany dia efa talohan'ny "nisian'ny mazava" akoriny.

ka Andrmntra (sy ny fanahiny) izany "misonenika" taty @ Latera hono. Ka tsy manontani-tena va ianao hoe, ary ireo galaxie atsy @ mil million de km azany mba toatoa ny ahoana @ izany? Sa moa mbola tsy niforona ireny, fa atsy @ andininy faha-8 vao noforonin'ilay "Andrmntra-misonenika-ambony-rano-aty-@-latera", ka hoe, habakabaka = lanitra??

Dia avy eo hono dia hoe:
3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava.

Dia ireo photons koa izany "misonenika" eraky ny erana fotsiny @ izao koa an...

mba takatr'i Andrmntra ve hoe, ny photons dia misy source-ny fa tsy "misonenika" @ izao eny ho eny fotsiny eee???

10. stahtam ( 08/05/2017 06:12)

[quote=endriny]
Jenezy na Genesisy Toko I: Vakio tsara

1Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 3Hoy Andriamanitra: Misia ny mazava. Dia nisy ny mazava. 4Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny aizina. 5Ka ny mazava nataony hoe andro. Ary maizina kosa alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina. Izay no andro voalohany.
       6Hoy Andriamanitra: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin'ny rano. 7Dia nataon'Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin'ny habakabaka dia nosarahiny tamin'ny rano ambanin'ny habakabaka, dia tanteraka izany. 8Nataon'Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa.

Aiza tsara hoe ny misy ny "LANITRA" a? Eo anelanelan'ny Rahona sy ny tany (Mazava io)

       9Hoy Andriamanitra: Aoka hiangona amin'ny fitoerana iray ny rano eo ambanin'ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina. Dia tanteraka izany. 10Nataon'Andriamanitra hoe tany, ny maina; ary nataony hoe, ranomasina, ny rano tafangona, ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 11Dia hoy Andriamanitra: Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, samy mamoa misy ny voany ao aminy, araka ny karazany avy, eny ambonin'ny tany. Dia tanteraka izany. 12Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.
       14Hoy Andriamanitra: Misia fanazavana eo amin'ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona; 15ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava ny tany. Dia tanteraka izany. 16Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra; ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa 17Napetrak'Andriamanitra eo amin'ny habakabaky ny lanitra ireo hanazava ny tany, 18hitarika ny andro sy ny alina, hampisaraka ny mazava sy ny maizina; ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 19Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
.

Teo amin'ny andro voalohany (1) eo amin'ny andininy faha3 Atra dia efa nampisy ny maizina sy ny mazava, kanefa aty amin'ny andro faha efatra (4) izy vao nanao ny masoandro amam-bolana. Dia mitombina ve izany?

Dia teo koa izy vao nanao ny kintana, nataony madinidinika kely be dia be ireto kintana ireto.

Ary mbola tsy nisy akory ny masoandro sy ny volana dia efa nisy zavatra naniry teto ambonin'ny tany.

Diso fijery ve ny masoko noho ny setroky ny saribao e ?

[quote=stahtam]
Zavatra iray ihany no horaisiko, satria io no tsy voaresaka teto. Ny base de raisonnement iaingana mihitsy no tsy tokony hohadinoina fa TSY MITOVY. Ny tsy mino hafa ny base de raisonnement-ny, ny mino hafa ny base de raisonnement-ny. Ka hifandray ve ireo raha samy hanaporofo zavatra tsy hita maso tany aloha elabe tany?
Hoy i endriny: "Teo amin'ny andro voalohany (1) eo amin'ny andininy faha3 Atra dia efa nampisy ny maizina sy ny mazava, kanefa aty amin'ny andro faha efatra (4) izy vao nanao ny masoandro amam-bolana. Dia mitombina ve izany?"
1°) Ity fanontaniana iray ity ihany no hovaliako satria araka ny fanazavako teo ambony dia tsy hifandray mihitsy ny resaka eto satria samy manana ny base de raisonnement-ny.
Ho ahy (izay mino) dia izao no anazavako azy: ny olona izay NOFORONINA aza afaka manao transformation avy @ zavatra noforonina dia mahavita lumière TSY AVY @ MASOANDRO tahaka ny électricité ohatra ka Izy mpamorona indray ve no hoferan'ny fisainan'olombelona hoe tsy maintsy masoandro vao afaka manome hazavana? Raha hanontany mantsy aho hoe iza no namorona ny tselatra (na avy aiza no niavian'ny tselatra ho an'ny tsy mino) dia tokony hahita kosa ny rehetra fa manome hazavana ny tselatra nefa tsy masoandro. Ka ny insinuation te-hilaza fa tsy maintsy masoandro vao afaka hanome mazava dia hevitry ny tsirairay izany ka tsy ifanomezan-tsiny.
Ary io fanontaniana io ihany angamba no hovaliako @ ity resaka fanaporofoana ny baiboly ity satria tokony ho takatry ny rehetra ilay hoe: samy hafa ny base de raisonnement ka tsy hifandray mihitsy.
2°) Raha ny "théorie de bing bang" izay aroson'ny "tsy mpino" dia azoko valiana hoe: big bang tsy afaka hiteraka magnétisme na oviana na oviana ka hilazana hoe bing bang no niavian'izao rehetra izao. Angamba efa miha-fantatry ny rehetra eto ny tiako hambara.
11. irakiraka ( 08/05/2017 09:19)
Averina indray: ny Tenin’Andriamanitra dia raisina @ finoana. Taraiky eo ra hampiasa lojika @ fisainan’ny olombelona na hampihatra ny zavatra takatry ny saina mba hanakiana sy hanao an’I Dieu ho tsy misy.

Kely sy bitika anie ianao io ra olombelona e: “Fa tahakan’ny hahavon’ny lanitra @ tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo“ Isaia 55:9

Ianao io dia oharina @ tanimanga manoloana ny mpanefy azy: “Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga. Ka ny natao va hilaza izay tsy nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy. Na ny zavatra voaforona va hanao izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy? Isaia 29:16

12. endriny ( 08/05/2017 13:35)
stahtam:
ny olona izay NOFORONINA aza afaka manao transformation avy @ zavatra noforonina dia mahavita lumière TSY AVY @ MASOANDRO tahaka ny électricité ohatra ka Izy mpamorona indray ve no hoferan'ny fisainan'olombelona hoe tsy maintsy masoandro vao afaka manome hazavana? Raha hanontany mantsy aho hoe iza no namorona ny tselatra (na avy aiza no niavian'ny tselatra ho an'ny tsy mino)

I Dadanay sy Neninay CEP I sy CEP II no niala nianatra, fa izaho mba T5 vao nijanona. Tsy mety izany io amin'i Stahtam, fa izaho tokony T1 dia nijanona niantra, fa tsy mihoatra ny niteraka (Namorona ahy). Ny adala no toa an-dRainy.

irakiraka:
Kely sy bitika anie ianao io ra olombelona e: “Fa tahakan’ny hahavon’ny lanitra @ tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo“ Isaia 55:9

Araka ny famaritana nomen'Atra LANITRA = Habakabaka eo anelanelan'ny rano ambany (farihin'Anosy) sy ny rano ambony (rahona). Ka ilay olona bitika izao, efa lasa misidintsidina isan'andro eo amin'io lanitra io amin'ny vorom-by.

Dia hono ho'a ry Irakiraka: Aiza ho aiza tokoa moa izany ilay LANITRA mandrakizay, eo amin-dry Cumulus sa eo amin-dry Nimbus

13. rhaj0 ( 08/05/2017 14:02)
irakiraka:
Averina indray: ny Tenin’Andriamanitra dia raisina @ finoana.

Dia ahatsiarovako ny supporter-n'i Trump ianao ry Irakiraka. N'inon'inona lazain'ny olona hafa rehetra, na ny Woman's March na ny March for Science, na ny mpanao gazety, dia ny @ lainga sy fitaka lazain'i Trump, dia ... "raisina @ finoana" foana izay lazain'ilery eee, hozy ny sasany toa an'i Irakiraka, ary dia mavitrika manohana lalandava ao.

Dia mipetraka mihintsy ny olona hoe, ahoana azany no iresahana @ itony "mpino" (Trump) itony. Satria ny olana, dia raha mbola TSY mihaino ireo olona ireo dia, ny ataony foana ihany no ataony, nefa izany dia tena manimba ny fiainana tanteraka, satria
- sady manimba ny tontolo (zareo mantsy anti-science, anti-rechauffement climatique)
- mampahantra ny mahantra (zareo mantsy pro-rich)
- mamotika ny fisainan'ny Ankizy sy ny fiaraha-monina, fa tena mivatravatra ny fitiavan-kely (greed), indrindra ity toetran'i Trump mandainga hazahoany ny tiany ho azo.

Dia izao ny vokatry ny fandalinana. Avelao ireo Mpino (Trump) ireo izany ho ao eee.. Io hono atao hoe, toa ny namanao akaiky, nefa nofitahan'ny vadiny. Raha teneninao izy hoe, Ivadinao anie fangolika, dia ianao indray no hiadiany.

Fa avelao izy ho tonga saina ho azy ao, hahita fa ilay Itokiany ao anie ka ... resa-kehy.

Fa dia ho rotirotina foana ny resaka eee,, ho rasarasaina ny Baiboly ahitana tsara ny maha-tantara-angano azy.
14. rhaj0 ( 08/05/2017 14:20)
stahtam:
2°) Raha ny "théorie de bing bang" izay aroson'ny "tsy mpino" dia azoko valiana hoe: big bang tsy afaka hiteraka magnétisme na oviana na oviana ka hilazana hoe bing bang no niavian'izao rehetra izao. Angamba efa miha-fantatry ny rehetra eto ny tiako hambara.

Dia tena mbola mentalité-na mpino foana no entinao iresahana siansa (na big-bang) re ry Stahtam. Toa heverinao fa big-bang dia Andrtmntra vaovao, ka afaka "hiteraka magnétisme". Ca va pas la tête?? :-)
15. rhaj0 ( 08/05/2017 14:59)
io ho'a tsy mila alefa mihoatra ny andininy faha-2 akoriny.

2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany;
2 La terre était informe et vide:

tsy hita mazavabe ve fa "earth-centric" na hoe "géocentique" ilay BAiboly eee...

ka izay no takatry ny hoza-dohan'izay teo. Dia ny tohiny rehetra dia ilay nampino hoe, ny Latera koa no afovoan'ny tontolo manontolo. Efa ho an'arivo-taonany vao vaky vava fa resa-kehy kay izay.

Dia io "centric" io koa miitatra @ ilay "ego-centrism" giravin'ny mpino ee... Hoe izy tenabeny (ego) io dia centre du monde. Aiza no hoe, izy "olona kely sy bitika" mpino ao hono no "misonenika" @ izay hisonenehany ao, dia i Jesosy hono eo anilany ao foana.

Nataok'ty i Jesosy mbola aty @ Pole Nord???
16. stahtam ( 09/05/2017 05:15)
Ho an'i endriny:
"I Dadanay sy Neninay CEP I sy CEP II no niala nianatra, fa izaho mba T5 vao nijanona. Tsy mety izany io amin'i Stahtam, fa izaho tokony T1 dia nijanona niantra, fa tsy mihoatra ny niteraka (Namorona ahy). Ny adala no toa an-dRainy."
Ka tsy mitombina foana ve ilay resako hoe bases samy hafa ny antsika no iaingana e?
1°) Ny mpamorona (@ mpino) izany aminao dia mila mianatra mitovy @ noforoniny??!
2°) Avereno tsara ilay raisonnement-nao, alohan'ny hampifandraisana ilay ohatra raisinao. Ny mpampianatra anao no tokony hihoaranao raha mahavita ianao fa tsy ny dadanao sy ny neninao izay tsy nampianatra anao akory!
17. endriny ( 09/05/2017 11:32)

stahtam:

Ho an'i endriny:
Avereno tsara ilay raisonnement-nao, alohan'ny hampifandraisana ilay ohatra raisinao. Ny mpampianatra anao no tokony hihoaranao raha mahavita ianao fa tsy ny dadanao sy ny neninao izay tsy nampianatra anao akory!

Fiainana hafa dia hafa ny anao ry stahtam fa ny RR nao tsy nampianatra anao fa ny ahy ny Dadako sy ny Neniko no nampianatra ahy talohan'izay lazainao hoe mpampianatra. Ny Dadako sy ny Neniko no mpampianatra lehibe noho izay lehibe. Ary mbola tsy nisy nahasolo na nahavita ny fampianarana nataony tamiko. Ka sahiko ireharehana ny vitany.
18. stahtam ( 09/05/2017 11:54)

endriny:

Izay mihitsy ilay nolazaiko hoe samy hafa ny bases de raisonnement-ntsika e : ny ahy faits réels no ataoko hoe mampianatra, ny anao sentiment familial. Sao dia resa-jaza no iafaràny?
19. bor2lais ( 09/05/2017 12:49)
ramose_mpandalina:

Mandeha haingana loatra ianareo.. misy efa any @ andro faha-4 sahadty.

:-)
20. rhaj0 ( 09/05/2017 12:59)
OK bor2lais... entre sika sy ianao ity... Tena mino an'io Genesisy io tokoany ve ianao? tena mino fa tena izay tokoany, @ ara-baki-teny ny isan-toko aman'andininy, tena araka izay voatantara io no niforonan'izao tontolo izao??

TEna serieux aho io fa tena tia "handalina" tokoany an.. Tena iangaviako anao Bor2lais, mba valio tsotra sy mazava. Eny sa Tsia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7794